Vondrona Fototra Laika FJKM Amboniloha Jerosalema-ko

Vondrona Fototra Laika FJKM Amboniloha Jerosalema-ko Ny VFL dia fivondronan’ireo vahoakan’Andriamanitra rehetra manana talenta amin’ny sehatra rehetra azo entina hampandrosoana ny fiangonana.

🎉 DIDI-POITRA FAOBE 2026Isaorana sy anomezam-boninahitra an’Andriamanitra fa anio Sabotsy 25 Jolay 2026 dia nahafahana n...
25/07/2026

🎉 DIDI-POITRA FAOBE 2026

Isaorana sy anomezam-boninahitra an’Andriamanitra fa anio Sabotsy 25 Jolay 2026 dia nahafahana nanatanteraka tamim-pilaminana sy tamim-pahombiazana ny Didi-poitra Faobe 2026.

Ity hetsika ity dia asa sosialy fiaraha-miasan’ny Sampana Vondrona Fototra Laika (VFL) sy ny Fiangonana reniny FJKM Amboniloha Jerosalema-ko, entina manampy ny mpiara-belona sy hijoro ho vavolombelon’i Kristy eo anivon’ny fiaraha-monina.

Maneho fisaorana sy fankasitrahana an’ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanatanterahana ny hetsika izahay, indrindra ireo:
• Mpitandrina sy tompon’andraikitry ny Fiangonana;
• Mpitsabo mpiara-miasa;
• Ray aman-dreny sy ankohonana rehetra izay nandray anjara sy nanome fitokisana;
• Mpikambana VFL rehetra.

📖 “Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.”
Matio 5:16

Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra!

Fanasana ho an'ny Fianakaviam-be VFL..Aza adino ny fotoanantsika, Ampitapitao 🙂
07/07/2026

Fanasana ho an'ny Fianakaviam-be VFL..
Aza adino ny fotoanantsika, Ampitapitao 🙂

⛪✨ Ny Sampana Vondrona Fototra Laika FJKM Amboniloha dia faly manasa antsika rehetra hiaraka hamangy ny fiangonana 𝐅𝐉𝐊𝐌 ...
11/06/2026

⛪✨ Ny Sampana Vondrona Fototra Laika FJKM Amboniloha dia faly manasa antsika rehetra hiaraka hamangy ny fiangonana 𝐅𝐉𝐊𝐌 𝐀𝐯𝐚𝐫𝐚𝐛𝐨𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐅𝐚𝐡𝐚𝐳𝐚𝐯𝐚𝐧𝐚 (Ambohidratrimo) amin'ny 𝐀𝐥𝐚𝐡𝐚𝐝𝐲 𝟏𝟒 𝐉𝐨𝐧𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟔 izao. 🤝💒

🕘 Hanomboka amin'ny 09 ora maraina ny fanompoam-pivavahana.

🚌 Fiaingana eo amin'ny FJKM Amboniloha : amin'ny 𝟎𝟓 𝐨𝐫𝐚 𝐬𝐲 𝐬𝐚𝐬𝐚𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐫𝐚𝐢𝐧𝐚.

💰Efa misy ny fiara iraisana sy ny sakafo atoandro izay karakarain'ny sampana ka ny fandraisan'anjara amin'izany dia 𝟏𝟓.𝟎𝟎𝟎 𝐚𝐫𝐢𝐚𝐫𝐲 𝐢𝐬𝐚𝐧'𝐨𝐥𝐨𝐧𝐚.

📝 Ho fandaminana dia sitraka indrindra raha milaza mialoha.

🙏📖 "𝐴𝑟𝑦 ℎ𝑜𝑦 𝐼𝑧𝑦 𝑡𝑎𝑚𝑖𝑛𝑦 : 𝑀𝑎𝑛𝑑𝑒ℎ𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑛𝑦 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑖𝑧𝑎𝑜 𝑡𝑜𝑛𝑡𝑜𝑙𝑜 𝑖𝑧𝑎𝑜 𝑖𝑎𝑛𝑎𝑟𝑒𝑜, 𝑘𝑎 𝑚𝑖𝑡𝑜𝑟𝑖𝑎 𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑙𝑎𝑧𝑎𝑛𝑡𝑠𝑎𝑟𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝑜𝑙𝑜𝑚𝑏𝑒𝑙𝑜𝑛𝑎 𝑟𝑒ℎ𝑒𝑡𝑟𝑎." 𝐌𝐚𝐫𝐤𝐚 𝟏𝟔 : 𝟏 😊✨

23/05/2026

👑HERINANDRO'NY FANAHY MASINA MIALOHAN'NY PENTECÔTE 💫
✨Alakamisy masina

💫Fanompoam-pivavahana sy toriteny an-kira notarihin'ny VFL FJKM Alarobia Amboniloha

✅Andro fanomanana lehibe ho an’ny Pentekôsta, andro izay manentana ny fonao hiandrandra ny Fanahy Masina sy hihamafy amin’ny finoana ary hiomananao.
✅Ny Pentecôte ny lahady izao dia andro lehibe ao amin’ny Fiangonana Kristiana izay ankalazaina 50 andro aorian’ny P***a, ary manamarika ny fahatongavan’ny Fanahy Masina teo amin’ireo Apostoly.

Address

Rue Ranaivo Paul
Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Vondrona Fototra Laika FJKM Amboniloha Jerosalema-ko posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share