Jesosy Mamonjy Mandrosoa Ivato

Jesosy Mamonjy Mandrosoa Ivato Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Jesosy Mamonjy Mandrosoa Ivato, Christian church, Antananarivo.

15/02/2026
✨HAFATR'ANDRIAMANITRA FIANGONANA JESOSY MAMONJY MANDROSOA IVATO🗓26 Janoary 2026 - Tapany maraina✨Pasteur Armand RAVELOAR...
28/01/2026

✨HAFATR'ANDRIAMANITRA FIANGONANA JESOSY MAMONJY MANDROSOA IVATO

🗓26 Janoary 2026 - Tapany maraina

✨Pasteur Armand RAVELOARISON

📌NY HERIN'ANDRIAMANITRA NA NY FANAHIN’ANDRIAMANITRA
📌Efesiana 3:16-17 “Mba homeny anareo, araka ny haren’ny voninahiny, ny mba hohatanjahina fatratra amin’ny Fanahiny ny olonareo anaty; mba hitoeran’I Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy amin’ny fitiavana ianareo.”

👉Misy karazany roa ny hery:
🔸Ny hery eto an-tany = herin’olombelona, herin’ny nofo, herin’ny saina
🔸Ny herin’Andriamanitra = herin’ny Fanahy Masina

👉Aiza ny herinao? Iza no herinao? Inona no herinao? Fa maninona isika no mitady hery fa tsy mijanona amin’izao?
🔸Mitady hery isika satria raha tsy matanjaka ny toe-panahy dia tsy mijoro ny finoantsika ka misy mandrava ny fiainantsika, ampidinin’ny Satana hatrany amin’ny helo mihintsy aza.

❓Ahoana no ampitsaharana io fampidinana ataon’I Satana io?
❓Ahoana no amadihana ilay faharesena ho fandresena?
🔥Amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahin’Andriamanitra.
🔥Zakaria 4:6 “Dia namely izy ka nanao tamiko hoe: Izao no tenin’I Jehovah amin’I Zerobabela: tsy amin-kery na amim-pantanjahana, fa amin’ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.”

⚠Ny tanjaka sy ny hery ara-nofo (hery ara-tsaina, ara-batana, ara-bola, ara-pitaovana,…) no indraindraina amin’izao andro izao, satria heverina fa ho tafavoaka sy hahavita zavatra. Ireo no fantatry ny olona, ary manana an’ireo no atao hoe mahery
🔥Fa isika mpino dia mila manana fijery hoe: tsy amin-kery, tsy amim-pantanjahana fa amin’ny Fanahin’Andriamanitra irery ihany. 🔥Mila miova fisainana mihintsy isika, tsy maintsy havaozina ny saina mba hahatakarana ny sitrapon’Andriamanitra.

👉Fa fantaro fa efa manangasanga any ny ady amin’ireo hery roa ireo, ny nofo mirehareha amin’ny zava-bitany satria miseho ara-nofo ny olon’ny nofo, ny Fanahy Masina mirehareha amin’ny zava-bitany satria ny olon’ny Fanahy dia ara-panahy.
👉Tsy hifanaraka na oviana na oviana ireo ary tsy hisy marimaritra iraisana na oviana na oviana.
👉Mbola hiseho hibaribary izany tsy fifanarahan’ny nofo sy ny Fanahy Masina izany, dia ny Fanahy Masina sy ny bibidia.

✔Olona ambony amin’ny farantampon’ny fahefana izay tsy nahalala hoe hatraiza ny herin’Andriamanitra, fa ny heriny sy ny fahefany ihany no fantany. Izany no nampiditra an’I Paoly sy Silasy tao an-tranomaizina. Voagadra tamin’ny fahefan’olombelona izy ireo, fa rehefa nidina ny fahefan’Andriamanitra dia niovitrovitra hatramin’ny tranomaizina. Asa 16: 16-40
✔Nampiaiky sy nahavery hevitra ny olona rehetra ny herin’i Samsona, tsy laitran’ny fahefan’ny tany sy ny fahefan’ny olombelona, satria ny fanahin’Andriamanitra no nampantanjaka azy. Ka notadiavina ny nialàn’io Fanahin’Andriamanitra io tao aminy. Mpitsara 16:20
✔Ny tao an-tranomaizina nisy an’I Paoly sy Silasy dia niaiky rehefa nidina tao ny Fanahin’Andriamanitra.
✔Ny liona nandatsahana an’i Daniela dia tsy nanan-kery rehefa tao ny herin’Andriamanitra. Daniela 6:16
✔Ny lafaoro nampidirana an'i Sadraka sy Mesaka ary Abednego dia tsy nandoro rehefa tao ny Fanahin’Andriamanitra. Daniela 3:17

