C'est notre mission

C'est notre mission inty "page"ty dia natao ifampizarana tenin'Andriamanitra� sy natao ifanabeazana ��isika samy tanora momban’ ny fitondran-tena sy ny maro hafa���

🙏
19/07/2025

🙏

19/06/2025
Miarahaba nahatratra ny taona vaovao
31/12/2021

Miarahaba nahatratra ny taona vaovao

30/12/2021

Le Seigneur… mettra en lumière ce qui est caché dans les ténèbres, et manifestera les intentions des cœurs ; et alors, pour chacun, l’approbation viendra de Dieu. (1 Corinthiens 4. 5)

Tu as bien fait
– Le roi David souhaitait bâtir un temple magnifique pour son Dieu. Mais c’est à son fils Salomon, et non à lui, que Dieu confie le soin de réaliser ce projet. Pourtant, l’intention de David, inspirée par son amour pour Dieu, a plu à l’Éternel, qui lui dit : “Tu as bien fait de l’avoir eu à cœur” (1 Rois 8. 18).
– Bien plus t**d, quelques femmes ont assisté à la mise au tombeau de Jésus. Mais c’est le sabbat et, conformément à la loi, elles ne doivent pas se déplacer. Dès la fin du sabbat, elles vont au tombeau pour embaumer le corps de Jésus. Mais le tombeau est vide, Jésus est ressuscité. C’est trop t**d… La démarche de ces femmes attachées au Seigneur a-t-elle été inutile pour autant ? Non ! Elles ont ainsi pu annoncer sa résurrection aux disciples. Leur projet plein d’attention a été utile, même s’il n’a pas abouti.
– Dans la vie chrétienne, il arrive que certains projets qui nous tiennent à cœur semblent être des échecs : un long trajet pour rendre visite à un ami hospitalisé, qui n’est pas dans sa chambre, une invitation annulée à la dernière minute…
Nous sommes parfois perplexes. Avons-nous dépensé notre temps et notre énergie pour rien ? Nous avons pu nous tromper, mais le motif qui nous a fait agir n’a pas échappé à Celui qui sonde les cœurs et les pensées. Une démarche apparemment inutile a sa valeur pour celui qui apprécie, non pas le résultat visible, mais les motifs intérieurs. “L’Éternel ne regarde pas ce à quoi l’homme regarde, car l’homme regarde à l’apparence extérieure, et l’Éternel regarde au cœur” (1 Samuel 16. 7).

10/12/2021

Jesosy nanao fanoharana tamin’izay nasaina, raha nahita azy mifidy ny fitoerana aloha. (Lioka 14. 7)

Raha manao fanasana ianao, dia asao ny malahelo, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba ; dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly ireo. (Lioka 14. 13, 14)

Rehefa asain’olona ianao… Rehefa manasa olona ianao (5)
Tsara vakina : Lioka 14. 7-14
Nandritra ny fisakafoanana iray Jesosy dia nanome ireto fampianarana roa ireto, momba ny fihetsika tokony hatao rehefa asain’olona na rehefa manasa olona.

Rehefa asain’olona isika, dia toroin’i Jesosy hevitra mba hanetry tena. „Izay rehetra manandra-tena no haetry ; ary izay manetry tena no hasandratra” : mihoatra lavitra noho izay fitsipika fitondrantena tsara eo amin’ny fiaraha-monina izany. Mifanohitra amin’ny fanaon’izao tontolo izao io fijery vaovao io, fijery ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Ao anatin’io sehatra ara-toe-panahy io, dia mamindra fo Andriamanitra, ary manome voninahitra izay miaiky fa tsy manana fahamendrehana halahatra.

Rehefa manasa olona isika, dia angatahin’i Jesosy hihevitra ireo olona nailikin’ny fiarahamonina, fa tsy ireo manan-katao. Mba tiany halala-tanana isika, tsy hikendry tombontsoa, tsy hiandry valiny amin’izay soa mety ataontsika. Ndao hahatsiaro mandrakariva ny fahalalahan-tanan’Ilay Raintsika any an-danitra, izay asehony antsika isanandro isanandro, asehony antsika izay mahantra, mahantra fitiavana na tsy manan-kantenaina, kilemaina, voaratran’ny fiainana sy mitahiry ireo holatry ny lasantsika ; isika izay mandringa, ka na efa nahazo taom-pahasoavana maro aza, dia mbola mikotringatringa ihany manatona an’Andriamanitra, tsy sahy mino ny fitiavany ; isika izay jamba mihevi-tena ho mahiratra sy mahalala… Ndao hiezaka haka tahaka izany fahalalaham-pon’Andriamanitra izany. Na eo aza ny fahasamihafantsika, dia miara-taomina isika hipetraka am-panetrentena eo amin’ny toerana

