Safifafi:

Safifafi: Iti page ity dia noforonina mba hifaneraseran'ny Mpikambana sy ny manodidina ny Fifohazana!!

07/09/2023

ARY HITAHY IZAY MANISY SOA ANAO AHO , ARY HANOZONA IZAY MANOZONA ANAO AHO ......
GEN12.3

19/07/2021

III-2 NY VAVAKA ATAON’OLONA ROA NA TELO (Tohiny)

Isany fomba nitaizan’i Jesosy ny mpianany koa ny fanirahana azy ireo handeha tsiroaroa, na tsitelotelo, amin’ny fiatrehana ny asa fitoriana ny filazantsara, sy ny fiainam-bavaka natao mba anohanana izany sy itaizana antsika. Hoy ny toky nomen’i Jesosy ny mpiananatra: « Raha misy roa aminareo mifanaiky ety ambonin’ny tany na amin’inona na amin’inona, ka hangataka izany, dia ho azony avy amin’ny Raiko Izay any an-danitra izany. Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, eo afovoany Aho ». Matio 18 : 19—20.

Azo raisina ho vavaka ataon’ny mpiray fianakaviana, na mpiray asa, na mpinamana vitsivitsy mifanaiky hanatona an’Andriamanitra amin’ny fotoana manokana izany.

Nomen’i Jesosy ankoatrin’ny vavaka ataon’olon-tokana sy ny vavaka ataon’olona maro ao am-piangonana koa ity fomba iray ity. Misy antony manokana izany, na eo amin’ny lafiny fitaizana ny finoana, na amin’ny fampandehanana ny asa fitoriana ny filazantsara.

Raha ny vavaka ao amin’ny Baiboly no jerena, ny vavaka fanaon’ny Patriarka izay mbola saika mpiray fianakaviana na olom-bitsy, no iray amin’ny endrik’ity vavaka ity.

Ny tombony amin’ity vavaka ity, saika ny finoan’ilay loham-pianakaviana no tena jeren’ Andriamanitra amin’ny afahany mitondra ny mitahy ny fianakaviana manontolo. Ny ray aman-dreny sady mitarika kosa manana adidy mitaiza ny taranany hahay hanaiky miandalana ny ny sitrapon’Ilay Andriamanitra arahin’izy mianakavy.

Tsy voatery ho mpiray finakaviana na mpihavana ihany, fa na mpinamana sy mpiara-miasa aza dia efa voakasik’ity vavaka ity.
Raha niatrika ady tamin’ny Amelekita ny zanak’Israely, nivavaka nitondra ny adin’ny olony teo anatrehan’Andriamanitra Mosesy sy Arona ary Hora. Tamin’ny voalohany, napetrak’izy mirahalahy tamin’i Mosesy irery ny fivavahana. Naharitra ela anefa ny ady, ka reraka Mosesy farany, satria raha niakatra ny tanany, nahery ny zanak’ Israely, fa raha nidina kosa ny tanany, nahery ny Amelekita. Rehefa hitan’izy roa lahy izany, naka vato izy nipetrahany an’i Mosesy izy, fa izy roa lahy kosa nanohana ny tanany Mosesy haharitra hiakatra. Resy ny Amelekita nohon’ny fifanohanana tao amin’ny fiaraha-mivavaka.

Ny vavaka fanaon’i Jesosy sy ny mpianany tao Getsemane koa dia isany nampianarany azy ireo hanana izany vavaka izany. Ny fanomezan’i Jesosy tsiny ny mpianatra tsy mba niaraka niari-tory taminy dia ahitana izany mazava, satria tsy mbola mahatanteraka ny zavatra efa nampianarina azy izy ireo tamin’io fotoana io.

Saika mpiara-miasa roa na telo na mihoatra, samy efa mpivavaka no mifanaiky mba hira-mivavaka, fa tsy mpiray fianakaviana. Tsy maintsy misy lamina iarahany mamolavola sy manaiky, amin’ny lafin-javatra maromaro. Mety samy manana ny fianakaviany sy ny asam-pivelomany sy ny zavatra hafa tsy itovina koa izy ireo, kanefa mifanaiky hiara-mivavaka.Tsy maintsy arindra tsara izany, mba ho lavorary.

