Sokajy Olon-dehibe Ambavahadimitafo

Sokajy Olon-dehibe Ambavahadimitafo Natao hifampitantanana am-bavaka sy amin’ny Tenin’Andriamanitra. Fiainana ny Teny mba hahatonga ny tsirairay ho fanasina sy fanilo.

Ho lehilahy sy vehivavy lehibe vonona tsara amin’ny asa tsara rehetra. Hiatrika sy hiandry ny fiavian’ny Tompo Jesoa.

SALAMO FIDERANA Ny mitoetra ao amin'ny fierena izay an'ny Avo Indrindra Dia monina eo ambanin'ny aloky ny Tsitoha.Izaho ...
10/09/2026

SALAMO FIDERANA
Ny mitoetra ao amin'ny fierena izay an'ny Avo Indrindra Dia monina eo ambanin'ny aloky ny Tsitoha.Izaho hilaza an'i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy Ary Andriamanitro, Izay hitokiako.Fa Izy no hanafaka anao amin'ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza.Ny volon'elany no anaronany anao, Ary ao ambanin'ny elany no hialofanao; Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany.Tsy hatahotra ny horohoro nony alina ianao, Na ny zana-tsipïka manidina nony andro,Na ny areti-mandringana mandeha amin'ny maizina, Na ny fandringanana mandripaka amin'ny mitataovovonana.Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo an-kavananao, Dia tsy hihatra aminao izanyHijery maso fotsiny ianao, Ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy.Satria hoy ianao: Jehovah o, Ianao no aroko, Sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra,

— Salamo 91 : 1 - 9
HALELOIA AMENA

10/09/2026

MOFONAINA anio Alakamisy 10 Septambra 2026

« Meteza hiasa amin'ny finoana »

Fiemona 1 – 7
« 1 Paoly, mpifatotra an’i Kristy Jesosy, ary Timoty rahalahy, mamangy an’i Filemona, ilay malalanay sy mpiara-miasa aminay, 2 ary mamangy an’i Apia anabavinay sy Arkipo, miaramila namantsika, ary ny fiangonana ao an-tranonao: 3 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. 4 Misaotra an’Andriamanitro mandrakariva aho, raha mahatsiaro anao amin’ny fivavahako, 5 satria reko ny fitiavanao sy ny finoana izay anananao ho an’i Jesosy Tompo sy ho an’ny olona masina rehetra, 6 mba hiasa mafy ho an’i Kristy ny fiombonana avy amin’ny finoanao amin’ny fahalalana tsara ny zavatra rehetra izay ao anatinareo. 7 Fa nanana fifaliana sy fiononana amin’ny fitiavanao aho, satria efa novelombelominao ny fon’ny olona masina, ry rahalahy. »

Meteza hiasa amin'ny finoana

1- Ny olona miasa amin'ny finoana dia tsy misy mahasakana
Ity Epistily ity dia nosoratan'i Paoly ho an'i Filemona sy ireo mpiara-miasa amin'ny amin'ny asa fitoriana ny Filazantsaran'i Jesoa Kristy. Tsy nahasakana azy ny fanagadrana azy noho ny amin'i Jesoa Kristy izay inoany sy efa nanolorany tena. Hitantsika amin'izany fa ny finoana izay ao anaty dia tsy mba voafatotra, ary tsy mamela antsika ho amin'ny fahaverezan-kevitra sy ny fahakiviana; na inona na inona zava-tsarotra sy sakantsakana tsy maintsy hosedraina sy atrehina.

2- Ny olona miasa amin'ny finoana dia mampahery ny hafa
Misaotra an'Andriamanitra i Paoly noho ny amin'i Filemona mpiara-miasa aminy, izay manana fitiavana sy finoana an'i Jesoa Kristy ary ny fahazotoany hampandroso ny Fiangonana. Zava-dehibe ny nataony, satria tao an-tokantranony no nanaovana ny fivoriana sy ny fanompoam-pivavahana. Tsy hadinon'i Paoly koa ireo mpiara-miasa hafa toa an'i Apia, i Arkipo, ary ireo mpiara-mivavaka (and. 2). Nambarany fa mahatsiaro an'i Filemona amin'ny fivavahany izy. Tena ilaina ny ahafantaran'ny olona fa mivavaka ho azy ireny isika mba hampahery azy.

3- Ny olona miasa amin'ny finoana dia mahita fifaliana (and. 5)
Naneho ny hafaliany i Paoly noho ny fahafantarany fa mazoto amin'ny asa fanompoana an'Andriamanitra i Filemona, sady manana fitiavana sy fiombonam-po amin'ireo mpiara-miasa aminy. Anisan'ny vaovao mahafaly ho an'ny mpanompon'Andriamanitra ny fandrenesana fa miorina sy mandroso amin'ny finoana, sady mandala fiombonana ireo izay nitoriana ny Filazantsara.

Fanontaniana:
Inona no azontsika hanampiana ireo evanjelista sy misionera?

10/09/2026

MOFONAINA anio Alakamisy 10 Septambra 2026

« Meteza hiasa amin'ny finoana »

Filemona 1 – 7

Morning verse - Deutéronome 31: 6 Fortifiez-vous et soyez fermes, ne les craignez pas, et ne soyez point épouvantés deva...
10/09/2026

Morning verse
- Deutéronome 31: 6

Fortifiez-vous et soyez fermes, ne les craignez pas, et ne soyez point épouvantés devant eux; car c'est l'Éternel, ton Dieu, qui marche avec toi; il ne te laissera pas et il ne t'abandonnera pas.

Evening verse
- Philippiens 4: 4

Réjouissez-vous toujours dans le Seigneur: encore une fois, je vous le dirai: réjouissez-vous.

10/09/2026
 Prisca Rabosaona
10/09/2026

Prisca Rabosaona

 Daoro
10/09/2026

Daoro

Address

Ambavahadimitafo
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Sokajy Olon-dehibe Ambavahadimitafo posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share