Cellules GBUT Fac Sciences Ankatso

Cellules  GBUT Fac Sciences Ankatso Connaître Christ et Le faire connaître aux étudiants :) Cellules d'etude Biblique GBU

Asaina manokana ianao io hoavy.Miandry anao Izy, izahay🙏☺️See you there🫂
31/05/2025

Asaina manokana ianao io hoavy.
Miandry anao Izy, izahay🙏☺️
See you there🫂

Fa izy ity anie tsy vitan'ny hoe " mino ny fisiaNy aho ka" 😁 Izao rehetra izao ve ho tonga ho azy moa
Dia tsy vitan'ny hoe rehefa miandry valina concours dia
izay vao miaritra hatsiaka amin'ny maraim-baovao 😌😆
Na eo am-piandrasana vady sy VISA fa nahita ketrika vaovao, izay vao manao vavaka sy fifadian-kanina 😁

Dia hoy ianao hoe f'angaha moa Izy tsy azo itarainana eh?
Aaa ka ,tena azo Izy😊 ,saingy tsy izany irery no maha-izy azy Azy.

Dia ahoana ihany àry izany,iza marina Izy amiko eh?
Inona no idirany amin'ny fiainako manokana eo moa?
Aiza no toerana ametrahako Azy ?
Inona no avelako idiraNy 😁, inona no tsia?
Fa iza tsara moa izany ilay " Izy "?

🗓️Amin'ny Sabotsy 07 Jona mihaona eee
🕑 01ora-04 ora tolakandro
📍 Casa Blanca Ankatso
🍂Hanasana anao mpianatra eny amin'ny Anjerimanontolo ,tsy ankanavaka

Tongava soa oh😊


Save the date🙏
02/03/2025

Save the date🙏

“Save the date✅
Aza miala lavitra fa ho avy eo ihany ny andinindininy rehetra 😊"

Lasy miavaka anasaina anao mamaky io😊🙏"Follow me"Any mihaona a
31/05/2023

Lasy miavaka anasaina anao mamaky io😊🙏
"Follow me"
Any mihaona a

“ 𝙁𝙤𝙡𝙡𝙤𝙬 𝙢𝙚 ” 🥰

Fa hanaraka an'iza? 🤔😅 Iza tokoa moa e...😁😊 Dia fa ahoana? 🤔

👉 Mpianatra eny amin'ny Anjery Manontolo ve ianao? 👨‍🎓🧑‍🎓
👉 Tapi-dàlan-kaleha ianao satria tsy fantatrao intsony hoe mizotra mankaiza moa zany ity fiainana ity? 😵😵
👉 Mety diso fanantenana teo amin'ny fiainana ihany koa: nilaozan'olon-tiana 😪, tsy afaka fanadinana😫, diso filière 🙈 🤦🤦 sns....
👉 Mety tsy manana andry iankinana koa satria lavitra RAD , na mety efa tsy manana intsony 🥺🥺
👉 Inona koa no toerana misy anao amin'izao? 😊

Fa tsarovy foana anefa fa na iza na iza ianao dia T I A N A foana....🥰🥰 Mbola misy antenaina koa ny aminao matoa mbola misy miteny hoe "Manaraha ahy" ❣️, ny fiaraha-monina mety manilikilika anao noho ny toerana misy anao, dia ahoana zany ? Ahoana ny aminao io? 😁😁

Tongava àry manatrika an'ity LASY ity e....😁😍 Iarahana amin'ny (Groupe Biblique Universitaire de Tananarive).

🌼 Fifampizarana eo amin'ny samy tanora 👬👭, Lalao, fampianarana, étude biblique, feux de camp, RCF, sns....😋😋
Sady mihataka kely amin'ny rotorotom-piainana nefa koa sady tena afaka manomana tsara izay ho fiafaranao 😊🤗

E N T O. N Y. N A M A N A

*Raha hisoratra anarana na mila fanazavana fanampiny : (hatramin'ny 08juin)

📞034 83 679 42 / 034 82 448 65
Mp: Rosa Perline na Page GBUT

❣️

Peace!🤗Ny Asabotsy 27 Mey 2023 ho avy izao no "Journée UGBM" koa asaina ianao mamaky io hoavy😀🏢ESSCA Antanimena🕘 09h30-1...
21/05/2023

