FJKM Antsirabe Fitiavana

FJKM Antsirabe Fitiavana Ny fiangonana FJKM Antsirabe Fitiavana dia fiangonana FJKM iray ao Antsirabe, izay eo ambany fitarihan'i Pasteur RAKOTOMANDIMBY Samuel.

🥖Mofonaina Zoma 28 Aogositra 2026📜MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO                  📖2 Timoty 2. 1-7👉MPINO MAHATOKY MAHER...
28/08/2026

🥖Mofonaina Zoma 28 Aogositra 2026

📜MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO

📖2 Timoty 2. 1-7

👉MPINO MAHATOKY MAHERY NOHO NY FAHASASOAVANA IZAY AO AMIN’I KRISTY

1 Koa hianao, anaka, dia aoka hihahery amin'ny fahasoavana izay ao amin'i Kristy Jesoa. 2 Ary izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan'ny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa. 3 Miaraha miaritra ny mafy amiko hianao tahaka ny miaramila tsaran'i Kristy Jesoa. 4 Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin'ny raharahan'izao fiainana izao, mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila. 5 Ary raha misy manezaka amin'ny filalaovana, dia tsy satrohana satroboninahitra izy, raha tsy manezaka araka ny lalĂ na. 6 Ny mpiasa tany izay misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra. 7 Diniho izay lazaiko, fa homen'ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin'ny zavatra rehetra hianao.
✨✨✨✨✨✨✨✨✨✨✨

Nitondra ny fiangonana tany Efesosy Timoty araka izay nahafantarantsika azy. Tao anatin’ny fahatanorany tokoa izy no nirahin’ny fiangonana hanao izany asa izany. Tsy asa mora taminy anefa izany ka nahatonga an’i Paoly nampahery azy. Ampirisihin’i Paoly Timoty hahery noho ny fahasoavana izay ao amin’i Kristy. Ireto no hevitr’izany:

1-Mahery noho ny fiombonana amin’i Kristy Jesoa

DIEM « koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin’ny alalan’ny fahasoavana ananantsika tafaray amin’i Kristy Jesoa »
Asan’Andriamanitra no tanterahin’i Timoty, ary amin’ny maha-asan’Andriamanitra azy izay dia tsy mora izany. Ary satria tsy mora dia tena sarobidy ny fiombonana feno amin’i Kristy izay miantso sy maniraka. Izay tafaray feno, izay miombona feno amin’i Kristy no hahery ka hahefa be amin’ny asan’Andriamanitra. Mazava izay nambaran’i Jesoa hoe : « raha misaraka Amiko kosa hianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona. » Jao 15. 5. Ny hoe tsy mahefa na inona na inona dia midika hoe tsy manana hery hahombiazana amin’ny zavatra rehetra.

☝️Koa ataovy ho zava-dehibe, amin’ny fanatanterahana ny asan’Andriamanitra ny hoe miombona feno amin’i Kristy, ao no manovo hery ho enti-manompo an’Andriamanitra.

2-Mahery noho ny fahendrena omen’i Kristy
Ny hoe mahery dia tsy midika hoe manam-pahendrena na manam-pahefana ara-tsaina sy ara-nofo manokana fa ilay miankina sy miantehitra amin’ny fahasoavana. Malemy satria nofo kanefa mahery noho ny fahasoavan’Andriamanitra. Ny fahasoavan’Andriamanitra arak’izany dia izay manome hery ny malemy, izay manome fahendrena ny malemy mba hahefany araka ny tokony ho izy ny asan’Andriamanitra. Ny fahasoavan’Andriamanitra dia mamelona fanantenana, mahatonga fandeferana, manome hery haharetana, mampiredareda ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fiangonana.
Hoy Paoly tamin’i Timoty : « Misaotra an'i Kristy Jesosy Tompontsika aho, Izay nampahery ahy, fa nataony mahatoky aho ka notendreny ho amin'ny fanompoana » 1 Tim 1. 12. Ilay hoe nampahery ahy dia ho enti-milaza hoe nanome fahendrena ahy, nanaisotra ahy tamin’izay mampalemy ahy ka nahatonga ahy ho Apostolin’i Jesoa. Fa fahasoavan’Andriamanitra tokoa no naha-Apostoly azy.

☝️Ho antsika rehetra izay manompo an’Andriamanitra eo amin’ny fiangonana, meteza hahazo fahendrena avy amin’Andriamanitra noho ny fahasoavana izay ao amin’i Kristy. Izany no tena mampahery antsika amin’ny fanompoana Azy.

