Lahika Vokasionista Madagasikara

Lahika Vokasionista Madagasikara Miezaha ho masina (P. Justin) Ny Lahiaka Vokasionista dia sampana iray ao anatin'ny Fianakavim-be Vokasionista.

Ny Lahiaka Vokasionista dia ahitana ny :
- Ankizy ny Fahazavana
- Tanora Vokasionista mail: [email protected] tel: 0341828967
- Cooperation
- Les Amis du Justin tel : 0346932848

Jesoa Maria JosefaHenoy anie e 😊Anio hariva amin'ny 06 ora sy sasany amin'ny fandaharana Miara-dalana ao amin'ny Radio D...
27/07/2026

Jesoa Maria Josefa

Henoy anie e 😊

Anio hariva amin'ny 06 ora sy sasany amin'ny fandaharana Miara-dalana ao amin'ny Radio Don Bosco, hahenontsika ny tantaran'i Md Justino Maria Russolillo, sy ny momba ny fikambanana Vokasionista.

Fatti Santo 🙏

Ny Pretra AomonieNy zoky am-panahyNy birao mpandrindraNy mpikambana rehetra eto amin'ny Diosezy dia manasa anareo hiara ...
24/07/2026

Ny Pretra Aomonie
Ny zoky am-panahy
Ny birao mpandrindra
Ny mpikambana rehetra eto amin'ny Diosezy dia manasa anareo hiara hiombom-bavaka aminay, mandritra ny Eokaristia Masina fankalazana ny fetin'i Md Justino Maria Russolillo mpanorina ny fikambanana Vokasionista.

Jesoa Maria Josefa 🙏

" TSY MISY TSY AZO HATAO HO AN'IZAY REHETRA MINO." Marka.9,22bMiarahaba ny ankizy rehetra eto amin'ny diosezy Antananari...
05/07/2026

" TSY MISY TSY AZO HATAO HO AN'IZAY REHETRA MINO." Marka.9,22b

Miarahaba ny ankizy rehetra eto amin'ny diosezy Antananarivo nahatontosa ny fihaonamben'ny ankizy 2026, notanterahina teny amin'ny Seminera Zandriny Ambohipo.

Misaotra an'ireo solotenan'ny Ankizin'ny Fahazavana rehetra ihany koa tonga namaly ny antso. Tsy kely indrindra akory ny ankizy fa ny toa azy ireo no hiditra ny fanjakan'ny lanitra.

Rankizy Ă´, enganie ianareo hitombo finoana sy fahamasinana hatrany, ary tsy hitsahatra hatoky an'i Jesoa na misy aza sedra tsy maintsy lalovana.

Tsy adino ihany koa ny misaotra ireo mpanabe tsy nitandro hasasarana nikarakara ireo ankizy, ary ireo tanora nanao volontaire nandritra iny hetsika iny.

Fatti Santo 🙏

Jesoa Maria JosefaTsy ny rehetra no voaantso ho pretra sy relijiozy fa ny tsirairay dia samy manana ny antson'Andriamani...
07/06/2026

Jesoa Maria Josefa

Tsy ny rehetra no voaantso ho pretra sy relijiozy fa ny tsirairay dia samy manana ny antson'Andriamanitra avokoa.

Isaorana Andriamanitra fa vita soamantsara ny PVV izay natao teto amin'ny Ekar Soamanandrariny ny 05-06-07 Jona.

Isaorana ihany koa ireo tanora marobe tonga, misy ny avy eto Antananarivo ary misy avy any amin'ny faritra ihany koa.

Tsy adino ny misaotra an'ireo ekipa nikarakara, tsy nikely soroka na andro na alina 🙏

Indro ary ny sary fahatsiarovana.

NB : PVV : Pastorale Vocationnelle Vocationniste, fampahafantarana sy fanentanana ny antson'Andriamanitra ho an'ny tanora

Fatti Santo 🙏

✨  Isaorana an'Andriamanitra fa vita soa aman-tsara androany Alahady 31 mai 2026  ny fankalazana ny Fetin’ny Lahika Voka...
31/05/2026

✨ Isaorana an'Andriamanitra fa vita soa aman-tsara androany Alahady 31 mai 2026 ny fankalazana ny Fetin’ny Lahika Vokasionista Ambohijanaka.

🎶 Tena nahafinaritra ny Liturgie sy ny fihetsika liturgie " hira fisaorana", ka nanome hery sy aim-panahy tokoa ho an’ny rehetra.

🤝 Mankasitraka manokana ireo solontena avy amin’ny paroasy hafa ao anatin’ny Diosezy, izay tonga niara-niombom-bavaka sy nanotrona tamin’ity fankalazana ity.

