Birao Fjkm Ambohitrombihavana

Birao Fjkm Ambohitrombihavana Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Birao Fjkm Ambohitrombihavana, Religious organisation, Antananarivo.

22/05/2026

šŸ¤Miasa ao amin'ny Mino ny Fanahy MasinašŸ¤

Mofonaina anio
Sabotsy 23 May 2026
Galatiana 5 : 22 - 25

Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalĆ na manohitra izany. Fa izay an'i Kristy Jesoa dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filany tamin'ny hazo fijaliana. Raha velon'ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy. — Galatiana 5 : 22 - 25

21/05/2026

šŸ¤Miasa ao amin'ny Mino ny Fanahy MasinašŸ¤

Mofonaina anio
Zoma 22 May 2026
I Mpanjaka 3: 26 - 28

Fa niteny tamin'ny mpanjaka ravehivavy, renin'ny zaza velona satria nandevilevy ny fony noho ny amin'ny zanany ka nanao hoe: Tompokolahy o, trarantitra ianao, omeo azy ihany ary ny zaza velona, fa aza dia vonoina re! Fa hoy kosa ny iray: Aoka tsy ho ahy tsy ho anao, fa zarao mihitsy. Dia namaly ny mpanjaka ka nanao hoe: Omeo itsy ny zaza velona, fa aoka tsy hovonoina; fa io mihitsy no reniny. Ary raha ren'ny Isiraely rehetra izany fitsarana nataon'ny mpanjaka izany, dia natahotra ny mpanjaka izy, satria hitany fa misy fahendren'Andriamanitra ao am-pony ho entiny mitsara. — I Mpanjaka 3 : 26 - 28

20/05/2026

šŸ¤Miasa ao amin'ny Mino ny Fanahy MasinašŸ¤

Mofonaina anio
Alakamisy 21 May 2026
Jeremia 3 : 1 - 5

Fa hoy Izy*: Raha misy lehilahy misao-bady, ary efa miala ravehivavy ka vadin'olon-kafa, moa mahazo miverina aminy indray va ralehilahy? Tsy haloto tokoa va izany tany izany? Fa ianao dia efa nijangajanga tamin-tsakaiza maro, ka moa hahazo miverina amiko va ianao? hoy Jehovah. [*Na: hoy ny olona] Andrandrao amin'ny tendrombohitra mangadihady ny masonao, ka jereo. Taiza no tsy nandrian'olona taminao? Teny an-dalambe no niandrasanao azy toy ny Arabo any an'efitra; Ary ny fijangajanganao sy ny faharatsianao no nandotoanao ny tany, Ka dia voasakana ny orana mivatravatra, sady tsy tonga ny fara-orana; Ary ny handrinao dia handrin'ny vehivavy janga ka tsy manan-kenatra. Moa tsy hitaraina amiko va ianao amin'izao sisa izao hoe: Ry Raiko o, Ianao no nahazatra ahy, hatry ny fony aho mbola tanora? Ho tezitra mandrakizay va Izy? Hitahiry fahatezerana hatamin'ny farany va Izy? Indro, efa niteny toy izany ianao, nefa nanao izany ratsy izany ihany ka nahatanteraka izany. — Jeremia 3 : 1 - 5

19/05/2026

šŸ¤Miasa ao amin'ny Mino ny Fanahy MasinašŸ¤

Mofonaina anio
Alarobia 20 May 2026
Efesiana 4 : 1 - 6

# Fananarana azy mba hifanara-tsaina sy haharitra ary handroso tsara # Ary noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin*'ny Tompo, dia mangataka aminareo mba handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo, [*Grika: ao amin'] amin'ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin'ny fahari-po mifandefitra amin'ny fitiavana, mazoto mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy amin'ny fehim-pihavanana. Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin'ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo; iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa, iray Andriamanitra sady Rain'izy rehetra, Izay ambonin'izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin'izy rehetra. — Efesiana 4 : 1 - 6

18/05/2026

šŸ¤Miasa ao amin'ny Mino ny Fanahy MasinašŸ¤

Mofonaina anio
Talata 19 May 2026
Lioka 2 : 22 - 28

Ary rehefa tapitra ny andro fidiovany, araka ny lalĆ n'i Mosesy, dia nitondra Azy niakatra tany Jerosalema izy mba hatolotra ho an'ny Tompo araka ny voasoratra ao amin'ny lalĆ n'ny Tompo hoe: Ny lahy voalohan-teraka rehetra hatao hoe masina ho an'i Jehovah. (Eksodosy 13:2) ary mba hanatitra fanatitra araka izay voalaza ao amin'ny lalĆ n'ny Tompo hoe: domohina roa, na zana-boromailala roa (Levitikosy 12:8). Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Simeona tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fampiononana ny Isiraely; ary ny Fanahy Masina dia tao aminy. Ary efa nambaran'ny Fanahy Masina taminy fa tsy hahita fahafatesana izy mandra-pahitany ny Kristin'ny Tompo. Ary nentin'ny Fanahy Masina niditra teo an-kianjan'ny tempoly izy; ary rehefa nampidirin'ny ray aman-dreniny Jesoa zaza mba hanaovany araka ny fomban'ny lalĆ na ny amin'ny zaza, dia nitrotro Azy izy ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe: — Lioka 2 : 22 - 28

