Univers of Christ

Univers of Christ Évengélisation et partage biblique

🛡💌Vavaka fiambenana:"Hay!Tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko na dia ORA IRAY ihany aza hianareo!""Miareta tory sy miv...
27/05/2021

🛡💌Vavaka fiambenana:
"Hay!Tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko na dia ORA IRAY ihany aza hianareo!""Miareta tory sy mivavaha mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy;mety ihany ny fanahy fa ny nofo no tsy manan-kery"Matio26:40-41
📩-Alina:9ora-10ora salamo132:3-5"Tsy mba hiditra ao an-daiko aho,na hiakatra amin'ny farafara fandriako,Tsy mba avelako hatory ny masoko na ho rendrehana ny hodi-masoko,Mandra-pahitako fitoerana hoan'i Jehovah,dia fonenana hoan'ny Maherin'iJakoba"
📩-Mamaton'alina:00ora-1ora
Asa16:25"Ary nony mamaton'alina dia nivavaka sy nihirra fiderana an'Andriamanitra iPaoly sy Silasy;ary nihaino azy ny mpifatotra"
Fitomaniana2:19"Mitsangana ,miantsoantsoa amin'ny alina hatramin'ny filatsahan'fiambenana,aidino tahaka ny rano eo anatrehan'ny tompo ny fonao!Asandrato aminy ny tananao hifona hoa amin'ny zanakao madinika;izay anan'ny hanoanana eny anjoron-dala-be rehetra eny."
Matio26:40-41
Salamo119:62
📩-Maraina:4ora-5ora
Salamo108:2
salamo57:8"Mifohaza ry voninahitro;mifohaza ry valiha sy lokanga,Hifoha maraina koa aho"
⭐️🔥Finoana sy fahefana;Hery avy amin'Andriamanitra no takiana:
-Romana13:1
-romana10:9
-Filipiana2:9-11
-Romana10:17
🛐🍄Toe-panahin'ny vavaka sy ny lalam-bavaka:
1-Vavaka fisaorana sy fiderana an'Andriamanitra
2-Vavaka fangatahana ny fanatrehan'Andriamanitra sy fandroahana ny asan'ny devoly
3-vavaka fifonana sy fangatahana famelan-keloka amin'Andriamanittra
4-Vavaka fangatahana ny ràn'i Jesosy
5-vavaka fanoloran-tena
6-Vavaka fangatahana ny Fanahy Masina
🌐🔸1️⃣-Vavaka fisaoranasy fiderana an'Andriamanitra:Salamo103:1-5 "Misaora an'i Jehovah ry fanahiko;ary izay rahatra ato antiko misaora ny anarany masina,Misaora an'iJehovah ry fanahiko ary aza misy adinoina ny fitahiany rehetra"
-Salamo96:1-4"mihira fihiram-baovaovao hoan'i Jehovah,mihirà hoan'i Jehovah ry tany rehetra;mihira hoan'i Jehovah,misaora ny anarany;Lazao isan'andro isan'andro ny famonjeny mahafaly"
🌐🔸2️⃣Vavaka fangatahana ny fanatrehan'Andriamanitra sy fandroahana ny asan'ny devoly:
Jakoba4:7-8:"Ka dia maneke an'Andriamanitra hianareo;ARY MANOHERA NY DEVOLY DIA HANDOSITRA ANAREO IZY.Manatona an'Andriamanitra dia hanotana anareo Izy.Diovy ny tananareo,ry mpanota;ary ataovy madio ny fonareo ry mpiroa saina."
1Petera5:8-9"Mahonona tena,miambena;fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany;TOHERO IZY,ka miorena tsara amin'ny finoana hianareo,satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran'izao tontolo izao."
"Ary izao dia hihiratra ny masoko,ary ny sofiko hihaino ny vavaka izay atao amin'ity fitoerana ity;fa efa nofidiko sy nohamasiniko ity trano ity mba hitoeran'ny anarako mandrakizay;ary ny masoko sy ny foko ho ao mandrakariva"2Tantara7:15-16
🌐🔸3️⃣-Vavaka fifonana sy fangatahana famelan-keloka:
Isaia6:1-7" Dia hoy izaho: Lozako!maty aho!fa lehilahy maloto molotra,sady ato amin'ny fir'enena maloto molotra no hitoerako;fa ny Mpanjaka dia jehovah Tompon'ny maro no efa hitan'ny masoko..."
1Jaona1:8-10"Raha hoy isika:Tsy manana ota isika dia mamita-tena isika,ny marina tsy ao anatitsika.Raha miaiky ny fahotatsika isika dia mahatoky sy marinaIzy ka mamela ny fahotatsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsy fahamarinana rehetra."
