05/06/2026
Misy fotoana tsy takatry ny saiko izay hitondranao ahy.
Toa mampanontany tena hoe mbola mihaino ahy ihany ve Ianao ?
Misy fotoana mijery ny an'ny hafa dia mahita hoe tena taraiky aho izany fa aiza ihany ny mba anjarako ?
Indraindray na ny hamaritako an'izay zava-miseho eo amiko aza tsy haiko sy tsy voalazako akory.
Indraindray na ny hitraka sy handroso aza sarotra amiko satria tsapa fa toa mavesatra amiko ilay zava-misy.
.. Fa na izany aza tsy ataoko hampiova ny fitiavako Anao izany rehetra izany satria ho aiza intsony moa aho 🥹 Ianao no efa teo foana ho ahy.
Mbola tsy hary akory sy mbola tao an-kibon'i Neny aho dia efa fantatrao, notiavinao sy efa nofidianao. Koa iza intsony no mahalala ny fiainako mihoatra Anao ? ❌ TSY MISY ❌
Ka anio, n'inon'inona zavatra tsy maintsy ho lalovako fantatro fa VELONA NY MPAMONJIKO. Ary, miaraka amiko eny foana Izy tsy mandao na mahafoy ahy. Ka na mbola tsy mijoro akory aza aho dia efa voalahatra ho ahy ny FANDRESENA satria manoatra nohon'ny mpandresy aho ao Aminy.
Fantatro fa izao ilay malala eo imasonao, be voninahitra sady tena tianao. Ka raha tia ahy Ianao tsy hamela ahy ho irery izany. Ka eo an-tànanao no azo antoka indrindra ka tsy hiala aho fa hifikitra Aminao mandrakizay.
Ka hilaza aho hoe : "TSARA FOANA NY FITONDRANAO KA IFALIAKO ary TSY MBA DISO IZANY IANAO"
Huios Antsirabe