Peace!🤗
Ny Asabotsy 27 Mey 2023 ho avy izao no "Journée UGBM" koa asaina ianao mamaky io hoavy😀
🏢ESSCA Antanimena
🕘 09h30-16h
🍽 Mitondra lovia sy sotra ary vary masaka fa ny aloka no hiraisana

@ Sabotsy indray mihaona izany e

Tiako izy dia ahoana?Zahay isan'andro tsy maintsy tafahoanaFarafahakeliny isaky ny RG Mitia azy mangina mety ho hadisoak...
03/08/2022

Tiako izy dia ahoana?
Zahay isan'andro tsy maintsy tafahoana
Farafahakeliny isaky ny RG
Mitia azy mangina mety ho hadisoako ve?

Mety ve zahay raha mba mitafatafa
Na dia henoko aza ny foko hoe midoboka hafahafa ?
Efa ela ihany no nisy zavatra misoko
Azoko ambara azy amin'izay ve ny ato am-poko?

Dia ahoana marina moa zany? Amin'ny sabotsy no ho ataontsika ny valiny

RG Sabotsy 06 Aôut
Programme : 💖Fitiavana pratique💖
🕑 14h
🏠Centre d'accueil UGBM Antsahameva

Ela ela isika tsy nihaona e'ndao hoavy eEo @ IST no fotoana @ 9 raha tsy mahita ny arrêt GamoManantena ny fahatongavan'i...
28/07/2022

Ela ela isika tsy nihaona e
'ndao hoavy e
Eo @ IST no fotoana @ 9 raha tsy mahita ny arrêt Gamo
Manantena ny fahatongavan'ise😍👊

Finaritra e!!ndao ary samy ho tonga Rassemblement des Cellules ity e😇samia tonga daholo fa ahafinaritra be io😍😁Any ary ny fotoana an!!Tongava daholo!!

20/07/2022

::NY FOTOANA, DIA FITIAVANA …::

Manahoana ianao ry Namako,

Taona maromaro izao,nijery horonantsary mihetsika tena ankafiziny, izaho sy ny zanako vavy . Tena teo aho ara-batana, fa saingy hoe tena roboka tanteraka tao anatin’ny asako. Na dia tena tanora aza izy, dia hoy izy tamin’ny feo feno fitiavana : "Dada, apetraho aloha ny findainao fa FOTOANANTSIKA miaraka izao !"

Tamin’izay fotoana manokana izay, dia naheno ny feon’Andriamanitra aho niteny tato am-poko nanao hoe : "rehefa eo ianao, dia manatreha feno ! Raha tianao hisy fiantraikany eo amin’ny zanakao vavy ny fitiavako ao aminao , dia tiako hampiasa ny fotoananao ianao."

Ny fotoana omenao an’Andriamanitra dia :
⚫Maneho ho porofo ny fitiavanao.
⚫fanorenana hatrany fa tsy fotoana lany.
⚫misy fiantraikany lehibe eo amin’ny fonao ary koa eo amin’ny fifandraisanao.

Davida Mpanjaka, izay nanana fiainana nahomby tety an-tany, dia nanana fo izay nangetaheta an’Andriamanitra. Hoy izy nanoratra ho azy : "Ny foko sy ny nofoko mihoby an'Andriamanitra velona. Eny, ny tsikirity mahita trano, ary ny sidintsidina mahita akany ho azy hametrahany ny zanany. Dia ny alitaranao, Jehovah, Tompon'ny maro ô, Mpanjakako sy Andriamanitro. " (vakio Salamo 84.2-3.)

Ny fitiavan’i Davida dia nihamafy tao anatin’ny fotoana izay laniny tao amin’ny toerana mangina. Tsy mahagaga ny mahita ny fiantraikany mahagaga teo amin’ny taranaka aty aoriana. Mitantara momba an’i Davida am-pitiavana be Jesosy.
Ireo fotoana manokana anao sy Andriamanitra dia mampitombo anao satria eo no handraisanao ny fiainany,ny fitiavany, ny fahendreny ary ny heriny. Izay rehetra voarainao avy Aminy dia mitondra fiovàna izay Izy irery no afaka manao izany eo amin’ny fiainanao sy ny an’ny hafa ihany koa .