Hita koa fa sarotra ny ady atrehina amin’ny fahavalo ka mila ny fifanohanana sy fifanekena.

Na Jesosy aza tao Getsemane, nitaky ny fiaraha-mivavaka sy fifanohanana avy amin’ireo mpianany. Hoy indrindra Izy tamin’ireo mpianany: « Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty, mitoera eto ka miaraha miari-tory Amiko ». Mat: 26/38;

Hitantsika amin’izany ny tombony lehibe azo avy amin’ny vavaka ataon’olona roa na telo. Nafahan’i Mosesy sy Arona ary Hora nampandresy ny miaramilan’ny fireneny miatrika ady izany. Nahitan’i Petera sy Jaona ary Jakoba ny voninahitr’Andrianahitra teo amin’i Jesosy koa izany, indray mandeha tao an-tendrombohitra.

Ny Andriamanitra ivavahantsika dia Andriamanitra TELO nefa TOKANA eo amin’ny fiainany rehetra sy ny asany rehetra, sy ny fahefany rehetra ary ny voninahiny rehetra.

Ny zava-dehibe isany kendren’Andriamanitra ao anatin’ny famonjeny antsika dia ny hahatonga ny kristiana rehetra ho tokana ao Aminy sy miaraka aminy. Hoy ny vavaka nataon’i Jesosy alohan’ny hahafatesany « mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka anao Ray ato Amiko, ary Izaho koa ao Aminao, mba ho ao amintsika koa izy » Jaona 17: 21; Efa hita taratra izany tamin’ny fotoana fiorenan’ny fiangonana tamin’ny voalohany. Efa nataon’i Jesosy ho vahoakan’ny lanitra ny mpanaraka Azy, noho izany tsy maintsy mianatra ny fiainan’ny lanitra manomboka eto sahady.

Fiainan’ny lanitra natolotra antsika ny fiainam-bavaka tarihin’ny Fanahy Masina, ka tsy maintsy koloina isan’andro. Ny vavaka ataon’olona roa na telo, na fiankaviana, na olona vitsivitsy ao anaty sampam-pikambanana ao am-piangonana dia natao hitaizana ny maha tena iray ny zanak’Andriamanitra rehetra.

Manomboka mihabetsaka ny olona sy toe-javatra tsy maintsy ilana fifandaminana, fa tsy mitovy amin’ny vavaka ataon’olon-tokana. Samy ilaintsika amin’ny fitaizana ny finoantsika amin’ny maha zanak’Andriamanitra antsika isan’andro ireo endrikin’ny vavaka roa ireo, ka tsara ny hampahazava azy.

III-3 NY VAVAKA ATAON’NY FIANGONANA.

Ny firenena Israely dia tsy nokendren’Andriamanitra ho firenena fotsiny, fa ho fiangonany koa. Raha nitombo ny olona sy ny fianakaviana teo aminy, nanomboka nipetraka koa ireo fepetra nandrasan’Andriamanitra afahany mampijoro ho fiangonany eto an-tany.

Naniraka an’i Mosesy hitarika ny olony hiala ny fanandevozan’i Egypta, sy hanova azy ho tonga fiagonany, ary hampandova ny tany nampanantenainy omena ny razany.

Tsy fanafahana azy ho afaka amin’ny fanandevozana sy famidran-toeram-ponenana fotsiny izany no notanterahin’Andriamanitrana, raha nitondra azy hivoaka ny tany Egypta sy handova ny tany Kanana, fa misy fanavaozam-piainana lehibe tsy maintsy ho tanterahina eo aminy, mba hahatanteraka ny teniny hoe: « Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko ». Tsy toe-javatra tsotra sy mora izany satria, saika tsy tanteraka mihitsy tao anaty efapolo taona teo amin’ireto Israely ireto.

Ho fitaovana ampiasain’Andriamanitra ho « fitahiana ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany » ny Israely, araka ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba. Ny fivavahana indrindra no isany fitaovam-pitaizana hahatonga izany.
Mba afahantsika mahazo tsara ny hasarodin’ny asan’Andriamanitra tanterahiny eo amin’ny fiangonany, tsara raha mba faritantsika kely inona marina moa no atao hoe fiangonanana.