3-Mahery mampianatra ny amin’i Kristy (and 2)

“Ary izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan'ny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa”
Ambaran’i Paoly eto fa nandre avy taminy Timoty ka asaina mizara amin’ny olona mahatoky izay hahay hampianatra ny sasany. Arak’izany ny fahasoavana omen’Andriamanitra, ny fahendrena avy amin’Andriamanitra dia ho enti-mampita ny fahalalana feno an’i Kristy amin’ny sasany.
👉Tsy ampy arak’izany ny mahery, hendry raha tsy hampianatra sy hampita ny fahalalana an’i Kristy ho an’ny hafa. Ny hoe sasany dia tsy iza akory izany fa ny manodidina, ny taranaka ho avy rehetra.

☝️Tena ilaina ny fahasoavana, tena zava-dehibe ny fahendrena, fa zava-poana izany raha tsy ho enti-mampahafantatra an’i Kristy izay lazain’i Paoly fa hery sy fahendren’Andriamanitra.

🙏🏻Ho an'Andriamanitra irery ny Voninahitra. Amena

🥖Mofonaina Alakamisy 27 Aogositra 2026📜 MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO              📖Eksodosy 31. 1-11👉🏻ILAY ANDRIAMANI...
27/08/2026

🥖Mofonaina Alakamisy 27 Aogositra 2026
📜 MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO

📖Eksodosy 31. 1-11

👉🏻ILAY ANDRIAMANITRA MANIRAKA ANTSIKA HIASA TSARA, MANOME FANAHY MASINA HAHATONGA ANTSIKA HO OLONA MAHATOKY

ARY Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 2 Indro, efa notononiko anarana Bezalila, zanak'i Ory, zanak'i Hora, avy amin'ny firenen'i Joda; 3 ary efa nofenoiko fanahin'Andriamanitra izy, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin'ny tao-zavatra samy hafa: 4 dia ny hihevitra hanao asa kanto, ny hiasa volamena sy volafotsy ary varahina 5 sy ny hamboatra vato halatsaka an-tranontranony ary ny handrafitra hazo, mba hanaovany ny tao-zavatra samy hafa. 6 Ary, indro, Izaho efa nanome an'i Oholiaba, zanak'i Ahisamaka, avy amin'ny firenen'i Dana, ho namany; ary ny fon'izay hendry rehetra dia efa nasiako fahendrena, mba hanaovany izay rehetra efa nandidiako anao: 7 dia ny trano-lay fihaonana sy ny fiara hasiana ny Vavolombelona sy ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo amboniny, sy ny fanaka rehetra momba ny trano-lay. 8 sy ny latabatra mbamin'ny fanaka momba azy, sy ny fanaovan-jiro tsara mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, sy ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra 9 sy ny alitara fandoroana ny fanatitra odorana mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy, sy ny faladiany. 10 ary ny fitafiana makarakara sy ny fitafiana masina ho an'i Arona mpisorona sy ny fitafian'ny zanany ho entiny misorona, 11 ary ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo manitra ho ao amin'ny fitoerana masina: araka izay rehetra nandidiako anao no aoka hataon'ireo.
✨✨✨✨✨✨✨✨✨✨✨✨

Olona nofidian’Andriamanitra manokana mihitsy eto amin’izao mofonaina izao no nantsoin’Andriamanitra hiasa ho Azy, hanao ny asany. Rehefa manome andraikitra ny mpanompony tokoa Andriamanitra dia

☝️Manome ny Fanahy Masina ho an’izay miasa ho Azy (and 2,3)
ÂŤ Indro, efa notononiko anarana Bezalila, zanak'i Ory, zanak'i Hora, avy amin'ny firenen'i Joda; 3 ary efa nofenoiko fanahin'Andriamanitra izy Âť
Nofidian’Andriamanitra manokana Bezalila hanao ny asany. Izany fifidianana azy izany dia narahin’ny fanolorana azy ny Fanahy Masina. Midika izany fa izay antsoin’Andriamanitra hiasa ho Azy dia omeny ny Fanahy Masina mandrakariva. Anisan’izay miantoka ny hahefana asa tsara ho an’Andriamanitra arak’izany ny fananana ny Fanahy Masina ao amin’izay voaantso hiasa ho an’Andriamanitra.
Meteza hiara-miasa amin’ny Fanahy Masina dia hahavita asa tsara (asa kanto) isika. Asa tsara ho fampandrosoana ny fanjakan’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao. Ny Fanahy Masina arak’izany dia sady hahefàna be no mamboly toetra mahatoky ao amin’ny mino.

