STK FJKM Morarano Fiderana - Pejy Ofisialy

STK FJKM Morarano Fiderana - Pejy Ofisialy Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from STK FJKM Morarano Fiderana - Pejy Ofisialy, Religious organisation, Morarano Manakambahiny, Antananarivo.

24/05/2026

« Au contraire, voici ce que l’Esprit Saint produit: amour, joie, paix, patience, bonté, service, confiance dans les autres, douceur, maîtrise de soi. La loi n’est sûrement pas contre ces choses-là. »
‭‭❤️ Galates‬ ‭5‬:‭22‬-‭23‬ ‭❤️

🌸 𝒜𝓁𝒶𝓀𝒶𝓂𝒾𝓈𝒾𝓃'𝓃𝓎 𝐹𝒾𝒶𝓀𝒶𝓇𝒶𝓃'𝒾 ᴊᴇꜱᴏᴀ ᴋʀɪꜱᴛʏ 𝒶𝓃𝓎 𝒶𝓃-𝒹𝒶𝓃𝒾𝓉𝓇𝒶 — 𝒻𝑒𝓃𝑜 𝒻𝒶𝓃𝒶𝓃𝓉𝑒𝓃𝒶𝓃𝒶 𝒽𝑜 𝒶𝓃𝒶𝑜 Ny niakaran’i ᴊᴇꜱᴏᴀ ᴋʀɪꜱᴛʏ any an-dani...
14/05/2026

🌸 𝒜𝓁𝒶𝓀𝒶𝓂𝒾𝓈𝒾𝓃'𝓃𝓎 𝐹𝒾𝒶𝓀𝒶𝓇𝒶𝓃'𝒾 ᴊᴇꜱᴏᴀ ᴋʀɪꜱᴛʏ 𝒶𝓃𝓎 𝒶𝓃-𝒹𝒶𝓃𝒾𝓉𝓇𝒶 — 𝒻𝑒𝓃𝑜 𝒻𝒶𝓃𝒶𝓃𝓉𝑒𝓃𝒶𝓃𝒶 𝒽𝑜 𝒶𝓃𝒶𝑜

Ny niakaran’i ᴊᴇꜱᴏᴀ ᴋʀɪꜱᴛʏ any an-danitra
dia :
🏷️ maneho fa vita ny iraka nataony teto an-tany
🏷️ manambara fa niverina teo an-kavanan’Andriamanitra Ray Izy
🏷️ manomboka ny fanantenana vaovao ho an’ny zanak’𝓐𝓷𝓭𝓻𝓲𝓪𝓶𝓪𝓷𝓲𝓽𝓻𝓪
Mampianatra antsika izany fa :
🏷️ Tsy voafetra amin’izao fiainana izao ihany ny drafitr’𝓐𝓷𝓭𝓻𝓲𝓪𝓶𝓪𝓷𝓲𝓽𝓻𝓪
🏷️ Misy fiainana mandrakizay voaomana ho an’izay mino Azy
🏷️ na tsy hitantsika aza Izy ankehitriny, dia mbola velona sy miasa eo amin’ny fiainantsika

📖“𝘼𝙧𝙮 𝙧𝙖𝙝𝙖 𝙢𝙗𝙤𝙡𝙖 𝙣𝙞𝙩𝙨𝙤-𝙙𝙧𝙖𝙣𝙤 𝙖𝙯𝙮 𝙄𝙯𝙮, 𝙙𝙞𝙖 𝙣𝙞𝙨𝙖𝙧𝙖𝙠𝙖 𝙩𝙖𝙢𝙞𝙣𝙮 𝙠𝙖 𝙣𝙖𝙠𝙖𝙧𝙞𝙣𝙖 𝙝𝙤 𝙖𝙣𝙮 𝙖𝙣-𝙙𝙖𝙣𝙞𝙩𝙧𝙖.”
𝙇𝙞𝙤𝙠𝙖 24:51

Ny fiakaran'i ᴊᴇꜱᴏᴀ ᴋʀɪꜱᴛʏ any an-danitra na ny "𝐚𝐬𝐜𝐞𝐧𝐬𝐢𝐨𝐧" toy izao dia mampahatsiahy fa misy lanitra misokatra ho an’izay matoky an’𝓐𝓷𝓭𝓻𝓲𝓪𝓶𝓪𝓷𝓲𝓽𝓻𝓪.

🌸 𝘚𝘢𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘑𝘦𝘴𝘰𝘴𝘺 𝘷𝘦𝘭𝘰𝘯𝘢,
𝘥𝘪𝘢 𝘮𝘣𝘰𝘭𝘢 𝘷𝘦𝘭𝘰𝘯𝘢 𝘬𝘰𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘯𝘵𝘦𝘯𝘢𝘯𝘢.
𝘔𝘢𝘳𝘬𝘢 15:19 🌸

🏷️ Tsy namorona tantara ratsy ho anao Andriamanitra raha namorona anao fa nataony tsara avokoa ny fikasany ho anao. 🏷️ M...
05/05/2026

🏷️ Tsy namorona tantara ratsy ho anao Andriamanitra raha namorona anao fa nataony tsara avokoa ny fikasany ho anao.
🏷️ Miverena, mijanona, mitoera eo amin'ny sitrapon'Andriamanitra na inona na inona lasanao.

