FJKM Antso Mahatoky Fenoarivo

FJKM Antso Mahatoky Fenoarivo FJKM Fenoarivo : 163 ans (1863 - 2026) : www.fjkm.fenoarivo.org "Aoka Jehovah hifaly amin'ny asany" Sal 104,31
www.fjkm.fenoarivo.org

08/06/2026

Finaritra.
Ny Sekoly Alahady Mihira - SAM, eto amin'ny FJKM Antso Mahatoky Fenoarivo dia maneho fankasitrahana antsika rehetra tamin'ny fifanohanana. Ankehitriny dia tonga amin'ny dingana goavana 𝐝𝐞𝐦𝐒-π…π’π§πšπ₯ & π…π’π§πšπ₯ isika ka manentana antsika hanotrona sy hitrotro am-bavaka ny seho manaraka izay hatao ny 28 Jona izao eny amin'ny Amphi Degs Ankatso.

https://www.facebook.com/reel/1535294801334437

Tratry ny Pentekosta 2026 ! βšͺ️Soratra Masina | Ezekiela 36 - 22 : 3022Koa ataovy amin’ny taranak’Isiraely hoe: Izao no l...
24/05/2026

Tratry ny Pentekosta 2026 ! βšͺ️

Soratra Masina | Ezekiela 36 - 22 : 30
22Koa ataovy amin’ny taranak’Isiraely hoe: Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, ry taranak’Isiraely, fa noho ny anarako, masina, izay nolotoinareo tany amin’ny jentilisa izay nalehanareo. 23Ary hohamasiniko ny anarako lehibe izay efa nolotoinareo tany amin’ny jentilisa, ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, hoy Jehovah Tompo, rehefa miseho ho masina eo imasony Aho amin’ny ataoko aminareo. 24Fa halaiko avy any amin’ny jentilisa hianareo ary hangoniko avy any amin’ny tany rehetra ka ho entiko ho any amin’ny taninareo. 25Dia hofafazako rano madio hianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo. 26Ary homeko fo vaovao hianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin’ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo hianareo. 27Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalΓ ko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. 28Ary honina any amin’ny tany izay nomeko ny razanareo hianareo, ka ho oloko hianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo. 29Ary hovonjeko ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra hianareo, ary hantsoiko sy hataoko vokatra ny vary, ary tsy hanaterako mosary intsony hianareo; 30ary hataoko vokatra koa ny voankazo sy ny vokatry ny saha, mba tsy ho voalatsan’ny jentilisa amin’ny mosary intsony hianareo.

15/05/2026

Mahafaly ny Life Gospel ao anatin'ny Sampana VFL no mizara amintsika ny vokatra vaovao. Misaotra an'Andriamanitra fa mbola afaka manolotra indray izao vokatra izao.
π‘€π‘œπ‘Ž π‘ π‘–π‘‘π‘Ÿπ‘Žπ‘˜π‘œ π‘Žπ‘˜π‘œπ‘Ÿπ‘¦ π‘£π‘Ž 𝑛𝑦 π‘“π‘Žβ„Žπ‘Žπ‘“π‘Žπ‘‘π‘’π‘ π‘Žπ‘›'𝑛𝑦 π‘Ÿπ‘Žπ‘‘π‘ π‘¦ π‘“π‘Žπ‘›π‘Žβ„Žπ‘¦,β„Žπ‘œπ‘¦ π½π‘’β„Žπ‘œπ‘£π‘Žβ„Ž π‘‡π‘œπ‘šπ‘π‘œ,π‘“π‘Ž 𝑑𝑠𝑦 𝑛𝑦 β„Žπ‘–π‘Žπ‘™π‘Žπ‘›π‘¦ π‘Žπ‘šπ‘–π‘›'𝑛𝑦 π‘Žπ‘™π‘’β„Žπ‘Žπ‘›π‘¦ π‘šπ‘π‘Ž β„Žπ‘œ π‘£π‘’π‘™π‘œπ‘›π‘Ž 𝑖𝑧𝑦? πΈπ‘§π‘’π‘˜π‘–π‘’π‘™π‘Ž 18:23
Misaotra sy mankasitra ireo rehetra niara niasa tamin ny fanatontosana azy ity.
Mirary antsika hahazo lesona ho vatsy eo ampijerena azy.