1Jaona1:7"Fa raha mandeha eo amin'ny mazava isika tahaka azy eo amin'ny mazava,dia manana firaisana isika,ary ny ràn'ny Jesosy zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra"
🌐🔸4️⃣-Vavaka fangatahana ny ràn'i Jesosy:
Apokalipsy12:11"Ary izy ireo dia naharesy azy noho ny amin'ny ràn'ny Zanak'ondry sy ny teny filazana Azy"
Hebreo10:22"Dia aoka isika hanatona amin'ny fo marina sy amin'ny fahatokiana b"e avy amin'ny finoana,manana fo voadio hoa afaka amin'ny fieritreretana ratsy sy tena voasasa tamin'ny rano madio"
🌐🔸5️⃣-Vavaka fanoloran-tena:
Romana12:1-2"koa amin'izany mangataka aminareo aho ry rahalahy,noho ny famindram-pon'Andriamanitra;mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona masina sitrak'Anderiamanitra dia fanompoa-panahy mety ataonareo izany"
🌐🔸6️⃣-Vavaka fangatahana ny Fanahy Masina sy ny batisan'ny Fanahy Masina:"Jaona16:24"Mandraka ankehitriny dia mbola tsy nangataka na inona na inona tamin'ny anarako hianareo;mangataha dia hahazo hianareo,mba ho tanteraka ny fifalianareo."
"Fa hahazo Hery hianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo,ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'ny Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany."Asan'ny apostoly1:8....."Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra.Fa tsy nandray fanahim-pahandevozana ho amin'ny tahotra indray hianareo,fa nandray ny fanahin'ny zanaka natsangana,izayiantoantsika hoe:Aba ;Ray o.Ny Fanahy dia miar-milaza amin'ny fanahin-tsika fa zanak'Andiamanitra isika."......"Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra,ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa,araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy."Asan'ny apostoly2:4
-🔘Volamena voadio tamin'ny afo:
🟡Fitafiana fotsy:
🟢Ody maso:
Apokalipsy3:15"...18Dia manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin'ny afo,mba hanankarena ianao,sy fitafiana fotsy hotafianao mba tsy hisehoan'ny henatrao noho ny fitanjahanao ary hodi-maso ahosotrao ny masonao mba hahiratra ianao."
-1Jaona1:1-2
-1Jaona5:4
-Ezekiela36:25-26"Dia hofafazako rano madio ianareo ka hadio;ny mba ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no anadiovako anareo.Ary omeko fo vaovao ianareo,ary fanahy vaovao no ataoko ao anatinareo,ary esoriko amin'ny nofonareo ny fo vato,ka omeko fo nofo ianareo."
-Jaona16:7-13
Jaona14:12-17
-1Jaona1:4
-Ohabolana4:20-22
-🟢Loharanon'aina:Apokalipsy7:17"Fa ny Zanak'ondry Izay eo afovoan'ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin'ny Loharanon'aina..."
-Apokalipsy22:17"Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe :Avia;ary aoka izay mahare hanao hoe:Avia.Ary aoka ho avy izay mangetaheta;ary izay mety,aoka izy hisotro maimaimpoana amin'ny ranon'aina."
-Ezekiela3:12:"Ary ny tanan'iJehovah dia tamiko,ary hoy Izy tamiko:Mitsangana ka mivoha amin'ny lohasaha ary any no hitenenako aminao"
🌤Vavaka:
🔹Jeremia33:3"Antsoy aho ,dia hovaliako ianao ;Ka ampisehoko zavatra lehibe sy saro-patarina izay tsy fantatrao"
🔸Apokalipsy8:4"Ary ny fofon'ny ditin-kazo manitra mbamin'ny vavaky ny olona masina dia niakatra avy eo amin'ny tanan'ny anjely ho eo anatrehan'Anderiamanitra"
🔹1Petera2:5"Ka dia atsangana koa hianareo tahaka ny vato velona ho trano Fanahy,ho fisoronana masina,hanatitra fanati-panahy sitrak'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy"
AMEN