📖Salamo 139:14
"Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy...Ary fantatry ny fanahiko marimarina izany."

30/04/2026

Andao ary ôôô 🚀

Efa nozaraina amintsika teto ny clip famantarana ny Fihaonambe Nasionaly STK 2026.
Indro avoaka eto kosa ary ny tononkira mba ahafahantsika miombona tsara amin'izany hira famantarana izany 🎶🤝

▶️ YouTube 🔴 [https://youtu.be/iYGIXVJsOZI?si=M3TRZYQytJioG2Ei](https://youtu.be/iYGIXVJsOZI?si=M3TRZYQytJioG2Ei)
▶️ Facebook 🔵 [https://www.facebook.com/share/v/1cHnktHYGM/](https://www.facebook.com/share/v/1cHnktHYGM/)

🙏 Samia mianatra ny hira mba hiray feo sy hiray fo amin'ny Fihaonambe Nasionaly STK 2026

— — —

✝️🌿 "STK Voafidin'i Kristy, miasa amin'ny faharetana, mamokatra tsara"
📖 Jaona 15:16

27/04/2026
23/04/2026
22/04/2026

Andao ary ôôô 🚀

Vaovao sy tsara ho fantatra mahakasika ny Fihaonambe Nasionaly STK any Nosy-Be.
Ampitapitao 📢

I. Sarandalana miainga avy eto Antananarivo renivohitra :
➡️ Tana – Ambanja : 110 000 Ar / personne
➡️ Tana – Ankify : 120 000 Ar / personne
➡️ Tana – Nosy Be : 130 000 Ar / personne (efa miaraka amin’ny vedette rapide)

II. Sarandalana Taxi na Bajaj miainga avy eo Port na Ville Nosy Be :
➡️ Ville – Daresalam : 3000 Ar / personne
➡️ Port / Ville – Dzamandzar : 3000 Ar / personne
➡️ Daresalam – Dzamandzar : 2000 Ar / personne

III. Mahakasika fiampita ranomasina :
➡️ Vedette rapide : 20 000 Ar / personne (30 mn dia tonga) 🚤
➡️ Vedette moyenne : 15 000 Ar / personne (1h 30 mn vao tonga)
➡️ Sambo maventy : 8000 Ar / personne (3h vao tonga) ⛴️

🔴 Ny vedette dia alohan'ny am 1 atoandro ihany.

🔵Ho an’izay hampita fiara manokana dia miteny aty amin’ny Foibe na miantso :
📞 034 54 837 35 – Tonia STK Foibe

Ho an’izay efa vonona ny anarana :
STK Fitandremana – SP – isan’ny mpikambana handeha dia afaka miantso io laharana io.

Alefaso WhatsApp amin’io numéro io izay efa vonona ny anaran’ilay Fitandremana – SP – isa, miaraka amin’ny sary.

Fanamarihana :
🚐 Mikarakara fiara manokana ny STK Foibe ka ho an’izay mitady fiara dia aza misalasala misoratra anarana aty amin’ny Foibe na miantso mialoha.

— — —

✝️🌿 "STK Voafidin'i Kristy, miasa amin'ny faharetana, mamokatra tsara"
📖 Jaona 15:16

21/04/2026

« En effet, la Bonne Nouvelle montre ceci: Dieu reconnaît les êtres humains comme justes quand ils croient en lui, et cette foi suffit. Oui, dans les Livres Saints, on lit: « Celui qui croit en Dieu est juste, et ainsi, il aura la vie. »»
‭‭➖Romains‬ ‭1‬:‭17‬➖

14/04/2026

🕊️ Mofon’aina: Ny herin’ny vavaka

📖 Tenin’Andriamanitra:
« Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra.»
(Filipiana 4:6)

✨ Fandinihana fohy:

Ny vavaka dia tsy fombafomba fotsiny, fa fifandraisana mivantana amin’Andriamanitra. Rehefa mivavaka isika dia mitondra ny ahiahintsika, ny tahotsika, ary ny faniriantsika rehetra eo anatrehan’Andriamanitra.

Mampianatra antsika ity Tenin’Andriamanitra ity fa tsy tokony hitahiry ahiahy ao am-po isika, fa tokony hampiakatra izany amin’ny vavaka. Tsy hoe rehefa milamina vao mivavaka, fa indrindra rehefa sahirana sy manahy.

Ny vavaka dia:

manamaivana ny vesatra ao am-po,
mitondra fiadanana avy amin’Andriamanitra,
ary mampahatsiahy antsika fa tsy irery isika.

Rehefa mivavaka amin’ny finoana sy miaraka amin’ny fisaorana isika dia miova ny toe-tsaintsika, ary manomboka mahita ny fiasan’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika.

🙏 Vavaka fohy:

“Ray ô, entinay eo anatrehanao ny ahiahinay rehetra. Ampianaro izahay tsy hitahiry izany ao am-po fa hatoky Anao amin’ny zava-drehetra. Omeo fiadanana izahay ary ampianaro hivavaka amin’ny fisaorana mandrakariva. Amin’ny anaran’i Jesosy, Amena.”

Address

Morarano Manakambahiny
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when STK FJKM Morarano Fiderana - Pejy Ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share