Vondrona Itiavana Famonjena - VIF Iavoloha

Vondrona Itiavana Famonjena - VIF Iavoloha Eglise protestante située à Iavoloha croyant en Jésus Christ. Un endroit saint, béni de Dieu où règne amour, bonté , louange, adoration...

23/08/2026

🇲🇬 23 Aogositra 2026

"Fantatrao ve ny herin'ny fahatezeran'i Jehovah"

Salamo 90 : 11
« Iza no mahafantatra ny herin'ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao Araka IZAY tokony ho fahatahorana Anao? »

Salamo nataon'i Mosesy ity izay mampahafantatra ny faran'ny andron'ny olona.

📚 Vavolombelon'ny herin'ny fahatezeran'Andriamanitra i Mosesy noho ny fivadibadihan'ny Zanak'Isiraely. Toy izany koa ny fahatezerany tamin'i Farao.

Mampahatahotra ny fahatezeran'Andriamanitra sady mahafohy ny andro iainana.

📖 Eksodosy 32 : 11-12
« Fa Mosesy nifona tamin'i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, na­hoana ny fahatezeranao no mirehitra amin'ny olonao, izay nentinao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta tamin'ny hery lehibe sy ny tanana mahery? Nahoana ny Egyptiana no avela hilaza hoe: Mba hahita loza no nitondrany ireny nivoaka, hamonoany azy eny an-tendrombohitra sy handringanany azy tsy ho ambonin'ny tany? Mialà amin'ny fahatezeranao mirehitra, ka manenena ny amin'ny loza izay hanjo ny olonao. »

🕊️ Aza manjehy ny andro ho lava fa lanio hanaovana izay ankasitrahan'Andriamanitra ny andronao.



Pasteur Dolly
—————

🇫🇷 23 août 2026

Psaume 90 : 11
« Qui a conscience de la force de ta colère et de ton courroux pour te craindre? »

Connaissez-vous la puissance de la colère de l’Éternel ?

Ce psaume de Moïse annonce la fin des temps.

📚 Moïse a été témoin de la puissance de la colère de Dieu face à l’infidélité et à la rébellion des enfants d’Israël. Il a également été témoin de la colère de Dieu contre Pharaon.

La colère de Dieu est redoutable et peut abréger les jours de l’homme.

📖 Exode 32 : 11-12
« Moïse implora l'Éternel, son Dieu, et dit: «Pourquoi, Éternel, ta colère s'enflammerait-elle contre ton peuple, celui que tu as fait sortir d'Egypte avec une grande puissance et avec force? Pourquoi les Egyptiens diraient-ils: ‘C'est pour leur malheur qu'il les a fait sortir de notre pays, c'est pour les tuer dans les montagnes et les exterminer de la surface de la terre’? Renonce à ton ardente colère et reviens sur ta décision de faire du mal à ton peuple! »

🕊️ Ne cherchez pas à ajourner les choses, mais consacrez chaque jour à faire ce qui est agréable à Dieu.



Dolly Rabesson

23/08/2026

"Fantatrao ve ny herin'ny fahatezeran'i Jehovah"
Salamo 90 : 11

22/08/2026

🇲🇬 22 Aogositra 2026

Matio 2 : 6
"Ary ianao, ry Betlehema, tanin'ny Joda, tsy dia kely indrindra ao amin'ny andrianan'ny Joda hianao tsy akory; Fa avy ao aminao no hivoahan'Izay anankiray ho Mpanapaka, ka Izy no ho Mpiandry ny Isiraely oloko" (Mik. 5. 1.)."

📚 Fahatanterahan'ny teny faminaniana izay nampitondraina an'i Mika no ambaran'i Matio eto. Betlehema dia tanàna kely voafidin'Andriamanitra hipoiran'Ilay Mpanapaka hiandry ny Isiraely.

🚸 Tsy iza izany fa Jesosy Kristy, Ilay : "Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay, Andrian'ny fiadanana." (Isaia 9 : 5)

Tanteraka izany araka ny voasoratr'i Matio.