HIAKATRA ISIKA!🛡HIAKATRA ISIKA!Manana anjara ao amin'iJesosy ianao!👑-🔹Hiakatra isika hitrandraka ny fahamasinana:🔸 Roman...
06/05/2020

HIAKATRA ISIKA!
🛡HIAKATRA ISIKA!Manana anjara ao amin'iJesosy ianao!👑

-🔹Hiakatra isika hitrandraka ny fahamasinana:🔸 Romana12:1-2 "Koa amin'izany mangataka aminareo aho ry rahala,noho ny famindram-pon'Andriamanitra,mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona,masina,sitrak'Andriamanitra,dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany.Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao;fa miova amin'ny fanavaozana ny saina,hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra,dia izay tsara sady ankasitrahana no marina."🔸

-🔹Hiakatra isika hitrandraka ny fahamasinam-pitondrantena: avy ao anaty mivoaka ety ivelany: 🔸"Ny rakitra tsara no amoahan'ny olona tsara fanahy zavatra tsara;ary ny ratsy kosa no amoahany olona ratsy fanahy zavatra ratsy."Matio12:35🔸

-🔹Hikatra isika hitady ny toe-panahy araka an'Andriamanitra sy ny Heriny: 1Petera 1:3"Efa nomen'ny Herin'Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin'ny voninahiny sy ny fahatsarany."

-🔹Hiakatra isika hitrandraka ny batisan'ny Fanahy Masina: 🔸Asan'ny Apostoly1:8 :"Fa hahazo Hery hianareo amin'ny hilatshan'ny Fanahy Masina aminareo,ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'ny Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany."🔸
🔸Asan'ny Apostoly 2:4 "Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra ,ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa,araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy."🔸
➡️Mangataha hofenoin'ny Fanahy Masina,mangataha ny batisan'ny Fanahy Masina: 🔸"Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin'ny anarako hianareo;mangataha,dia hahazo hianareo,mba ho tanteraka ny fifalianareo."Jaona16:24🔸

-🔹Hiakatra isika hitrandraka ny fiambenana ara-bavaka na ny vavaka fiambenana:
-Fiambenana alina(21h-22h),mamaton'alina(23h:30-00h:30),ary fiambenanana maraina(4h-5h):ora iray tsirairay avy.🔸"Hay !tsy mahazaka ny miari-tory amiko na dia ora iray ihany aza hianareo!"Matio26:41🔸➡️Jereo: 1Petera4:7;1Petera5:8;2Timoty2:3-4;Efesiana6:11-18

-🔹Hiakatra iska hitrandraka ny toe-panahin'ny vavaka sy ny lalam-bavaka:-vavaka fisaorana an'Andriamanitra;vavaka fangatahana ny fanatrehan'Andriamanitra sy fandroahana ny asan'ny devoly;Vavaka fifonana;vavaka fangatahana ny ran'i Jesosy Kristy mba hanadio sy hiaro ary farany Vavaka fangatahana ny Fanahy Masina ,ny Herin'Andriamanitra; ny asan'ny Fanahy Masina ary farany "NY BATISAN'NY FANAHY MASINA"asa2:4;asa1:8

