FIANGONANA ADVANTISTA AMBODIMITA

FIANGONANA ADVANTISTA AMBODIMITA Page officielle de l'Eglise Adventiste du 7e jour Ambodimita

03/01/2026
06/08/2025

𝕋𝕆𝕃𝕆𝕋ℝ ' 𝔾𝕊𝔾

Ny Fiangonana Advantista Ambodimita dia mikasa ny hanamboatra dabliom-piangonana vaovao.
Noho izany dia mitady olona (mambra na tsia) manana traikefa sy mahafehy izany izahay.
Raha mahaliana anao izany dia midira mp maka ny andinindininy rehetra.
Misaotra tompoko !

TOKO VI—Finoana sy fandraisana (fizarana 04)Ny olona sasany mihevitra, fa tsy maintsy mihatsara aloha, sady tsy maintsy ...
26/02/2025

TOKO VI—Finoana sy fandraisana (fizarana 04)

Ny olona sasany mihevitra, fa tsy maintsy mihatsara aloha, sady tsy maintsy mampiseho fiovan-toetra eo anatrehan’ Andriamanitra, vao mahazo mandray ny fitiavany. Nefa na dia amin’ izao aza, dia mety ho azony ihany ny fitahian’ Andriamanitra. Tsy maintsy manana ny fahasoavany izy, dia ny Fanahin’ i Kristy mba hanampy azy amin’ ny fahalemeny, fa raha tsy izany dia tsy hahatohitra ny ratsy izy. Tian’ i Jesosy ny hanatonantsika Azy amin’ izao toetrantsika izao, dia izao ratsy sy malemy ary tsy mahaleo tena izao. Azontsika atao ny mitondra ny fahalementsika sy ny fahadalantsika ary ny faharatsiantsika ho eo aminy, ka hiankohoka eo an-tongony amin’ ny fibebahana. Voninahitra ho Azy ny misakambina amin’ ny tanam-pitiavana sy ny mamehy ny ferintsika ary ny manadio antsika ho afaka amin’ ny fahalotoana rehetra.

Izao no mahadiso ny olona betsaka : Tsy mino izy fa tena avelan’ i Jesosy ny helony. Tsy mitana an’ Andriamanitra amin’ ny teny nataony izy. Tombon-tsoa ho an’ izay rehetra manaiky ny fiantsoana ny mahalala fa ny famelan-keloka dja omena maimaimpoana hanafaka, na ota inona, na ota inona. Esory ny fisalasalana amin’ ny fiheverana hoe tsy kasaina ho anao ny teny fikasan’ Andriamanitra. Ho an’ ny mpanota mibebaka rehetra izany. Hery sy fahasoavana efa voaomana amin’ ny alalan’ i Kristy no entin’ ny anjely mpanompo ho an ny fanahy mino rehetra. Tsy misy olona, na ratsy toy inona, na ratsy toy inona, ka tsy hahita hery sy fahadiovana ary fahamarinana ao amin’ i Jesosy Izay efa maty nisolo azy. Miandry izy mba hanendaka ny fìtafiany voapentina sy voaloton’ ny ota, ka hampiakanjo azy ny akanjo fotsin’ ny fahamarinana maniry ny hahavelona azy Izy, fa tsy ny hahafaty azy.

Tsy tahaka ny fifampiraharahantsika samy olombelona no iraharahan’ Andriamanitra amintsika. Ny heviny dia hevi-piantrana, hevi-pitiavana, hevi-pamindrampo. Hoy Izy : «Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lĂ lany, Ary ny tsy marina hahafoy ny heviny Ary aoka hiverina ho amin’ i Jehovah ireny, Fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin’ Andriamanitra, Fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy ».
«Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona, Ary ny fahotanao tahaka ny rahona ».
«Fa tsy sitrako ny fahafatesan’ izay maty, hoy Jehovah Tompo. Koa mibebĂ ha hianareo mba ho velona».

TOKO VI—Finoana sy fandraisana (fizarana 03)Itsory ny fahotanao, dia manolora tena ho an’ Andriamanitra. Miniava hanompo...
25/02/2025

TOKO VI—Finoana sy fandraisana (fizarana 03)

Itsory ny fahotanao, dia manolora tena ho an’ Andriamanitra. Miniava hanompo Azy. Ary araka ny anaovanao izany indrindra no hanatanterahan’ Andriamanitra ny teniny aminao. Raha mino izany teny fikasana izany hianao, — raha mino fa voavela heloka sady voadio hianao, dia hanefa ny anjarany kosa Andriamanitra ka ho sitrana hianao, dia tahaka an’ ilay lehilahy nararin’ ny paralysisa nomen’ i Kristy hery ho afa-mandeha, rehefa nino fa sitrana ny tenany.— Toy izany koa hianao raha mino.

