MKPMM Ankadilalana Finoana

MKPMM Ankadilalana Finoana Foibe MKPMM

❤️❤️
24/07/2026

❤️❤️

22/07/2026

❤️Tsarovy: Mety ho mafy ny lalana ankehitriny, fa tsy nandao anao ny Tompo. Mbola mitarika, mampahery ary manana drafitra tsara ho anao Izy.
🙏 "Ny famindram-pon'i Jehovah dia vaovao isa-maraina" (Fitomaniana 3:22–23).
Enga anie ny Tompo hampahery sy hanome fiadanana ny fonao.

Ny mpitandrina RANDRIANERA Jean Théodore mianakavy dia maneho fisaorana antsika rehetra tamin'ny Alahadin'ny mpitandrina...
14/06/2026

Ny mpitandrina RANDRIANERA Jean Théodore mianakavy dia maneho fisaorana antsika rehetra tamin'ny Alahadin'ny mpitandrina androany. Andriamanitra anie hamaly anareo.🙏♥️
Ary Andriamanitry ny fiadanana anie ho aminareo rehetra. Amena.🙏 (Romana 15:33)

12/06/2026

Voalohany indrindra dia isaorana sy ankalazaina Andriamanitra Tsitoha noho ny fahasoavany sy ny fitarihany antsika nandritra izao fotoana lehibe teo amin'ny fiainan'ny MKPMM izao.

Tanteraka am-pilaminana ny fifidianana ka voafidy ny Filoha sy ireo mpikambana ao amin'ny Birao Foibe vaovao. Izany dia porofon'ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny firaisankina misy eo amintsika.

Arahabaina manokana Andriamatoa sy Ramatoa isany tononina mialoha :
▪️RANDRIANERA Jean Théodore, Mpitandrina voafidy ho Filohan'ny Misiona MKPMM
▪️RANDRIANASOLO David, Mpitandrina voafidy ho Filoha mpanampy
▪️HERINIAINA Fanaiky Fifaliana, Mpitandrina voatendry ho Sekretera Jeneraly(SG) ny MKPMM
▪️RANDRIAMANANTSOA Armand, Mpitandrina voatendry ho mpitantsoratry ny vola
▪️RAZAFIMANANTSOA Bakonirina, voatendry ho mpitahiry vola
▪️ANDRIATINA jacque, Mpitandrina sy RAZAFIMIARINTSOA Mamiarijaona Hariniaina voafidy ho Mpanolotsaina
▪️RAMAROZAKA Jean de Capistran, Mpitandrina sy RAJAO Martin Narson voafidy ho mpanamarim-bola.

Tsy toerana voninahitra fotsiny no noraisinareo, fa andraikitra masina sy fanompoana ho an'Andriamanitra sy ny fikambanana.
Mivavaka izahay mba homen'ny Tompo fahendrena tahaka an'i Solomona, fo tia manompo, ary hery hahafahanareo mitarika amim-pahamarinana sy amim-panetren-tena.
Mety samy manana ny safidiny ny tsirairay, saingy ankehitriny dia iray tanjona, iray vina ary iray ny fanompoana iantsoan'Andriamanitra antsika, dia ny fampandrosoana ity MKPMM malalatsika ity.
📖 "Koa amin'izany ry rahalahy malala, Miorena tsara aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo."

Koa enga anie ny MKPMM hiroso hatrany amin'ny fitomboana sy ny fandrosoana, ary ny Birao Foibe vaovao ho fitaovana entin'Andriamanitra hanatanterahana ny fikasany.

Ho an'Andriamanitra irery anie ny voninahitra!

✍️ Pst Fanaiky Fifalina

“Na dia mandalo fotoan-tsarotra aza ianao, tsarovy fa manana drafitra tsara sy hoavy mamirapiratra ho anao Andriamanitra...
26/05/2026

“Na dia mandalo fotoan-tsarotra aza ianao, tsarovy fa manana drafitra tsara sy hoavy mamirapiratra ho anao Andriamanitra.”❤️

Fantatr’i Jesosy ny vesatra entinao izay mamaky io...♥️
23/05/2026

Fantatr’i Jesosy ny vesatra entinao izay mamaky io...♥️

Address

III D 14 Ankadilalana Mahamasina
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when MKPMM Ankadilalana Finoana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share