🔥 Izay ambaran'ny teny faminaniana dia tsy maintsy tanteraka na ho ela na ho haingana.

❓ Mino izany ve ianao?

Koa matoa ianao toy izao dia noho ny fahasoavan’Andriamanitra (1 Kor 15 : 10)

❤️ Avelao àry Jesosy hanandratra ny tokantranonao, ny fianaranao, ny asanao ary ny hoavinao, ka handrava ny asan'ny ratsy tsy hitoetra eo amin'ny fiainanao intsony.

🕊️ Miova ny momba anao rehefa ao aminao Jesosy : tsy kely intsony fa tonga lehibe toa an’i Betlehema. Amena!



Mme Vola Razanakoto

-------

🇫🇷 22 août 2026

Matthieu 2 : 6
« Et toi, Bethléhem, terre de Juda, tu n'es certes pas la plus petite parmi les principales villes de Juda, car de toi sortira un chef qui prendra soin d'Israël, mon peuple. » (Michée 5 : 1)

📚 Matthieu nous présente ici l’accomplissement de la prophétie annoncée par le prophète Michée. Bethléem est une petite ville choisie par Dieu pour que se lève le chef qui gouvernera Israël.

🚸 Il s’agit de Jésus-Christ, l’Unique : « on l'appellera merveilleux conseiller, Dieu puissant, Père éternel, Prince de la paix. » (Ésaïe 9 : 5).

Cette prophétie s’est accomplie, comme nous le rapporte l’Évangile selon Matthieu.

🔥 Ce que dit la parole prophétique doit se réaliser tôt ou t**d.

❓ Y croyez-vous ?

Si vous êtes ainsi, c'est par la grâce de Dieu (1 Corinthiens 5 : 10).

❤️ Alors, laissez Jésus prendre la première place dans votre vie. Qu’Il relève votre foyer, bénisse vos études, affermisse votre travail et conduise votre avenir. Qu’Il fasse disparaître toute œuvre du mal qui cherche à s’installer dans votre vie.

🕊️ Quand Jésus est en vous, votre situation change : vous n'êtes plus petit, mais vous devenez aussi grand que Bethléem. Amen !



Mme Vola Razanakoto

🇲🇬 21 Aogositra 2026Isaia 11 : 9« Ary tsy handratra na  hanimba eran'ny tendrombohitro masina izy; Fa ny tany ho henika ...
21/08/2026

🇲🇬 21 Aogositra 2026

Isaia 11 : 9
« Ary tsy handratra na hanimba eran'ny tendrombohitro masina izy; Fa ny tany ho henika ny fahalalana an'i Jehovah, tahaka ny anaronan'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina. »

📚 Faminaniana nampitondraina an'i Isaia izao teny izao ho filazana fa tsy hisy ny ady ka ho feno fahalalana an'i Jehovah ny tany.

🔥 Andao hianatra tsy handratra sy tsy hanimba ny hafa noho ny fahalalana an'i Jehovah Andriamanitra.

📖 « Tsy maintsy mifankatia isika » - 1 Jaona 3 : 11

🕊️ Misy ny fandriampahalemana rehefa ampanjakaina ny fitiavana.



Pasteur Dolly

---------

🇫🇷 21 août 2026

Ésaïe 11 : 9

« On ne commettra ni mal ni destruction sur toute ma montagne sainte, car la terre sera remplie de la connaissance de l'Éternel, tout comme le fond de la mer est recouvert par l'eau. »

📚 Cette parole est une prophétie donnée à Ésaïe pour annoncer qu'il n’y aura plus de guerre et où la terre sera remplie de la connaissance de l’Éternel.

🔥 Apprenons, nous aussi, à ne pas blesser ni faire du mal aux autres, grâce à la connaissance de l’Éternel notre Dieu.

📖 « En effet, le message qui vous a été annoncé et que vous avez entendu dès le commencement, c'est que nous devons nous aimer les uns les autres. » – 1 Jean 3 : 11

🕊️ La paix règne lorsque l’amour est présent.



