13/05/2026
Nanatanteraka ny fivoriana ara-potoana voalohany ho an'ity taona ity ny 08 ka hatramin'ny 13 mai ny Fivondronam-ben'ny Eveka eto Madagasikara. Manao antso avo amin'ireo mpitondra sy ny vahoaka ozy ireo mba hitandro ny marina sy ny rariny.
HOMEKO HOAVY SY FANANTENANA IANAREO
(Jer 29, 11)
HAFATRY NY FIVONDRONAMBENNY EVEKAN'i MADAGASIKARA
Ho an'ny mpitondra sy ny vahoaka,
ny kristianina sy ny olona tsara sitrapo rehetra,
Ho aminareo anie ny fiadanana !
01. Ato anatinny vanim-potoananny Paka isika no mifampiarahaba aminny alalanio tenini Jesoa tafatsangan-ko velona io. Miarahaba anareo izahay Evekani Madagasikara izay mivory eto Antananarivo ka mampita izao hafatra izao izay mifanampy aminireo hafatra sy fanambarana samihafa. Tsaroana ny fanazavanny Papa Léon faha-14 hoe: sady fiarahabana sy firarian-tsoa ilay nataoni Jesoa taminny mpianany no efa tanteraka sahady aminny fotoana ilazany azy, satria Izy Jesoa manala ny ahiahinny mpianany mihitsy no fiadananAndriamanitra. Herintaona izay no nananantsika anity Papanny fiadanana ity (8 mey 2025 8 mey 2026). Iombonantsika aminy sy entintsika am-bavaka ny ady mafy atrehiny ankehitriny ho anizany fiadanana izany, manoloana ireo ady izay mampijaly firenena maro. Eto amintsika dia mampisaotra anAndriamanitra ny jobily volafotsy (25 taona) naha-Eveka an-dry Monseigneur Kardinaly Désiré Tsarahazana, Vincent Rakotozafy, Gaetano Di Pierro, Zygmunt Robaszkiewicz, José Alfredo Caires de Nobrega. Eo koa ny faha-25 taonanny diosezini Fenoarivo atsinanana sy 20 taonani Moramanga. Nanamaloka ny tantarantsika kosa ny fahapotehana nahazo ny tanànani Toamasina sy ny manodidina, vokatry ny rivodoza Gezani. Mahavelom-panantenana sy mampisaotra anAndriamanitra sady ifanolorantsika fisaorana ny fanehoantsika firaisan-kina nanao voin-kava-mahatratra, araka ny fahendren-drazana sy ny fampianaranny Evanjely. Mankahery sy mitondra am-bavaka hatrany anireo tra-boina namoy havana sy fananana ary asa.
Fanantenana sy tebiteby
02. Eo aminny fiainam-pirenena indray dia tsapa fa miaina ao anaty fanantenana sy tebiteby ny vahoaka malagasy aminizao kihon-dalana lalovany izao. Akory tokoa moa ny hafaliana sy tsirim-panantenanny vahoaka raha nijoro ity fitondrana ity sy ny fanavaozana nodradradradraina. Nisy tokoa ireo namelona ny fanantenana, toy ny fanandratana avo ny fiandrianam-pirenena, ny fihenanny fahatapahan-jiro sy rano (indrindra taminny governemanta voalohany), ny fitohizanny fanamboaran-dalana, ny fijerena akaiky ny mpiasam-bahoaka, ny fampianarana
03. Tsy azo odian-tsy hita koa anefa ireo zava-misy na fomba fiasa teo aloha izay mbola mahazo vahana na miha-mahery vaika, ka miteraka tebiteby ho anny vahoaka. Singanina aminizany ny vidim-piainana mampiteny ny moana, ny fahasahirananny tantsaha aminny famoaham-bokatra, ny tsy fandriampahalemana, ny kolikoly, ny ady seza sy ny kiantranoantrano, ny fanehoan-kevitra miharo fanalam-baraka sy fampisaraham-bazana ary fampihorohoroana (indrindra aminny tambajotran-tserasera), ny fitakiana lava miharo fandrangarangana fitokonana, ny fanindrahindrana be loatra ny mpitondra, ny fampanginana na fisamborana anireo tsy mitovy hevitra aminny mpitondra, ny ady tany, ny famotehana ny tontolo iainana, ny tsy fitovianny fiahiana ny faritra samihafa eto Madagasikara. Tsapa ihany koa ny fanendrena olona efa naloanny vahoaka, ny fahatongavanireo vahiny maro izay mampiahiahy. Tsy dia hita taratra loatra hoe avy aminny vahoaka sy ho anny vahoaka ny fitondrana. Toa mijanona ho nofinofy ihany ilay fanavaozana notabatabaina teny an-kianja sy tao an-dapa.
Fihavaozana sy fanavaozana mankaiza?
