27/04/2026
Ny olana amin'ny fiangonana dia ny mamokatra mpanompo fa tsy olona feno fitiavana lalina an'ny Tompo. 💔
Ny mpanompo dia liana amin'ny valisoa. Tsy liana amin’ny Tompo izy. Raha misy olona feno fitiavana lalina an'ny Tompo tonga hanatanteraka asa nefa tsy nahita ny Azy, dia ho sarotra aminy ny fanatanterahana izany asa izany. 🚶♂️✨
Ny olana amin’ny taranantsika ankehihiny dia maro ny olona voaofana hanompo ny Tompo fa tsy voaofana ho tia tanteraka Azy ka indray andro any dia ho tonga toy ny fihoaran’ny fitiavany an’Andriamanitra ny asa fanompoana. 📖🕊️
Andao isika hivavaka mba hanomboka hamokatra olona tena be fitiavana lalina an' ny Tompo ny fiangonana. 🙏🔥
❓ Ary ianao, inona no hevitrao? Mora ve ny mitazona izany fitiavana izany ho ivon'ny asa ataontsika rehetra? 👇💬