☝️Manome fahendrena (and 3)
ÂŤ Indro, efa notononiko anarana Bezalila, zanak'i Ory, zanak'i Hora, avy amin'ny firenen'i Joda; 3 ary efa nofenoiko fanahin'Andriamanitra izy, dia fahendrena Âť
Mila fahendrena be ny miasa ho an’Andriamanitra. Fanalahidin’ny fahombiazana amin’ny asan’Andriamanitra ny fahendrena. Tsy ny olona rehetra arak’izany no hahavita asa tsara ho an’Andriamanitra fa izay manana ny Fanahy Masina mitarika azy hanam-pahendrena. Ary rehefa atao amim-pahendrena ilay asan’Andriamanitra dia mahavita tsara ny asa sy mahavita be amin’ny asa ary tena mahomby tanteraka amin’izany.
Mivavaha sy mangataha mandrakariva ny Fanahy Masina fa Izy hampahomby sy hanome toetra mahatoky anao.

☝️Manome fahaiza-manao (and 3)
ÂŤ Indro, efa notononiko anarana Bezalila, zanak'i Ory, zanak'i Hora, avy amin'ny firenen'i Joda; 3 ary efa nofenoiko fanahin'Andriamanitra izy, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin'ny tao-zavatra samy hafa Âť
Mba hanao ireo tao-zavatra samy hafa ao amin’ny trano-lay fihaonana dia nomen’Andriamanitra fahaiza-manao manokana Bezalila. Fahaiza-manao izay mampiavaka azy amin’ny olona rehetra teo amin’ny fiangonana. Fahaiza-manao izay mahatonga azy hahay hanao asa kanto, asa tsara ho an’Andriamanitra sy ny fiangonana.
Hay arak’izao ny mahatonga antsika hahavita asa tsara dia noho ny fahaiza-manao izay omen’Andriamanitra antsika. Mila mangataka izany amin’Andriamanitra isika dia tsy misy asa kanto, asa tsara izay tsy ho vitantsika. Io fahaiza-manao io dia ambaran’i Paoly hoe fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Fanahy Masina araka ny fampianarana ho an’ny Korintianina.

🙏🏻Ho an'Andriamanitra irery ny Voninahitra. Amena

🥖MOFON'AINA Alarobia 25 Aogositra 2026.📜 MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO                      📖 3 Jaona 1-8.  loholona m...
26/08/2026

🥖MOFON'AINA Alarobia 25 Aogositra 2026.

📜 MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO

📖 3 Jaona 1-8.

loholona mamangy an'i Gaio, ilay malala, izay tiako amin'ny fahamarinana. Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin'ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany.Fa faly indrindra aho, fony nisy rahalahy tonga ka nanambara ny fahamarinanao, dia toy ny andehananao araka ny fahamarinana.Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.Ry malala, manao asa mahatoky ianao na amin'inona na amin'inona ataonao amin'ireo rahalahy ireo, na dia vahiny aza izy,izay nanambara ny fitiavanao teo anatrehan'ny fiangonana; dia ho soa no ataonao, raha mamoaka azy koa araka izay miendrika hatao noho ny amin'Andriamanitra ianao; fa noho ny Anarana no niaingany, ka tsy naka na inona na inona tamin'ny jentilisa izy.Koa isika dia tokony handray tsara izay toy izany, mba ho mpiara-miasa aminy amin'ny fahamarinana.
✨✨✨✨✨✨✨✨✨✨✨✨✨

Faly indrindra ny mpitandrina sy ny mpitoriteny rehefa mahita ny "zanany" ara-panahy mandeha araka ny fahamarinana, izany hoe mandeha amin'ny fankatoavana an'i Kristy.

Aoka ny mpitondra fivavahana rehetra sy ny loholona rehetra (ireo zoky ara-panahy rehetra) mba samy ho tia sy hikarakara ny olona amin'ny Fiangonana tahaka izay nataon'i Jaona (2Jao 1:4).

Ny tantara dia mampahalala antsika fa fantatra tamin'ny fampiantranoana vahiny i Gaio.

Nandray ireny mpitory ny Filazantsara mandeha lavitra ireny mandrakariva izy sady nanampy azy ireny koa.

