ACU Vontovorona

ACU Vontovorona "Fa avy Aminy sy noho Izy ary Azy ny zavatra rehetra." Rom 11, 36

An-kafaliana no iarabana antsika rehetra ✨ Amin'ny alahady ho avy dia misy ny lamesa voalohany izay tarihin'i Père Ismaë...
19/08/2026

An-kafaliana no iarabana antsika rehetra ✨

Amin'ny alahady ho avy dia misy ny lamesa voalohany izay tarihin'i Père Ismaël ety amintsika 🙏

Ka ho fiarahantsika amin'ny dia hiara hiombona amin'ny lamesa isika

🕗 @ 8 ora Maraina (8h)
📍 EKAR ACU Fo Masin'I Jesoa Vontovorona

Aorian'ny Lamesa dia misy fiaraha misakafo aminy ka ny fandraisana anjara amin'izany 💰 vola 5000Ar/olona

Mitondra vilia sy sotro ary vera🍽️🥃

“Ataovy amim-pitiavana ny zavatra rehetra.”  I Kor 16, 14🙏 Lamesa Fankalazana manetriketrika an’i Masina Maria Virjiny N...
14/08/2026

“Ataovy amim-pitiavana ny zavatra rehetra.” I Kor 16, 14

🙏 Lamesa Fankalazana manetriketrika an’i Masina Maria Virjiny Nampiakarina any an-danitra .

📅 Sabotsy 15 Aogositra 2026
🕗 8 ora maraina (8h)
📍 EKAR ACU Fo Masin’i Jesoa Vontovorona

🔥 AMITIÉ DE GROUPE 2.0 🔥Hey ry tanora! 😎❤️Vonona ve hiaraka hifaly, hilalao ary hanao souvenir tsy hay hadinoina? 👀🔥📅 Al...
11/08/2026

🔥 AMITIÉ DE GROUPE 2.0 🔥

Hey ry tanora! 😎❤️
Vonona ve hiaraka hifaly, hilalao ary hanao souvenir tsy hay hadinoina? 👀🔥

📅 Alarobia 12 Aogositra 2026
🕕 Manomboka amin’ny 6 ora hariva
💰 2 500 Ar + vary masaka

🎲 Lalao sy lots surprises
🍽️ Sakafo iarahana
🔥 Feu de camp
🎶 Hira • 💃 Dihy • ✨ Tononkalo
🤝 Ary indrindra, fotoana hiarahana sy hampatanjahana ny finamanana!

👉 Aza mijanona ao an-trano e! 😜
Ento ny namana, ento ny hafaliana, dia andao hiara-hifaly sy hamorona fahatsiarovana mahafinaritra! 🫶🔥

❤️ Ho avy ve ianao? Aza misalasala fa andao hiaraka!

🌟 « Ouvrons nos cœurs, renforçons nos liens. » 🌟
Aza tara e! 😍🔥
.0

An-kafaliana no iarabana antsika rehetra ✨ Nohon'ny fandaminana amin'ny pretra hitarika lamesa ety amintsika dia mihemot...
08/08/2026

An-kafaliana no iarabana antsika rehetra ✨

Nohon'ny fandaminana amin'ny pretra hitarika lamesa ety amintsika dia mihemotra amin'ny 2 ora tolakandro ny lamesa rahampitso🙏

❌Samia mifampilaza❌

" Ataovy amim-pitiavana ny zavatra rehetra" IKor 16,14🎉Fankalazana ny faha-8 taona nitokanana ny Aumônerie Catholique Un...
05/08/2026

" Ataovy amim-pitiavana ny zavatra rehetra" IKor 16,14

🎉Fankalazana ny faha-8 taona nitokanana ny Aumônerie Catholique Universitaire Vontovorona ⛪🎉

Anio no ankalazaintsika amim-pifaliana sy amim-pisaorana an'Andriamanitra ny faha-8 taona nitokanana ny Aumônerie Catholique Universitaire Vontovorona.✨

Valo taona izay no nijoroan'ity Aumônerie ity ho toeram-pivavahana, fanabeazana ara-panahy ary fiombonana ho an'ny mpianatra sy ny mpiara-belona rehetra. Tao anatin'izany dia maro ireo nahazo hery sy fahasoavana ary nitombo tamin'ny finoana sy ny fitiavana an'Andriamanitra ary ny namana.🙏

Koa amin'izao tsingerintaona izao dia atolotra ny fisaorana lalina ho an'Andriamanitra noho ny fitantanany, ary ny fankasitrahana ho an'ireo pretra, relijiozy, ny kristianina rehetra, mpianatra ary ireo mpamatsy sy mpanohana rehetra izay nandray anjara tamin'ny fanorenana sy ny fampandrosoana ny Aumônerie.
🙏

Enga anie ny Fanahy Masina hanohy hitarika sy hanamasina ity Aumônerie ity, mba hijoro hatrany ho ivon'ny finoana, ny fahendrena ary ny fanompoana eo anivon'ny tontolon'ny oniversite.✨

Mirary fankalazana feno hasambarana sy fitahian'Andriamanitra ho an'ny Aumônerie Catholique Universitaire Vontovorona. 🎉🥳

Have you ever attended a Holy Mass in English? Raha mbola tsy nanao izany ianao dia izao no fotoana!This is your chance!...
19/07/2026

Have you ever attended a Holy Mass in English? Raha mbola tsy nanao izany ianao dia izao no fotoana!

This is your chance! Join us for our first-ever English Mass. Don't worry if your English isn't perfect—come with faith and an open heart. Aza matahotra raha tsy tena mahay teny anglisy ianao, tongava fotsiny am-pinoana sy fo misokatra.

Let's pray, learn, and celebrate together in English! Hivavaka, hianatra, ary hankalaza miaraka isika.🙏

📅 Tuesday, 21 July
🕔 5:00 PM
📍 CENTRE ACU

Everyone is welcome. Don't miss this special celebration! Tongasoa daholo, aza adino ity fotoana manokana ity

Amin'izao ankalazana ny Fetin'ny Fo Masin'i Jesoa, mpiaro sy fialofan'ny fiangonantsika izao, dia mirary soa sy fahasoav...
12/06/2026

Amin'izao ankalazana ny Fetin'ny Fo Masin'i Jesoa, mpiaro sy fialofan'ny fiangonantsika izao, dia mirary soa sy fahasoavana ho antsika Kristianina rehetra.🎉

Enga anie ny Fo Masin'i Jesoa, feno fitiavana sy famindram-po tsy manam-petra, hanamasina sy hitahy antsika ary hanamafy ny finoantsika sy ny firaisankinantsika. Ho loharanon-kery sy fanantenana ho antsika mandrakariva anie Izy, ka hitombo hatrany ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana.✨

Mirary fety sambatra sy feno fitahian'ny Tompo ho an'ny fiangonana manontolo izahay. Ho velona ao am-pontsika mandrakariva anie ny hafatry ny Fo Masin'i Jesoa: "Mifankatiava tahaka ny nitiavako anareo."

Arahabaina tratry ny fetin'ny Fo Masin'I Jesoa! 🙏

Journée de l'ACUT 2026✨🎉Rahampitso ny fotoanantsika 🤗 Ho an'izay miainga ety Vontovorona Fiaingana amin'ny 6 ora sy sasa...
22/05/2026

Journée de l'ACUT 2026✨🎉
Rahampitso ny fotoanantsika 🤗

Ho an'izay miainga ety Vontovorona
Fiaingana amin'ny 6 ora sy sasany maraina eo amin'ny terrain de volley

19/05/2026

Address

Antananarivo
102

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when ACU Vontovorona posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share