29/12/2025
« Miderà Azy amin'ny fitsofana ny anjomara;
Miderà Azy amin'ny valiha sy ny lokanga.
Miderà Azy amin'ny ampongatapaka sy ny dihy;
Miderà Azy amin'ny zava-maneno tendrena sy ny sodina.
Miderà Azy amin'ny kipantsona maneno;
Miderà Azy amin'ny kipantsona tsara feo.
Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an'i Jehovah.
Haleloia. »
— Salamo 150:3–6
✨ MISAOTRA SY MANKASITRA NOHO NY FANOHANANA ✨
Vita soa aman-tsara ny Iray Volan’ny Sampana Desambra 2025 sy ny fifaninanana « TALENTA sy FIDERANA » 🙏
Nahafinaritra tokoa ny nahita anareo rehetra samy naneho ny talenta nomen’Andriamanitra ary nidera Azy tamin’ny fomba samihafa.
🙏 Misaotra manokana an’ireo rehetra nandray anjara sy nanohana ny sampana, indrindra fa ny:
🔹Mpifaninana rehetra
🔹Mpanotrona tamin’ny Déjeuner-Concert
🔹Mpanjifa ny Mofomamy tamin'ny Noely 2025
🔹Mpikambana VFL
🔹Mpitandrina sy ny Biraom-piangonana
🔹Ny fiangonana iray manontolo
🔹Mpiara-miasa sy mpanohatra rehetra
🙏🙏🙏🙏🙏🙏🙏🙏🙏🙏🙏
🎊 2026 – TAONA VAOVAO 🎊
Andriamanitra anie hitahy antsika rehetra,
hanome hery vaovao, fahasoavana ary fahombiazana,
mba hahafahantsika manohy hatrany ny asa fanompoana.
Izahay kosa dia mirary taona 2026 feno fitahiana sy fiadanana ho antsika rehetra.
✨ Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra! ✨
VFL – FJKM Malaho Vaovao Bevalala
« Inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany ? » (Matio 5:47)