28/05/2024
Finaritra e!
Fifaliana ho anay FIMPIZ SPAA12 ny manolotra anareo ity rindran-kiram-piderana an'Andriamanitra ity, amin'ny 30 jona 2024 manomboka amin'ny 3 Ora tolakandro ao amin'ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana.
Amin'ny tapany voalohany dia hira classique miaraka amin'i antoko mpihira matihanina amin'izany: Avaratr'Andohalo sy Faravohitra.
Amin'ny tapany faharoa, hihira ny hitan'i Henri Ratsimbazafy sy Bessa ireto artiste diso fantatsika ireto Rija Ramanantoanina, Mahery, Lilie Ary Elsie, miaraka amin'ireo antokom-pihira 9 bé zao. Misy invitée surprise koa.
Tsy misy ny vidim-pidirana fa misy valopy fanohanana Zay efa manomboka miparitaka any. Misy fisarihana maromaro mahafinaritra atao koa amin'io fotoana io koa save the date moa, dia tongava maro.
Mankasitraka anareo rehetra.
Soli Deo Gloria.