17/05/2026

šŸ¤Miasa ao amin'ny Mino ny Fanahy MasinašŸ¤

Mofonaina anio
Alatsinainy 18 May 2026
Nomery 11 : 24 - 27

Dia nivoaka Mosesy ka nilaza ny tenin'i Jehovah tamin'ny olona; dia nanangona fito-polo lahy tamin'ny loholon'ny firenena izy ka nampitoetra azy manodidina ny trano-lay. Ary nidina teo amin'ny rahona Jehovah ka niteny taminy, dia nangalany ny Fanahy izay tao amin'i Mosesy ka napetrany tao amin'ny loholona fito-polo lahy; ary raha mbola nitoetra tao aminy ny Fanahy, dia naminany izy, nefa tsy nanao intsony. Fa nisy roa lahy nijanona teo an-toby, Eldada no anaran'ny anankiray, ary Medada no anaran'ny anankiray; ary ny Fanahy nitoetra tao aminy; ary isan'izay voasoratra izy roa lahy, nefa tsy mba nankeo amin'ny trano-lay; dia naminany teo an-toby izy roa lahy. Ary nisy zatovo nihazakazaka, dia nilaza tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Eldada sy Medada maminany etsy an-toby. — Nomery 11 : 24 - 27

16/05/2026

šŸ¤Miasa ao amin'ny Mino ny Fanahy MasinašŸ¤

Mofonaina anio
Alahady 17 May 2026
Lioka 11 : 9 - 13

Ary hoy izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. Fa iza moa aminareo izay ray, raha angatahan'ny zanany m**o, no hanome azy vato? ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana ho solon'ny hazandrano? ary raha angatahany atody, no hanome azy maingoka? Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy? — Lioka 11 : 9 - 13

15/05/2026

šŸ¤Miasa ao amin'ny Mino ny Fanahy MasinašŸ¤

Mofonaina anio
Sabotsy 16 May 2026
Isaia 11 : 1 - 5

# Ny amin'ny famonjena hataon'Ilay Solofon'i Davida, sy ny hira fiderana hatao amin'izany # Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin'ny fototr'i Jese, ary hisy mitrebona avy eo amin'ny fakany; Ary ny fanahin'i Jehovah hitoetra ao aminy, dia ny Fanahin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; Ny Fanahin'ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; Ny Fanahin'ny fahalalana sy ny fahatahorana an'i Jehovah; Ary ho hanitra ankasitrahana aminy ny fahatahorana an'i Jehovah, ka tsy hitsara araka ny hitan'ny masony izy, na hampiaiky araka ny ren'ny sofiny; Fa hotsarainy amin'ny fahamarinana ny malahelo; Ary homeny rariny ny mpandefitra amin'ny tany; hamely ny tany amin'ny tsorakazon'ny vavany Izy, ary ny fofonain'ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy. Fahamarinana no ho fisikinany, ary fanahy mahatoky no ho fehin-kibony — Isaia 11 : 1 - 5

14/05/2026

šŸ¤Miasa ao amin'ny Mino ny Fanahy MasinašŸ¤

Mofonaina anio
Zoma 15 May 2026
Kolosiana 3 : 1 - 4

# Ny tokony hanariana ny asan'ny nofo sy ny hitondran-tena miendrika ny filazantsara # Koa raha niara-natsangana tamin'i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin'ny itoeran'i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra. Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra ety an-tany. Fa efa maty ianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra. Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin'ny voninahitra ianareo. — Kolosiana 3 : 1 - 4

Fiadana ƓManonona hatrany ny fiadanan'ny Tompo ho amintsika rehetra. Sary vitsivitsy, nanamarika ny andro niakarana sy n...
14/05/2026

Fiadana Ć“

Manonona hatrany ny fiadanan'ny Tompo ho amintsika rehetra. Sary vitsivitsy, nanamarika ny andro niakarana sy nanokanana ny Katekomena andiany "Fahendrena", anio faha 14 May 2026.
Mankasitraka indrindra niara niombom-bavaka.
Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany

14/05/2026

šŸ¤Miasa ao amin'ny Mino ny Fanahy MasinašŸ¤

Mofonaina anio
Alakamisy 14 May 2026
Liona 24 : 44 - 53

Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin'ny lalĆ n'i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo. Dia nanokatra ny sain'ireo Izy hahalala ny Soratra Masina. Ary hoy Izy taminy: Izany no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin'ny maty amin'ny andro fahatelo; ary mba hotorina amin'ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin'ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema. Ary ianareo no vavolombelon'izany. Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan'ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanĆ na mandra-panafiana anareo amin'ny hery avy any amin'ny avo. Ary Jesoa nitondra azy hatrany Betania, dia nanandratra ny tanany ka nitso-drano azy. Ary raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy ka nakarina ho any an-danitra. Ary izy ireo nitsaoka Azy, dia niverina ho any Jerosalema sady faly indrindra. Ary teo an-kianjan'ny tempoly isan'andro izy nankalaza an'Andriamanitra. — Lioka 24 : 44 - 53

Address

Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Birao Fjkm Ambohitrombihavana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share