🎆Ny tena zanak’Andriamanitra marina, manana ny tombokasen’Andriamanitra, manana ny Fanahin’i Kristy, manara-dia an’I Jesosy dia efa nolazain’I Jesosy fa tsy naman’izao tontolo izao.
🎆Ny herin’Andriamanitra no ambony indrindra, tsy maintsy mitodika mitady ny herin’Andriamanitra isika mba ananana hery ara-panahy ijoroana anoherana ny hery ara-nofo ka tsy iankohofana amin’ny sary omby volamena na dia ny mpanjaka aza no mandidy izany.

✨HAFATR'ANDRIAMANITRA FIANGONANA JESOSY MAMONJY MANDROSOA IVATO🗓18 Janoary 2026 - Tapany maraina✨Pasteur Armand RAVELOAR...
20/01/2026

✨HAFATR'ANDRIAMANITRA FIANGONANA JESOSY MAMONJY MANDROSOA IVATO
🗓18 Janoary 2026 - Tapany maraina

✨Pasteur Armand RAVELOARISON

📌NY FAHASOAVANA SY NY KAJIKAJY

📌Efesiana 2:8-9 “Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana; ary tsy avy aminareo izany fa fanomezana avy amin’Andriamanitra; tsy avy amin’ny asa fandrao hisy hirehareha.”

👉Ny olombelona dia tia mihaina amin’ny kajikajy, olona matotra, olon-kendry, olona manam-pahalalana no ilazana azy ireny. Olona adaladala sy manaonao foana kosa ny olona tsy mahay kajikajy.
👉Isika Kristianina kosa dia miezaka hankato an’Andriamanitra foana na amin’inona na amin’inona. Ny olom-boavonjy ihany no mora manaiky izany raha manahirana ny hafa kosa izany raha tsy mbola olom-boavonjy izy satria tsy afa-po izy rehefa mihoatra ny kajikajiny ny zavatra miseho.
🔥Kajikajy no fiasan’olombelona, fa Andriamanitra kosa miasa amin’ny fahasoavana. Tsy voatery anaraka ny lojikanao sy ny eritreritrao fa mila mizatra ny fitarihan’Andriamanitra, tsy mitoky amin’ny asanao na ny fireharehana.
👉Avelao fotsiny Andriamanitra hitohy hiasa amin’ny fahasoavana mba hivoaka ny zavatra ataony.
👉Ary aza kivy raha tsy tafavoaka ny fiainanao, antenao fotsiny ny fahasoavany.
👉Tsy hoe tsy ilaina ny kajikajy, ny fandinihana, ny fahaiza-mitantana. Fomba fiasantsika iny fa tsy fiasan’Andriamanitra. Mety hanaraka an’iny Andriamanitra fa mety tsy hanaraka ihany koa, ka tsy tokony ho gaga ianao raha tsy tafavoaka satria Izy manana hevitra hieverana anao.
🔥Ohabolana 16:9 “Ny fon’ny olona mihevitra tsara ny alehany; fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany”
🔥Ny anjara asantsika tsy voatery hahatafavoaka antsika fa mila ny anjaran’Andriamanitra isika.