Pasteur Dolly Rabesson

20/08/2026

🇲🇬 20 Aogositra 2026

Matio 28 : 7
"Ary mandehana faingana, ka lazao amin'ny mpianany fa efa nitsangana tamin'ny maty Izy; ary, indro, mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy; indro, efa nilaza taminareo aho."

📚 Taorian'ny nitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty dia nisy anjely niteny tamin'ireo vehivavy tonga teo am-pasana.

Tsy nasainy nijanona nitazana fotsiny izy ireo, fa nasainy nandeha faingana hilaza amin'ny mpianatra ny vaovao mahafaly.

👉 Midika izany fa maika ny iraka.
Mila hambara fa velona Jesosy, ary izay mino sy mankato dia afaka ny hihaona Aminy.

🔥 Betsaka ny olona kivy sy very fanahy ankehitriny.
Mila mandre izy ireo fa velona Jesosy ary mbola mamonjy sy manova fiainana.

☝️ Noho izany dia antsoina isika hanambara fa velona ny Tompo ary mbola afaka hitari-dalana anao hatrany Izy.

Ny filazanao izany vaovao mahafaly izany dia hitondra fanantenana, fampaherezana, ary hahatonga ny olona hanatona an'i Jesosy.

📖 "Ary hoy Izy taminy : Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra." — Marka 16 : 15

🕊️ Koa aza mangina ! Ambarao amin'izao tontolo izao fa velona ny Tompontsika.

📖 "Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay." — Asan'ny Apostoly 4 : 20



Mme Hary Rasoarimanana

———-

🇫🇷 20 août 2026

Matthieu 28 : 7
« Et allez vite dire à ses disciples qu'il est ressuscité. Il vous précède en Galilée. C'est là que vous le verrez. Voilà, je vous l'ai dit. »

📚 Après la résurrection de Jésus, un ange s’adressa aux femmes venues au tombeau.

Il ne leur demanda pas de rester sur place, mais leur donna une mission précise : aller rapidement annoncer aux disciples que Jésus était ressuscité.

👉 La mission ne pouvait pas attendre.
Il fallait annoncer sans t**der que Jésus est vivant et que ceux qui croient et lui obéissent peuvent le rencontrer.

🔥 Aujourd’hui encore, beaucoup de personnes vivent dans le découragement, la tristesse et le désespoir. Elles ont besoin d’entendre cette bonne nouvelle : Jésus est vivant, Il sauve, Il restaure et Il transforme encore les vies.

☝️ C’est pourquoi nous sommes appelés à proclamer que le Seigneur est vivant et qu’il peut encore nous guider.

Le fait d’annoncer cette bonne nouvelle apportera de l’espérance, de l’encouragement et conduira les personnes à se rapprocher de Jésus.

📖 « Puis il leur dit: «Allez dans le monde entier proclamer la bonne nouvelle à toute la création. » — Marc 16 : 15

🕊️ Alors, ne restez pas silencieux ! Annoncez au monde que notre Seigneur est vivant.

📖 « Quant à nous, nous ne pouvons pas ne pas annoncer ce que nous avons vu et entendu. » — Actes 4 : 20



Mme Hary Rasoarimanana

🇲🇬19 Aogositra 2026Habakoka 3 : 17"Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, ary tsy misy voany ny voaloboka, na dia mahad...
19/08/2026

🇲🇬19 Aogositra 2026

Habakoka 3 : 17
"Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, ary tsy misy voany ny voaloboka, na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, na dia vonoina aza ny ondry ao amin'ny vala, ary tsy misy omby ao am-pahitra …"

📚 Ny aviavy, ny voaloboka ary ny oliva dia mariky ny fiadanana, fahombiazana ary fitahiana teo amin’ny Zanak’Isiraely. Raha ireo no tsy misy, dia midika faharavana.

👉 Raha ny saha no tsy mahavokatra, dia midika fa ho avy ny mosary.

👉 Ny ondry sy ny omby dia sady manome sakafo no fitaovana entina miasa tany ihany koa. Raha ireo no maty, dia very ny loharanon-karena sy ny fitaovana enti-mivelona.

