28/01/2022
INONA NY TOKONY HATAO REHEFA MIKORONTANA NY FIANGONANA ?
INONA NY TOKONY HATAO REHEFA MIADY NY MPIVADY ?
Ireo indray ny lohahevitra hojerentsika androany.
* Misy antony maro mety mahatonga ny fiangonana hikorontana,
sy mahatonga ny kristiana samy kristiana hiady an-trano sy hifanenjika ary hifanaratsy lava izao.
Kanefa, raha ny tena fototra miteraka ny olana rehetra, dia roa ihany (02), fa tsy maro.
Roa loha ihany ny fahavalontsika, izay tena antony fototra mahatonga ny ady sy fikorontanana ary fisarahana misy eo amin'ny fiangonana, sy eo amin'ny tokantrano, ary eo amin'ny fiaraha-monina :
- Ny fahavalo voalohany dia ny devoly (démons), izay mibitsibitsika amin'ny olona,
manome vaovao diso (faux renseignements), mandrangitra (provoquer), mampitombo (amplifier, envénimer), mampamono, mandatsa, mampamoi-fo, sns ...
- Ny fahavalo faharoa dia ireo olombelona izay miasa ho an'i satana (agents du diable), izay antsoina eto hoe mpamosavy (sorciers).
Ireo indray dia mikatsaka hatrany izay vaovao hotateriny any amin'i satana lehiben-drizareo,
sady mamafy lainga sy tsaho isankarazany, mifosa sy manaratsy lava izao, manozona (maudire, envoûter), ary mamono ihany koa.
Ireo fahavalo roa karazana ireo, dia manefa iraka avokoa (agents en mission),
satria izay ny zavatra ampanaovin'i satana azy ireo.
Ary rehefa tsy mahavita iraka izy ireo, dia voasazy mafy (punition),
fa rehefa mahavita kosa, dia mahazo valisoa (récompense).
Koa dia ilaina ny fitandremana sy fahamalinana be,
eo amin'ny fiainan-tokantrano, ny fiainam-pianakaviana, ny fiainam-pirenana, ny fiainam-piangonana, ny fiaraha-monina any am-pianarana sy any am-piasàna, sns ...
ka mba ho fantatrao tsara izay tena fototry ny olana miseho,
fandrao ianao variana miady foana amin'ny havanao, sy ny olon-tianao, ary ny zanak'Andriamanitra tahaka anao,
kanefa, ny tena fahavalo izay tokony hiadiana dia ny devoly sy ny mpamosavy.
* Hojerentsika voalohany eto ny hoe :
inona ny antony mahatonga an'ireo fahavalo ireo hanakorontana sy hampiady;
ary inona ny fomba ampiasainy hanatanterahany an'izany.
Rehefa avy eo, dia hojerena ihany koa izay tokony hatao,
mba hanoherana an'izany, sy hanarenana ny fahavoazana.
* Ny tanjona lehibe roa voalohany hotratrarina eto, dia ireto :
Rehefa azonao tsara izao fanazavana aroso eto izao,
ka hitanao tokoa fa roa ihany no tena fahavalonao, fa tsy maro akory,
ary ireo dia tsy ny havanao na ny namanao akory,
fa kosa, ny fanahy ratsy (demonia) irahin'ny satana, sy ny mpamosavy izay irahin'ny satana ihany koa,
dia manomboka izao :
1- ho sarotra aminao ny ho tezitra na hiady amin'ny namanao,
na hifanome tsiny, na hifandrafy, na hamaly faty (vengeance), na hifanenjika amin'ny havanao sy ny zanak'Andriamanitra toa anao.
2- ho mora aminao ny mamela heloka sy manala tsiny ny hafa.
Io zany dia hanamora ny dianao mankany an-danitra,
satria Jesosy Kristy dia efa nilaza mazava tsara hoe :
"raha tsy mamela ny fahadisoan'ny olona hianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo" (Matio 6:15).
Ary ny olona izay tsy avelan'Andriamanitra heloka, dia mazava hoazy fa tsy ho tafiditra any an-danitra mihitsy,
fa kosa, ho very any amin'ny helo mirehitra afo sy solifara.
* AZA MIADY AMIN'NY HAVANAO,
aza miady amin'ny vadinao,
aza miady amin'ny zanakao,
aza miady amin'ny olon-tianao,
aza miady amin'ny kristiana namanao, sy mpiray miantafika aminao,
satria tsy avy amin'izy ireo akory ny tena fototra ihavian'ny olana,
fa mpanatanteraka fotsiny izy ireo (instruments inconscients),
sahala amin'ny AKOHOLAHY ampiadina fotsiny;
fa ny tena mpampiady sy mpampifandrafy dia ny demonia sy ny mpamosavy, izay miasa ho an'i satana,
kanefa miafina ao am-badika ao ihany, sady tsy hita (dans l'ombre).