-🔹Hiakatra isika hitrandraka ny fahamarinana:"Mialoha ny hahafantaranao ny marina dia mila fantatrao aloha hoe inona ny zavatra mangeja anao na manandevo anao"-➡️🔸"ka ho fantatrareo ny marina ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo."Jaona8:32🔸

-🔹Hiakatra isika hitandraka ny Fanahin'ny Fahamarinana tena marina:tsy ho tafiditry ny fanahy mamitaka na ny fampianaran-diso;🔸"Fa ny Fanahy milaza marina fa amin'ny andro aoriana dia hihemotra amin'ny finoana ny sasany ,manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran'ny demonia."1timoty4:1-jereo manontolo 2Korintiana11🔸
-Mba ho tena ara-baiboly: 1Timoty4:13"Mandra-pihaviko tandremo ny famakian-teny,ny fananarana,ny fampianarana."🔸

-♦️Toy ny ranomasina lehibe:misy olona maro ndeha hiditra ny ranomasina:ny sasany manitsaka ny rano hatrany ankitrokely ihany;ny sasany miditra hatrany amin'ny lohalika;ny sasany miditra lalindalina hatrany amin'ny helika; ary ny sasany efa difotry ny rano efa milomano:-☑️Tahaka izany ny fitrandrahantsika ny fahamasinana:tsy hatrany ankitrokely intsony fa hilentika isika hitrandraka ho difotry ny fahamasinana.🛐
-Hiakatra iska hitrandraka ny fitandremana ny sitrapon'Andriamanitra,ny fitsipik'Andriamanitra:salamo 119:1-6"Sambatra ny mahitsy lalana izay mandeha araka ny lalan'i Jehovah.Sambatra izay mitandrina ny teny vavolombelony,ka mitady azy amin'ny fo rehetra." Isaia 11:3"Ary ho hanitra ankasitrahana aminy ny fahatahorana an'i Jehovah"

-♦️Tongava ato amin'ny pejy;fa ho hitanao
-♦️Tongava,tongava ato amin'ny pejy:tongava dia vimbino ny fonao hitady an'iJesosy Kristy.
-♦️Tongava dia vimbino ny fonao hitia an'i Jesosy Kristy
-♦️Tongava fa manana anjara ao amin'i Jesosy ianao

🔹Tongava ato amin'ny pejy fa hiakatra isika ho ditin-kazo manim-pofona ho an'Andriamanitra: Apokalipsy 8:4 "Ary ny fofon'ny ditin-kazo manitra mbamin'ny vavaky ny olona masina dia niakatra avy eo an-tanan'ny anjely ho eo anatrehan'Andriamanitra."

🔸1Petera2:5 "Ka dia atsangana koa hianareo tahaka ny vato velona ho trano Fanahy,ho fisoronana masina,hanatitra fanati-panahy sitrak'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy."🔸

👑👑👑👑👑👑👑👑👑👑👑👑👑👑👑👑👑👑👑👑👑👑👑

01/05/2020

🇲🇬"Ny fahamarinana manandratra ny firenena"ohabolana14:34🇲🇬

🇲🇬🏆Mpandresy isika🏆🇲🇬

Miarahaba tompokoAmin'izao zavamisy zao de misy zavatra na lesona maro azo tsoahina.🌍-te hanambara amintsika Andramanitr...
17/04/2020

