Flm Ambalavato

Flm Ambalavato Fiangonana Loterana Malagasy Ambalavato Fitiavana Antsirabe

Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay . Joana 6:4...
09/03/2026

Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay . Joana 6:40a 📖

Ny Flm Ambalavato sy ny Sampana Fifohazana eto amin'ny Flm Ambalavato Antsirabe dia faly manolotra ho anao : 😋🫶🏾

Fampisehoana iarahana amin'I Groupe Ny AVO 😍
📌 Zoma 01 May 2026 📌
📍 FLM Ambohimena ANTSIRABE 📍
🕝 @ 2 Ora sy Sasany tolak'andro 🕝
⬜ Fandraisana Anjara : ⬜
- 4000 Ar
🔴 Fanasana Manokana : 🔴
- 15 000 Ar

Ny vola azo rehetra dia ho fanorenana ny Trano fivantanana any amin'ny Toby Lehibe Ankaramalaza sy ho fampandehanan-draharaha ny Fiangonana . ✨❤️

Manasa antsika rehetra hanohana ny Asan'Andriamanitra tompoko. 🙏🏾




Miarahaba Amin'ny anaran'I Jesosy tompoko. 🫶🏾🙏🏾 Ity misy fandaharana iray izay arahina ao @   Foibe Loterana momba ny Fi...
05/03/2026

Miarahaba Amin'ny anaran'I Jesosy tompoko. 🫶🏾🙏🏾
Ity misy fandaharana iray izay arahina ao @ Foibe Loterana momba ny Fifandraisana "RFF 91.2 Mhz" isakin'ny Zoma Tapabolana , manomboka amin'ny 5 ora Tolak'andro . 📻
Ny rahampitso Zoma 6 Martsa 2026 izao dia hanarahan-tsika ny mombamomban'ny Centre de formation ONG Ararata Ambalavato . ✨
Mihainoa finaritra Tompoko ! 🙏🏾


25/02/2026

Chorale Sedera Ambalavato
"Tsy Ireo Be Voninahitra "
A/C, Arr, Son, Cad : Tiana Andriamanantena

Tamin'ny taona 2009 ity Hira ity .
Andao mba hankafizina ny zanan-tsika e .🥰
Mirary soa daholo Tompoko 🙏🏾

02/02/2026

Address

Antsirabe

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Flm Ambalavato posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Flm Ambalavato

Tamin’ny voalohany dia olona vitsivitsy no nanao vondrom-bavaka koa tamin’ny taona 1893 dia nanorina Trano Fiangonana, trano hazo io naorina io, tsy niova ny toerana fa tamin’ity toerana misy azy amin’izao fotoana izao ihany.

Ingahy RAINIMANJATO sy RADANIEL no nanome ny tany, araka ny voalaza dia trano hazo no nanaovana ny trano fiangonana vao novana rotsopeta, Ingahy RAKOTOVELO rahalain’ingahy DANIEL no tena nafana fo tamin’ny fanaovana io trano rotsopeta io.