23/11/2021

Fa izay atahorako no mahazo ahy, ary izay angovitako no manjo ahy. (Joba 3. 25)

Aoka ny fivavahana… no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra, amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy. (Filipiana 4. 6, 7)

Izay natahorako

Nanonofy ny zanakay lahy, tamin’ny herinandro lasa : nitondra ny fiarakodiany hono izy, ary nivilavila teny amin’ny arabe ilay fiara. Nony maraina dia notantarainy tamin’ny vadiny ny nofiny. Ny asabotsy, nitsangantsangana niaraka tamin’ny zanany telo izy, no nibolisatra teny amin’ny lalana mando ny fiara, ka nidona imbetsaka tamin’ny fefy fiarovana. Tsy nisy naratra izy ireo, saingy potika tanteraka ilay fiara.
Manaitra ilay fifanandrifian-javatra, nefa asehon’ny andinin-tSoratra Masina androany fa indraindray dia mitranga tokoa izay ahiantsika.
Joba dia „tsy mbola nahita fiadanana na fitsaharana” (Joba 3. 26), ary nitranga taminy tokoa izay nahiany. Aretina naharitra elabe no nizahan-toetra ny finoan’ilay patriarka, ary nampisy fandinihan-tena lalina ara-panahy izany. Nefa nijanona ho mahatoky tamin’Andriamanitra izy, ka niseho mivantana taminy Andriamanitra, nampibanjina azy ny fahalehibeazany eo amin’ny voary. Rehefa nifarana ny fizahan-toetra, dia afaka niteny i Joba hoe : „Fandrenesan’ny sofina ihany no nandrenesako Anao ; fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao” (Joba 42. 5). Dia hitany ny fiadanana, ilay fiadanana omen’ny Tompo, izay tsy mba voatohintohin’ny trangan-javatra eo amin’ny fiainana, ary tonga hatrany amin’ny mandrakizay. Tsy misy intsony ny tahotra ny ampitso.
Ary ahoana ny amiko ? Misy tebiteby manenika ahy ve ? na fisalasalana, fahoriana miafina, tahotra, fanahiana ? Te hanafaka ahy ny Tompo, te handray ny vavaka ataoko, ny fiekeko heloka, ny fahasahiranan-tsaiko. Hoy Izy : „Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo… Aza malahelo na matahotra ny fonareo” (Jaona 14. 27). Te hampitony ahy Izy, ary tia ahy ; „tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra” (Marka 7. 37). Ndao hatoky Azy.

16/11/2021

Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Ianao. (Salamo 30. 2)
Hotahina izay olona matoky an’i Jehovah, dia izay manana an’i Jehovah ho tokiny. (Jeremia 17. 7)

Nitsabo ny feriny aho, fa Andriamanitra no nanasitrana azy

Io lohateny io dia tenin’i Ambroise Paré, mpitsabo nalaza tamin’ny taonjato faha-16. Izy dia heverina ho isan’ireo mpamorona ny fandidiana môderina. Io fehezanteny notononiny io dia manoro antsika ny fihetsika tsara hananana, manoloana ny fitsaboana.
„Nitsabo ny feriny aho”, izany hoe, nikarakara azy. Ny dokotera na ny mpandidy dia nianatra hahafantatra ny fambara aretina isan-karazany, ary miezaka hitsabo izany araka izay azo atao. Tombontsoa tokony hankasitrahintsika ny fahafahana mampiasa ny fahaizan’ny mpitsabo. Ary ny kristiana manao ireo asa ireo dia afaka maneho ny toetran’ny Tompo Jesosy : halemem-panahy, fiahiana, fahamarinana…, toa an’i Lioka evanjelista, izay nantsoin’ny apostoly Paoly hoe : „Lioka malala, mpanao fanafody” (Kolosiana 4. 14).
„Fa Andriamanitra no nanasitrana azy” : ny dokotera dia mitsabo, nefa Andriamanitra no mifehy ny zava-drehetra ; samy avelany hitranga na ny aretina sy ny loza, na ny fahasitranana. Isika rehetra, na mpitsabo na marary, dia tokony hahatsiaro mandrakariva fa an’ny Mpahary ny aina ary Izy no mifehy ny trangan-javatra rehetra eo amin’ny fiainantsika.
Nanome tsiny an’i Asa mpanjaka ny Tenin’Andriamanitra, hoe : „Nefa na dia narary aza izy, dia tsy nitady an’i Jehovah, fa ny mpanao fanafody ihany” (2 Tantara 16. 12). Tsy izy nanatona mpitsabo tsy akory no nanomezana tsiny azy, fa izy nanadino an’Andriamanitra, tsy nitady ny tanjony sy ny sitrapony, tamin’ny alalan’ny vavaka. Ndao handray am-pankasitrahana ny fitsaboan’ny dokotera, nefa alohan’izany, ary indrindra indrindra, ndao hatoky Ilay Andriamanitra tia antsika sy mikatsaka ny mahasoa antsika.