Aza miandry hahatsiaro sitrana hianao, fa ataovy hoe : «Mino aho fa sitrana izany tokoa, tsy satria nahatsiaro fa sitrana, fa satria fikasan’ Andriamanitra ny hanasitrana ahy».

Hoy Jesosy : «Na inona, na inona tononinareo amin’ ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray hianareo, dia ho azonareo izany .” Misy fepetra amin’ izany fanekena izany, dia ny amin’ ny hivavahantsika araka ny sitrapon’ Andriamanitra. Fa sitrapon Andriamanitra ny hanadio antsika ho afaka amin’ ny fahotana sy ny hanangana antsika ho zanany ary ny hananantsika toe-piainana masina. Ka dia mahazo mangataka ireny fitahiana ireny isika, ary minoa fa voaraintsika izy, dia misaora an’ Andriamanitra fa efa voaraintsika tokoa ireny. Tombon-tsoa ho antsika ny ahazoa-manatona an’ i Jesosy hodioviny, ka hitsangana tsy amin-kenatra na ama-nenina eo anatrehan’ ny lalĂ na. «Ary amin’ izany dia tsy misy fanamelohana ho an’ izay ao amin’ i Kristy Jesosy, — izay tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny fanahy. »

Hatramin’ izany dia tsy an’ ny tenanao intsony hianao, fa olom boavidy. Tsy zavatra mety ho simba tahaka ny volafotsy sy ny volamena no nanavotana anareo.... fa ny ra soan’ i Kristy, toy ny ran’ ny zanak’ ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina ». Amin’ izany finoana tsotra an’ Andriamanitra izany, no efa naharian’ ny Fanahy Masina fiainambaovao ao am-ponao. Toy ny zazakely vao teraka ao amin’ ny ankohonan’ Andriamanitra hianao, ka tiany tahaka ny itiavany ny Zanany.

Koa satria efa nomenao an’ i Kristy ny tenanao, dia aza mihemotra na miala aminy, fa manaova isan’ andro hoe : «An’ i Kristy aho efa nomeko Azy ny tenako». Ary angataho Izy mba hanohana anao ny Fanahiny, sy hitahiry anao amin’ ny fahasoavany. Ary satria ny fanoloranao ny tenanao ho an’ Andriamanitra sy ny finoanao Azy no mahatonga anao ho zanany, dia aoka ho araka izany koa no hivelomanao ao aminy. Hoy ny Apostoly hoe: «Tahaka ny nandraisanareo an’ i Kristy Jesosy Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa ».

TOKO FAHA V : Fanoloran-tena (Fizarana faha efatra sady farany)Koa raha ny fanetren-tenan’ ny Tompon’ ny voninahitra no ...
21/02/2025

TOKO FAHA V : Fanoloran-tena (Fizarana faha efatra sady farany)

Koa raha ny fanetren-tenan’ ny Tompon’ ny voninahitra no heverina, moa himonomonona va isika, raha fahoriana sy fanambanian-tena koa no ahazoantsika miditra amin’ ny fiainana ?


Izao no fanontaniana ataon’ ny fo be avona : «Nahoana aho no tsy maintsy mibebaka sy manetry tena, vao mahazo matoky fa mandray ahy Andriamanitra ?» Indro Kristy asehoko anao : Tsy nanana ota Izy. Ary mihoatra noho izany aza : Mpanjakan’ ny lanitra Izy, nefa natao ho ota hisolo ny olombelona. «Ary natao ho isan’ ny mpanota Izy Eny, Izy no nitondra ny fahotan’ ny maro, Sady manao fifonana ho an’ ny mpanota ».

Inona anefa no atolotsika, raha mahafoy ny zavatra rehetra isika, ? — Fo voaloton’ ny ota hodiovin’ i Jesosy, hosasan’ ny rany ary hovonjen’ ny fitiavany tapitra ohatra. Nefa na izany aza, dia mbola heverin’ ny olona ho mafy ny mamoy ny zavatra rehetra ! Menatra aho mandre olona milaza izany ary mangasihasy eto am-panoratana azy.

Tsy izay zavatra mahasoa antsika raha tanana no ilain’ Andriamanitra homena Azy. Izay hahasoa antsika zanany no kendreny amin’ izay rehetra ataony. Tiako raha izay rehetra tsy mbola nifidy an’ i Kristy no mba mahalala fa manan-javatra hatolotra azy Izy, dia izay tsara lavitra noho izay tadiaviny ho an’ ny tenany aza. Manao izay tsy rariny leliibe indrindra amin’ ny fanahiny ny olona, raha mihevitra na manao zavatra mifanohitra amin’ ny sitrapon’ Andria manitra. Tsy misy tena fifaliana mety ho hita ao amin izay làlana raràn’ Ilay mahalala sady mandahatra izay tsara indrindra ho an’ ny asan’ ny tanany. Làlan’ ny fahoriana sy fahafatesana ny làlan-pahotana.