Noho izany , ry namako, ny porofom-pitiavanao ho an’Andriamanitra , dia ny fotoana izay laninao miaraka Aminy. Rehefa mandany fotoana eo amin’ny fanatrehany ianao, dia miandrasa fa handray izay vokatra nomanin’Andriamanitra mialoha ho anao ianao .Tena tia anao Izy ka na ny fotoana hiarahanao Aminy aza dia miteraka vokatra tsara ho an’ny hafa !

Misaotra fa misy ianao !

'Ndao hoavy e🏃🏃
18/05/2022

'Ndao hoavy e🏃🏃

Misaotra ny Tompo hoe manana rahalahy ahafahana MIFAM...😁😍😊(ilay t@ Veillée de prière)

Mifampizara, mifampivavaka,...
📆 Zoma 20 mai
🕑 14h
🏠 Centre d'accueil UGBM Antsahameva

Faly hihaona amin'ise😍😊

🗣 Hey!!👉Na inona na inona hitranga, Alô Fô🏃👉Na hanorana @ io na ho lanitra manga, Alô Fô🏃👉Na membres-nao na celluliers, ...
12/05/2022

🗣 Hey!!
👉Na inona na inona hitranga, Alô Fô🏃
👉Na hanorana @ io na ho lanitra manga, Alô Fô🏃
👉Na membres-nao na celluliers, Alô fô🏃🏃

🏃Alô fô🏃, soirée récréative 😊😀
📆Zoma 13 mai
🏠Centre d'accueil UGBM Antsahameva
🕔17h

Ary ny programme Sabotsy ao @ RG?🤔

💖💕EB FITIAVANA E💖💕
👨Genesisy 39: 1-19
👩Ohabolana 31: 10-31
🕑14h-16h30
👕👗 Dress code : mena sy fotsy

Ndao hoavy daholo e

06/05/2022
Papa est au volant😊🚗
05/05/2022

Papa est au volant😊🚗

16-593 Papa est au volant
https://soundcloud.com/jlgaillard/papa-est-au-volant
Un jour, ma femme, moi-même et notre fille Johanne de 3 ans devions nous rendre en Italie pour visiter des frères. Nous avions dû conduire durant 3 jours d'affilés. Notre petite fille, n'ayant jamais voyagé la nuit a été saisie de peur. A l'extérieur, une obscurité profonde l'a surprise.
—Où allons-nous, papa ?
— A l’église de nos frères et sœurs en Sicile au bout de l’Italie.
— Connais-tu cette église ? — Non. — Connais-tu la route ? — Non, mais peut-être pourrait-on lire la carte ? — Sais-tu lire la carte ? — Oui, ne t’inquiète pas, nous arriverons en toute sécurité. — Où mangerons-nous si nous avons faim ? Pourrons-nous nous arrêter au restaurant ? Sais-tu s'il y a des restaurants sur le chemin ? — Oui, il y en a. — Sais-tu où ? — Non, mais nous serons en mesure d'en trouver. Le même dialogue fut répété à plusieurs reprises lors de la première nuit, et aussi lors de la deuxième nuit. Mais la troisième nuit, notre fille resta calme. Quand je regardai dans le rétroviseur, je vis qu'elle était éveillée et était restée tout simplement paisible, tout en regardant autour d’elle. Je ne pouvais pas m'empêcher de me demander pourquoi ma fille Johanne ne parlait plus. — Ma chérie, sais-tu où nous allons ? — En Sicile au bout de l’Italie, dans l’église de nos frères et sœurs. — Sais-tu comment nous y arriverons ? — Non. — Alors, pourquoi ne me poses-tu plus de questions ? — Parce que papa est au volant. "Parce que Papa est au volant". Cette réponse de notre fille de 3 ans est alors devenue une force et une aide pour moi durant de nombreuses années. A chaque fois que des questions et des craintes sont sur mon chemin, je dis alors au Seigneur : « oui, notre Père céleste est au volant ». Nous pouvons connaître la destination comme ma petite fille, « en Sicile au bout de l’Italie ». A l’instar de ma petite fille, nous ne connaissons pas le chemin, nous ne savons pas comment lire la carte, nous ne savons pas si nous trouverons des restaurants le long du chemin. Mais ma petite fille savait la chose la plus importante, Papa est au volant. C'est ainsi qu'elle est en sécurité et en confiance. Elle sait que son papa va donner tout ce dont elle a besoin. Connaissez-vous votre Papa ? Le grand Pasteur, qui est le chauffeur de nos vies ? Quelle est votre comportement et quelle est votre réponse en tant que passager, « son enfant » ? Peut-être vous posez vous de nombreuses questions. Mais soyez comme la petite fille, qui a la réponse à la question la plus importante : et c’est « Papa est au volant ! »



