01/03/2026
๐ ๐๐๐ฃ๐ฅ๐ค๐: "๐๐จ ๐๐งโ๐ง๐ฒ ๐๐๐ฆ๐๐ซ๐๐ง๐ ๐ง๐ฒ ๐๐๐ฆ๐ฉ๐ข๐๐ฌ๐๐ง๐ ๐ง๐ฒ ๐๐ข๐ญ๐๐จ๐ฏ๐๐ฆ-๐ฉ๐ข๐๐๐ข๐๐ง๐ ๐ฌ๐ฒ ๐ง๐ฒ ๐๐ข๐๐๐๐ง๐๐ง๐."
๐Mba hirotsaka an-tsehatra tanteraka aminโny famerana ny fitaovam-piadiana, indrindra ny fitaovam-piadiana nokleary, anie ireo firenena, ary hisafidy ny fifanakalozan-kevitra sy ny diplaomasia, fa tsy ny herisetra, ireo mpitondra eran-tany.
--------
Laharam-pahamehana ho anโny Eglizy maneran-tany ny fampanjakana ny fiadanana. Ity volana martsa ity no anentananโny Papa Lรฉon XIV antsika hivavaka manokana mba hirotsaka an-tsehatra tanteraka aminโny famerana ny fitaovam-piadiana, indrindra ny fitaovam-piadiana nokleary, anie ireo firenena, ary hisafidy ny fifanakalozan-kevitra sy ny diplaomasia, fa tsy ny herisetra, ireo mpitondra eran-tany.
Tsy mety voafehy ny ady sy ny voka-dratsiny, ny fahafatesanโny olona sy ny fahasimbana eo aminโny fiaraha-monina izay tsy hainโolombelona arenina intsony matetika. Mitombo ny famokarana fitaovam-piadiana sy ny fahafahana mitazona izany. Tsy voafehinโny saina sy mandrahona ary mandringana ny zanakโolombelona ny teknรดlรดjia ara-nokleary; toa mamaritra hoavy tsy fantatra sy mampanahy.
Tanjona kendrena, na dia toa nofinofy aza, ny fampitsaharana tanteraka ny fifandonana sy ny fampiharana tetikโasa fampihenana haingana ny fitaovam-piadiana. Betsaka ny fanambarana atao kanefa vitsy ny fanatanterahana. Manan-tsaina ihany ny olombelona, kanefa tsy mety tanteraka ny fifanakalozan-kevitra. Ny diplaomasia aza tsy afa-mamaha olana akory fa toa mifampitazana sy manao jery vilana fotsiny ary tsy sahy mitady lalana hikatsahana ny soa ho anโny andaniny sy ny ankilany, satria manakona ny mangarahara sy manohitra ny zonโolombelona. Te hanjaka aminโny firenena mahantra na aminโizy samy izy, indrindra ara-toe-karena, ny firenena matanjaka; hany ka mibirioka mandrakariva any aminโny ady sy ny fanafihana, ny fanenjehana noho ny antony ara-piaviana sy ara-pivavahana, hatrany aminโny fanoherana ny hasina maha olona.
Mpivahininโny fanantenana tsy mahalala vizana ny Eglizy mampita hafatra aminโny fampianarana ataony, indrindra isaky ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fandriampahalemana. Ny fahaiza-mihaino no lalana atoronโny Eglizy, ary izany dia miorina aminโny fandraisana ny TeninโAndriamanitra sy ny fihainoana anโAndriamanitra izay mampisokatra antsika aminโny fihainoana ny hafa izay akantsika tahaka anโAndriamanitra mihaino ny fitarainanโny vahoakany, indrindra ireo marefo indrindra. Tsy maintsy atomboka ao am-po, raha tiana ho tanteraka sy haharitra, ny fanafoanana ny fitaovam-piadiana izay fepetra hisianโny fiadanana. Tsy ara-teknika na ara-pรดlitika ihany izany fa adidy ara-mรดraly mihitsy.