❓ Ahoana ny toe-ponao raha mitranga tokoa izany tsy fisiana sy faharavana rehetra izany ?
Ireo mantsy no tena antoky ny fiainana ka mahadiso fanantenana tanteraka.

🔥 Ny tohiny eo amin’ny and. 18 no maneho ny toe-pon’ny mpanompon’Andriamanitra mahatoky manoloana ny fijaliana sy ny fahantrana.

📖 "Nefa izaho dia mbola hifaly amin’i Jehovah ihany sy hiravoravo amin’Andriamanitry ny famonjena ahy. Jehovah Tompo no tanjako, ary manao ny tongotro ho toy ny an’ny dieravavy Izy ka mampandeha ahy any amin’ny havoanako. Ho an’ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ny valiha." — Habakoka 3 : 18-19

🕊️ Ny finoantsika dia tsy tokony hiankina amin’ny zava-misy sy ny trangam-piainana.

🙏 Jesosy ô, Ianao no tanjako raha mandalo fahasarotana ny fiainako.

📖 "Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao." — Apokalypsy 3 : 11



Pasteur Ndriana Razafinjatovo

🇫🇷 19 août 2026

Habacuc 3 : 17

« En effet, le figuier ne fleurira pas, la vigne ne produira rien, le fruit de l'olivier manquera, les champs ne donneront pas de nourriture; les brebis disparaîtront du pâturage, et il n'y aura plus de bœufs dans les étables… »

📚 Le figuier, la vigne et l’olivier représentaient pour les Israélites la paix, l’abondance et la bénédiction. Leur absence était donc le signe d’une situation de ruine et de désolation.

👉 Si les champs ne produisent plus, cela signifie que la famine est imminente.

👉 Les brebis et les bœufs fournissaient non seulement de la nourriture, mais constituaient également des moyens de travail pour cultiver la terre. Leur disparition signifie la perte des ressources et des moyens de subsistance.

❓ Comment vous sentiriez-vous si toutes ces privations et cette désolation venaient réellement à se produire ?

Ce sont, en effet, des éléments essentiels à la vie, et lorsque les ressources disparaissent et que tout semble s’effondrer, la déception peut être profonde.

🔥 La suite du verset 18 illustre l’attitude du fidèle serviteur de Dieu face à la souffrance et à la pauvreté.

📖 « Mais moi, je veux me réjouir en l'Éternel, je veux être dans l'allégresse à cause du Dieu de mon salut. l'Éternel, le Seigneur, est ma force: il rend mes pieds semblables à ceux des biches et il me fait marcher sur mes hauteurs. Au chef de chœur. Avec instruments à cordes. » — Habacuc 3 : 18-19

🕊️ Notre foi ne doit pas être fondée sur ce que nous possédons, ni sur les circonstances que nous traversons, mais sur Dieu Lui-même.

🙏 Jésus, Tu es ma force lorsque ma vie traverse des difficultés.

📖 « Je viens bientôt. Tiens ferme ce que tu as, afin que personne ne prenne ta couronne. » — Apocalypse 3 : 11



Pasteur Ndriana Razafinjatovo

18 Aogositra 2026Lioka 24 : 27“Ary nanomboka tamin’i Mosesy sy ny mpaminany rehetra, dia nambarany tamin’izy ireo izay z...
18/08/2026

18 Aogositra 2026

Lioka 24 : 27
“Ary nanomboka tamin’i Mosesy sy ny mpaminany rehetra, dia nambarany tamin’izy ireo izay zavatra rehetra milaza Azy ao amin’ny Soratra Masina.”

📚 Tsy nahafantatra an’i Jesosy ireo mpianatra rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy. Tsy nahasakana an’i Jesosy tsy hanazava ny Soratra Masina tamin’izy ireo anefa izany.

☝️ Aza mijanona amin’ny famakiana ny Soratra Masina fotsiny, fa mangataha amin’i Jesosy mba hanokatra ny sainao hahafantaranao ny tena heviny sy ny sitrapon’Andriamanitra.

📖 "Dia nanokatra ny sain’ireo Izy hahalala ny Soratra Masina." — Lioka 24 : 45

📝 Koa diniho sy ianaro ny Soratra Masina, satria ao no ahafantaranao bebe kokoa an’i Jesosy sy ny fanambarany.

