STK Ambatomaro Fehizoro

STK Ambatomaro Fehizoro Fikambanana Masina Mino an' Andriamanitra Tokana

14/07/2026

Finaritra eee👋

Rehefa mitambatra ny hakanton'ny zavaboary ao Ampefy sy ny rantsana velon'ny Kerobima FEHIZORO… 🌊

Teo ambany fitantanan’ny Tompo, nisy ny fialana teo amin'ny rotoroton'ny fiainana andavanandro ho anay Kerobima FEHIZORO. Nitodi-doha nankany Ampefy izahay nandritra ity Zoma sy Sabotsy ity. Tsy fahatsiarovana fotsiny ihany no nentina nody, fa hery vaovao, firaisankina mafy o***a, ary fankasitrahana feno ny hakanton'ny voary navelan'ny Mpamorona.

Isaorana ny Tompo nitondra sy nampody an-tsakany sy an-davany, ary isaorana ny tsirairay tamin'ny fo mitempo fitiavana. Ny Kerobima FEHIZORO foana zany✝️❤️

Fiadanan’ny Tompo ho amintsika rehetra🥰🥰
#2026

26/06/2026

Finaritra ee👋

🎶 « Miarahaba antsika rehetra nahatratra ny asaramanitra... » ✨🎉

Ho amintsika rehetra mpianakavin'ny finoana ny fiadanana. Ity Hira ity izay mitondra ny lohanteny hoe « FIRENENA » ity no entinay STK Kerobima Fehizoro iarahabana antsika rehetra nahatratra ny asaramanitra🥰ho fankalazana sy fiderana an'Andriamanitra miaraka aminareo.

Miray feo sy miray fo izahay amin'izao andro fety izao. Ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany! ✨
Hiara hivavaka hoan’ity Firenena mamintsika ity isika ⛪️

Ny fiadanan’ny Tompo ho amintsika rehetra🙏🏻❤️

10/05/2026

🎶 "Tafatoetra ny foko Andriamanitra o! Eny tafatoetra. Hihira sy hankalaza aho." — Salamo 57/7 📖✨

"Hihira sy hankalaza aho..." 🎤 Ny fiderana no herin'ny mino, ary izany indrindra no niteraka ny "TAFATOETRA".

Finaritra ee👋

Izahay ato amin'ny STK Kerobima Ambatomaro Fehizoro dia vonona hatrany hiara-dia aminareo amin'ny alalan'ny hira sy ny fitoriana ny Filazantsara. Tsy hitsahatra izahay raha tsy henon'ny tany rehetra ny voninahitr'Andriamanitra! 🌍🔥

Atolotray anareo am-pitiavana be ity single ity! 🥰💝
✍️ Mpamorona: Rabodonoela Alida

Fiadanan’ny Tompo ho amintsika rehetra🥰🥰



https://youtu.be/6F7vwIIHbfU?feature=shared

Finaritra eee👋🌟 Zava-dehibe no ho avy! 🌟Ny fiderana no mamelona ny fanahy, ary tsy ho ela dia hiara-hifaly isika. Izahay...
07/05/2026

Finaritra eee👋

🌟 Zava-dehibe no ho avy! 🌟

Ny fiderana no mamelona ny fanahy, ary tsy ho ela dia hiara-hifaly isika. Izahay ato amin'ny STK Kerobima Ambatomaro Fehizoro dia efa manomana vokatra miavaka ho anareo rehetra. 🎼🔥

Aza miala lavitra ny pejinay fa efa madiva ho tonga ny fotoana hamoahana izany. Efa mangitakitaka ny fo! 🙌📲

Tsy ho ela intsony dia ho rentsika ilay vokatry ny fiderana vaovao mampiavaka ny STK! 🎤✨

Fiadanan’ny Tompo ho amintsika rehetra🥰🥰🥰

30/04/2026

Jaona 5:17-29✨❤️
17Fa Jesosy namaly azy hoe: Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa…24Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy »
🍀🤲

Mankasitraka sy mankatelina antsika rehetra tonga nanome voninahitra ny seho "Kerobima Family & Co" ✨ Ny fanatrehanareo ...
23/03/2026

