25/08/2026
๐๏ธ Talata, 25 Aogositra 2026
๐ฐ Olona mahatoky azo ampiandraiketina asa lehibe ve ianao?
๐ dia notendreko Hanany rahalahiko sy Hanania, lehiben'ny tao an-dapa, hitandrina an'i Jerosalema, fa lehilahy mahatoky izy sady matahotra an'Andriamanitra mihoatra noho ny maro. - Nehemia 7:2 [MG1865]
โจ Ifandrombahana ny toerana ambony eo amin'ny sehatra maro. Ben'ny tanana, lehibem-pokotany, lehibe amin'ny sampan-draharaha ambony, fiangonan-dehibe, birao foibe, filohan'ny sampana na fikambanana. Hita ihany fa misy olona tsy mahatoky amin'ny asany tafasisika amin'ireny andraikitra ireny. Fitiavan-tena, fitiavam-bola sy tombotsoa no nanery azy. "Ny olona tsy vanona no vonona" hoy ny mpandinika. Lasan'ny olona tsy vanona ny andraikitra saro-pady. Nehemia kosa eto dia nanendry lehilahy mahatoky sy matahotra an' Andriamanitra mihoatra noho ny maro. Mila fahendrena sy olon-kendry ny andraikitra ambony.
Vavaka: Jesoa รด! Tefeo izahay mba ho olom-banona, ho vonona hanao asa tsara sy lehibe ho Anao. Amen!
โ๏ธ Nosoratan'i Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
๐ Lire sur notre siteweb :
https://kristyfiainantsika.com/meditations/olona-mahatoky-azo-ampiandraiketina-asa-lehibe-ve-ianao-2026-08-25
๐ง Spotify :
https://open.spotify.com/show/033oAmzqAKV6tDKE4dx97V
โถ๏ธ YouTube :
https://www.youtube.com/
๐ Laissez un commentaire ou abonnez-vous
๐ง Abonnez-vous ici :
https://kristyfiainantsika.com/about?tab=2?prefill=onlineAlert