Jesosy Fandresena Antsirabe

Jesosy Fandresena Antsirabe Fiangonana iray mitory ny filazantsara an'i Jesosy Kristy avy eto Antsirabe,Madagasikara

Misaotra an'i Jesosy afaka nihombom-bavaka tamin'ny fiangonana tao toamasina indray ny alahady teo, fiangonana Izay tand...
29/04/2026

Misaotra an'i Jesosy afaka nihombom-bavaka tamin'ny fiangonana tao toamasina indray ny alahady teo, fiangonana Izay tandreman'ny Pasitora Jocelyn Raveloson mivady. Mahery sy mitraka ny fiangonana na dia teo aza ny sedra Izay nolalovan'izy ireo nohon'ny rivo-doza Gezany teo, ka rava ny trano fiangonana.
Mirary faherezana ary mivavaka ho anareo Pasitora mivady sy ny fiangonana rehetra hatrany izahay tompoko!

Entoana ihany koa dia hisaorana isika fiangonana any amin'ny faritra rehetra Izay nanohana azy Ireo ho fanarenana indray ny trano fiangonana, Andriamanitra hamaly fitia tompoko! hisaorana hianikoa ny Tompo fa Dia efa manomboka ny asa fanarenana any an-toerana

Ny teny nifampizarana moa dia tao amin'ny: Ohabola 3: 5-6 .

Mifampivavaka hatrany isika !

26/04/2026

Fotoam-bavaka mivantana | Alahady 26 aprily 2026 | Fiangonana Jesosy Fandresena

19/04/2026

Fotoam-bavaka mivantana | Alahady 19 aprily 2026 | Fiangonana Jesosy Fandresena

12/04/2026

Fotoam-bavaka mivantana | Alahady 12 Aprily 2026 | JESOSY FANDRESENA

GO MOVEMENT 2026Hetsika hiombonana amin'ireo fiangonana maro maneran-tany ho fanapariahana ny filazantsaran'i Jesosy Kri...
10/04/2026

GO MOVEMENT 2026
Hetsika hiombonana amin'ireo fiangonana maro maneran-tany ho fanapariahana ny filazantsaran'i Jesosy Kristy, tsy diso anjarany amin'izany ihany koa isika eto Madagasikara,sy eto Antsirabe !
Manomana antsika mpino sy kristianina rehetra eto anivon'ny Jesosy Fandresena ary fa raha sitrapon'ny Tompo dia hanomboka ny volana May iny ny hetsika Izay ho ataon-tsika ho famonjena fanahy manerana Ireo fiangonana misy antsika eto Antsirabe.

Ndeha hanatanteraka Ilay hiraka lehibe ary isika, manatena ny fiaraha-mihentan-tsika ho amin'izany ary ho voninahitr'i Jesosy :) !
Fiadanana ho amintsika !!!

05/04/2026

P***a 2026 | Alahady 05 Aprily 2025 | Fiangonana Jesosy Fandresena

05/04/2026

P***a 2026 | Alahady 05 Aprily 2025 | Fiangonana Jesosy Fandresena

𝐈𝐬𝐚𝐒𝐚 πŸ“πŸ‘1 Iza no nino ny teny renay? Ary tamin’iza no naseho ny sandrin’i Jehovah?2 Fa naniry teo anatrehany tahaka ny s...
02/04/2026

𝐈𝐬𝐚𝐒𝐚 πŸ“πŸ‘

1 Iza no nino ny teny renay? Ary tamin’iza no naseho ny sandrin’i Jehovah?

2 Fa naniry teo anatrehany tahaka ny solofo Izy sy tahaka ny faka amin’ny tany karankaina; tsy nanana endrika na voninahitra Izy, ka raha nijery Azy isika, dia tsy nisy hatsarana haniriantsika Azy.

3 Natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana; Ary tahaka izay tsy tian’ny olona hotejerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba noheverina.