Jean-Louis Gaillard
www.365histoires.com
www.jlgaillard.fr

Velona Kristy😍P***a ho antsika😊
17/04/2022

Velona Kristy😍
P***a ho antsika😊

::NOMENY NY FIAINANY IANAO TAMIN’NY FITSANGANANY TAMIN’NY MATY!::

Manahoana ianao ry Namako,

Betsaka ny olona no miaina ao anatin’ny tahotra, fikorontanan-tsaina, ary ny an’ny sasany aza efa lasa fiainana isan’andro izany. Efa mba nahatsapa ve ianao hoe misy fotoana miala izany fitsapana izany…? Ohatran’ny hoe nisy zavatra mavesatra niala teo an-tsorokao…

Niainako izany eto ampanoratana anareo eto. Rehefa misaintsaina ny fahamarinana mikasika ny P***a aho dia mihamahazo fahazavana lalina isan-taona, ny amin’ny fandresen’i Kristy ny fahafatesana, ary toy izany koa isika….!

Tiako ny P***a, izay mampatsiahy ahy ireo rehetra vitan’i Kristy mba ho antsika. Raha tsy nisy an’i Kristy dia tsy mba nanana fanantenana isika, tsy nanana ny tena fifaliana, tsy nanana fitsaharana…. Hoy Paoly : "Ary araka izany koa no voasoratra hoe: Adama voalohan-dahy natao manan'aina ; Adama farany natao fanahy mahavelona." (Vakio 1 Korintiana 15.45.) Tsy olombelona fotsiny ianao izay nahazo ny fofon’ainy. Tsia, tsy izany ry namako, fa ianao mihitsy no hiantefan’ny fitiavany, ilay fahazavana sy fanasin’ny tany.
Tahaka an’i Adama faharoa dia feno ny Fanahy Masina ianao. Tsy misy afaka ny handrava anao ary tsy misy afaka ny hanameloka izay rehetra efa manana an’i Kristy ho fototry ny fahamarinana. Ny fitsanganany tamin’ny maty dia manova ny zavatra rehetra. Ny fiainanao dia mampitsiriritra fa tsy mampahonena. Mahavokatra be ny ministeranao. Kristy no fiainanao…! Izy no loharanon’ny fiainana ary nandresy ny fahafatesana Izy…!

Tamin’ny nanangany an’i Jesosy tamin’ny maty dia nanome antsika an’ireto Andriamanitra :
⚫Ny famindrampo,
⚫Ny fiainana be dia be,
⚫Ny fifaliana mandrakizay, ny fahafatesana tsy manan-kery Aminy,
⚫Ny fahafahana maka tolo-tsaina ao Aminy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay mitarika anao,
⚫Ny fahafahana miray latabatra Aminy mba hihanoka amin’ny fanambarana eo anatrehan’ny fahavalonao,
⚫Namana izay tena mahatoky sy atokisana, afaka ianteherana amin’ny fotoana rehetra.

Manasa anao aho ry namako mba hanambara sy hanome voninahitra an’i Jesosy Kristy amin’ny fonao rehetra : "Ray mahery indrindra, misaotra Anao ny amin’ny vaovao mahafaly lehibe indrindra : natsanganao tamin’ny maty ny zanakao Jesosy mba hanjaka mandrakizay…! Ary hamerina indray ny fanjakanao aminay sy amin’ny alalanay…! Mendrika Ianao ilay Zanak’ondry izay novonoina ary nividy anay tamin’ny rànao, mba handray ny hery, ny harena, ny fahendrena, ny tanjaka, ny haja, ny voninahitra ary ny fitahiana….! Amen."

Misaotra fa misy ianao !

Address

Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Cellules GBUT Fac Sciences Ankatso posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share