Union de Fédérations des Eglises Adventistes du 7ème Jour Océan Indien

Union de Fédérations des Eglises Adventistes du 7ème Jour Océan Indien Union de Fédérations des Églises Adventistes du Septième Jour Océan Indien. Page officielle.

27/05/2026

Ezra 3:10-11 Ary rehefa naorin'ny mpiasa ny tempolin'i Jehovah, dia nasainy hidera an'i Jehovah ny mpisorona, sady niakanjo ny akanjony sy nitondra trompetra, ary ny Levita, zanak'i Asafa, kosa nitondra kipantsona, araka ny nandidian'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely. Dia nanao hira nifamalivaly nidera sy nisaotra an'i Jehovah izy, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony amin'ny Isiraely. Dia nihoby mafy ny olona rehetra, raha nidera an'i Jehovah, satria vita ny fanorenan'ny tranon'i Jehovah.

Lorsque les ouvriers posèrent les fondements du temple de l’Éternel, on fit assister les sacrificateurs en costume, avec les trompettes, et les Lévites, fils d’Asaph, avec les cymbales, afin qu’ils célébrassent l’Éternel, d’après les ordonnances de David, roi d’Israël. Ils chantaient, célébrant et louant l’Éternel par ces paroles: Car il est bon, car sa miséricorde pour Israël dure à toujours! Et tout le peuple poussait de grands cris de joie en célébrant l’Éternel, parce qu’on posait les fondements de la maison de l’Éternel. Fren — Esdras 3:10 - Fren — Esdras 3:11

26/05/2026

Ezra 2:68 Ary ny sasany tamin'ny lohan'ny fianakaviana, rehefa tonga tao an-tranon'i Jehovah tany Jerosalema, dia nanatitra tamin'ny sitrapo hananganana ny tranon'Andriamanitra eo amin'ilay efa niorenany.

Plusieurs des chefs de famille, à leur arrivée vers la maison de l’Éternel à Jérusalem, firent des offrandes volontaires pour la maison de Dieu, afin qu’on la rétablît sur le lieu où elle avait été. Fren — Esdras 2:68

25/05/2026

Ezra 1:1-3 Ary tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia, dia notairin'i Jehovah ny fanahin'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia, mba hanatanteraka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Jeremia, ka dia nandefa teny eran'ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa izany hoe: Izao no lazain'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany dia efa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema izay any Joda. Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Andriamaniny anie homba azy, fa aoka hiakatra any Jerosalema izay any Joda izy ka hanao ny tranon'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izy no Andriamanitra Izay any Jerosalema.

La première année de Cyrus, roi de P***e, afin que s’accomplît la parole de l’Éternel prononcée par la bouche de Jérémie, l’Éternel réveilla l’esprit de Cyrus, roi de P***e, qui fit faire de vive voix et par écrit cette publication dans tout son royaume: Ainsi parle Cyrus, roi des P***es: L’Éternel, le Dieu des cieux, m’a donné tous les royaumes de la terre, et il m’a commandé de lui bâtir une maison à Jérusalem en Juda. Qui d’entre vous est de son peuple? Que son Dieu soit avec lui, et qu’il monte à Jérusalem en Juda et bâtisse la maison de l’Éternel, le Dieu d’Israël! C’est le Dieu qui est à Jérusalem. Fren — Esdras 1:1 - Fren — Esdras 1:3

24/05/2026

2 Tantara 36:16 Kanjo ny olona nihomehy ireny irak'Andriamanitra ireny sady nanazimba ny teniny sy namazivazy ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran'i Jehovah taminy, ka tsy nisy nahavonjy azy.

Mais ils se moquèrent des envoyés de Dieu, ils méprisèrent ses paroles, et ils se raillèrent de ses prophètes, jusqu’à ce que la colère de l’Éternel contre son peuple devînt sans remède. Fren — 2Chroniques 36:16

23/05/2026

2 Tantara 35:21 Fa Neko naniraka olona ho any aminy hanao hoe: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry mpanjakan'ny Joda? Tsy ady aminao izao anio izao, fa amin'ny fahavaloko, sady nasain'Andriamanitra handeha faingana aho; koa aza manohitra an'Andriamanitra Izay momba ahy, fandrao matiny ianao.

