06/04/2023
😒: "Dia tsy afaka ny hihaino mozika ve izany izahay? "
👉🏻Afaka mihaino mozika ianareo,
💀 nefa tandremo ny hiran'izao tontolo izao izay mampiseho sy ahenona fampianaran-diso sy ny firehi-kevitra mifototra amin'ny olona sy ny nofo izay mitondra antsika any amin'ny fahaverezana mandrakizay ny fanarahana izany,
💀 tandremo ny manao ny mozika ho toy ny fitaovam-pitsaboana izay marary rehetra eny aminao : fitaitainana, alahelo, atezerana, tebiteby, sns
☺Tadidio ary fa I Jesoa Kristy ✝ irery ihany no Tena Mpampianatra Tsara. Izy irery ihany no mahafantatra izay mahazo sy ilaintsika ka manasa anao hiantso sy hampiantrano Azy mandrakariva eo amin'ny fiainanao sy ao am-ponao 🤲🏻