FJKM Tranovato Ambatonakanga

FJKM Tranovato Ambatonakanga Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara
Synodam-paritany Iarivo Avaradrano
Fitandremana Ambatonakanga.

  🌿🌿 Jaona 3 : 1 - 8Ary nisy Fariseo anankiray atao hoe Nikodemosy, mpanapaka tamin'ny Jiosy.Izy nankao amin'i Jesoa non...
26/08/2026

🌿🌿 Jaona 3 : 1 - 8

Ary nisy Fariseo anankiray atao hoe Nikodemosy, mpanapaka tamin'ny Jiosy.Izy nankao amin'i Jesoa nony alina ka nanao taminy hoe: Raby o, fantatray fa mpampianatra avy amin'Andriamanitra Ianao; fa tsy misy olona mahay manao izao famantarana ataonao izao, raha tsy Andriamanitra no momba azy.Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra. Hoy Nikodemosy taminy: Hataon'ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe; moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka?Jesoa namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy.Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy.aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray ianareo. Ny rivotra mitsoka amin'izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.

✨ " Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika; fa amin'ny fotoan'andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika." G...
25/08/2026

✨ " Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika; fa amin'ny fotoan'andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika." Galatiana 6:9 🌿

  🌿🌿 Nehemia 7 : 1 - 3Ary nony vita ny manda, ka voalatsako ny lela-vavahady, sady voatendry ny mpiandry varavarana sy n...
25/08/2026

🌿🌿 Nehemia 7 : 1 - 3

Ary nony vita ny manda, ka voalatsako ny lela-vavahady, sady voatendry ny mpiandry varavarana sy ny mpihira ary ny Levita,dia notendreko Hanany rahalahiko sy Hanania, lehiben'ny tao an-dapa, hitandrina an'i Jerosalema, fa lehilahy mahatoky izy sady matahotra an'Andriamanitra mihoatra noho ny maro.Koa hoy izaho tamin'ireo : Aza avela hovohana ny vavahadin'i Jerosalema mandra-pahafanan'ny andro; ary raha mbola mijanona eo ny mpiambina, dia aoka harindriny ny varavarana, ka hidionareo; ary manendre mpiambina avy amin'izay monina ato Jerosalema ihany samy ho eo amin'ny fiambenany avy, dia samy ho eo amin'ny tandrifin'ny tranony avy.

✨ " Fa raha mandeha eo amin'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin'ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran'i Jeso...
24/08/2026

✨ " Fa raha mandeha eo amin'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin'ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran'i Jesoa Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra." 1 Jaona 1:7 🌿

  🌿🌿 I Mpanjaka 2 : 1 - 4Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan'i Davida, dia nandidy an'i Solomona zananilahy izy ho...
24/08/2026

🌿🌿 I Mpanjaka 2 : 1 - 4

Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan'i Davida, dia nandidy an'i Solomona zananilahy izy hoe:Izaho efa handeha amin'ny lalan-kalehan'ny tany rehetra; koa mahereza ianao, ary misehoa ho lehilahy.Ary tandremo izay asain'i Jehovah Andriamanitrao hotandremana handehananao amin'ny lalany hitandremanao ny lalàny sy ny didiny sy ny fitsipiny ary ny teni-vavolombelony, araka ny voasoratra ao amin'ny lalan'i Mosesy, mba hataonao lavorary avokoa izay rehetra hataonao sy izay rehetra halehanao,mba hanatanterahan'i Jehovah ny teny izay nilazany ahy hoe: Raha ny taranakao hitandrina ny alehany ka handeha eo anatrehako amin'ny fahamarinana amin'ny fony rehetra sy amin'ny fanahiny rehetra (hoy Izy), dia tsy ho diso zanakalahy ho eo amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely ianao.

✨" Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo" Matio 5: 44 🌿
23/08/2026

✨" Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo" Matio 5: 44 🌿

  🌿🌿 Jaona 17 : 1 - 5Rehefa nolazain'i Jesoa izany teny izany, dia nanandratra ny masony ho amin'ny lanitra Izy ka nanao...
23/08/2026

🌿🌿 Jaona 17 : 1 - 5

Rehefa nolazain'i Jesoa izany teny izany, dia nanandratra ny masony ho amin'ny lanitra Izy ka nanao hoe: Ray o, tonga ny fotoana; mankalazà ny Zanakao, mba hankalazan'ny Zanaka Anao.araka ny nanomezanao Azy fahefana amin'ny nofo rehetra mba hanome fiainana mandrakizay ho an'izay rehetra nomenao Azy.Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy, Izay efa nirahinao.Izaho efa nankalaza Anao tety ambonin'ny tany; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko.Ary ankehitriny, Ray o, mankalazà Ahy amin'ny tenanao, dia amin'ny voninahitra niarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao.

22/08/2026

Finaritra ry havana
Noho ny antony amin'ny tsy miankina aminay dia miato aloha ny fampintana mivantana ny fanompoampivavahana rahapitso.

I Tes 5 : 18 "Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy ho anareo."

✨ " Miambena ianareo, tomoera tsara amin'ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza" 1 Korintiana 16: 13 🌿
22/08/2026

✨ " Miambena ianareo, tomoera tsara amin'ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza" 1 Korintiana 16: 13 🌿

  🌿🌿 Joda 17 - 23Fa tsarovinareo, ry malala, ny teny voalazan'ny Apostolin'i Jesoa Kristy Tompontsika fahiny;fa efa nila...
22/08/2026

🌿🌿 Joda 17 - 23

Fa tsarovinareo, ry malala, ny teny voalazan'ny Apostolin'i Jesoa Kristy Tompontsika fahiny;fa efa nilaza taminareo hoe izy: Amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira, mandeha araka ny filan'ny haratsiam-panahiny.Ireo no mahatonga fisarahana, dia olona araka ny nofo ihany, fa tsy mba manana ny Fanahy. Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin'ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin'ny Fanahy Masina;ary tehirizo ny tenanareo ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra, miandry ny famindram-pon'i Jesoa Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay.Ary amindrao fo ny sasany izay miahanahana; ary ny sasany kosa sariho avy amin'ny afo no famonjy azy; ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra, ka mankahalà na dia ny akanjo voapentimpentin'ny nofo aza.

Address

Ambatonakanga
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FJKM Tranovato Ambatonakanga posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to FJKM Tranovato Ambatonakanga:

Shortcuts

Share