Mankasitraka sy mankatelina antsika rehetra tonga nanome voninahitra ny seho "Kerobima Family & Co" ✨ Ny fanatrehanareo no hery ho anay ary nampandresy ny fotoana🙌

Andriamanitra anie hamaly fitia anareo tsirairay avy❤️🙏

15/03/2026

Finaritra ee👋

Efa vonona ve ianareo? 🎤 Aza tara intsony fa efa kely sisa dia higadona ny fotoana! ⏳
Aza adino ny manjifa ny tapakila ho an'ny seho "Kerobima family and Co" izay hotanterahina amin'ny:
📅 22 Martsa
🕒 14h30
Ny fandraisana anjara dia:
🎫 Invitation: 5.000 Ar
🎟️ Olon-dehibe: 3.000 Ar
🎟️ Ankizy: 2.000 Ar
Tongava maro fa tsy hanenina mihitsy ianareo! Hiara-hifaly sy hidera isika✨

Fiadanan’ny Tompo ho amintsika rehetra 🥰

Finaritra eee👋✨VOLAN'NY STK - FJKM AMBATOMARO FEHIZORO✨"Hisaotra an’i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariv...
28/02/2026

Finaritra eee👋

✨VOLAN'NY STK - FJKM AMBATOMARO FEHIZORO✨

"Hisaotra an’i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy."
📖 Salamo 34:1b

Ity volana Mars ity no iray volana voatokana ho anay Sampana Tanora Kristiana eto amin'ny fitandremana FJKM Ambatomaro Fehizoro. 🌟 Koa fifaliana ho anay ny manasa anareo rehetra hiara-hidera aminay!

🎶➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖🎶
✨🎸 CONCERT: « KEROBIMA FAMILY & CO » 🎤✨
🎶➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖➖🎶

🗓 Alahady 22 Martsa 2026
🕒 14h30
🎟 VIDIM-PIDIRANA (BILLET):
• 🎫 5.000 Ar (Invitation) ✨
• 👩‍🦰 3.000 Ar (Lehibe) 👨‍🦱
• 👧 2.000 Ar (Ankizy) 👦

🛍 Aiza no ahitana azy?
• Azonao jifaina eny amin'ny mpikambana STK 🙋‍♂️
• Afaka mandefa hafatra eto amin'ny pejy 📩
• Ary mbola hisy foana eny an-toerana amin'ny Jour-J 🎟🔥
Andao hiara-hidera sy hifaly ao amin'ny Tompo! 🙌
Fiadanan’ny Tompo ho amintsika rehetra. 🙏🏻🥰

«Fa ataoko ahoana no hijery ny loza hanjo ny fireneko? Ary hataoko ahoana ny hijery ny fandringanana ny havako » Estera ...
15/02/2026

«Fa ataoko ahoana no hijery ny loza hanjo ny fireneko? Ary hataoko ahoana ny hijery ny fandringanana ny havako » Estera 8:6

Finaritra eeee👋
Fifaliana lehibe ho anay SAMPANA TANORA KRISTIANA ANTOKO MPIHIRA KEROBIMA ETO AMBATOMARO FEHIZORO sy RAMATOA MPITANDRINA ny nandray anjara tamin’ny vavaka ho an’ny firenena noho ny fahavoazana nahazo ireo mpiray tanindrazana amintsika (SP31- SP Toamasina).

Manova zavatra tokoa ny vavaka, Ary ny mifampivavaka no tsara indrindra.
Fiadanan’ny Tompo ho amintsika rehetra🙏🏻

📌 FJKM Andrainarivo Fahasoavana

"Eny tokoa,fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy, amin'ny Andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao atranon'i Jehova...
20/01/2026

"Eny tokoa,fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy, amin'ny Andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao atranon'i Jehovah andro lava aho. '' Salamo 23:6
Izany tenin'Andriamanitra izany no irarinay ho anao tontolo Andro mahafinaritra eo ambany fitantanan'Andriamanitra... 🙏

Address

Antananarivo

Telephone

+261341090095

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when STK Ambatomaro Fehizoro posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share