4 Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika; kanjo isika kosa nanao Azy ho nokapohina sy nasian’Andriamanitra ary nampahorina.

5 Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotorina noho ny helotsika; ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika.

6 Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon’i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra.

7 Nampahorina Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava; dia tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan’ny mpanety azy, eny, tsy niloa-bava Izy.

8 Tamin’ny fampahoriana sy ny fitsarana no nanesorana Azy; ary iza amin’ny taranany no hisaina fa nesorina tamin’ny tany velona Izy noho ny fahadisoan’ny oloko ka nasiana kapoka?

9 Ary nomena ny fasany teo amin’ny ratsy fanahy Izy, ary teo amin’ny mpanankarena tamin’ny nahafatesany; na dia tsy nanao ratsy akory aza Izy, ary tsy nisy fitaka teo am-bavany.

10 Nefa sitrak’i Jehovah ny hanorotoro Azy; efa nampahory Azy Izy; raha manao ny ainy ho fanati-panonerana Izy, dia hahita taranaka, ho velona ela Izy, ary ny sitrapon’i Jehovah dia hambinina eo an-tanany.

11 Noho ny fahoriana niaretany dia hahita mazava Izy ka ho voky; ny fahalalany no hanamarinany ny maro, dia ny Mpanompo marina; ary Izy no hitondra ny helony.

12 Koa izany no hizarako anjara aminy amin’ny lehibe, ary hiara-mizara babo amin’ny mahery Izy; satria nafoiny ho amin’ny fahafatesana ny ainy, ary niaraka nisaina tamin’ny mpanota Izy; ary Izy nitondra ny fahotan’ny maro sady nifona ho an’ny mpanota.

Herin'andro masina | Andro faharoa✨ π€π‡πŽπ€ππ€ 𝐍𝐎 πˆπ€πˆππ€ππ€ 𝐍𝐘 π…πˆπ‹π€π™π€ππ“π’π€π‘π€  ? ✨ πŒπ€πŒπ„π‹π€ π‡π„π‹πŽπŠπ€, πŒπˆπ€πˆππ€ π€ππ€π“π˜ π…π€π‡π€πƒπˆπŽπ•π€πŒ-ππŽπŸ“– Ko...
01/04/2026

Herin'andro masina | Andro faharoa

✨ π€π‡πŽπ€ππ€ 𝐍𝐎 πˆπ€πˆππ€ππ€ 𝐍𝐘 π…πˆπ‹π€π™π€ππ“π’π€π‘π€ ? ✨

πŒπ€πŒπ„π‹π€ π‡π„π‹πŽπŠπ€, πŒπˆπ€πˆππ€ π€ππ€π“π˜ π…π€π‡π€πƒπˆπŽπ•π€πŒ-𝐏𝐎
πŸ“– Kolosiana 3:13 | Efesianina 4:32 | Matio 18:22 | Lioka 23:33-34

𝐍𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐑𝐨𝐞 𝐦𝐚𝐦𝐞π₯𝐚 𝐑𝐞π₯𝐨𝐀𝐚 𝐝𝐒𝐚 :
- Tsy manisa ireo fahadisoana nataon’ny hafa taminao
- Tsy miandry ny olona hifona aminao
- Tsy mahatsiaro intsony ny ratry natao taminao
- Tahaka ny Tompo (Jeremia 31:34)
- Mifona eo anatrehan’Andriamanitra noho ny ratry nataon’ny olona taminao

🌿 Aoka isika hianatra hamela heloka, tahaka an’Andriamanitra mamela antsika

✝️ Pasteur Nalison ANDRIANTSOA
πŸ“… 01 Aprily 2026

Address

Lot: 20 E 100 Ambohimiandrisoa, Rue RAINIZANABARY
Antsirabe
110ANTSIRABE

Telephone

+261346444705

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Jesosy Fandresena Antsirabe posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to Jesosy Fandresena Antsirabe:

Share