Miarahaba tompoko
Amin'izao zavamisy zao de misy zavatra na lesona maro azo tsoahina.
🌍-te hanambara amintsika Andramanitra :mba tena hiverina aminy izao tontolo izao (mba ho afaka amin'ny fanamelohana dia ny fitsarana) ary satria tiany isika dia izany no mbola hanomezany tombon'andro tombom-pamindram-po hoatsika rehetra indrindra fa isika eto Madagasikara mankoana.
-Ka noho izany nde ary isika hanamafy ilay firaisana aminy ;hivavaka hoan'ny firenentsika malalatsika ity
-Ande tena ho feno vavaka ;ho feno fibebabahana tena marina ,andranomaso mihintsy aza mba hamonjena ity tanintsika ity "ny tenanareo sy ny zanakareo hozy Jesosy hitomanio"lioka23:28
-Tsy manana afa tsy ny Tompo isika :mba hampandresy antsika na eo amin'ny lafiny fivelomana izay tena vao may manahirana ankehitriny ;hampandresy antsika ho voaharo eo ampelatanan'Andriamanitra
"ataoko ahona ny hijery ny loza hanjo ny fireneko"
-Mahay manasitrana Andriamanitra ,mahay mamela heloka Andriamanitra,ary indrindra mahay manasitrana ny tany izy
"Raha ny oloko izay nantsoina amin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony,dia hiaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny" 2Tantara 7:14🌍

05/02/2020

Vanessa Moisa -10.000Reasons (Violin Cover)

05/02/2020

what a Beautifull Name-Hillsong Worship-Cover by Reese Olivieira

05/02/2020

Good good Father-HouseFires2

Toaka 🍺🍺🍺Isaia 5:11-16  & isaia5:20-23"Lozan'izay mifoha maraina koa ka mitady toaka!Izay miboboka mandra-paharivan'ny a...
27/01/2020

Toaka 🍺🍺🍺
Isaia 5:11-16 & isaia5:20-23
"Lozan'izay mifoha maraina koa ka mitady toaka!Izay miboboka mandra-paharivan'ny andro,Ka ampirehetin'ny divay!Ary ny lokanga sy ny valiha,ny ampongatapaka sy ny sodina no ary ny divay no foto-panasany;Fa ny asan'i Jehovah tsy mba jereny,ary ny ataon'ny tanany tsy mba hitany,-ARY NOHO IZANY DIA HO LASAN-KO BABO NY OLOKO NOHO NY TSY.FAHALALANY,ary ny olona ambony.ho mosarena,ary ny valalabemandry ho main'ny hetaheta,-KOA IZANY NO MAMPITANATANA VAVA NY FIAINAN-TSI-HITA,HANAO TELIMOKA AN'I JEROSALEMA;ANY NO HIVARINAN'NY VONINAHINY SY NY FIHAHOHAHONY,ARY NY TABATABANY MBAMIN'IZAY MIFALIFALY AO AMINY;Ary ny zanak'olombelona dia hatao mitanondrika,ary ny.olona haetry,ary ny mason'ny miandranandrana dia haidina,Fa Jehovah,Tompon'ny maro,no hisandratra amin'ny fitsarana,Ary Andriamanitra masina dia hiseho ho masina amin'ny fahamarinana"(isaia5:11-16)
♦Tadidio fa na inona antony na inona antony ny zavatra iray matoa noraran'vandriamanitra nasiana fitsipika dia efa fantany mialoha fa tsy mety amin'ny ra-zanak'olombelona
⏩👉Ny efa voafatotra sy voazigon'ny devoly sy satana mahatsiaro mijaly nefa tsy afaka ;tokana ihany no azo antoka mahay manafaka dia i Jesosy Kristy ilay Zanak'Andriamanitra-Jaona8:36 "Koa raha ny zanaka no hahafaka anareo dia.ho afaka tokoa ianareo";Esory ny tahotra sy fisalasalana,ento eo aminy ny entam-pahotana izay mamatotra anao.
"Matoky Azy mandrakariva hianareo, ry olona;LOARY EO ANATREHANY NY FONAREO;Andriamanitra no aro ho antsika"Salamo62:8-
♦➡"Lozan'izay milaza ny ratsy.ho tsara ary ny tsara ho ratsy!Izay manao ny maizona ho mazava ary ny mazava ho maizina!Izay manao ny mangidy ho mamy ary ny mamy ho mangidy!Lozan'izay manao azy ho hendry sy manao azy ho mazava saina!Lozan'izay fatratra nefa amin'ny fisotroan-divay ihany,sy izay kanto nefa amin'ny fampiharoharoana toaka ihany!Ary izay manamarina ny meloka noho ny kolikoly sy manala ny rariny.amin'ny marina"(ISAIA 5:20-23)

