03/08/2026
🇲🇬 ECOFEMMES : Sonian'i Ny Tontoloko ho fampiroboroboana ny rariny ara-toetrandro ho an'ny rehetra !
Mifarana amin'ny fomba ofisialy ny tetikasa ECOFEMMES andiany voalohany sy faharoa "Ho an'ny rariny ara-toetrandro", tao anatin'ny fandaharanasa FACE – Féministes pour des Alternatives Climat et Environnement.
Nandritra izay roa taona mahery izay dia niara-niasa tamin'ireo vehivavy eny ifotony izahay, izay nanaporofo fa na dia eo aza ny fiovan'ny toetrandro sy ireo fahasahiranana aterany, dia afaka mano***a faharetana sy manova ny fiarahamonina ny olona rehefa omena fahalalana, fitaovana ary fahafahana hirotsaka an-tsehatra.
Ny vokatra lehibe indrindra tamin'ny ECOFEMMES dia tsy ireo zaridaina iombonana na ireo fotodrafitrasa nafanina fotsiny, fa ny fiovan'ny olona. Vehivavy maro no nahazo fahatokisan-tena indray, sahy mandray andraikitra, mizara ny fahalalany ary lasa mpitarika sy mpanentana eo anivon'ny fiarahamonina misy azy.
🎥 Ao anatin'ity horonantsary ity dia nomenay sehatra ireo vehivavy ireo hitantara ny tantarany. Renim-pianakaviana roa avy ao Papango Imeritsiatosika sy Lazaina Iavoambony no mizara ny zavatra niainany, ireo fanamby natrehiny ary ny fiovana nentin'ny ECOFEMMES teo amin'ny fiainany sy ny fiarahamoniny. Ireo fijoroana vavolombelona ireo dia mampahatsiahy antsika fa ny fanohanana ny vehivavy dia fananganana fiarahamonina matanjaka kokoa, mirindra kokoa ary mahazaka kokoa ny fiovan'ny toetrandro.
🇫🇷 ECOFEMMES : La signature de Ny Tontoloko pour promouvoir une justice climatique inclusive.
Aujourd'hui marque la clôture officielle du projet ECOFEMMES Phase I et II "Vers une justice climatique inclusive", dans le cadre du programme FACE – Féministes pour des Alternatives Climat et Environnement.
Pendant ces deux années, nous avons eu le privilège d'accompagner des femmes rurales qui, malgré les défis du changement climatique, ont démontré que la résilience se construit par les savoirs, la solidarité et l'action collective.
Mais les plus beaux résultats d'ECOFEMMES ne se résument ni aux jardins communautaires, ni aux infrastructures, ni aux formations réalisées. Ils se reflètent dans les parcours de femmes qui ont retrouvé confiance en elles, qui prennent aujourd'hui des initiatives, transmettent leurs connaissances et deviennent des actrices du changement au sein de leurs communautés.
🎥 À travers cette vidéo, nous avons choisi de laisser la parole à celles qui ont vécu cette transformation. Deux bénéficiaires, issues des sites de Papango Imeritsiatosika et Lazaina Iavoambony, partagent leur histoire, les défis rencontrés et les changements qu'ECOFEMMES a apportés dans leur vie, leur famille et leur communauté. Ces témoignages sont aussi un plaidoyer : investir dans les femmes, c'est investir dans des communautés plus résilientes, plus inclusives et mieux préparées face aux défis climatiques.