Mozakirat: L Islam,dars.khoutbat.conference et Infos

Mozakirat: L Islam,dars.khoutbat.conference et Infos Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Mozakirat: L Islam,dars.khoutbat.conference et Infos, Religious organisation, Antananarivo.

28/08/2026
Fampahatsiahivana sy fampitandremana momba ny Mawlid   Mila mahafantatra isika: inona no tena fototry ny fankalazana ny ...
26/08/2026

Fampahatsiahivana sy fampitandremana momba ny Mawlid

Mila mahafantatra isika: inona no tena fototry ny fankalazana ny Mawlid?

Ny fitiavana ny Mpaminany ﷺ dia zavatra lehibe ao anatin’ny finoana. Saingy ny fitiavana marina azy dia tsy aseho amin’ny fanaovana fombafomba ara-pivavahana izay tsy nampianariny, fa amin’ny fanarahana ny Sunnah-ny, ny fanekena ny fampianarany ary ny fialana amin’izay rehetra tsy nentiny.

Hoy i Allah:

﴿قُلْ إِن كُنتُمْ تُحِبُّونَ اللَّهَ فَاتَّبِعُونِي يُحْبِبْكُمُ اللَّهُ﴾
(Āl-‘Imrān 3:31)

“Lazao hoe: Raha tia an’i Allah ianareo, dia araho aho, ka ho tia anareo i Allah.”

Ary hoy ny Mpaminany ﷺ:

«مَن أحدث في أمرنا هذا ما ليس منه فهو رد»
(Sahih al-Bukhari sy Sahih Muslim)

“Izay mamorona zava-baovao ao anatin’ity raharaha ity, izay tsy anisan’izany, dia lavina.”

Noho izany, ny raharaha momba ny ‘ibādah dia tsy aorina amin’ny fikasana tsara fotsiny. Mila manana porofo avy amin’ny Qur’an sy Sunnah izy.

Hoy koa ny ‘Allāmah Ibn ‘Uthaymīn رحمه الله:

«الاحتفال بالمولد النبوي بدعة محرمة»

Izany dia fampahatsiahivana fa tokony hitandrina isika amin’ny fampidirana zavatra vaovao ao anatin’ny fivavahana, na dia heverina ho fanehoam-pitiavana sy fanajana aza izany.

Ny fomba tsara indrindra hanehoana ny fitiavana ny Mpaminany ﷺ dia ny:
• Finoana marina sy Tawḥīd.
• Fanarahana ny Sunnah-ny.
• Fandalinana ny fiainany sy ny fampianarany.
• Fampiharana ny didiny.
• Fialana amin’ny bid‘ah sy izay rehetra tsy voaporofo.

Enga anie i Allah hanome antsika fahalalana marina, hanamafy antsika amin’ny Qur’an sy Sunnah, ary hahatonga antsika ho anisan’ireo manaraka ny làlan’ny Mpaminany ﷺ sy ireo Ṣaḥābah رضي الله عنهم.

Loharano: Qur’an 3:31 — Sahih al-Bukhari — Sahih Muslim — Fatāwā Arkān al-Islām, n°172.

«Ary henoin’ny sofina mahay mandre izany» — Ny fankalazana ny Mawlid dia bid‘ah (zavatra vaovao nampidirina amin’ny fiva...
23/08/2026

«Ary henoin’ny sofina mahay mandre izany»
— Ny fankalazana ny Mawlid dia bid‘ah (zavatra vaovao nampidirina amin’ny fivavahana) izay tsy manana fototra ao amin’ny Sharia. 🫵
«Na ny finday aza bid‘ah ❌
Na ny Facebook aza bid‘ah ❌
Na ny fiaramanidina aza bid‘ah ❌
Na ny fiara aza bid‘ah… sns ❌»
Ity teny ity dia miverimberina matetika rehefa mampitandrina olona iray momba ny bid‘ah izay ataony.
🔸️ Ny bid 'ah(forona) eo amin’ny raharahan’izao tontolo izao :
Hoy ny Mpaminany ﷺ:
«أنتم أعلم بأمر دنياكم»
«Ianareo no mahalala kokoa ny raharahan’izao tontolo izao.»
📗 [Sahih Muslim, 2363]
🔸️ Ny bid 'ah FORONA) eo amin’ny raharaham-pivavahana(dine) :
Hoy ny Mpaminany ﷺ:
«كل محدثة بدعة، وكل بدعة ضلالة، وكل ضلالة في النار»
«Ny zavatra vaovao rehetra ampidirina amin’ny fivavahana(Dine religion finoana) dia bid‘ah, ary ny bid‘ah rehetra dia fahaverezana, ary ny fahaverezana rehetra dia any amin’ny Afobe.»
Ary hoy koa izy ﷺ:
«من أحدث في أمرنا هذا ما ليس منه فهو رد»
«Izay mampiditra zavatra vaovao amin’ity raharahanay ity, izay tsy avy aminy, dia lavina izany.»
[Sahih Al-Bukhari, 2697]