02/11/2021

Tsy mahalala ny ho ampitso ianareo. Inona moa ny ainareo ? Fa zavona ihany ianareo, izay miseho vetivety, dia levona. (Jakoba 4. 14)

Henoy ny feoko, dia ho Andriamanitrareo Aho. (Jeremia 7. 23)

Efa antitra

Tao an-tanananay dia nisy lehilahy iray 90 taona, izay toy ny boky nirakitra ny tantaran’ny tanindrazanay. Fony mbola tanora izy dia nanao asa samihafa tsy atao intsony ankehitriny. Izy dia nandray anjara tamina fety natao teny amina toerana efa nanjary korontam-bato sisa, amin’izao fotoana izao. Fianarana ambaratonga voalohany ihany no vitany, nanaovany asan’ny mpitan-tsoratra tao amin’ny lapan’ny tanàna, ary nametrahany masoivoho ara-piarahamonina sy ara-banky, izay mbola misy mandraka ankehitriny. Ankoatra izany dia izy no mpihaza nahay indrindra teo amin’ny faritra nonenany, na dia nihaza tsy nampiasa alika aza, ary tsy nampiasa afa-tsy ny fahalalany ny toerana sy ny biby fihaza.
Mazava ho azy fa nahafinaritra ahy ny nihaona taminy ; tsy sasatra mihitsy aho nametraka fanontaniana taminy. Indray andro anefa dia tsy nandry ny saiko. Hoy aho anakampo : hararaotiko fatratra erỳ ny fahalalana sy traikefan’io zokiolona io, nefa izay fantatro, ny harena sarobidy ananako, tsy mba resahiko azy mihitsy. Tonga saina aho hoe tsy mahay mankasitraka, ka nanolotra fanomezana ho azy, dia Testamenta Vaovao. Tena liana izy namaky azy, ary sambatra nandray ny Tompo Jesosy ho Mpamonjiny. Tsy maintsy niandry 90 taona izy, vao nidiran’ny fitiavan’Andriamanitra ho ao am-pony. Voavonjy tamin’ny ora farany izy : fotoana fohy taorianan’ny namakiany io Boky io, dia nifarana ny fiainany teto an-tany.
Tsy tara loatra, na dia 90 taona aza vao mandray ny famonjen’Andriamanitra ! Izany anefa tsy tokony hanosika antsika hanao ampitso lava ny fanapahan-kevitra hitodika amin’i Jesosy Kristy. Aza mangataka andro, satria tsy antsika ny ampitso. Ary raha manana tombontsoa mahalala an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjy isika, dia aza misalasala mizara izany harena izany !

16/10/2021

Hoy Pilato taminy : Tsy miteny amiko va Ianao ? tsy fantatrao va fa manana fahefana handefa Anao aho, sady manana fahefana hanombo Anao amin’ny hazofijaliana koa ? Jesosy namaly azy hoe : Ianao tsy manana fahefana amiko akory, raha tsy nomena anao avy any ambony ; koa izay nanolotra Ahy taminao no manan-keloka bebe kokoa. (Jaona 19. 10, 11)