Maro tamin'izy ireny no tsy mbola fantany akory teo aloha, fa tena vahiny taminy, kanefa noraisiny sy nokarakarainy tsara.

Tsarovy fa fahamarinana eo imason' i Jesoa ny fahaizan' ny mino mifandray tahaka ny nandraisana Azy.

Aza hadinoina fa rehefa mandray ny irak' i Kristy isika dia toy ny mandray sy mikarakara Azy. Izany no atao hoe: mpanompo mahatoky.

Mahereza ary manao ny asan' ny Tompo.

🙏🏻 Ho an' Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen !

25/08/2026

" FA NY FAHASOAVAN'ANDRIAMANITRA NO NAHA TOY IZAO AHY ,.... NO NIARA NIASA TAMIKO " I Koritiana 15 : 10

Aza adino amin'ny ALAHADY 30 Aogositra 2026 amin'ny 2ora tolakandro ao amin'ny Fiangonana FJKM Antsirabe Fitiavana

🥖MOFON'AINA Talata 25 Aogositra 2026.📜 MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO              📖 Nehemia 7: 1-3.  nony vita ny mand...
25/08/2026

🥖MOFON'AINA Talata 25 Aogositra 2026.

📜 MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO

📖 Nehemia 7: 1-3.

nony vita ny manda, ka voalatsako ny lela-vavahady, sady voatendry ny mpiandry varavarana sy ny mpihira ary ny Levita,dia notendreko Hanany rahalahiko sy Hanania, lehiben'ny tao an-dapa, hitandrina an'i Jerosalema, fa lehilahy mahatoky izy sady matahotra an'Andriamanitra mihoatra noho ny maro.Koa hoy izaho tamin'ireo : Aza avela hovohana ny vavahadin'i Jerosalema mandra-pahafanan'ny andro; ary raha mbola mijanona eo ny mpiambina, dia aoka harindriny ny varavarana, ka hidionareo; ary manendre mpiambina avy amin'izay monina ato Jerosalema ihany samy ho eo amin'ny fiambenany avy, dia samy ho eo amin'ny tandrifin'ny tranony avy
✨✨✨✨✨✨✨✨✨✨✨✨✨

👉Maro amin' ny kristiana no mahay "manomboka" asa, fa vitsy no "mahatoky" hatramin’ny farany.

Rehefa vita ny mandan ’i Jerosalema araka ny Nehemia 7, dia tsy nijanona teo amin’ny fiderana sy fankalazana an' Andriamanitra i Nehemia.

Fantany fa ny fahaizana manorina dia tsara, fa ny fahatokiana amin’ny fiarovana sy ny fampandehanana ny asa no tena sarobidy amin’ Andriamanitra.

☝🏻Hita ao amin’ity soratra masina ity ny toetran’ny mpino mahatoky amin’ny asany:

1. Ny mpino mahatoky dia mahay mametraka lamina maty paika (and-1)
Rehefa natsangana ny varavarana, dia nosoratana sy notendrena avy hatrany ny mpiandry varavarana, ny mpihira, ary ny Levita. Inona no ambaran’izany amintsika?
Ny asa ara-nofo sy ny asa ara-panahy dia tsy azo sarahina. Ny fahatokiana amin’ny asa dia tsy fahaizana teknika fotsiny, fa fampifandraisana ny asa ataon’ny tanantsika amin’ny fiderana an’Andriamanitra.

👉Na mpampianatra ianao, na mpiasa tanana, na mpivarotra, na mpitarika; tsarovy fa ny asanao rehetra dia seha-panompoana ho an’ny Tompo.

2. Ny mpino mahatoky dia miaina amin' ny "tahotra an’ Andriamanitra" (and-2)
Nofidiana ho mpitantana i Hanany sy Hanania satria « lehilahy mahatoky izy sady natahotra an’Andriamanitra mihoatra noho ny maro ».

👉Eto no misy ny hafatra mafonja: Ny fototry ny fahatokiana ara-tsosialy sy ara-piarahamonina dia ny fahamarinana sy ny tahotra an’Andriamanitra ao anaty.

Tsy ny fanaraha-mason’ny olona no mahatonga ny mpino ho mahatoky, fa ny fahalalany fa misy Andriamanitra mahita ny zavatra rehetra ataony na hitan' ny olona na tsia hitan' ny olona izy.
☝🏻Ny kristiana manana tahotra an’Andriamanitra dia tsy mangalatra, tsy manao asa maizina, ary tsy mampiasa ny toerany mba hitadiavana tombontsoa manokana. Manao asa tsara mandrakariva izy satria tsara. Tadidio fa ny olona tsara dia manao asa tsara.