Ny fiangonana dia tsy hafa fa fivondronan’olona, vita fanekena tamin’Andriamanitra ka tonga olony, ary tarihiny hiala ny toerana sy toetra taloha ho amin’ny toerana sy toetra vaovao efa nomaniny. Efa niseho tamin’ny endrika roa io fiangonan’Andriamanitra io teto an-tany, ka ny voalohany dia ny firenena Israely, ary ny faharoa ny fiangonana kristiana. Hasehon’i Jesosy emin’ny tena endriny farany izany amin’ny fiverenany.

Mba ahitantsika mazava ny fomba nandaminan’Andriamanitra ny fiainam-bavaka ao amin’ny fiangonany, tsara raha samy ho jerentsika ny fivavahana teo amin’ny firenena Israely sy ny fivavahana teo amin’ny fiangonana kristiana.

III-3-1) Ny vavaka teo amin’ny Firenena Israely

Tsy iverenantsika intsony ny fivavahana tamin’ny andron’ny Patriarka fa efa natsidika teo ambony, fa ny fivavahana nanomboka tamin’ny fotoana nialana ny tany Egypta sy taorian’ny fahazahoana ny tany Kanana amin’ny maha firenena voafidy azy no ho jerentsika eto.

Araka ny nambarantsika teo ambony, efa nitombo betsaka ny vahoaka Israely, ka tsy tandrify azy intsony ny fivavahana patriarkaly. Nanolotra azy fombam-pivavahana vaovao sady tokana Andriamanitra, afaka hitaiza sy hampijoro azy ho fiangonanan’Andriamanitra sy ho firenena tokana sady masina Azy.

Tsy hafa amin’ny fivavahana efa nananan’i Abrahama akory izany, fa ny fandaminana vaovao hifanentana tsara amin’ny fijoroan’ny firenena Israely, no misy mampiavaka azy kely amin’ny fivavahana patriarkaly. Tian’Andriamanitra ho masina sady hiavaka ny olony, raha mitaha amin’ny firenena sisa, ka izany no nahatonga Azy nanolotra endrim-pivavahana vaovao, mba hahasahana ny fitaizana ny olona tsirairay sy ny olona manontolo ao anatin’ny firenena.

Ny Andriamanitra ivavahan’Israely dia Jehovah, Ilay nanambara tena tamin’i Mosesy hoe: « IZAHO IZAY IZY ». Ny zava-dehibe indrindra tadiaviny amin’ny olony rehetra dia : NY FANKATOAVANA. Io no nankasitrany indrindra an’i Abrahama ka nahatonga Azy hilaza tena ho Andriamanitry Abrahama, sady nahatonga Azy hanao fanekena mandrakizay taminy sy nanome azy ny anaram-boninahitra hoe : « Rain’ny mino ».

Ny zavatra faharoa mampiavaka ny fivavahana ny fivavahana nomena ny Israely, dia ny fidinan’ny Jehovah « honina eo amin’ny Israely olony, ka Izy ho Andrimaniny ».

Nanomboka tamin’ny P***a fanafahana an’Israely tao Egypta no niarahan’Andriamanitra tamin’ny olony, ka nitsarany ny Andriamanitry ny Egyptiana sy namonoany ny matoa rehetra tao Egypta nanomboka tamin’ny olona, ka hatramin’ny biby fiompy sy ny biby any an-tsaha rehetra. Ny matoan’Israely kosa, narovan’ny rAn’ny zanak’ondry natentina teo amin’ny tolam-baravarana.

Tamin’io alina io, no nanehoan’Andriamanitra ny heriny, ka Farao sy ny Egyptiana rehetra mihitsy no nandondona ny zanak’Israely hiala ao amin’ny taniny. Tsy natao ho tsarovana fotsiny, fa natao ho lalAna mandrakizay tsy maintsy ankalazain’ny taranaka mandimby rehetra izany; mba ho fantatrin’ny taranaka rehetra fa manana an’i Jehovah Ilay Andriamanitry ny razany sady Mpamonjy azy izy, ka mba hankatoavany Azy koa amin’ny fahatahorana sy ny fanajana rehetra.

