Dadazafy

Dadazafy Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Dadazafy, Religious organisation, ampasampito, Antananarivo.

17/04/2020

Joba 22 : 21. Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan'ny soa aminao.

11/12/2018
30/06/2017
30/06/2017

Astuces Yaourt Maison avy amin'ny vovon-dronono

(effet double crème)

Betsaka no nangataka par message privé ka indro ary ilay izy.

👉 Ny Zavatra ilaina :
Rano 1 litra
vovon-dronono 10 sotro feno tsara na 200 grama
siramamy 5 sotro na 100 grama
yaourt (larony) pot kely 1 dia ampy (yaourt maison ihany no atao larony fa ny Yaourt vita amin'ny oronasa ireny tsy mety)

👉 Fanatanterahana azy:
Afangaro ny rano + vovon-dronono + siramamy
Apangotrahana
haroharoina tsy an-kijanona satria mora mipetaka sy may ao ambany ny ronono vita avy amin'ny vovon-dronono.

Rehefa mangotraka dia esorina avy eo amin'ny afo, dia ajoboka ao anaty cuvette misy rano mangatsiaka ny vilany misy an'ilay ronono mafana.

Haroharoina mandra-pangatsiaka azy
Ny antony izy apantsiahana fa tsy avela hangatsiaka ho azy : Mba tsy hisaraka hitsikafona eny ambony ny taviny fa hifangaro tsara ao anatiny ronono. -> Manome effet hoatrany double crème izany.

Rehefa mangatsiatsiaka ilay ronono (tsy mangatsiaka loatra nefa tsy mafana loatra ihany koa fa tahaka ny température ny ankizy voany tazo... hihi) dia arotsaka ny larony.

tandremo, raha ohatra ka mafana loatra ny ronono dia lasa mitera-drano ny yaourt nao. Raha ohatra ka mangatsiaka loatra ny ronono dia sarotra mandry ny ronono.

Rehefa narotrsaka ny larony ka nafangaro tsara dia zara-zaraina ao anaty pot, dia alahatra anaty carton na glacière dia fenoina sy fonosina lamba matevina be dia be. Dia avela ao amin'ny toerana mafanafana.

Manasa anao hiditra ao amin'ny pejinay fa ho fenoina recette sy torohevitra madinidinika be dia be ao.
Cliqueo io 👉 Fruiandises dia asivo j'aime kely eee !

Adiny 2 sy sasany any amin'ny tany mafana
Adiny 3 ka hatramin'ny adiny 4 any amin'ny tany mangatsiaka

izay dia vita. Dia alefa ao amin'ny vata fapangatsiahana.

Mba asivo commentaire kely na dia teboka fotsiny aza... mba ho fanohanana anay
Misaotra betsaka dia mirary soa !

Address

Ampasampito
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Dadazafy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share