3. Ny mpino mahatoky dia miambina sy mikolokolo izay efa nekena (and- 3)
Nomena baiko izy ireo mba tsy hamoha ny varavaran’i Jerosalema raha tsy efa mafana tsara ny andro, ary hanidy azy tsara raha mbola eo am-piambenana ny mpiambina.

👉Tsy ampy ny mahavita zavatra indray mandeha; mitaky fahamatorana sy fiambenana tsy tapaka ny fahatokiana.

☝🏻Maro amintsika no mahay manomboka tetikasa na mihetsika amin’ny asa ka mafana fo amin’ny voalohany, fa tsy miambina hatramin'ny farany.
Ny fahatokiana dia mitaky amintsika ny ho mailo hatrany, hiaro ny fahatsarana efa nekena, ary tsy hamela ny fahavalo hiditra amin’ny alalan’ny fanaovana antsirambina ny asa.

☝️Ry havana ,
Aza miandry ho hitan’olona vao ho mahatoky. Tahaka an’i Hanania, aoka ny tahotra an’Andriamanitra ao anatiy no ho motera manetsika anao amin’ny fitantanana sy ny fiambenana ny asanao.
Izay mahatoky amin’ny kely no hatokisana amin’ny lehibe hoy Jesoa.
Aoka ho mpanompo mahatoky ianao. Mahereza ry havana.
🙏🏻Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen

🥖MOFON'AINA Alatsinainy 24 Aogositra 2026.📜 MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO📖 I Mpanjaka 2: 1-4.  rehefa antomotra ny and...
24/08/2026

🥖MOFON'AINA Alatsinainy 24 Aogositra 2026.
📜 MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO

📖 I Mpanjaka 2: 1-4.

rehefa antomotra ny andro hahafatesan'i Davida, dia nandidy an'i Solomona zananilahy izy hoe:Izaho efa handeha amin'ny lalan-kalehan'ny tany rehetra; koa mahereza ianao, ary misehoa ho lehilahy.Ary tandremo izay asain'i Jehovah Andriamanitrao hotandremana handehananao amin'ny lalany hitandremanao ny lalĂ ny sy ny didiny sy ny fitsipiny ary ny teni-vavolombelony, araka ny voasoratra ao amin'ny lalan'i Mosesy, mba hataonao lavorary avokoa izay rehetra hataonao sy izay rehetra halehanao,mba hanatanterahan'i Jehovah ny teny izay nilazany ahy hoe: Raha ny taranakao hitandrina ny alehany ka handeha eo anatrehako amin'ny fahamarinana amin'ny fony rehetra sy amin'ny fanahiny rehetra (hoy Izy), dia tsy ho diso zanakalahy ho eo amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely ianao.
✨✨✨✨✨✨✨✨✨✨✨✨✨✨✨

Inona avy ireo teboka dimy lehibe ambaran' izao soratra masina izao, ary inona no hafatra ho antsika kristiana eo anatrehan' izany?

1. Fijoroana amin'ny fahasahiana sy ny fahamatorana.

Ny fahatokiana amin'ny asa dia mitaky fahasahiana hijoro amin'ny maha kristiana sy ny fanatanterahana adidy tsy am-pisalasalana (and-2).

2. Fanarahana ny Tenin'Andriamanitra.

Ny Tenin'ny Tompo no boky torolalana mifehy ny etika, ny fahamarinana, ary ny fanapahan-kevitra rehetra amin'ny asa (and-3). Aza miala amin' ny didin' Andriamanitra.

3. Fanaovana ny asa amin'ny fo manontolo.

Ny asa atao amin'ny fo madio sy amim-pahatokiana eo anatrehan'ny Andriamanitra no fototry ny fahombiazana marina (and-4). Manaova asa amin' ny fo.

4. Fiomanana handray vokatry sy fitahiana maharitra.

Rehefa mahatoky amin'ny asa ny mpino, Andriamanitra no miantoka ny fahatanterahan'ny fampanantenana nataony sy ny fitahiany (and. 3-4).

Mivonòna handray ny vokatry ny fanompoana an' Andriamanitra sy ny fankatoavana ny Teniny. Misy io fa tsy nofinofy akory.