Tsy P***a ihany no fotoana masina notsarovana sy hajaina fa mbola misy maro hafa koa, ka isan’izany, ny Sabata natao andro fitsaharana sy fivavahana amin’Andriamanitra ; misy koa ny taon-tSabata sy ny taon-jobily; ao koa ny fetim-bokatra na ny Pentekosta sy ny fanavotana lehibe. Ao koa ny fetin’ny rantsan-kazo sy na sisa..;

Nitambaran’ny Zanak’Israely ny fankalazana ireny fety ireny, mba ho famelombelomana ny finoana an’Andriamanitra sy ny firasana.
Rehefa tafala tao Egypta izy ireo, nitoby fotoana lavalava teo am-bodin’ny tendrombohitra Synay, ka teo no nanomezan’Andriamanitra ny didy folo sy ny teny rehetra manambara ny fanekeny sy ny sitrapony nasainy ho tandreman’Israely, ary ny fombam-pivavahana vaovao afahany manatona an’Andriamanitra. Ny fianarana sy fankatoavana izany sy ireo teny rehetra manambara ny sitrapon’Andriamanitra ireo, no fitaovana lehibe nentin’Andriamaitra manavao sy manamasina amin’ny fomba mitohy ny zanak’Israely, mba ho mendrika Azy.

Araka ny nambarantsika teo aloha, miara-monina sy miara-mandeha amin’ny Zanak’Israely Jehovah. Andriamanitra masina loatra anefa Izy, ka raha mifanosona eo anivon’Israely, dia mety ho ringana ny olona nohon’ny fahotany. Nampanao Tabernakely Izy ho toerana masina honenay eo anivon’ny olony. Ao koa no itenenany amin’i Mosesy sy ny mpisorona, ao koa no anatonan’olona an’Andriamanitra, amin’ny fanatitra sy ny fivavahana rehetra.

Nasain’Andriamanitra nampianarin’i Mosesy azy ireo fanatitra maro isan-karazany, ahitany famelan-keloka sy fanadiovana ary fanamasinana, mba afahany manatona an’Andriamanitra manatitra fisaonrana sy fankasitrahana, ary mandray koa ny fitahiana avy Aminy.

Nasain’Andriamanitra nampianatra sy nanokana mpisorona koa i Mosesy, mba hanao ny raharaham-pisoronana, ka ho afaka hiara-miasa aminy hanelanelana eo amin’Andriamanitra sy ny olona. Teo amin’ny tendrombohitr’i Sinay no nanoloran’Andriamanitra ny Israely ireo rehetra ireo, ka rehefa vita ny Tabernakely sy voalahatra tsara ny asan’ny mpisorona, sy ny fombam-pivavahana rehetra vao niala teo izy ireo, ka nizotra nanatona ny tany Kanana.

Fantatsika anefa fa tsy mora tamin’ny vahoaka Israely no nandray io fampianarana vaovao io.

Efa-polo taona dia tsy ampy nafahan’i Zanak’Israely nandray fanavaozana araka ny sitrapon’ Andriamanitra tamin’ny alalan’izany, na dia nafahan’Andriamanitra naneho zava-mahagaga maro taminy aza izany. Farany hoy Andriamanitra tamin’izany taranaka izany « Efa-polo taona no nahamonamonaina Ahy tamin’izany taranaka izany, ka hoy Izaho, olona maniasia amin’ny fony izy, ka tsy mahalala ny lalako; ka dia nianiana tamin’ny fahatezerako Aho hoe : tsy hiditra amin’ny fitsaharako mihitsy izy » Sal : 95 10—11; Olona roa ihany tamin’ireo olon-dehibe niala tany Egypta no tafiditra ny tany Kanana. Misy fetra ny famindrampon’ Andriamanitra ka izay tsy mitandrina dia ho diso fanantenana tokoa.

