03/04/2022
MADAGASIKARA
8 taona amin’ity taona 2022 ity izao no nandraisan’ny Madagasikara anjara amin’ny 30 androm-bavaka ho an’ny firenena silamo. Ary miezaka hatrany izahay mandika ny tari-dalana amin’ny teny malagasy mba hahafahan’ny Kristiana maro mandray anjara amin’ny vavaka.
Misy faritra 3 azo sokajiana ho tena ahitana mpino silamo be indrindra eto Madagasikara, dia ny faritra avaratra, avaratra-andrefana ary ny atsimo-atsinana. Ny silamo sonita no tena betsaka eto, misy ihany ireo koa anefa karazana silamo hafa toy ny borah, chiite...
Misy ihany koa ireo mpihavy izay Tonga mandranto fianarana, miasa, manoro-ponenana eto, ao ireo pakistanais, comoriens, sy ireo avy any Afrika.
8 taona teo koa izay no nananay ekipa nitory tamin’ireo komoriana tonga mandranto fianarana eto Madagasikara. Tamin’ny taon-dasa dia be ireo komoriana no tsy tafody noho ny fisian’ny valana aretina COVID-19, ka sahirana ny akamaroan’izy ireo. niezaka izahay nanantona azy ireo tamin’ny alalan’ny fanomezana sakafo, vola, aro-vava orona ho azy ireo. Tsapanay fa nampifanakaiky anay bebe kokoa tamin’ireo komoriana namana, mpifanolo-bodirindrina ny fisian’ny vanim-potoana fihoboana, na dia teo amin’ny tambajotra an-tserasera aza no tena niresahana betsaka. Nanokatra fomba fiasa vaovao ihany koa ho anay iny taona lasa iny, tsy voafetra ny rindrina efatra ihany ny fitoriana filazantsara, fa manana làlana foana Andriamanitra entina mantanteraka ny teniny ao amin’ny Matio 24:14.
Iray amin’ireo Komoriana namana i Su, izay nisitraka tamin’ireo fanomezana vary sns nentinay, izany fanomezana izany no nahatonga anay nifanerasera betsaka kokoa noho ny teo aloha. Herinandro taorian’ny nanomezanay azy sakafo dia nanasa azy taty an-trano izahay mba hiaraka hisakafo aminay, tamin’izay no nizaranay ny momban’ny famonjen’i Jesosy taminy, nanasa azy zahay raha mahaliana azy mba hanaraka fandinihana soratra masina miaraka aminay amin’ny alalan’ny vondrona ao amin’ny tambanzotra serasera iray. “Miandry ny vali-teninai izahay!