Sigara 🚭!!🚭Rongony 🚭!!🚭->joba 41:11-18 Efa hita ao anaty baiboly hatrizay ary efa nisy hatrizay;… Fahotana satria tsy ar...
24/01/2020

Sigara 🚭!!🚭Rongony 🚭!!🚭->joba 41:11-18
Efa hita ao anaty baiboly hatrizay ary efa nisy hatrizay;… Fahotana satria tsy araka ny namoronan'Andriamanitra ny olombelona hatrizay ary nisy fiainana fa fiainana tsy maharesy lahatra an'Andriamanitra;fiainana tsy hitan'Andriamanitra-> izany hoe izay rehetra tsy mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra,izay rehetra fiainana lavitra an'Andriamanitra sy ny fahamasinana no atao hoe "Fiainan-tsi-hita";…
Satria ny fahotana sy ny fahalotoana dia samy tsy ankasitrahan'Andriamanitra" Aoka ho masina ianareo satria masina Aho"1petera1:16b ->noho izany ny tena dia tempolin'Andriamanitra madio sy masina:"Koa amin'izany mangataka aminareo aho,ry rahala,noho ny famindrampon'Andriamanitra,mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona,masina,sitrak'Andriamanitra,dia fanompoam-panahy mety ataonareo izany,ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo;fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina,hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra,dia.izay tsara sady ankasitrahana no marina"Rom 12:1-2
♦•Tokony hiala amin'ny ratsy ny olombelona rehetra eto amin'ny.tanin'ny velona mba.ho tonga amin'ny fitahian'Andriamanitra sy ny sitrapon'Andriamanitra"Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsy fahalalana;fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao mba hibebaka"Asan'ny apostoly17:30; "Fa raha ny
ratsy.fanahy miala amin'ny fahotana rehetra izay nataony ka mitandrina ny didiko rehetra ary manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona tokoa izy,fa tsy ho.faty" •Ezekiel18:21 ♦💎Hita ao amin'ny bokin'i Joba 41:11-26 🔥"Lelafo no mivoka avy ao amny vavany ;kilalaon'afo no mipariaka avy aminy ;ny vavorony dia ivoahan'ny setroka ;tahaka ny avy amin'ny vilany mangotraka, na amin'ny fahandroana; Ny fofonainy mampirehitra arina ; ary misy lelafo mivoaka avy amin'ny vavany. Ny vozony no itoeran'ny hery ;ary mibitaka eo alohany ny fampahatahorana,mivalombalona ny hotraka amin' ny tenany,mafy ireny ka tsy azo endahana,-Mafy tahaka ny vato ny fony;eny mafy tahaka ny vato fikosoham-bary-Raha mitsangana izy dia.raiki-tahotra ny mahery ; Eny toran-kovitra ka tsy mahavoa;Raha misy mamely azy amin'ny sabatra.dia tsy mahalaitra,na amin' ny.lefompohy, na ny.firombaka,na ny.zana-tsipika-Ataony toy ny mololo ny vy,ary toy ny hazo momoka ny varahina;Tsy mampandositra azy ny zana-tsipika;ataony toy ny vodivary ny vaton'antsamotady;Ataony.toy ny vodivary koa ny langilangy,ihomehezany ny fanetsehana ny lefona"