Noho izany, ny bid‘ah dia izay zavatra vaovao nampidirina tao amin’ny Dine(fivavahana), fa tsy izay zavatra vaovao eo amin’ny raharahan’izao tontolo izao.
Ny Mawlid dia bid‘ah, ry mpanompon’i Allah.
Ary ireto misy porofo 18 voalaza momba ny fandraràna ny fankalazana ny Mawlid:
«Ny olona manaraka ny fahamarinana dia ampy azy ny porofo; fa ny olona manaraka ny filan’ny tenany kosa dia tsy manana lalana hifanandrinana aminy.»
Ireto ny porofo, raha fintinina:
① Izay tsy fivavahana(Dine) tamin’ny andron’ny Mpaminany ﷺ dia tsy lasa fivavahana(Dine) ankehitriny.
② Izay raharaha rehetra tsy nandidian’ny Mpaminany ﷺ dia tsy zavatra voatendry ho fivavahana.
③ Ny Mpaminany ﷺ dia tsy nankalaza ny Mawlid-ny.
④ Ny forona bid ah izany dia toy ny fiampangana ankolaka ny Mpaminany ﷺ ho namadika na tsy nanatanteraka ny adidiny tamin’ny fampitana ny hafatr’i Allah.
⑤ Ny forona io bid‘ah io dia manova ny t

20/08/2026

📚 CAMPAGNE DE SOLIDARITÉ SCOLAIRE 2026-2027
L'Association TIMAD lance officiellement sa collecte de fournitures scolaires en faveur des enfants orphelins et des familles démunies.
🎒 Ensemble, offrons à chaque enfant la chance de bien commencer la nouvelle année scolaire.
💙 Chaque don, même modeste, peut faire une grande différence.

📲 Dons : 📞 Orange Money : 032 48 856 39 📞 MVola : 034 37 730 01
👤 Au nom de : Vitamananjara Mevalaza Robert – Président de l'Association TIMAD
📍 Bureau National de l'Association TIMAD – Antsiranana

🤲 Merci pour votre générosité et votre soutien.

20/08/2026

🎉🏆 ALLAHU AKBAR! 🇲🇬❤️🇸🇦

Fifaliana lehibe ho antsika Malagasy! 🇲🇬✨
Faridat no nahazo ny laharana voalohany 🥇 tamin’ny Concours Qur’an – 5 Juz, izay natao tao Makkah Al-Mukarramah 🇸🇦🕋.

Fahombiazana lehibe sy voninahitra ho azy, ho an’ny fianakaviany, ary indrindra ho an’ny Qur’an Malagasy. 📖❤️

🤲 Alhamdulillah noho izao fahasoavana sy fandresena izao.
Mankasitraka noho ny talentany sy ny ezaka nataony tamin’ny fitadidiana sy famakiana ny Tenin’i Allah.

🇲🇬 Voninahitra ho an’i Madagasikara!
🕋 Voninahitra ho an’ny Qur’an!
🏆 Arahabaina indrindra ry Faridat!

«« Ary izay mitahiry ny Qur’an ao am-pony, Allah no manandratra azy amin’ny alalan’ny Teniny. »»

🌹 Mankasitraka sy miarahaba anao amin’izao fahombiazana lehibe izao!
Allah anie hampitombo ny fahalalanao, hiaro anao, ary hahatonga anao ho anisan’ireo Ahlul-Qur’an. 🤲📖

🇲🇬 🕋 🥇🏆

Cour'an Malagasy 🇲🇬

NY FAHASAROBIDIN’NY FIAROVANA NY TAWHÎDقال الشيخ ابن عثيمين رحمه الله:حرص النبي صلى الله عليه وسلم على حماية جانب التوحي...
12/08/2026

NY FAHASAROBIDIN’NY FIAROVANA NY TAWHÎD

قال الشيخ ابن عثيمين رحمه الله:

حرص النبي صلى الله عليه وسلم على حماية جانب التوحيد؛ لأنه خلاصة دعوة الرسل، ولأن التوحيد أعظم الطاعات

Qawl al-Mufîd, boky 1, pejy 409

Niezaka mafy ny Mpaminany ﷺ niaro sy nitandro ny Tawhîd, satria izany no votoatin’ny antson’ireo iraka, ary satria ny Tawhîd no fankatoavana lehibe indrindra atao amin’i Allah تعالى.