5. Famelana lova sy fijoroana ho vavolombelona.

Ny fahatokianao androany dia mametraka ohatra tsara sy mitondra fitahiana ho an'ny taranaka sy ny manodidina anao any aoriana(and. 4).

Aza faly mijery ny hita fotsiny ihany; saino sy banjino ny ho avy, ary mahaiza mamela lova mamy amin' ny fanompoana ny Tompo.

🫴Mahereza ry havana.
🙏🏻Ho an' Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen !

23/08/2026

" FA NY FAHASOAVAN'ANDRIAMANITRA NO NAHA TOY IZAO AHY ,.................. NO NIARA NIASA TAMIKO " I Koritiana 15 : 10

🥖 MOFON'AINA ALAHADY 23 AOGOSITRA 2026  📜 MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO                              📖 JAO. 17 : 1-51 ...
23/08/2026

🥖 MOFON'AINA ALAHADY 23 AOGOSITRA 2026

📜 MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO

📖 JAO. 17 : 1-5

1 Rehefa nolazain’ i Jesoa izany teny izany, dia nanandratra ny masony ho amin’ ny lanitra Izy ka nanao hoe: Ray ô, tonga ny fotoana; mankalazà ny Zanakao, mba hankalazan’ ny Zanaka Anao.
2 araka ny nanomezanao Azy fahefana amin’ ny nofo rehetra mba hanome fiainana mandrakizay ho an’ izay rehetra nomenao Azy.
3 Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy, Izay efa nirahinao.
4 Izaho efa nankalaza Anao tetỳ ambonin’ ny tany; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko.
5 Ary ankehitriny, Ray ô, mankalazà Ahy amin’ ny tenanao, dia amin’ ny voninahitra niarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao.
✨✨✨✨✨✨✨✨✨✨✨

Ny teboka lehibe azo hamafisina dia izao:
Jesoa manana fahefana hanome fiainana mandrakizay (and. 1–3)
Tsy fahefana hampahory no ananan’i Kristy, fa fahefana hamonjy sy hanome aina. Ary ny fiainana mandrakizay dia ny mahalala an’Andriamanitra sy Jesoa Kristy izay nirahiny.

Jesoa nahatoky tamin’ny asa nomen’ny Ray Azy (and. 4)
Tena mifamatotra amin’ilay lohahevitra ny teny hoe: “Vitako ny asa nomenao Ahy hataoko.”
Izany no ohatra lehibe ho an’ny mpino: tsy ampy ny manomboka ny asa nomen’Andriamanitra, fa ilaina ny mahatoky hatramin’ny fahavitany.

Jesoa naneho ny voninahitr’Andriamanitra (and. 4–5)
Ny tanjon’ny asan’i Kristy dia tsy ny voninahiny manokana, fa ny hampiseho sy hankalaza ny Ray. Noho izany, ny mpino mahatoky dia tsy mitady fotsiny hoe “Inona no azoko?”, fa manontany hoe: “Ahoana no hampisehoako ny voninahitr’Andriamanitra amin’ny asako?”

👉Ry havana,
Jesoa no modely lavorary amin’ny fahatokiana amin’ny asa nomen’Andriamanitra. Fantany ny “ora” miandry Azy, nefa tsy nihemotra Izy. Notanterahiny hatramin’ny farany ny asa nomen’ny Ray Azy.
☝️Koa ny mpino mahatoky dia:
mino an’i Jesoa, Ilay manome fiainana;
manao ny asa nampanaovina azy, na dia misy fahasarotana aza; maharitra hatramin’ny farany;
ary mampitodika ny voninahitra amin’Andriamanitra, fa tsy maka izany ho an’ny tenany.

🫴“Vitako ny asa nomenao Ahy hataoko.” — Jao. 17:4

🫴Izany no antso ho antsika amin’ity Alahady ity: Aoka isika ho mpino mahatoky amin’ny asa nomen’ny Tompo antsika, mandra-pahavitantsika azy.
🙏🏻Ho an’Andriamanitra ny voninahitra. Amena.