Koa raha ohatra ianao ka tsy mitandrina tsara, fa entim-po fotsiny,
ary dia iadianao sy potehinao ny havanao izay ampiadina aminao,
kanefa ireo devoly tsy voaroaka fa mbola eo ihany,
dia hamporisika olona hafa indray izy ireo, mba hiady aminao sy hopotehinao ihany koa.
Koa dia lasa ianareo samy ianareo ihany no mifandringana sy mifanapotika eo.
Ary dia faly sy mikakakaka ny demonia sy ny mpamosavy ary ny fahavalo,
maka toerana tsara rizareo mitazana anareo mianakavy mifamono sy miady eo.
"Ringana ny oloko, nohon'ny tsi-fisian'ny fahalalàna" (Hosea 4:6 ; Gal. 5:15).
- mpivady tsy mifampiteny intsony, nefa kristiana,
- tokantrano mivaralila sy rava,
- mpiray tam-po tsy mifampiteny sy tsy mifandevi-maty,
- kristiana mifanaratsy sy miady, tsy misy henatra intsony,
- mpitondra fiangonana lasa toy ny sakay sy maso,
- fiangonana potika sy voazarazara, ary ny ondrin'Andriamanitra -- tsy manan-tsiny, ao anatiny -- no tena mitondra faisana amin'izany,
- sns ...
Izany no vokatry ny asan'ny maizina, izay tsara ho fantatra,
mba hahafahana manohitra azy, fa tsy tokony havela fotsiny.
* INONA NY TOKONY HATAO ?
Ny fomba efa nahazatra antsika hatramin'izay,
rehefa misy olana mitranga, na eo amin'ny tokantrano izany, na eo amin'ny fiangonana,
dia mila entina am-bavaka.
Io izany ny zavatra tokony hatao voalohany indrindra :
entina eo anatrehan'Andriamanitra ilay olana, amin'ny alalan'ny vavaka (prière).
Kanefa, raha ohatra ka tsy hita vetivety ny valim-bavaka nantenaina,
na koa, vao mainka miharatsy ny toe-draharaha,
dia tsy tokony hipetraka fotsiny, ka hilaza hoe :
- efa natao ilay vavaka, koa izay mahasoa ataon'Andriamanitra;
- "Jehovah hiady ho anareo, fa hianareo kosa hangina";
sns ...
Aoka tsy ho hadino, fa, teo amin'ny ranomasina mena no nitenenan'i Jehovah Andriamanitra an'io teny io (Eksodosy 14:14),
fa rehefa tonga tany amin'ny tany Kanàna kosa, dia nasainy niady ny Zanak'Israely, fa tsy hoe "hangina" fotsiny.
Koa, ho antsika ankehitriny koa,
satria efa nomen'Andriamanitra fitaovana sy fahefana mba ho entina miady isika (combat spirituel),
dia tokony hampiasaina ireo,
fa tsy hoe "hangina" fotsiny,
na hilaza hoe : "sitrak'Andriamanitra matoa izao no miseho".
Misy fomba roa tokony hampiasana an'ireo fahefana nomena antsika ireo.
Ny voalohany dia ity :
* ROAHY NY DEMONIA, tsy hanimba ny fiainanao :
Io izany ny dingana manaraka, rehefa avy natao ilay vavaka voalaza teo.
Ny fomba fiadiana amin'ny demonia, dia amin'ny alalan'ny :
- famoahana sy fandroahana azy : "chasser les démons" (exorcisme),
- ary ny fanidiana ny lalana sy varavarana rehetra, mba tsy hahafahany miverina sy miditra indray.
Efa nisy fanazavana momba ny fandroahana demonia nalefa teto,
ary misy ihany koa ao anatin'ilay vavaka faha-7.
Nisy namafa anefa ilay izy taty aoriana,
nefa angamba azo alefa amin'ny hafatra miafina (MP), raha toa ka misy izay mbola tsy namaky azy.
Kanefa, raha ohatra ka tena tsy hainao ny manao azy,
dia aleo ianao mitady mpiandry (berger), na mankanesa eny amin'ny Toby (Centre de Réveil), fa eny efa misy olona za-draharaha momba an'io.
* Tsy ampy anefa raha roahina fotsiny ny demonia,
satria, raha izay fotsiny no ataonao, dia mivoaka tokoa izy, nefa lasa mandeha mitady demonia hafa koa, mba ho namany.