Diso ny mihevitra fa Andriamanitra dia faly mahita ny zanany mitondra fahoriana. Maniry ny hahasambatra ny olombelona ny mponina rehetra ao an-danitra. Tsy misakana ny ny làlam-pifaliana ho any amin’ ny asan-tànany, na iza, na iza, ny Raintsika any an danitra. Ny ilain’ Andriamanitra amintsika dia ny hialantsika amin ‘ ireny fanaranam-po ireny izay miteraka fahoriana sy fahadisoam panantenana ary mandrindrina ny varavaran’ ny fahasambarana sy ny lanitra tsy hidirantsika. Ny Mpanavotra izao tontolo izao dia mandray ny olombelona amin’ izao toetrany izao, dia amin’ ny filàny sy ny tsininy ary ny fahalemeny rehetra tsy ny hanadio amin ny fahotana sy hanome fanavolana amin’ ny rany ihany no ataony, fa ny hampionona ny fanirian’ ny fon’ izay rehetra manaiky hitondra ny ziogany sy hivesatra ny entany. Kasainy homena fìadanana sy fialantsasatra izay rehetra manatona Ázy hila ny mofon’ aina. Ny hany ilainy amintsika dia ny hanao ireo adidy izay mitarika ny diantsika ho any an-tampon’ ny fahasambarana izay tsy ho tratry ny mpandà, na oviana na oviana. Ny tena aim-panahy marina sady be fifaliana dia ny manana an’ i Kristy, Ilay fanantenan’ ny voninahitra ao am-po.

Maro no manontany hoe : «Ataoko ahoana no fanolotra ny tenako ho an’ Andriamanitra? Ta-hanolo-tena ho Azy hianao, nefa tsy ampy herin-tsaina, andevozin ny fisalasalana sady gadran’ ny fahazaran-dratsy. Tahaka ny mĂ nda fasika ny fanaikenao sy ny fikasanao. Samy tsy liainao fehezina, na ny sainao, na ny zava mitaona anao, na ny fitiavanao. Ny fahalalanao fa tsy tanteraka ny fikasanao ary tsy lavorary ny fanekenao, dia manalemy ny fa hatokiana amin’ ny fahamarinan’ ny tenanao, ka mahatonga anao hihevitra fa tsy mahay mandray anao Andriamanitra, nefa tsy tokony hamoy fo hianao. Izay tokony ho fantatrao dia ny tena herin’ ny sitra-po.

Izany no mahafehy, na ny herin’ ny toetr’ olombelona, na ny herin’ ny fanapahan-kevitra, na ny herin’ ny safidy.

Miankina amin’ ny herin’ ny sitra-po ny zavatra rehetra. Efa nomen’ Andriamanitra ny olombelona ny herin ny safidy, ka an jarany ny mampiasa izany. Tsy liainao ny manova ny fonao tsy hain’ ny tenanao ny hanome ny fitiavanao ho an’ Andriamanitra, nefa azonao atao ny mifidy hanompo Azy. Azonao omena Azy ny sitraponao ary amin’ izay dia hiasa ao anatinao Izy amin ny fikasana sy ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony. Koa dia ho tonga ao ambany fanapahan’ ny Fanahin’ i Kristy ny tena amam-panahinao rehetra ary dia hiompana aminy ny fitiavanao ary hifanaraka amin’ ny Azy ny hevitrao.

Mety ny faniriana ho tsara sy masina, nefa raha mijanona amin izany fotsiny hianao, dia tsy hisy asany na inona na inona izany. Maro amin izay manantena sy maniry fotsiny ny ho kristiana no ho very. Tsy mbola tapa-kevitra hanolotra ny sitrapony hoan’ Andria- [45] manitra izy.Tsy mbola nifidy ny ho tonga kristiana izy

Ny fampiasana’ ny sitra-po araka ny rariny, dia mety hampisy fiovana tanteraka ao amin’ ny toe-piainanao. Raha manolotra ny sitraponao ho an’ i Kristy hianao, dia manolotra ny tenanao hiandany amin’ ilay herv izay ambony noho ny hery sy ny fanapahana rehetra amin’ izao tontolo izao. Hahazo hery avy any ambony hanohana anao hiorina mafy hianao ary noho ny fanoloranao ny tenanao ho an’ Andriamanitra lalandava dia ho hainao ny mivelona amin’ ny fiainana vaovao, dia fiainana miantehitra amin’ ny finoana

TOKO Faha IV : FIAIKEN-KELOKA (Fizarana Zoma)Tamin’ izany rehetra izany dia nampiseho ny fahadiovanareo ny amin’ izany r...
14/02/2025