Miara-dalana tsy azo sarahina ny tantaran’ny firenena Israely sy ny fitaizan’Andriamanitra ny olony amin’ny alalan’izany fivavahana nomeny izany, hahatanteraka ny lalam-pamonjena.

Ireo fanatitra rehetra nampianarina ny Zanak’Israely tamin’izany dia manondro ny fanatitra lehibe indrindra ho tanterahin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanoloran’i Jesosy ny Tenany masina teo amin’ny hazo fijaliana. Hoy mantsy ny soratra masina : « Ary saika diovina amin’ ny rA avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalAna ; fa raha tsy misy rA latsaka dia tsy misy famelan-keloka ».

Rehefa tafapetraka soamantsara tao Kanana ny firenena Israely, ny lalAna sy ny asan’ny mpisorona ary ny fitaizan’ny isam-pianakaviana no fitaovana nampiasain’Andriamanitra mba hamelombelona hatrany ny finoany. Raha ny tokony izy tokoa, ny fivavahana dia tsy hafa fa fitadiavan’olona tsirairay na ny isam-pianakaviana ny famonjena sy ny fitahiana avy amin’ Andriamanitra. Tokony ho hetaheta sy andraikitrin’ny isam-pianakaviana, na raharahan’olona tsirairay mivantana manoloana an’Andriamanitra tokoa ny fivavahana.

Ny nampalahelo anefa, raha samy nahazo ny anjara-taniny avy ny foko sy ny fianakaviana tsirairay, samy nitondra ny fiainany araka izay tiany, ka maro no naka tahaka ny Kananita tompon-tany mbola tsy voaroaka nanompo sampy, ka niharan’ny famaizan’Andriamanitra.

Nanangana mpitsara nitarika fifohazam-panahy sy nitondra fanafahana teo amin’ny vahoka Israely Andriamanitra. Misy aza ny sasany tamin’izy ireo, efa mpaminany na mpisorona koa aza, tahaka an’i Samoela...,ary azo lazaina fa isany nitaiza ny finoan’i Davida izy.

Taorian’ny fijoroan’ny firenena Israely tao Kanana, azo lazaina fa tamin’ny andro nanjakan’i Davida sy Solomona no tena nandroso ny fifavahana sy ny toe-panahin’ny firenena Israely, izay nambarantsika fa fiangonanan’Andriamanitra voalohany.

Ny zavatra nataon’i Davida voalohany rehefa nanjaka izy, dia ny fananganana ny Tabernakely vaovao tao Jerosalema natsangany ho renivohitra. Nafindrany tao ny fiaran’ny fanekena. Efa nikasa hanangana Tempoly ho an’Andriamanitra aza izy, nefa tsy neken’Andriamanitra fa Solomona zanany no notendreny hanangana izany. Nandamina ny raharaham-pivavahana izy, ho fitaovana hanamafy o***a, tsy ny rahaham-pivavahana ihany fa ny filaminan’ny fiainam-pirenena koa. Mbola notohizan’i Solomona izany, ka nahatonga ny firenena Israely isany nitombo sy natanjaka tokoa tamin’ny lafiny politika, sy toe-karena koa . Olona nalaza tamin’ ny fahatohorana sy finoana an’Andriamanitra i Davida sy Solomona, na tao koa aza ny mety ho kilema maha olona azy ireo.

Taty afara, nohon’ny ditran’ny zanak’Israely sy ny fisamboaravoanan’ny tantarany, nivaky roa ny firenena Israely. Ny fokon’ny Joda sy Benjamina, ary ny sasany tamin’ny Simeona no taty atsimo, ka lasa firenena Joda ; fa ny foko sisa kosa nanangana ny firenena avaratra.

Ary satria nifangaro be ihany ny fandaminana ny fiainam-pirenena sy fiainan’ny fiangonana, mazava ho azy fa lasa nivaky koa ny fivavahana teo amin’ny firenena roa, ary tsy nitsahatra nihalalina ny hantsana nampisaraka. Tamin’ny vanim-potoana maro, na tamin’ny an-daniny na tamin’ny ankilany, tsy vitany nihanalemy ihany ny fiainana ara-pivavahana, fa niroborobo koa ny fanompoan-tsampy.