━━━━━━━━━━━━━━━━━━

INONA NO ANTONY MAHA-ZAVA-DEHIBE NY TAWHÎD?

Ny Tawhîd dia tsy zavatra madinika na zavatra azo atao an-tsirambina eo amin’ny fiainan’ny Muslim. Izy no fototra lehibe indrindra iorenan’ny finoana sy ny fanompoana an’i Allah.

Raha jerena ny antson’ireo Mpaminany sy Iraka rehetra, dia hita fa ny zavatra voalohany nantsoin’izy ireo ny vahoakany dia ny fanompoana an’i Allah irery ihany, tsy misy mpikambana Aminy.

Hoy i Allah:

وَلَقَدْ بَعَثْنَا فِي كُلِّ أُمَّةٍ رَّسُولًا أَنِ اعْبُدُوا اللَّهَ وَاجْتَنِبُوا الطَّاغُوتَ

« Ary efa naniraka(nandefa) Iraka i isaky ny vondrom-piarahamonina(vzhoakz) tokoa Izahay, ka niteny hoe: “Manompoa an’i Allah ianareo ary ialao ny Tâghût.” »

Sûrat An-Naḥl 16:36

Izany no mampiseho amintsika fa Tawhîd no fototry ny antson’ireo Iraka.

━━━━━━━━━━━━━━━━━━

NY TAWHÎD NO VOTOATIN’NY ANTSO NATAON’IREO IRAKA

Tsy hoe nitovy avokoa ny lalàna sy ny antsipirian’ny fitsipika nampianarin’ireo Mpaminany rehetra, fa ny antso fototra dia iray:

أن يُعبد الله وحده لا شريك له

Izany hoe: Allah irery ihany no tokony ho tompoina, tsy misy mpikambana Aminy.

Hoy Allah:

وَمَا أَرْسَلْنَا مِن قَبْلِكَ مِن رَّسُولٍ إِلَّا نُوحِي إِلَيْهِ أَنَّهُ لَا إِلَٰهَ إِلَّا أَنَا فَاعْبُدُونِ

« Ary tsy naniraka(nandefa) Iraka iray talohanao Izahay raha tsy nanambara taminy hoe: “Tsy misy zavatra mendrika tompoina afa-tsy IzahokAllah), koa manompoa Ahy(Allah).” »

Sûrat Al-Anbiyâ’ 21:25

Koa rehefa miteny isika hoe Lâ ilâha illallâh, dia tsy teny tononina amin’ny vava fotsiny izany, fa teny lehibe mitaky fahalalana, finoana, fahadiovam-po,

MIFIKIRA AMIN’NY SUNNAHقال الإمام الأوزاعي رحمه الله:اصبر نفسك على السنة، وقف حيث وقف القوم، وقل بما قالوا، وكفّ عمّا كف...
11/08/2026

MIFIKIRA AMIN’NY SUNNAH

قال الإمام الأوزاعي رحمه الله:

اصبر نفسك على السنة، وقف حيث وقف القوم، وقل بما قالوا، وكفّ عمّا كفّوا عنه، واسلك سبيل سلفك الصالح فإنه يسعك ما وسعهم

« Mahareta amin’ny fanarahana ny Sunnah, mijanòna eo amin’izay nijanonan’ireo Salaf, lazao izay nolazain’izy ireo, ary mifadià izay nofadian’izy ireo. Araho ny lalan’ireo Salaf صالح-nao, fa izay ampy sy nahafa-po azy ireo dia ampy sy hahafa-po anao ihany koa. »

Talbīs Iblīs, 1/10 — Ibn Al-Jawzī رحمه الله

Ny Sunnah dia mila faharetana, fahalalana ary fahitsiana. Tsy voatery hitady zava-baovao hatrany ny mpino, fa tokony hifikitra amin’izay efa ampy ho an’ireo Salaf صالح.

Raha ampy ho azy ireo ny Qur’an sy ny Sunnah, dia ampy ho antsika ihany koa.

Ny fahamarinana dia tsy refesina amin’ny isan’ny olona manaraka azy, fa amin’ny porofo sy ny fahitsiana.

Koa mifikira amin’ny Sunnah.
Araho ny lalan’ireo Salaf صالح.
Aza manaraka izay rehetra miparitaka raha tsy misy fahalalana.
Ary mahareta amin’ny fahamarinana na dia sarotra aza.

Allah ô, ampioreno amin’ny Sunnah izahay, tariho amin’ny fahamarinana izahay, ary omeo anay ny fahafahana hanaraka izany hatramin’ny farany.

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mozakirat: L Islam,dars.khoutbat.conference et Infos posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share