TOKO Faha IV : FIAIKEN-KELOKA (Fizarana Zoma)
Tamin’ izany rehetra izany dia nampiseho ny fahadiovanareo ny amin’ izany raharaha izany hianareo 3 ». Rehefa matin’ ny ota ny fahalalana ara-panahy, dia tsy fantatry ny mpanao ratsy intsony ny kileman’ ny fitondrantenany, sady tsy azony an-tsaina ny halehiben’ ny ratsy nataony. Ary raha tsy mety manaiky ny herin’ ny Fanahy Masina izay mahay mampibebaka azy izy, dia hiraikitra amin’ ny fahotana ihany noho ny hajambam panahiny. Ka dia tonga tsy marina sady tsy izy ny fiaikeny heloka. Izay fitsorana noho ny hadisoany dia ampiany fanamarinan-tena ho fanalan-tsiny ny nataony, ka lazainy fa raha tsy noho izao sy izao, dia tsy ho nanao ity na io izay naniniana azy izy.

Menatra sady natahotra Adama sy Eva raha nihinana ilay voankazo nandrarana. Ny eritreritra tao an-tsainy tamin’ ny voalo hany dia ny hiala tsiny amin’ ny fahotany, ka ho afaka amin’ ny didim-pitsarana mahatsiravina hamono azy. Koa rehefa nanontany an’ i Adama ny amin’ ny fahotany Andriamanitra dia namaly sady nanolaka tamin’ Andriamanitra sy ny vadiny izy, ka nanao hoe: «Ny vehivavy izay nomenao ahy ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo, ka dia nihinana aho». Ary ravehivavy kosa indray nanolaka tamin’ ny menarana, ka nanao hoe : «Ny menarana no namitaka ahy, ka dia nihinana aho4 ». Nahoana re no nanao ny menarana hianao Ăš ? Nahoana re no navelanao hiditra an’ i Edena izy Ăš ?

Izany no hevitra mifono ao anatin’ ny fialan-tsiny nataony noho ny fahotany, dia ny mitana an’ Andriamanitra ho manan-tsiny noho ny nahalavoany tamin’ ny fakampanahy. Niandoha tao amin’ ny rain’ ny lainga ny fanamarinan-tena, ka dia mbola velon-tarazo [38] amin’ izay rehe- tra terak’ i Adama, na lahy, na vavy. Tsy mba vokatry ny Fanahy Masina, ka tsy ankasitrahan’ Andriamanitra ny fiaikenkeloka toy izany.

Ny tena fibebahana marina dia ny mitarika ny olona hivesatra ny heloky ny tenany, ka hiaiky izany marina amin’ny tsy fihatsarambelatsihy. Tahaka ilay Farantsa mahantra, tsy nety niandrandra ny lanitra akory, ka nanao boe : «Andriamanitra Ăł, mamindrĂ  fo amiko mpanota». Ary hohamarinina izay miaiky ny belony, satria ny ran’ i Jeso no hifona ho an’ ny fanahy mibebaka. Izay lazain’ ny Tenin’ Andriamanitra ho tena fibebabana indrindra sy fanetren-tena marina dia ny mampiseho toepanahy miaiky heloka izay tsy misy fialan-tsiny, na fanamarinantena.

Tsy nitady hiaro tena Paoly, fa asebony amin’ ny tareby mahamainty azy in drindra ny fahotany, sady tsy heveriny akory izay hilaza ny helony ho kely. Hoy izy : «Maro ny olona masina no nohidiako tao an-tra nomaizina, rehefa nahazo fahefana tamin’ ny lohan’ ny mpisorona aho ary raha hovonoina ireny, dia mba nandatsa-bato nanaiky izany koa aho. Ary nampijaly azy matetika tao amin’ ny Synagoga rehetra aho, ka nanery azy hiteny ratsy ary satria very saina tamin’ ny fa hatezerako taminy aho, dia nanenjaka azy hatramin’ ny tanĂ na any ivelany koa aza 1 ». Tsy nampisalasala azy akory ny nilaza hoe :«Tonga tety ambonin’ tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin’ ireny izaho no lohany 2 .»

Ny fo torotoro sy mangorakoraka ary voafolaky ny tena fibebahana marina no mankasitraka ny fitiavan’ Andriamanitra azy sy ny hasaro-bidin’ i Kalvary ary tahaka ny zanaka miaiky ny helony eo anatrehan’ ny ray be fitiavana, dia ho toy izany koa no hitondran’ ny mpibebaka marina ny fahotany eo anatrehan’ Andriamanitra.

Fa voasoratra hoe: «Raha miaiky ny fahotantsika isika. dia mahatoky sy marina Izy, ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin ny tsi-fahamarinana rehetra 3 ».

Address

Ambodimita
Antananarivo
101

Telephone

2610341421896

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FIANGONANA ADVANTISTA AMBODIMITA posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share