20/12/2025
FAHASALAMANA ADVENTISTA: NIFARANA TETO ANTSIRANANA NY FIOFANANA NAHARITRA EFATRA ANDRO
Antsiranana, 20 Desambra 2025 — Nifarana androany Sabata teto Antsiranana ny fiofanana natokana ho an’ireo mpiantsehatra amin’ny fahasalamana sy ireo liana amin’izany, nokarakarain’ny Departemantan’ny Fahasalamana Advantista Ranomasimbe Indiana. Naharitra efatra andro ny fiofanana ary niarahana tamin’ny Professeur RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis, tompon’andraikitra ao amin’ny Departemantan’ny Fahasalamana Advantista ao amin’ny Ranomasimbe Indiana.
Nandritra ny fiofanana dia nohazavain’ny Professeur ireo tombontsoa sy andraikitra lehibe sahanin’ny fahasalamana eo anivon’ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito. Nampisongadina izy tamin’ny fanontaniana fototra hoe: “Nahoana ireo Advantista mitandrina ny andro faha-7 no liana amin’ny fahasalamana?” Araka ny fanazavany, ampahany manan-danja amin’ny iraka sy fanompoan’ny fiangonana ny asa fitsaboana sy fanasitranana, satria mikendry ny fanompoana ny olona manontolo izany: ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy. Noho izany, sehatra ivon’ny fiangonana ny fahasalamana, satria mifamatotra akaiky amin’ny finoana sy ny fanompoana an’Andriamanitra.
Nankasitrahana manokana ny Professeur RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis tamin’ny anaran’ny Federation Madagascar Nord, araka ny fanambarana nataon’ny Tonia Mpanatanteraka, Pasteur MBOLATIANA Tsilavina David. Nambarany fa tombony lehibe ho an’ny Distrikan’i Antsiranana mitambatra ity fiofanana ity, ary nasehony ihany koa ny fanirian’ny mpitantan’asa hanohizana sy hanaparitahana izao fiofanana izao any amin’ireo distrika hafa ao anatin’ny federasiona ho fampiroboroboana ny fahasalamana sy ho fanamafisana ny iraka ara-panahy eo anivon’ny fiangonana sy ny fiarahamonina.