Fanala - Advantista Analamahitsy

Fanala - Advantista Analamahitsy Salama ianao,
Pejy entina hampahafantarana ireo hetsika niseho, na hiseho ao Fiangonana Advantista Analamahitsy ity pejy ity.

Misaotra indrindra tompoko mandalo eto

29/05/2026
Notanterahana omaly teto amin’ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito Analamahitsy ny fanamarihana ny Jour...
17/05/2026

Notanterahana omaly teto amin’ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito Analamahitsy ny fanamarihana ny Journée Mondiale des Aventuriers (JMA), fotoana iray natokana hanandratana sy hanomezana lanja ireo ankizy Aventuriers eo anivon’ny fiangonana.

Ny maraina dia nisy fanompoam-pivavahana manokana nentina nanamarihana izany, niaraka tamin’ireo hira, hafatra ary fandaharan’asa nampahatsiahy fa sarobidy eo imason’Andriamanitra ny ankizy ary antsoina hitombo amin’ny finoana sy fahendrena.

Ny folakandro kosa dia notanterahina ny fanaovana voady, fotoana nanamafisan’ireo Aventuriers ny fanolorantenany ho tia an’Andriamanitra, hanaja ny fitsipika ary hiezaka ho tonga zanaka mahatoky sy mahasoa.

Andro iray feno hafaliana sy fanantenana, nahitana fa mbola manohy miasa ao anatin’ny taranaka Andriamanitra ary manomana ireo ankizy ho mpanompony rahatrizay.

Ary ianao kosa? Inona no ataontsika anio mba hitarihana ny ankizy hanakaiky kokoa an’i Jesosy?

Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra.

Tsy mbola miova izany.
01/05/2026

Tsy mbola miova izany.

Notanterahana omaly teto amin’ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito Analamahitsy ny fotoam-pivavahana ma...
22/02/2026

Notanterahana omaly teto amin’ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito Analamahitsy ny fotoam-pivavahana manokana nisy fanosorana diakona miisa efatra sy fanoloran-jaza roa.

Fotoana lalina sy masina no niainan’ny fiangonana. Diakona efatra no natokana sy nosorana hanompo ny Tompo — antso tsy amin’ny voninahitra fa amin’ny fanompoana, tsy amin’ny fahefana fa amin’ny fahatokiana.

Nisy ihany koa ireo zaza roa natolotr’ireto renim-pianakaviana ho eo ambany fiarovan’Andriamanitra, mba hotarihin’ny fahasoavany sy hitombo amin’ny fahendrena ary finoana. Fotoana iray nampahatsiahy fa eo am-pelatanan’Andriamanitra ny hoavin’ny taranaka.

Ny Pasitoran’ny Distrika an’Ambohimanarina, Pasitora RANDRIANATREHANA Nantenaina, no nitarika sy nanatanteraka ity fotoana manokana ity.

Sabata iray nanamarika fanoloran-tena sy fanavaozana. Sabata iray nanambara fa velona sy miasa Andriamanitra : manangana mpanompo, miaro taranaka, ary manohy manorina ny fiangonany.

Ary ianao kosa? Inona no atolotrao ho an’Andriamanitra — ny fotoananao sa ny fiainanao manontolo?

Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra. ✨

22/02/2026

Address

Fiangonana Advantista Analamahitsy
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fanala - Advantista Analamahitsy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to Fanala - Advantista Analamahitsy:

Shortcuts

Share