Fampitahorana
Tsy natory Jesosy nandritra ny alina. Nalaina am-bavany imbetsaka Izy. Noesoina Izy, nokapohina, nasiana satroka tsilo teo an-dohany. Tao anatin’izany toejavatra izany dia nihevitra i Pilato fa hampitahotra Azy raha nilaza hoe : „Tsy miteny amiko va Ianao ?” Tohina ny hambom-pony, noho ity voampanga tsy niteny tsy nivolana ity. Dia nandrahona izy : „Tsy fantatrao va fa manana fahefana handefa Anao aho, sady manana fahefana hanombo Anao amin’ny hazofijaliana koa ?” Fanamparam-pahefana, fanerena ara-tsaina, izany no fiteny mahalaza ny fihetsik’i Pilato, ary mbola tena fahita matetika mandraka ankehitriny ! Maro amin’ireo mpamaky angamba no nijaly noho ny famelezana feno fanambaniana sy mandratra toy izany, nataon’olona akaiky azy na olona manana fahefana. Ary vao mainka mampangirifiry kokoa ny herisetra toy ireny, rehefa mitranga amina fotoana maha reraka. Ahoana ny fihetsika asetry an’izany ?
Mahatalanjona antsika Jesosy : „Ianao tsy manana fahefana amiko akory, raha tsy nomena anao avy any ambony”. Nolaviny ny fanindritsindriana, nolaviny ny fampitahorana, ary ny momba Azy napetrany teo am-pelatanan’Ilay Andriamaniny sy Rainy, Izay mifehy ny zavatra rehetra. Tsy niaro tena Izy, tsy nanome tsiny ilay niresaka taminy, namaly tsy naniratsira na nampiasa herisetra, nefa kosa nanambara ny marina, tamina fomba mazava sy feno fatokiana. Io fifandaharan’ny Tompo sy Pilato io angamba no tao an-tsain’i Petera, nanoratra momba an’i Jesosy hoe : „Raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva ; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin’ny Mpitsara marina” (1 Petera 2. 23). Ohatra tsy manan-tsahala no navelan’ny Tompo ho antsika !

12/10/2021

Jehovah ô, efa nandinika ahy Ianao ka mahalala ahy. Ianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako, sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny. Voadinikao ny toetrako, na mandeha aho, na mandry ; ary fantatrao tsara ny alehako rehetra. Fa, indro, tsy misy teny tsy fantatrao eo amin’ny lelako, Jehovah ô. (Salamo 139. 1-4)

🙏Tompo ô, Ianao mahalala ahy🙏

Tompo ô, Ianao mahafantatra ahy hatrany amin’ny lalina indrindra, Tsy misy fihevitra miafina aminao. Fantatrao ny misy ahy sy izay rehetra ataoko, Tsy matory Ianao, na oviana na oviana ! Raha mbola tsy miteny akory aho, dia efa fantatrao ny zavatra rehetra. Hitanao ny alehako, hitanao izay tadiaviko. Fantatrao raha mitomany aho na mihomehy, Tsy matory Ianao, na oviana na oviana !
Raha mandositra aho, dia arahinao amin’ny fitiavanao. Tsy afa-miaina aho raha tsy eo ny fitiavanao. Tompo ô, tsy matahotra na inona na inona aho, fantatro fa mihazona ahy Ianao, Miahy ny fiainako Ianao. Eny amin’ny habakabaka sy amin’ny alina, raha mandositra aho Any ambany ranomasina, any ambanin’ny tany ; raha very aho, Tsy misy toerana manafina ahy, hitanao hatrany ny misy ahy, Hitanao aho, na aiza na aiza.
Tompo ô, na mipetraka aho, na mitsangana, Dia miaraka amiko sy mitarika ahy ny tananao. Aorianako sy eo alohako, dia manana ny Fanahinao aho, Tsy matory Ianao, na oviana na oviana ! Talohan’ny androko voalohany, dia efa hitanao aho, Ny androko tsirairay dia fantatrao, Ary na inona na inona mitranga, dia fantatro fa eo Ianao, Tsy matory Ianao, na oviana na oviana !
Jehovah Andriamanitra ô, manakaiky ahy Ianao, Manodidina ahy, eo mandrakariva. Eo anilako Ianao, Jehovah Andriamanitra ô ! Tsy matory ny fitiavanao, na oviana na oviana !
Amen🙏🙏🙏

28/09/2021

Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho ; fa Ianao no amiko ; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy. (Salamo 23. 4)

(Hoy Jesosy :) Izaho no Mpiandry Tsara ; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry. (Jaona 10. 11)

