28/02/2025
Nisy olona anankiray, tonga tao amin'i Nenilava, mba hanao veloma azy, fa handeha hiverina ho any amin'ny toeram-ponenany.
Hay, efa fantatr'i Mama avokoa ny mombamomba azy -- sy ny asa ataony any -- na dia tsy noresahina taminy akory aza izany.
Koa avy hatrany izy dia niteny hoe :
Hitanao anaka, fa ianao zao mpiasam-panjakana, kanefa mbola "stagiaire", ka dia mitsingevaheva fotsiny, mandra-paha-tonga anao ho mpiasa raikitra.
Ary toy izany ihany koa ny asa fanompoana an'Andriamanitra : Mila atao anaty "cadre" tsara, fa tsy mety raha mitsingevaheva fotsiny.
Ka noho izany anaka, dia tokony hanao mpiandry ianao ...
Raha nandre an'izany ilay olona, dia gaga be,
sady avy hatrany dia resy lahatra, ka lasa mpiandry tokoa ny niafarany. Maro ny olona toy izany, izay nahazo fiantsoana ho mpiandry tamin'ny fomba mivantana -- sy tampoka be -- sahala amin'izany.
Ary nolazain'i Mama koa, fa :
1- Ny vadin'ny Pastora rehetra, dia mila manao mpiandry avokoa.
2- Ary toy izany koa : Ny zanaky ny mpiandry, dia tokony hanao mpiandry ihany koa, fa na dia ny mpanompo-sampy aza, dia mahalala hanohy ny asan'ny raiamandreniny.
3- Ary any aoriana any, dia hisy fotoana hitadiavana mpiandry izay afaka manampy, fa tsy hahita.
Izany -- sy ny maro hafa koa -- ny teny nambaran'i Nenilava, izay fampirisihana mba hiroso amin'ny fiomanana ho mpiandry, ho an'izay rehetra mahatsapa fiantsoana, fa aza mangatak'andro lava, ary AZA MIANDRY KAPOKA.
Rehefa hiady amin'ny devoly ihany, dia tsara kokoa raha mba niofana manokana momba izany, sady manana fanamiana masina, ary voatokana ihany koa.
Ireo teny avy tamin'i Nenilava ireo, dia tsy maintsy lazaina,
na dia miteraka adi-hevitra sy resa-be aza indraindray, fa hafatra avy tamin'Andriamanitra ireo nampitain'i Mama ireo, ka sao dia hanadinan'Andriamanitra amin'ny andro fitsarana, raha toa ka tsy ampitaina amin'ny taranaka aty aoriana.
Koa samia manao "partage" isika rehetra, mba ho fizaràna amin'ny hafa koa.
Tsara ihany koa raha mividy an'ilay boky mihitsy, mba ho fanananao, fa ao no misy azy rehetra, sady milahatra tsara. Fa ny "publication" eto amin'ny "facebook", dia indraindray sarotra tadiavina, na misy olona mamafa.
Source : Tantaran'i Nenilava sy ny Fifohazana