Nanangana mpaminany maro, mba hananatra ny mpanjaka sy ny vahoaka ary ny mpisorona tamin’ny firenena roa Andrimanitra. Tsy nahasakana mihitsy ny fikorosoan’ny fivavahana sy ny fiainana ara-panahy teo amin’ny firenena roa izany. Farany teraka hatramin’ny faharavan’ny firenena avaratra sy ny fahababoan’ny firenena atsimo, ary ny faharavan’ny tempoly izany….

Nahatonga fifohazam-panahy tamin’ny lafiny ara-pinoana ny fahababoana. Namindrafo tamin’ny vahoaka Israely indray Andriamanitra, ka namerina azy teo amin’ny tanany. Nitohy fotoana fohy ny fanavaozana ara-pivavahana, nefa tsy naharitra intsony izany. Maro ny toe-javatra tsy nampianarin’Andriamanitra no tafiditra tsikelikely tamin’ny fivavahan’ny zanak’ Israely, ka nahatonga ilay fivavahana nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy ho tena poakaty tanteraka tamin'ny fotoana nahatongavan’i Jesosy teto an-tany.

Io fivavahana io no nitaizana an’i Jesosy sy narahiny hanany fifandraisana tamin’i Rainy tany an-danitra tamin’ny andron’ny nofony. Niezaka nanitsy izany Izy, nefa niafara hatramin’ny famonoana Azy izany, fa tsy nety nanaraka ny fanitsiana nentiny ny mpitondra fivavahana tamin’izany. Nano***a fivavahana vaovao tamin’ny alalan’ny Fanahy Masiana sy ny Apostoly notezainy Izy. Niainga tamin’ny fanambarana ny asam-pamonjena nataony sy ny fitsanganany tamin’ny maty izany.

III-3-2) Ny Fivavahana kristiana

Raha ny fivavahana kristianina indray no jerena ny Apostoly notezain’i Jesosy mivantana sy nilatsahan’ny Fanahy Masina no nano***a azy tamin’ny Pentekosta. Hoy ny baiko nomen’i Jesosy ireo mpianany raha hiakatra any an-danitra indray Izy, «

Mandehana hianareo dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo, ary indro Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatonga ny fahataperan’izao tontolo izao»: Matio 28:18—20; Hoy ihany koa Izy amin’ny teny hafa : « Hahazo hery hianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolom-beloko manomboka eto jerosalema sy Jodia ary hatrany amin’ny farany tany » Asa 1:8;

Mazava izany ny saha hiasana, tsy Israely fotsiny, tsy fianakaviana iray ihany fa ny firenena rehetra mihitsy. Mazava koa ny asa ho tanterahina, dia ny fitoriana ny vaovao mahafaly amin’ ny olona rehetra, hitondrana ny firenena rehetra handray ny famonjena eo amin’i Jesosy, ka ny fanaovana batisa ny olona mino Azy sy ny fitaizana azy ireny amin’ny teniny no votoatin’ izany asa izany.

Raha ampitahaina amin’ny fivavahanan’Israely nomen’i Mosesy ny fivavahana kristiana, tsy dia nanome loatra rafi-pandaminana matipaika tahaka tahaka tamin’i fivavahana nomena an’i Mosesy Jesosy. Ny Fanahy Masina no Mpampianatra ao anatin’ny mino, hitarika azy amin’ ny asa any amin’ny toerana rehetra ito***a ny hafatrin’ny Tompo. Ny zava-dehibe isany nantitraterin’i Jesosy tamin’ny mpianatra dia ny fifankatiavan’izy ireo, sy ny maha iray ihany izy rehetra. Ireo no azo lazaina fa foto-kevi-dehibe nanorenan’i Apostoly ny fivavahana kristiana.

Ny zavatra nahasamihafa ny fanorenana ny fivavahana Israely sy ny fivavahana kristiana, ka tokony hazava amintsika voalohany dia ity: Teo amin’ny firenena Israely, firenena iray no niantefan’ny fitaizana, ary tsy nahagaga raha vetivety, lasa kolontsaim-pireneny mihitsy ny fivavahana hebreo.