Ianao no amiko
Niresaka ahi-maitso sy rano manala sasatra i Davida, avy eo lalana tokony harahina. Izao Izy dia mampahatsiahy ny „lohasaha aloky ny fahafatesana”, izany hoe ireo fotoana maizina ahatsapana loza mitatao sy tahotra, ka tena ahatsapana indrindra ho mila mpiaro manatrika.
Rehefa mandalo fisaonana isika, na aretina mafy, na koa rehefa manalokaloka sy mampitebiteby ny fahafatesana, dia tena mila ny Tompo ! Eo Izy, manatrika mandrakariva. Amin’ireny fotoana ireny ny mpino dia tena mila ny Tompo ho eo akaikiny, ary afaka miteny am-patokiana hoe : „Tsy hatahotra ny loza aho ; fa Ianao no amiko” !
Nogadraina ny apostoly Paoly, tany Jerosalema ; tsy maintsy niatrika ny amperora romana izy, tany Roma. Nefa tao anatin’ireo toejavatra roa ireo, dia tsapany fa teo anilany ny Tompo (Asan’ny Apostoly 23. 11 ; 2 Timoty 4. 17). Mahatoky ny Tompo, eo mandrakariva Izy amin’ireo fotoana sarotra indrindra : tena mampahery antsika anie izany e !
Fa misy zavatra hafa mampionona antsika ihany koa, dia „ny tsorakazony sy ny tehiny”, fitaovana roa mampiavaka ny mpiandry ondry : ny tehina, natao hiarovana ny ondry ; ary ny tsorakazo, natao hanangonana azy ireo. Tsy fitaovana fe fitaovana tsy akory ireo, fa fitaovan’Ilay „Mpiandry ahy”. Eo ny fiahian’ny Tompo, hitarika ahy, hamerina ahy, hampianatra ahy. Tsy avela ho irery izaho sy ireo fironako manokana. Antoka mamy anie izany e ! Mikarakara ahy Ilay Tompo nitia ahy sy mbola tia ahy hatrany (Hebreo 12. 6-8). Mba tsy hohadinoiko na oviana na oviana anie izany !

24/09/2021

Miarahaba tsika rehetra!! 👋👋

Ianareo koa… dia voantso ho an’i Jesosy Kristy. (Romana 1. 6)

… Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga. (1 Petera 2. 9)

Ny antson’i Jesosy

„Nifanerasera tamina kristiana aho fony mbola kely, ary nahare imbetsaka ny antson’i Jesosy handray Azy ho Mpamonjy sy Tompo manokana. Isaky ny nahare izany aho, dia nisy ady mafy nitranga tao anatiko, nisy zavatra nanosika ahy hanohitra an’Andriamanitra. Nantsoiny aho hibebaka sy hino ny Zanany, saingy nangataka andro hatrany hamalina izany. Nefa tamin’ny lohataona 1983 aho dia nandeha naka rivotra tany Angletera nandritra ny efatra herinandro, tao amina sekoly fampianarana Baiboly. Nandritra ny fivahinianako tany, dia nisy tranolay fitoriana ny Filazantsara, natsangana teo amin’ny tany malalak’io sekoly io. Arakaraka ny nanatrehako ny fivoriana tao no nahatsapako kokoa hatrany ny tokony hanapahako hevitra hino an’i Kristy.
Indray hariva aho, rehefa avy nahare fanimpolony ny fitaomana handray an’i Jesosy ho Mpamonjiko, dia nibebaka noho ireo fahotako ary nitodika taminy. Nitomany aho, ary nangataka famelan-keloka tamin’Andriamanitra sady nivavaka taminy mba hataony zanany. Resy, noho ny fanampiany, ny avonavona nanakana ahy nandritra ny taona maro tsy hibebaka sy tsy hanetry tena teo anatrehan’Andriamanitra. Nisy vesatra, tsapako niala teo an-tsoroko ; ary fifaliana sy fiadanana lehibe, nameno ny foko. Toy izany no nankafizako ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, ary nanomboka tamin’izay aho dia nahazo antoka fa afaka tamin’ny fanandevozan’ny ota sady voaaro tsy hiharan’ny fitsaran’Andriamanitra. Toy izany no nanombohan’ny fiainako ao amin’i Kristy. Rehefa tafaverina tany Italia aho, dia hitan’ny olona rehetra fa niova, ary araka ny nampoiziko indrindra, dia maro tamin’ireo namako taloha no nandao ahy tsikelikely. Nefa niaraka tamiko ny Tompo, ary nampahery ahy tamin’ny finoana Azy.”

Address

Antsirabe

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when C'est notre mission posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share