14/09/2026
Mofon’Aina Alatsinainy 14 Septambra 2026 JESOSY, ILAY MPISOLOVAVA ANTSIKA
1 Jao. 2:1. « Anaka, izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina. »
Rehefa alaim-panahy hanota isika, aoka hotsaroantsika fa mifona ho antsika ao amin’ny fitoerana masina any an-danitra i Jesosy. Rehefa miala amin’ny fahotantsika isika ka manatona Azy am-pinoana, dia ny vavany mihitsy no manonona ny anarantsika eo anatrehan’ny Rainy, ka hoy Izy: “efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako izy; fantatro amin’ny anarany izy.” Dia manome baiko ny anjely Izy mba hiaro antsika. Ary hoy Izy rehefa mandalo fitsapana mahamay isika: « Mandehana, ry oloko, midira ao amin’ny efi-tranonao, ary mirindrina varavarana ianao, ka miere kely indray mipi-maso monja mandra-pahalasan’ny fahatezerana. » - Isa. 26:20. Ao amin’ny efi-trano manao ahaona moa no tokony hieren’izy ireo? Fiarovana avy amin’i Kristy sy ireo anjely masina izany. Tsy ho tafiaraka ao amin’ny toerana iray avokoa tsy akory ny vahoakan’Andriamanitra. Ho any anaty vondrona samy hafa sy any amin’ny faritra samy hafa eto an-tany izy ireo, ary hozahan-toetra manokana tsirairay, fa tsy isam-bondrona. Tsy maintsy miatrika ny fitsapana ho an’ny tenany manokana ny tsirairay.
Raha misy fotoana ilan’ny vahoakan’Andriamanitra indrindra ny fitakiana ireo teny fikasany, dia ankehitriny izany. Aoka ny tanan’ny finoana hangorobaka ny aizina sy hamikitra Ilay sandry mahery mandrakizay. Mila miala amin’ny fahotana isika, ary aoka tsy hohadinointsika fa tonga teto amin’izao tontolo izao i Kristy mba hamonjy ny mpanota, ary « mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy » - Heb. 7:25. Tombontsoantsika ny mino fa mahay manadio antsika ho afaka amin’ny fahalotoan’ny fahotana rehetra ny rany. Aoka tsy ho ferantsika ny herin’Ilay Masin’ny Isiraely. Maniry antsika hanatona Azy amin’izao maha-isika antsika izao Izy, dia mpanota sy maloto. Mahavonjy ny rany. (...) Raha lavo amin’ny fakam-panahy ianao, aza ketraka. Manakoako hatramin’izao androntsika izao ilay teny fikasana hoe: « Raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, llay Marina. » - RH, 19 Nôvambra 1908.