04. Izany no fanontaniana sy fandinihan-tena mameno ny sainny maro ankehitriny. Tsy misy drafitra politika mazava sy voafaritra tsara manko ny fitantanana ny fanavaozana, afa-tsy ny fe-potoana roa taona sy ny hisianny fikaonan-doham-pirenena. Mazava ho azy fa tsy voafaritra ary voadingana aza indraindray izay tena laharam-pahamehana ho anny firenena, indrindra ho anny vahoaka madinika. Fihavaozana miainga aminny tsirairay sy hatrany ifotony no tsy maintsy apetraka: toe-tsaina, fifandraisana, fomba fiasa, fandraisana andraikitra; ary fihavaozana mahasahana ny lafiny rehetra ihany koa. Aoka samy hahatsapa fa mila ny hafa sady ilainny hafa, araka ny nampianarinny Papa Fransoà ny tanora malagasy taminny fihaonana tao Soamandrakizay taminny 7 septambra 2019: Tsy misy olona afaka milaza hoe tsy mila anao aho. Tsy maintsy ampandeferina ny hambom-po tafahoatra sy ny fiavonavonana ary ny fitompoana teny fantatra. Antsika rehetra i Madagasikara fa tsy anolom-bitsy na vondrona na sokajy manokana. Samy manana ny tandrify azy eo aminny fampivoarana azy, ary natao hifameno aminny anny hafa izany. Tsy misy afaka miala na mihalangalana.
05. Izany fihavaozana izany no antoka hampisy ny fanavaozana, ka tsy ho nofinofy intsony. Ankoatry ny fahatsapan-tenanny tsirairay sy ny faritra dia manana adidy hampanjary izany fanavaozana izany ny mpitondra sy ny tomponandraikitra rehetra. Izy ireo aza no tsy maintsy miroso mialoha aminny fihavaozana. Aoka havadika ho harena sy tombony ny fahasamihafana fa tsy sanatria hivaona aminny fifampiandaniana sy fifanilikilihana. Mila fahasahiana izany sady mila fahaizana mifehy ny tena sy ny teny atao, mitana ny teny natao rahateo, ary milaza ny marina hatrany. Aoka samy hahay maka lesona aminizay nolalovanny firenena na ny mpitondra na ny vahoaka, mba tsy ho mpamerina anizay efa fantatra fa nampitondra faisana ny firenena, indrindra ny madinika.
Fikaonan-doham-pirenena : fiombonana sy fanantenana
06. Ny fikaonan-doham-pirenena no efa napetraka hatraminny voalohany ho lalana iarahana mametraka ny fanavaozana izay andrandrainny rehetra. Fikaonan-doha mazava sy mahomby no ilaina. Tsy maintsy hazava sy hohajaina ary hananana fitokisana izay mitarika azy. Anjaranizy ireo ny manao izay hahafahanny maro anisa indrindra handray anjara sy hahatsapa ny halehibenny anjara biriky entinny tsirairay sy ny isam-paritra, hatrany ifotony. Tsy maintsy hazava koa ny tanjona tratrarina sy ny fomba fiasa. Olona mahasolo tena ny maro sy mahalala ny tombontsoanizy ireo no hantsoina. Fifampihainoana sy fifampiresahana ao anatinny fifanajana, ny marina, ny rariny sy ny hitsiny ary ny fitiavan-tanindrazana tena izy no lalana mazava ho anny fanavaozana. Natao homena sehatra bebe kokoa hatrany ny fanehoan-kevitra mirindra sy feno fifanajana.
07. Ny fahatsapana ho Malagasy vahoaka sy firenena iray tsy mivaky no hibaiko ireo mandray anjara mivantana na ankolaka aminny fikaonan-doham-pirenena. Ny vahoaka malagasy mihitsy no natao ho vontonizany fisainana izany, tarihinny oha-piainanireo mitondra sy te-hitondra azy. Hampandeferina ny hambom-po politika sy ny tombontsoa manokanny faritra na vondrona na antoko mba hahatongavana aminizany. Tsy ilaina ny fanasohasoana na fanaratsiana bontolo ny endri-pitantanana tiana hapetraka sy ireo mpomba na mpanohitra azy. Hiafara aminny fifanilihana sy fifampiandaniana ihany izany. Ny tanjona sy ny fomba fiasa mazava no hamaritra izany. Tsy tokony hisalasala handrava sy hanova anizay hita fa tsy nahitana fahombiazana teo aloha; ary hitazona na hanamafy anizay voaporofo fa mampivoatra ani Madagasikara.
08. Fanantenana ho anny vahoaka malagasy sy lova maharitra ho anny taranaka no ho vokatry ny fikaonan-doha, mba tsy ho fandaniana andro sy vola foana izany. Ny fihavaozana sy ny fanavaozana no tsy maintsy ho hita taratra avy hatrany. Fehin-kevitra sy rafitra mampirisika ny olom-pirenena hahalala ny anjara toerany sy ny anjara asany mazava no havoakanny fiaraha-midiniky ny Malagasy. Tsy ho hadinony fa eo koa ny anjara toerana sy ny anjara asanny hafa, isanambaratongany. Fehin-kevitra sy rafitra tsy ahafahanny mpitondra sy ny mpanao politika mamerina ny hadisoana efa nataonny teo aloha koa no ilaina. Izany no hampatoky ny Malagasy fa afaka mivoatra i Madagasikara ary manana ny anjara birikiny aminizany izy. Raha mazava sy mahaliana izay soritanny fikaonan-doha dia ho mora ho anny vahoaka tomponny fahefana ny hankato na hitsipika azy. Tsy misaraka aminny fikaonan-doham-pirenena rahateo ny fanomanana ny fifidianana. Voakasikizany ny rafitra sy fitsipika ary ireo tomponandraikitra hanomana sy hikarakara azy, mba ho voka-pifidianana ekenny besinimaro no hivoaka. Tsy tokony hifangaro ny fikaonan-doham-pirenena sy ny tetika fandrombahana fahefana na sanatria ny fibodoana toerana.