🥖Mofonaina Sabotsy 22 Aogositra 2026📜 MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO                      📖Joda 17-23            🫴🏻 KRI...
21/08/2026

🥖Mofonaina Sabotsy 22 Aogositra 2026

📜 MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO

📖Joda 17-23

🫴🏻 KRISTIANINA MAHATOKY:
MIARO NY FINOANA

17 Fa tsarovinareo, ry malala, ny teny voalazan'ny Apostolin'i Jesosy Kristy Tompontsika fahiny; 18 fa efa nilaza taminareo hoe izy: Amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filan'ny haratsiam-panahiny. 19 Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany fa tsy mba manana ny Fanahy. 20 Fa hianareo kosa ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin'ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin'ny Fanahy Masina; 21 ary tehirizo ny tenanareo ao amin'ny fitiavan'Andriamantra, miandry ny famindrampon'i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay. 22 Ary amindrao fo ny sasany izay mihanahana; 23 ary ny sasany kosa sariho avy amin'ny afo no famonjy azy; ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra, ka mankahalĂ  na dia ny akanjo voapentimpentin'ny nofo aza.
✨✨✨✨✨✨✨✨✨✨

Joda raha nanoratra ny Epistily dia nolazainy mazava tsara ny antony nahatonga azy hanoratra. Nambarany mazava tsara mihitsy fa nisy izay nahatery azy. Hoy mantsy Joda hoe : « Ry malala, raha manao izay zotom-po rehetra hanoratra aminareo aho hilaza ny amin'ny famonjena iombonantsika, dia nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, hananatra mba hiezahanareo mafy hiaro ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha monja ho an'ny olona masina. 4 Fa misy olona sasany efa niditra misokosoko, izay voasoratra fahiny ho amin'izany fahamelohana izany, dia olona ratsy fanahy, izay mamadika ny fahasoavan'Andriamanitsika ho fijejojejoana sady mandà ny Andrian-tokana, dia Jesosy Kristy Tompontsika »( and 3,4.) Te hananatra ny kristianina mba hiaro ny finoana kristianina Joda, mila harovana ny finoana amin’ireo olona nisokosoko teo amin’ny fiangonana hanimba sy hamotika ny finoana. Anisan’ny niatrika ny olana niainan’ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany izy, nahita ireo mpampianatra sandoka izay nahazo vahana teo amin’ny fiangonan’Andriamanitra. Mahatsiaro ho manana adidy hanentana ireo mpino izy ka nanoratra Epistily. Toromarika efatra no nomen’i Joda ho fiarovana ny finoana kristianina

☝️Mahatsiaro ny Soratra Masina (and 17)
DIEM « ianareo kosa, ry hava-malala, tsarovy ny teny efa nolazain’ireo apostolin’i Jesoa Kristy Tompontsika »
Zava-dehibe ny fahaiza-mitadidy ny tenin’ireo Apostoly. Ny teny nolazain’ireo Apostoly dia tsy inona akory fa ny Soratra Masina, ny fampianarana Soratra Masina, ny fanazavana ny Soratra Masina, ny fampianarana nomen’i Jesoa. Ireo Apostoly teo amin’ny fiangonana dia tena nampianatra Soratra Masina. Ny tanjon’izany fampianaran’izy ireo izany dia ny hiarovana ny finoana kristianina tamin’ny fampianaran-diso izay niara-dalana tamin’ny fandrosoan’ny finoana kristianina.
👉Mazotoa mianatra Soratra Masina, tsarovy tsara koa izay nianarana fa manampy amin’ny fiarovan-tena amin’ny fampianaran-diso miely sy mitady hahazo vahana eo amin’ny fiarahamonina sy ny fiangonana izany.

☝️Mivavaka tarihin’ny Fanahy Masina (and 20)
DIEM « ianareo kosa, ry hava-malala, ataovy izay handrosoanareo amin’ny finoana masina indrindra efa anananareo, ka mivavaha omban’ny herin’ny Fanahy Masina »
Mandroso amin’ny finoana ny olona eo amin’ny fiangonana rehefa mivavaka izy. Ny hoe mivavaka dia mifandray amin’Andriamanitra. Mifandray amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny hery omen’ny Fanahy Masina. Ny herin’ny Fanahy Masina no mahatonga ny mino haharitra amin’ny vavaka ataony.
👉Tsy zavatra mora rahateo ny mihazona ny fifandraisana amin’Andriamanitra. Asan’ilay ratsy ny mamotika sy manimba izany. Ny asan’ny Fanahy Masina no mampahery ny mino hihazona hatramin’ny farany izany fifandraisany amin’Andriamanitra izany. Rehefa voatana io fifandraisana amin’Andriamanitra io dia voaaro ny finoana kristianina.