📖 "Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy." — Jaona 5 : 39


Mme Annah Marie

18 août 2026

Luc 24 : 27

« Puis, en commençant par les écrits de Moïse et continuant par ceux de tous les prophètes, il leur expliqua dans toutes les Ecritures ce qui le concernait. »

📚 Les disciples ne reconnurent pas Jésus lorsqu’Il ressuscita. Pourtant, cela ne L’empêcha pas de leur expliquer les Écritures et de leur révéler ce qui Le concernait.

📖 « Alors il leur ouvrit l’esprit à l’intelligence des Écritures. » — Luc 24 : 45

☝️ Ne vous contentez pas de lire les Écritures, mais demandez à Jésus d’ouvrir votre esprit pour comprendre le véritable sens et la volonté de Dieu.

📖 « Il leur dit: « De quoi parlez-vous en marchant, pour avoir l'air si tristes?»
» — Luc 24 : 45

📝 Étudiez et apprenez donc les Écritures, car c’est là que vous découvrirez Jésus et ses enseignements.

📖 « Vous sondez les Écritures, parce que vous pensez avoir en elles la vie éternelle ; ce sont elles qui rendent témoignage de moi. » — Jean 5 : 39


Mme Annah Marie

17/08/2026

🇲🇬 17 Aogositra 2026

Lioka 1 : 2
… " araka izay efa noraisintsika natolotry ny vavolombelona izay sady nahita maso no efa mpitory ny teny hatramin'ny voalohany…"

📚 Teny nosoratan’i Lioka ho an’i Teofilo ity andinin-tSoratra Masina ity.
Manamafy i Lioka eto fa ny vavolombelona dia tsy olona nandre fotsiny, fa tena nahita maso ny zava-nitranga ary mampita izany tamin’ny hafa.

📖 "Ary ilay nahita dia vavolombelona manambara, ary marina ny fanambarany; ary fantany fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa." — Jaona 19:35

⚠️ Koa rehefa mijoro ho vavolombelona, dia tsy ampy ny mitantara, fa ilaina ny porofo manamarina izay ambara.

🕊️ Ny finoana kristiana dia miorina amin’ny tenin’ny Soratra Masina. Tsy tantara noforonina, fa zavatra hita sy niainana.

Koa antsoina isika mba ho vavolombelon’i Kristy amin’ny fiainana sy ny teny, amin’ny fitoriana ny Filazantsara.

📚 "Izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminay koa; ary ny firaisanay dia amin’ny Ray sy amin’i Jesosy Kristy Zanany." — I Jaona 1 : 3

🔥 Ianao koa ve vavolombelon’i Kristy? Samia àry manambara izay nataony taminao.



Mme Lalaoharisoa Rasoamandrato

------------
🇫🇷 17 août 2026

Luc 1 : 2
« D'après ce que nous ont transmis ceux qui ont été des témoins oculaires dès le commencement et qui sont devenus des serviteurs de la parole… »

📚 Ce passage de l’Écriture fait partie de ce que Luc a écrit à Théophile.

Luc souligne ici que les témoins ne sont pas simplement des personnes qui ont entendu parler des événements, mais qu’ils les ont réellement vus de leurs propres yeux et qu’ils les ont ensuite transmis aux autres.

📖 « Celui qui a vu ces choses en rend témoignage et son témoignage est vrai. Il sait qu'il dit la vérité afin que vous croyiez aussi. » — Jean 19 : 35

⚠️ Ainsi, lorsque nous témoignons, il ne suffit pas de raconter une histoire ; des preuves sont nécessaires pour confirmer nos dires.

🕊️ La foi chrétienne n’est pas fondée sur une simple invention ou sur une histoire imaginée. Elle repose sur la Parole de Dieu et sur le témoignage de ceux qui ont vu, entendu et vécu les œuvres de Dieu.

Nous sommes, nous aussi, appelés à être des témoins de Christ, non seulement par nos paroles, mais également par notre manière de vivre, afin d’annoncer fidèlement l’Évangile.