Ireo demonia tadiaviny ireo, dia izay matanjaka sy loza kokoa noho izy.
"Raha mivoaka amin'ny olona ny fanahy maloto, ...
dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa miaraka aminy izay ratsy noho izy;
dia miditra ireo ka mitoetra ao;
ary ny faran'izany olona izany dia tonga ratsy noho ny voalohany" (Matio 12.43-45).
Ireo devoly lozabe ireo no antsoina hoe "démons géants", izay tena manimba tokoa, sady sarotra roahina (Mat.17.21).
Ity misy ohatra anankiray, momba ny demonia izay sarotra roahina :
Ireo demonia izay mahatonga ny "perversions sexuelles", toy ny sodomita (homosexuel), sy ireo filàna ara-nofo mivaona rehetra.
Tsy mora ny mandroaka an'ireo demonia izay manandevo ny olona amin'io resaka filàna ara-nofo io, indrindra fa ny "lesbienne", "gay", "pédophile", "nymphomane", "mari de nuit", ...
Koa rehefa avy noroahina ny demonia, dia tsy mijanona eo,
fa mila miroso amin'ny dingana manaraka indray, dia ireto :
1- Mila esorina sy ialàna avokoa ireo fombafomba fanao, sy fadifady isankarazany, izay manana endrika fanompoan-tsampy (idolatrie).
Ireo zany dia izay zavatra nampitandremin'olona anao, na koa, ireo fomba sy fanao antsoina hoe "fomban-drazana".
Maro amin'ireny antsoina hoe "fomban-drazana" ireny no fomban-devoly raha ny tena marina;
izany hoe : baiko avy tamin'i satana nampanaoviny ny razam-be tany aloha tany.
Ireny izany dia mila ialàna, raha toa ka manana endrika fanompoan-tsampy,
mba tsy hahafahan'ny demonia miverina,
satria ny fomban'Andriamanitra no tokony hataontsika, fa tsy ny an'ny demonia.
2- Ary mila ariana na odorana -- ho may amin'ny afo -- ny zavatra rehetra izay azo avy tamin'ny ombiasy, mpimasy, mpitaiza, dadarabe, "fétichiste", "charlatan", "gourou", "maître", "marabout", "magicien", "occultiste", ...
Tsy tokony hotehirizina ireny, satria zavatra avy amin'ny devoly (propriété du diable).
Ny fitazonanao an'ireny dia lasa manome alalàna an'i satana hanjaka eo amin'ny fiainanao.
Kanefa, fantaro fa, izy dia tsy hanasoa anao velively,
fa ny hangalatra sy hamono ary handringana no hataony aminao (Jaona 10.10).
3- Ary mila hidiana ihany koa ireo lalana sy varavarana rehetra, izay ahafahan'ny devoly miverina sy miditra ao anatin'ny olona indray.
* Atao ahoana ny fomba fanidiana an'ireo varavarana ireo (chemin d'accès, porte d'entrée, légalité),
mba tsy hidiran'ny demonia ao anatinao :
- Ny fomba anankiray dia efa voalaza ao anatin'ilay vavaka faha-7.
- Ny fomba anankiray koa, dia amin'ny alalan'ny fitandremana ny didy folo (vie de sanctification).
Satria manko, rehefa ianao manana fitondran-tena mifanaraka amin'ny didin'Andriamanitra, dia lasa atahoran'ny devoly ianao, tsy sahiny hatonina mihitsy.
Izany hoe : ireo didin'Andriamanitra ireo zany, dia tsy hoe sazy akory, na entana mavesatra,
fa kosa : FEFY miaro anao tsy ho viravirain'i satana.
Izay ilay izy.
Koa ianaro sy tandremo tsara ny didy folo (10 Commandemnents de Dieu),
dia tsy ho afaka hiditra ao anatinao intsony ny demonia.
Izay ny momba ny fandrohana ny demonia, sy fisakanana ny fiverenany.
* Fa raha ny momba ny fiadiana amin'ny mpamosavy sy ny satanista indray,
dia efa nisy fanazavàna lavabe nalefa teto, iray volana lasa izay ( jereo ato : https://facebook.com/nenilava/posts/3039971842957062 ).
Tsy ampy raha ny devoly fotsiny no iadiana,
satria tsy ireo ihany ny fahavalontsika izay ampiasain'i satana hanimba sy hanakorontana sy hampiady ary hamono,
fa ao ihany koa ny mpamosavy, ombiasy, satanista, "franc-maçons", "rosi-cruciens", "kabbalistes", "illuminati", sns ... ..
Mpanoratra : M. Melchi Razato.
Nota : Aza hadino ny manao "partage", mba hahasoa ny hafa koa.