24/01/2020

"Lazarus and the richman"
-Lazare et l'homme riche
I Lazarosy sy ilay mpanankarena
•Luc16:19-31 … lioka16:19-31

24/01/2020

Celui qui detient la souveraineté sur tout-Dieu detruit Sodome et Gomorrhe:(Genèse18;19:1-29)
•Jude 1=7
•Romains1=26-27
•1Corinthiens6=v9-10

•Romains 1:26-27 "C'est pour cette raison que Dieu les a livrés à des passions déshonorantes:leurs femmes ont remplacé les rapports sexuels naturels par des relation contre nature;de même, les hommes ont abondonné les rapports naturels avec la femme et se sont enflammés dans leur désirs les uns pour les autres;ils ont commis homme avec homme des actes scandaleux et ont reçu en eux-mêmes le salaire que méritait leur égarement"->Romana1:26-27"Izany no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny filan-dratsy mahavoafady;fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin'izay tsy fanaony;ary tahaka izany koa ny lehilahy,fa namela ny fanao amin'ny vehivavy izy ka maimay tamin'ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra,dia nandray tao amin'ny.tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany"

•JUDE1:7 "De même,Sodome et Gomorrhe et les villes voisines, qui se sont livrées comme eux à l'immoralité sexuelle et à des relations contre nature,sont données en exemple et subissent la peine d'un feu éternel"->Joda 1:7"Ary toy izany koa,Sodoma sy Gomora mbamin'ny tañana manodidina azy,izay nijangajanga tahaka azy koa ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin'ny iaretany fijaliana amin'ny afo maharitra mandrakizay".

•1CORINTHIENS 6:9-10 "Ne le savez-vous pas que les injustes n'hériteront pas du royaume de Dieu?Ne vous y trompez pas :ni ceux qui vivent dans l'immoralité sexuelle,ni les idolâtres, ni les adultères,ni les travestis,ni les homosexuels,ni les voleurs, ni les hommes toujours désireux de posséder plus,ni les ivrognes,ni les calomniateurs,ni les les exploiteurs n'hériteront du royaume de Dieu." ->1KORINTIANA 6:9-10"Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra?Aza mety ho fitahina hianareo :fa ny,mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra"

Joba.20:12-23"Na dia mamy ao ambavany aza ny ratsy,ka afeniny ao ambanin'ny lelany,ary tsitsiny ka tsy foiny,fa tehirizi...
21/01/2020

Joba.20:12-23
"Na dia mamy ao ambavany aza ny ratsy,ka afeniny ao ambanin'ny lelany,ary tsitsiny ka tsy foiny,fa tehiriziny ao amin'ny lanilaniny ihany!dia miova ny.haniny ao an-kibony,ka aferon'ny vipera no ao anatiny-Harena no nateliny ka alohany indray;loaran'Andriamanitra hiala ao an-kibony izany-Ny poizin'ny vipera no hotsentsefiny;hahafaty azy ny lelan'ny menarana, -Tsy ho faly mahita renirano izy,dia ony sy riaky ny tantely sy ronono,-Tsy azony atelina izay nikelezany.aina,fa tsy maintsy hampodiny,na dia be aza ny hareny,dia tsy ho araka izany ny hafaliany-Fa nampahory sy nahafoy ny reraka izy,Ka naka trano an-keriny,fa tsy hahatontosa azy,-Satria tsy mahalala mionona ny kibony,dia tsy hahavonjy ny tenany mbamin'ny tiany indrindra izy,-Tsy misy tsy tratry ny fieremany;ka dia tsy haharitra ny fiadanany!-Ho poriporitra izy,na dia mihoa-pampana aza ny fananany;ny tanan'ny ory no hamely azy- Halefan'Andriamanitra ny fahatezerany mirehitra hameno ny kibony;Eny,halatsany aminy toy ny ranonorana izany ho hanina ho azy"

Address

Antsirabe

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Univers of Christ posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to Univers of Christ:

Share