Et Néco lui envoya des messagers pour dire: Qu’y a-t-il entre moi et toi, roi de Juda? Ce n’est pas contre toi que je viens aujourd’hui; c’est contre une maison avec laquelle je suis en guerre. Et Dieu m’a dit de me hâter. Ne t’oppose pas à Dieu, qui est avec moi, de peur qu’il ne te détruise. Fren — 2Chroniques 35:21

22/05/2026
22/05/2026

2 Tantara 34:21,24,27 Andeha manontany amin'i Jehovah ho ahy sy izay sisa amin'ny Isiraely sy ny Joda ny amin'ny tenin'io boky vao hita; fa mafy ny fahatezeran'i Jehovah naidiny amintsika noho ny tsy nitandreman'ny razantsika ny tenin'i Jehovah hanao araka izay rehetra voasoratra amin'io boky io. Izao no lazain'i Jehovah : ... satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehan'Andriamanitra, raha nandre ny teniny ny amin'ity tanàna ity sy ny mponina eto, eny, satria nanetry tena teo anatrehako ianao ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako, dia Izaho efa nihaino, hoy Jehovah.

Allez, consultez l’Éternel pour moi et pour ce qui reste en Israël et en Juda, au sujet des paroles de ce livre qu’on a trouvé; car grande est la colère de l’Éternel qui s’est répandue sur nous, parce que nos pères n’ont point observé la parole de l’Éternel et n’ont point mis en pratique tout ce qui est écrit dans ce livre. Ainsi parle l’Éternel: ... Parce que ton coeur a été touché, parce que tu t’es humilié devant Dieu en entendant ses paroles contre ce lieu et contre ses habitants, parce que tu t’es humilié devant moi, parce que tu as déchiré tes vêtements et que tu as pleuré devant moi, moi aussi, j’ai entendu, dit l’Éternel. Fren — 2Chroniques 34:21 - Fren — 2Chroniques 34:27

21/05/2026
21/05/2026

2 Tantara 33:12-13 Ary nony azom-pahoriana mafy izy, vao nifona tamin'i Jehovah Andriamaniny sady nanetry tena indrindra teo anatrehan'Andriamanitry ny razany ka nivavaka taminy; ary Jehovah nanaiky ka nihaino ny fifonany, dia nampody azy ho any Jerosalema ho any amin'ny fanjakany. Ka dia fantatr'i Manase fa Jehovah no Andriamanitra.

Lorsqu’il fut dans la détresse, il implora l’Éternel, son Dieu, et il s’humilia profondément devant le Dieu de ses pères. Il lui adressa ses prières; et l’Éternel, se laissant fléchir, exauça ses supplications, et le ramena à Jérusalem dans son royaume. Et Manassé reconnut que l’Éternel est Dieu. Fren — 2Chroniques 33:12 - Fren — 2Chroniques 33:13

20/05/2026

2 Tantara 32:7-8 Mahereza ka matanjaha; aza matahotra na mivadi-po noho ny mpanjakan'i Asyria sy ny hamaroan'ny olona rehetra izay entiny; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy. Sandry nofo no momba azy, fa Jehovah Andriamanitsika kosa no momba antsika hamonjy antsika ka hiady ny adintsika. Ary dia niankina tamin'ny tenin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, ny olona.

Fortifiez-vous et ayez du courage! Ne craignez point et ne soyez point effrayés devant le roi d’Assyrie et devant toute la multitude qui est avec lui; car avec nous il y a plus qu’avec lui. Avec lui est un bras de chair, et avec nous l’Éternel, notre Dieu, qui nous aidera et qui combattra pour nous. Le peuple eut confiance dans les paroles d’Ézéchias, roi de Juda. Fren — 2Chroniques 32:7 - Fren — 2Chroniques 32:8

19/05/2026

2 Tantara 31:20-21 Ary toy izany no nataon'i Hezekia eran'i Joda rehetra; fa nanao izay tsara sy mety ary marina eo anatrehan'i Jehovah Andriamaniny izy. Ary ny raharaha rehetra izay natombony ny amin'ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra sy ny lalàna ary ny didy hitadiavana an'Andriamaniny dia nataony tamin'ny fony rehetra, fa nambinina izy.

Voilà ce que fit Ézéchias dans tout Juda; il fit ce qui est bien, ce qui est droit, ce qui est vrai, devant l’Éternel, son Dieu. Il agit de tout son coeur, et il réussit dans tout ce qu’il entreprit, en recherchant son Dieu, pour le service de la maison de Dieu, pour la loi et pour les commandements. Fren — 2Chroniques 31:20 - Fren — 2Chroniques 31:21

Address

PK6, RN2, Soamanandrarinhy
Antananarivo
BP700

Opening Hours

Monday 08:00 - 17:00
Tuesday 08:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 13:00

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Union de Fédérations des Eglises Adventistes du 7ème Jour Océan Indien posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to Union de Fédérations des Eglises Adventistes du 7ème Jour Océan Indien:

Share