Alakamisy 14 may 2026 amin'ny 07 ora sy 30mn, Fanompoam-pivavahana ANDRO NIAKARANA"... katsaho ny zavatra any ambony, an...
13/05/2026

Alakamisy 14 may 2026 amin'ny 07 ora sy 30mn, Fanompoam-pivavahana ANDRO NIAKARANA

"... katsaho ny zavatra any ambony, any amin'ny itoeran'i Kristy, Izay mipetraka eo an-tΓ nana ankavanan'Andriamanitra" (Kol. 3 : 1)

Tsarovy ny Fanompoam-pivavahana, ny Alakamisy 14 may ho avy izao.
Fidirana : amin'ny 07 ora sy 30 mn.

Volana May - IRAIVOLAN'NY SAMPANA LEHILAHY KRISTIANA"Miorena tsara, aza miova, ry lehilahy mahery" (I Kor. 15 : 58a - Mp...
07/05/2026

Volana May - IRAIVOLAN'NY SAMPANA LEHILAHY KRISTIANA
"Miorena tsara, aza miova, ry lehilahy mahery" (I Kor. 15 : 58a - Mpits. 6 : 12b)

Mahafaly ny SLK FJKM Fenoarivo ny manolotra ho anao "Spectacle Γ‰vangΓ©lique" izay iarahana amin'ny :
β€’ Fred'Son
β€’ Miantsa Ny Avo
β€’ SLK FJKM Fenoarivo

Ny Alahady 31 may 2026, sady fetin'ny reny io ! Manomboka amin'ny 14h eto amin'ny FJKM Antso Mahatoky Fenoarivo ihany.

Ny karatra dia efa azo jifaina any amin'ireo mpikambana SLK :
β€’ invitation 5 000 Ariary | β€’ billet : 2 000 Ariary

03 may 2026 | ALAHADIN’NY MPITANDRINA"Indro ny mpanompoko, Izay nofidiko, ny Malalako, izay sitraky ny foko indrindra." ...
02/05/2026

03 may 2026 | ALAHADIN’NY MPITANDRINA

"Indro ny mpanompoko, Izay nofidiko, ny Malalako, izay sitraky ny foko indrindra." (Mat. 12 : 18)

Mampahatsiaro antsika rehetra zanaky ny FJKM ANTSO MAHATOKY FENOARIVO, fa ny Alahadin'ny Mpitandrina fanao isan-taona dia ho tanterahina ny Alahady 03 may 2026 ho avy izao.
Koa manentana antsika rehetra mba samy ho tonga hiara-hiombom-bavaka sy hanohana azy ireo.

Ny fanompoampivavahana dia hanomboka amin'ny 09 ora maraina.

Manasa anao ny Sampana Dorkasy eto amin’ny FJKM Antso Mahatoky Fenoarivo ! Hetsika DORKASY MIDERA, iarahana amin’ny : β€’ ...
08/04/2026

Manasa anao ny Sampana Dorkasy eto amin’ny FJKM Antso Mahatoky Fenoarivo !

Hetsika DORKASY MIDERA, iarahana amin’ny :
β€’ Dorkasy sy ny ankohonany,
β€’ Groupe Miangaly Fiderana.

Ny Alahady 12 aprily 2026, manomboka amin’ny 02 ora sy 30 mn.

Billet : 2 000 Ar | Invitation : 5 000 Ar

Address

FJKM Fenoarivo, Antanananarivo
Antananarivo
102

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FJKM Antso Mahatoky Fenoarivo posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share