💐 Feno fankasitrahana ihany koa izahay noho ny fandraisana sy ny fiaraha-mientana nasehon'nyLaika Vokasionista tao Ambohijanaka

🌿 Enga anie isika hanaraka hatrany ny làlan’i Mompera Giustino, ka hitombo fahamasinana lalandava 🙏

✝️ Jesoa – Maria – Josefa 🙏

🔥🕊️ TRATRY NY PANTEKÔTY 🔥🕊️Hidina amintsika anie ny Fanahy Masina 💧ka hanome antsika sy ny ankohonana misy antsika tsira...
24/05/2026

🔥🕊️ TRATRY NY PANTEKÔTY 🔥🕊️
Hidina amintsika anie ny Fanahy Masina 💧ka hanome antsika sy ny ankohonana misy antsika tsirairay avy ny fanomezam-pahasoavana fito ho entina mijoro vavolombelon'ny fitiavan'Andriamanitra 🤍🤍

Evanjely Masin'i Jesoa Kristy araka ny nosoratan’i Md. Joany Jo. 20, 19-23

Ny harivan’ny Paka ilay andro voalohan’ny herinandro, raha nirindrina ny varavaran’ny trano nivorian’ny mpianatra noho ny fahatahorany ny Jody, dia tonga i Jesoa ka nitsangana teo afovoany sy nilaza tamin’izy ireo hoe: “Homba anareo anie ny fiadanana!” Nony efa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ireo ny tanany sy ny tratrany, ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo. Dia hoy indray Izy tamin’izy ireo : “Homba anareo anie ny fiadanana! Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa”. Rehefa nilaza izany Izy dia nitsoka ka nanao tamin’izy ireo hoe: “Raiso ny Fanahy Masina, ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela ary izay hotananareo dia ho voatana”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy! 😇😇

17/05/2026

Henoy kely anie ny mpanorina e!

"Ry Maria Ă´, vaky felana mandrakariva tao aminao ilay felam-boninkazo ny fitiavan'Andriamanitra, ary io felam-boninkazo henika ahazavana io no nanome an'i Jesoa ilay tsirim-piainana ho anay".

Md. Guistino, Fanokanan-tena, p. 188

15/05/2026

Henoy kely hoe ny mpanorina!

"Mivavaha ombieny, ary aza manonona zavatra hafa ankoatra azy. Aoka ianareo ho mahatoky sy mazoto hanao ny fandiniha-panahy masina, ny fanolorana ny RĂ  sarobidy, ny fandinihin-tena, ary ny fanononana ny Raozery Masina indrindra."

Md Giustino, taratasy ho an'ireo relijiozy, fiz.1, p. 18

12/05/2026

Henoy kely anie ny Mpanorina e!

"Aza dia mikely aina fatratra, hanisy dikany na amantatra amin'ny antsipirihiny izay rehetra miseho na izay rehetra hitanao. Fa ilay fiainana anaty no imateso sy koloy: misokafa ianao aminy, raiso izy, manolora-tena aminy, araho dia i Jesoa, ary ataovy izay mahafaly azy. Ikelezo aina fatratra ilay fisandratana anaty ampianarin'i Jesoa anao".

Md Justino, Bokin'ny fanahy, p. 304

11 mai Notre Dame de VocationNy 11 Mey 1926, raha mbola namaky ny breviary tao an-jaridainan’ny tranon-dray aman-dreniny...
11/05/2026

11 mai Notre Dame de Vocation

Ny 11 Mey 1926, raha mbola namaky ny breviary tao an-jaridainan’ny tranon-dray aman-dreniny teo akaikin’ilay toerana malaza antsoina hoe Pagliarella i Mopera Justino, dia nahazo fahitana momba ny Trinite Masina izy. Tao anatin’izany no nampanantenain’Andriamanitra azy fa i Masina Maria no ho mpiaro sy “Mère Supérieure” an’ireo trano Vokasionista rehetra, na ireo efa misy na ireo mbola haorina, na ho an’ny Mopera izany na ho an’ny Masera.

Izany no antony ankalazan’ny Vokasionista ny fetin’i “Notre-Dame des Divines Vocations” isaky ny 11 Mey.
Antony maha-zava-dehibe azy
Io anaram-boninahitra io dia mifandray amin’ny finoana fa:
• i Maria no “Eny” voalohany tamin’Andriamanitra (nanaiky ny antson’Andriamanitra izy),
• ka lasa modely ho an’ny olona rehetra mamaly ny antso masina.

Noho izany, “Notre-Dame des Vocations” dia tsy fety fotsiny, fa fitiavana sy fanoloran-tena amin’i Maria amin’ny maha-Renin’ny Antso rehetra ao amin’ny Fiangonana.

Ho an’i Mopera Justino Russolillo dia tsy afaka mitombo ny vokasiona raha tsy eo ambany fiarovan’i Masina Maria.

Notre Dame des Vocations - Mivavaha ho anay

Address

Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Lahika Vokasionista Madagasikara posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share