Ny fivavahana kristiana kosa dia tsy natao hanafoanana ny kolontsaim-pirenena iray itondrana izany. Marina fa mety misy zavatra tsy dia azo ampiraisina ao amin’ny kolontsain’ny firenena iray, sy ny fivavahana kristiana. Matetika eo amin’ny resaka finoana no mampifanohitra, ka eo indrindra no tsara itsihana fa ny finoana sy ny kolontsaina dia zaatra sasanangy samy hafa. Mety misy koa olona iray niova niova fo, nanapa-kevitra hiala zato isan-jato amin’ny kolo-tsainy, ka hanangana ny fivavahana krisiana ho kolontsainy manokana ; raha izany no saidiny tsy misy afaka hanakiana azy amin’izany. Azy irery izany, fa tsy an’ny olona rehetra ao amin’ ny firenena akory. Na dia tao amin’ny firenena jiosy aza no nipoiran’ny fivavahana kristiana, Paoly izay jiosy, nefa apostolin’ny jentilisa, sy ireo Apostoly voalohany dia tsy mba nety nampivady ny finoana kristiana amin’ny kolontsaina. Azo natao izany teo amin’ny fivavahana jiosy fa tsy azo atao kosa amin’ny fivavahana kristiana.

Na izany aza, dia nambaran’i Jesosy mazava fa tokana ny fiangonany, ary nangataka tamin’Andriamanitra Rainy Izy, mba hitahiry azy, ho iray amin’ny anarany hatrany, araka ny namaritany izany tamin’ny nanirahany azy, dia ny hoe : ny tombokasen’ny Batisa ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny zanaka ary ny Fanahy Masina sy ny teniny voarakitra ao amin’ny Baiboly. Marina fa mety misampana ihany izy, fa miray ho tokana kosa ao amin’i Jesosy Ilay foto-boaloboka.

Nambaran’ny Apostoly fa ny maha iray azy dia : Iray ny Andriamanitra ivavahany dia ny Andriamanitra Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina, Iray ny batisa, Iray ny tena dia ny fiangonana, Iray ny finoana, Iray ny Fanahy Masina ao anatin’izy rehetra, dia ny Fanahin’ny Ray sy Kristy, tombokase ny maha zanak’Andriamanitra azy ireo, sady manerana azy rehetra. Ireo voalaza ireo no fepetra mamaritra ny maha tokana ny fiangonanan’Andriamanitra. Raha misy fiangonana milaza ho fiangonana kristiana, nefa tsy manaraka sy manaja izany ny fepetra fijoroany izany, dia mampisalasala ihany ny maha fiangonan’Andriamanitra azy. Ny fiangonanan’Andriamanitra dia afaka miara-miasa, na samy manana fomba sy endrika samy hafa andaminany ny fivavahany aza.

Andriamanitrin’ny zanak’Israely ihany no Andriamanitry ny kristiana. Noho izany, tsy nanahirana ny Apostoly ny naka ireo rafi-fandaminana ankapobeny sasany nisy teo amin’ny fivavahan’ny Jiosy, toy ny trano fivavahana, sy ireo fanaka entina manantanteraka ny fotoam-pivavahana.

Tao koa ny fakana ny Testameta taloha ho tenin’Andriamanitra, sy ny fandrafetana ny Testamenta vaovao. Tao koa ny fanofanana olona efa masaka amin’ny finoana ho azo hosorana ho mpiara-miasa amin’ny asa fitorianany filazantsara.

Hitantsika amin’izany fanadihadiana izany fa, tsy zavatra tsotsotra akory ny vavaka satria fepetra namboarin’Andriamanitra mba afahantsika manatona Azy, mandray ny famonjena sy ny fiainana mandrakizay.

Tsy zavatra azo foronin’ny saina, fa asan’Andriamanitra zato isan-jato. Ny anjarantsika dia ny fiankinana feno Aminy, amin’ny fontsika rehetra sy ny saintsika rehetra, sy ny fanahintsika rehetra, ary ny herintsika rehetra, mba afahany manolotra antsika izany.