Tsy vitanโny teti-panorona ara-tsaina ny fifehezana ny fitaovam-piadiana sy ny fifanakalozan-kevitra fa mila toe-po manokana. Ny tena fandriampahalemana dia avy aminโny fo mihavana. Manomboka aminโny fiainana ny fandriampahalemana isanโandro ny famafazana ny fiadanana eo aminโizao tontolo izao. Miainga aminโny fialana aminโny herisetra ao anatinโny tsirairay ny tsy fampiasana fitaovam-piadiana. Ilaina ny manapa-kevitra hisafidy ny lalanโny fiainana sy handร izay rehetra mitarika any aminโny fahafatesana. Io toe-po io no ananana fijery miabo mandrakariva sy mampisy ny fanantenana. Misy ireo toe-panahy manampy hiaina izany:
Toe-panahy 1. Mitandrina ny teny atao isanโandro: tsy tokony mampiasa ireo teny mandratra sy mahery setra ary mamono, ny fanesoana, ny fifosafosana, ny tsikera manimba, ny fanendrikendrehana ary ny fitsaratsarana olona; ary misafidy teny mitondra fitoniana sy mitsodrano ny hafa ary mampiombona.
Toe-panahy 2. Misafidy ny fifanakalozan-kevitra: Tokony miezaka mahazo ny hafa rehefa misy fifandirana fa tsy manery ny hafa handray ny fomba fijerinโny tena.
Toe-panahy 3. Miala amin'ny herisetra madinika isan'andro: mazoto manao fandinihan-tena momba ny tsy fananana faharetana, ny fanamavoana ny hafa ary ny fitsarana henjana loatra.
Toe-panahy 4. Mijery ny zava-misy sy mivavaka ho an'ny fandriampahalemana eran-tany: misafidy faritra iray izay misy korontana ary mivavaka ho azy mandritra ny herinandro.
Toe-panahy 5. Manao ny marina amin'ny fiainana andavanandro: Ny fandriampahalemana dia tsy hoe tsy fisian'ny ady ihany, fa fisianโny fifandraisana ao anatinโny fahamarinana, manaraka ny rariny sy ny hitsiny.
Ny fanazarantena aminโny fifehezana ny fahazotoan-komana aminโny alalanโny fifadian-kanina izay mahakasika ny vatana anie hanampy antsika hanavaka sy handrindra izay mety ho karazana โfahazotoan-komanaโ rehetra, na aminโny hevitra na aminโny teny na aminโny atao, toy ny faniriana, ny fahalianana ary fankafizana rehetra mampikombona sy tsy mahasoa ny fanahy, na ara-kolontsaina na ara-toekarena na ara-pรดlitika na ara-pivavahana; ka hiezahantsika hampitodika izany any aminโAndriamanitra mba hamelona ny finoantsika sy hanafaka ny fontsika aminโireo tahotra ny hafa sy ny tebiteby ary izay manelingelina azy isanโandro, araka ny hafatry ny Papa ho anโny Karemy. Ny lalanโny Karemy dia lalanโny fo, lalanโny fihainoana, lalanโny fibebahana ary lalanโny fanafahana iantsoana ny eglizy fototra sy ny fianakaviana ary ny ankohonam-piainana rehetra.
๐. ๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐จ๐ฌรฉ ๐๐ก๐ซ๐ข๐ฌ๐ญ๐จ๐ฉ๐ก๐, ๐ฌ๐ฃ
๐๐ข๐ญ๐ฆ ๐ฏ๐ข๐ด๐ชรด๐ฏ๐ข๐ญ๐ช๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐๐ข๐ฎ๐ฃ๐ข๐ซ๐ฐ๐ต๐ณ๐ข๐ฎ-๐๐ช๐ท๐ข๐ท๐ข๐ฉ๐ข๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐๐ข๐ฑ๐ข ๐๐ข๐ฏ๐ฆ๐ณ๐ข๐ฏ-๐ต๐ข๐ฏ๐บ (๐๐๐๐)