Vahoaka miara-dia
09. Tsy hisy izay tsy haha-vahoaka tokana ny Malagasy. Tsy vahoaka mpifaninana na mifandrafy, na koa manaiky hatao anizany. Efa hita taminireo fitondrana mifandimby fa tsy nampivoatra antsika ny zavatra toy izany. Vahoaka miara-dia isika: miray hetaheta hivoatra, miara-miatrika sy miara-mizaka ny mafy. Ny fikaonan-doham-pirenena dia tokony hametraka antsika bebe kokoa ho vahoaka miara-mifoha, miara-mientana, miara-mandroso. Tsy afaka hiandry fikaonan-doham-pirenena na hiandrandra zavatra goavana sy miavaka anefa isika vao hiditra aminny fihavaozana sy ny fanavaozana. Izay ataontsika isanandro ankehitriny izao no miantoka izany: Mahaiza miaina amim-piadanana sy samy manao tsara ny asany ary misitraka izay nisasarany, hoy i Md Paoly (1 Tes 4,11). Izao no fotoana hanehoana sy natao haha-saro-piaro aminny maha-vahoaka miara-dia antsika. Aza mandeha irery, aza miady irery, fa ny olon-tokana tsy mba vahoaka.
10. Ry vahoaka mpiray tanindrazana, iankinanny fivoarani Madagasikara isika sy izay ataontsika isanandro. Raiso an-tanana hatrany ny fiainantsika. Mijoroa aminny maha-vahoaka tokana, aza manary toky. Aza ampandeferina ny marina sy ny fihavanana.
Ry mpitondra, aoka tsy ho diso fanantenana aminareo ny vahoaka. Miandrandra mpitondra manana toetranny Raiamandreny, tsy manavakavaka, tsy mametraka elanelana be loatra aminy ary tsy manao azy ho tompony mangataka ny atiny izy. Aoka ianareo no ho resy lahatra voalohany aminny fihavaozana sy fanavaozana ary hanome oha-piainana aminizany. Tandremo toy ny anakandriamaso ny fanapahan-kevitra raisinareo sao hamatotra ny firenena sy ny taranaka any aoriana.
Isika mitonona ho mpino, na mpitondra na vahoaka, indrindra ny kristianina, antoka iray lehibe aminny fivoarani Madagasikara ny finoana sy ny fiainantsika mifanaraka aminizany. Halaviro ny fisalasalana sy ny fihalangalanana izay anisanny mampilentika ny firenentsika. Aoka ho lohalaharana hatrany aminny fiatrehana ireo hetsika lehibe hatao eto aminny firenena. Avadiho ho fihavaozana sy fanavaozana ny firenena ny fampianarana izay noraisintsika.
Ry tanora, aza variana aminny androany ihany, fa tsinjovy ny hoavy iombonantsika. Ianareo no fanantenana, ka iankinan-javatra be ny ataonareo ankehitriny. Fadio ny fifampiandaniana, ialao ny herisetra. Aoka ho tanora mpanorina fa tsy ho mpandrava. Aza manaiky horebirebena sy hoviraviraina, na hovidiam-bola. Matoky anareo izahay satria vahoaka tokana miara-dia isika.
Amarananay ny hafatra ireto andalana avy aminny lahatenini Monseigneur Tomasz Grysa solontenanny Papa eto amintsika ireto izay mampahatsiahy ny fanentananny Papa Léon faha-14 tany Afrika hisokajy ny kolikoly ho loza mitatao izay tsy maintsy sitranina aminny kolontsaina vaovaonny fahamarinana [] Rahefa ny tsy rariny no mandoto ny fo dia lasanolom-bitsy ny sakafo tokony ho anny rehetra. Nentaniny manokana ny mpitondra mba tsy hamela ho maty momoka ny fanantenanny tanora ary hanao izay hahatonga ny firenena ho vinam-panantenana izay manantitrantitra fa ny fampandrosoana dia natao hahasahana ny lafim-piainana rehetra”
11. Miombona amini Masina Maria Reny hatrany isika, indrindra aminity volana mey ity, manankina tsy tapaka ani Madagasikara aminny Fo Masini Jesoa, miaraka amini Masindahy Josefa ary ireo Olomasina sy Olontsambatry ny tanindrazantsika. Efa miarahaba sy mirary fetinny Pantekoty feno fihavaozana sy fanavaozana avy aminny Fanahy Masina ho antsika rehetra izahay Eveka Raiamandreninareo.
Natao teto Antananarivo, ny 13 mey 2026
Fahatsiarovana ny fisehoani Masina Maria tao Fatim