Misy fahavalo misakana mba tsy hahatanteraka izany, dia ny devoly izany. Matetika, raha tsy mitandrina isika, afaka mampiasa ny tenantsika ihany izy, isakanana na animbana ny vavaka ataontsika.

Ny vavaka no fanatonan’olona tsirairay, tsy mitanjaka fa mifafy ny fahamarinan’i Jesosy an’ Andriamanitra. Ny olona tsirairay sy ny fianakaviana tsirairay, ary ny firenena rehetra, no tadiavin’Andriamanitra hanatona Azy tahaka izany, ka izany indridra no nanorany ireo fomba telo niezahantsika nojerena ireo.

Ny fiangonana no nataon’Andriamanitra handamina ny raharaham-pivavahana eo amin’ny firenena rehetra. Teo amin’ny Israely tsy nananosarotra izany fandaminana izany satria, firenena tokana ny fiangonana. Natolotr’Andriamanitra izany ka lasa kolontsain’Israely avy hatrany.

Teo amin’ny fivavahana kristiana kosa, tsy natao ho tsy nifangaro intsony ny kolontsaina sy ny fianoana satria ny firenena rehetra no saha hiasana.

Tsy maintsy atao ny vavaka satria fepetra napetrak’Andriamanitra hananantsika ny fiainana sy afahantsika mitahiry izany. Tsy azo atao kitoatoa koa ny vavaka satria, sabatra roa lela; na izy ankasitrahin’Andriamanitra raha manome voninahitra Azy, ka raisiny ho fitaovam-pamonjena sy fitahina ny fiainantsika. Raha lavin’Andriamanitra kosa indray ny vavaka ataontsika, mety hieraka hatramin’ny fahatezeran’Andrianamitra koa ka lasa loza ho antsika. Mametraka ny olona avy hatrany manoloana ny fitsarana marina ataon’Andriamanitra ny vavaka.

Hoy Paoly tamin’ny Ateniana fahizay: « Andriamanitra izay nanao izao tontolo izao sy ny ao aminy rehetra, Izy no Tompon’ny lanitra sy ny tany, ka tsy mba mitoetra ao anatin’ny tempoly nataon-tAnana, sady tsy mba tompoin’ny tanan’olona toa mila zavatra, fa Izy ihany no manome izao zavatra rehetra izao, aina sy fofonaina ary ny zavatra rehetra ; ary ny firenena rehetra avy amin’ny iray ihany, dia namponeniny ambonin’ny tany rehetra, ary efa notendreny, ny fotoan’andro sy ny faritry ny fonenany, mba hitady an’Andriamanitra izy, raha tahiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika Izy »Asa 17: 24—27;

Solovavan’ny firenena eo anatrehan’Andriamanitra ihany koa ny fiangonana, araka ny tenin’ Andriamanitra tamin’ny fanokanana ny Tempoly tamin’ny andron’i Solomona hoe: « Raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako, ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ka hiala amin’ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho, ka hamela ny helony, ka hahasitrana ny taniny » 2 Tan 7/14.

Hitantsika amin’izany ny maha saro-pady ny toeran’ny vavaka eo amin’ny fiainan’olona tsirairay sy ny fiainan’ny fianakaviana, ary ny firenena eo anatrehan’Andriamanitra. Noho izany, mpanelanelana voatokana, sady tsy misy mahasolo izy eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona. Misy asa lehibe andrasan’Andriamanitra isan’andro amin’ny fiangonana amin’ny maha solovavany, na mpaminaniny azy dia: ny « hilaza ny hatsaran’Ilay niantso azy hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavavy mahagaga », sy hivavaka ho an’ny firenena tsy mitsahatra eo antrehany, satria najorony ho « fanjakam-pisorona ny fiagonana ».

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay ao amin’ny fiangonana, sy ny firenena rehetra.

30/05/2020
21/07/2017

BJR MAKANY AM TOBY DAHOLO NY MPIKAMBANA SAFIFAFI NY ALAHADY O6 AOUT ZAO AM 6 ORA MARAINA MIAINGA AMPITAPITAO E

Address

FJKM AMBOHIMANANDRAY FILADELFIA
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Safifafi: posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share