📚 « Ce que nous avons vu et entendu, nous vous l'annonçons [à vous aussi] afin que vous aussi, vous soyez en communion avec nous. Or, c'est avec le Père et avec son Fils Jésus-Christ que nous sommes en communion. » — 1 Jean 1 : 3

🔥 Et vous, êtes-vous un témoin de Christ ? N’hésitez pas à témoigner de ce qu’Il a fait dans votre vie, afin que d’autres puissent également croire en Lui.



Mme Lalaoharisoa Rasoamandrato

15/08/2026

"HIHAINO ANAO AHO"
"Faminaniana loza ho an'ny mpiavonavona"
Isaia 23 : 8

🇲🇬 15 Aogositra 2026Faminaniana loza ho an'ny mpiavonavona.Isaia 23 : 8"Iza no nikasa izany hamelezana an'i Tyro, mpanom...
15/08/2026

🇲🇬 15 Aogositra 2026

Faminaniana loza ho an'ny mpiavonavona.

Isaia 23 : 8
"Iza no nikasa izany hamelezana an'i Tyro, mpanome satro-boninahitra, izany? Mpanapaka ny mpandrantony, Olo-malaza amin'ny tany ny mpivarony."

📚 Ny fiavonavonana dia mahatonga loza sy faharavana. Izany no faminaniana momba an'i Tyro satria hitan'Andriamanitra fa nirehareha sy tia voninahitra tafahoatra ny mponina tao aminy. Nieritreritra izy ireo fa manana olo-malaza sy mpanapaka ka tsy ho rava mandrakizay.

📖 "Jehovah, Tompon'ny maro, no nikasa izany, mba hampietreny ny fiavonavonan'ny voninahitra rehetra, sy hanalany ny voninahitry ny olo-malaza rehetra amin'ny tany." — Isaia 23 : 9

☝️ Dieny mbola tsy mihatra amintsika ny loza sy ny faharavana dia andao hianatra hietry sy tsy hiavonavona. Ny fanetre-tena dia mitondra ho any amin'ny fisandratana koa aoka i Jesosy Kristy izay mitahy antsika ihany no omena ny voninahitra.

📖 "Fa izay manandra-tena no haetry ; ary izay manetry tena no hasandratra." — Matio 23 : 12

🔥 Androm-bavaka voalohany anio, koa ialao ny avonavom-panahy rehetra na ara-nofo na ara-panahy.



Mme Nalisoa Marinah

———-

🇫🇷 15 août 2026

Une prophétie de malheur pour les orgueilleux.

Ésaïe 23 : 8
« Qui a pris cette décision contre Tyr, elle qui distribuait les couronnes, elle dont les marchands étaient des princes, dont les commerçants étaient les plus importants de toute la terre ? »

📚 L’orgueil finit toujours par conduire à la ruine. Cette prophétie concernait Tyr, car Dieu avait vu l’orgueil de ses habitants et leur désir excessif de gloire et de prestige. En raison de leur richesse, de leur puissance et de leurs dirigeants, ils pensaient être à l’abri de toute destruction et pouvoir demeurer éternellement dans leur grandeur.

📖 « C'est l'Éternel, le maître de l'univers, qui a pris cette décision pour briser l'orgueil de tous ceux qu'on honore, pour humilier tous ceux qu'on juge importants sur la terre. » — Ésaïe 23 : 9

☝️ Avant que le malheur et la destruction ne s’abattent sur nous, apprenons à nous humilier et à rejeter l’orgueil. L’humilité conduit également à l’élévation. Ainsi, rendons toute la gloire à Jésus-Christ, Lui seul qui nous bénit.

📖 « Celui qui s'élèvera sera abaissé et celui qui s'abaissera sera élevé. » — Matthieu 23 : 12

🔥 Aujourd’hui commence notre premier jour de prière. Rejetons donc toute forme d’orgueil, qu’il soit matériel ou spirituel.



Mme Nalisoa Marinah

Address

Antananarivo
102

Telephone

+261340263815

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Vondrona Itiavana Famonjena - VIF Iavoloha posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share