☝️Mitahiry ny tena ho amin’ny fiainana mandrakizay (and 21)
DIEM « mitehiriza tena ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra ka mahandrasa ny famindrampon’i Jesoa Kristy Tompontsika hahazoanareo fiainana maharitra mandrakizay»
Ny anton’ny namonjen’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana dia ny hahatonga izay olom-bonjena hahazo fiainana mandrakizay. Rehefa nanaiky an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy ny olona dia tafiditra ao amin’izany fiainana mandrakizay izany izy. Na dia efa tafiditra ao amin’ny fiainana mandrakizay aza izy dia mety ho votsotra aminy izany fiainana mandrakizay izany, mety ho afaka ao amin’izany fiainana mandrakizay izany izy.
👉 Mbola eto amin’izao tontolo izao rahateo izy. Zava-dehibe arak’izany ny mitahiry ny tena ao amin’izany fiainana mandrakizay izany. Anjaran’Andriamanitra ny manome fiainana mandrakizay, anjaran’i Jesoa ny mampiditra antsika ao amin’ny fiainana mandrakizay, fa anjarantsika kosa ny mitahiry tena ao amin’izany fiainana mandrakizay izay namonjen’Andriamanitra antsika izany.

☝️Mankahala ny ratsy (and 23)
DIEM « mitandrema tsara ka ankahalao na dia ny akanjo voaloton’ny maha-olona mpanota aza"
Ny teny hoe mankahala dia midika hoe : « tsy tiana mainty ». Ny Kristianina mitahiry ny tenany ao amin’ny fianana mandrakizay dia mankahala ny faharatsiana.
👉 Tsy mahazo azy arak’izany ny faharatsiana. Miezaka amin’ny heriny rehetra tsy ho tratry ny herin’ny fahotana. Ny ota sy ny faharatsiana rahateo hoy Joda no hankahalaina. Fomba hitehirizana ny tena amin’ny fiainana mandrakizay rahateo izany.

🙏🏻Ho an'Andriamanitra irery ny Voninahitra. Amena

🥖Mofonaina anio Zoma 21 Aogositra 2026📜MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO                📖Matio 25  :  14 - 3014 Fa ny fanj...
20/08/2026

🥖Mofonaina anio Zoma 21 Aogositra 2026

📜MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO

📖Matio 25 : 14 - 30

14 Fa ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny olona izay efa handeha ho any an-tany hafa ka niantso ny mpanompony, dia nanolotra azy ny fananany:
15 koa ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray,― samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy.
17 Ary toy izany koa, ilay nandray ny roa dia nahazo roa ho tombony.
18 Fa ilay nandray ny iray kosa dia lasa nihady ny tany ka nandevina ny volan’ ny tompony.
19 Ary nony ela, dia tonga ny tompon’ ireo mpanompo ireo ka nampilaza azy ny amin’ ny volany.
20 Ary nony nanatona ilay nandray ny talenta dimy, dia nitondra talenta dimy koa izy ka nanao hoe: Tompoko, talenta dimy no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta dimy koa aho.
21 Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin’ ny fifalian’ ny tomponao.
22 Ary nony nanatona koa ilay nandray ny talenta roa, dia hoy izy: Tompoko, talenta roa no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta roa koa aho.
23 Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin’ ny fifalian’ ny tomponao.
24 Fa nony nanatona kosa ilay nandray ny talenta iray, dia nilaza hoe: Tompoko, fantatro fa olona mila voatsiary ianao, mijinja eny amin’ izay tsy namafazanao, ary manangona eny amin’ izay tsy nanahafanao;
25 dia natahotra aho ka lasa nandevina ny talentanao tao anatin’ ny tany; indry, lasanao ny anao.
26 Ary ny tompony namaly ka nanao taminy hoe: Ry mpanompo ratsy sady malaina, efa fantatrao fa mijinja eny amin’ izay tsy namafazako aho, ary manangona eny amin’ izay tsy nanahafako;
27 koa tokony ho nampanàna ny volako tamin’ ny mpanana vola ianao, ka raha tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany.
28 Koa alao aminy ny talenta, dia omeo ilay manana ny talenta folo.
29 Fa izay rehetra manana dia homena, ka hanam-be izy; fa izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.
30 Ary ario ho any amin’ ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.

✨✨✨✨✨✨✨✨✨✨✨✨

Address

Parc De L'Est
Antsirabe
110

Telephone

+261330507605

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FJKM Antsirabe Fitiavana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share