✅Kajikajin’olombelona tsy nisy fahasoavan’Andriamanitra no nananganana ny tilikambon’ny Babela Genesisy 11:1-9. Fahaizan’olombelona avo lenta tokoa, fa tamin’ny fotoana iray nanakanan’Andriamanitra ilay kajikajy dia nikitika ny lela Izy ka rava ho azy ny asa. Sarobidy ny asan’ny fahasoavana noho ny kajikajy.
✅Raha ny kajikajin’olombelona dia tokony natanjahan’Andriamanitra be I Paoly Apostoly noho ny asa goavana miandry azy. Saingy Andriamanitra kosa ninia nanisy tsilo azy mba hisy faritra tsy ahafahany mirehareha. 2Korintiana 12:9. Ampitomboina ny asan’I Paoly nefa nasiana tsilo izy mba hiasan’ny fahasoavana, sy handravana ny fireharehana.
✅Raha ny tomban’olombelona dia tsy nahavita noho ny mpianatr’I Jesosy I Paoly Apostoly noho ny lasany fa noho ny fahasoavan’Andriamanitra no nahatonga azy nahavokatra.

✨✨Raha tianao hiasa eo aminao Andriamanitra dia ampidino hiasa amin’ny fahasoavany izy, ka maneke ny fitondrany.
Rehefa miasa Andriamanitra, tsy ritra ny fantsakana ary tsy ho tapidalan-kaleha na oviana na oviana.

✨HAFATR'ANDRIAMANITRA FIANGONANA JESOSY MAMONJY MANDROSOA IVATO🗓04/01/2026 - TAPANY HARIVA✨Pasteur Armand📌NY ADIM-PANAHY...
05/01/2026

✨HAFATR'ANDRIAMANITRA FIANGONANA JESOSY MAMONJY MANDROSOA IVATO
🗓04/01/2026 - TAPANY HARIVA

✨Pasteur Armand

📌NY ADIM-PANAHY
📌MATIO 13:19

✅Izay mandre ny tenin’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia ny fahamarinana izany, dia tsy maintsy miatrika ady.
✅Ny devoly dia tsy liana hiady amin’olona tsy misy na inona na inona. Ny voa izay nafafy ao anatinao, raha tsy voaelingelina dia hamoa avo zato heny ka izany no mampatahotra ny Satana ka manafika anao.
✅Noho izany mila vonona isika, mila efa manam-po isika satria io Fanjakan’Andriamanitra izay aorina ao anatinao io dia tsy ho azo mora foana, tsy maintsy mandoa ny vidiny isika.
✅Mila miady isika satria ny zavatra sarobidy ao anatintsika no tadiavin’ilay ratsy esorina.
✅Aza mitady toerana tsy misy ady, aza mitsahatra mivavaka noho ny ady satria tsy voatery hoe resy ianao na dia voa mafy aza.

✔Joba dia very fananana fa tsy very ny finoany, maty anaka izy fa tsy namoy fo, feno aretina ny vatany fa tsy niala tamin’ Andriamanitra izy, nirina ho faty izy fa tsy niala tamin’ny fahamarinana.
✔Paoly Apostoly dia nogejain’ny manodidina fa tsy tery, nandalo fahaverezan-kevitra fa tsy namoy fo, nenjehina fa tsy nafoy.
✔Jesosy ihany koa dia notevatevaina fa tsy namaly, nampangaina fa tsy niady na namaly akory, nokapohina fa tsy nandositra, nofantsihina tamin’ny hazofijaliana fa tsy niala teo, nolefonina ary natao maty mihintsy. SAINGY IZANY NO LALAM-PANDRESENY.

✨Napetraka ety ambonin’ny tany ihany koa isika mba hiatrika adim-panahy, fa ninoninona ady dia tsy maintsy mandresy ny zanak’Andriamanitra.

✨HAFATR'ANDRIAMANITRA NY ALAHADY 04/01/2026 - TAPANY MARAINA✨Pasteur Armand - Fiangonana Jesosy Mamonjy Mandrosoa Ivato📌...
05/01/2026

✨HAFATR'ANDRIAMANITRA NY ALAHADY 04/01/2026 -
TAPANY MARAINA
✨Pasteur Armand - Fiangonana Jesosy Mamonjy Mandrosoa Ivato

📌AVELAO IHANY IZY AMIN’ITY TAONA ITY
📌LIOKA 13:6-9

Ambadik’izao fahavelomantsika izao dia Jesosy miresaka amin’Andriamanitra. Nomena ihany ity taona ity ho antsika satria angamba hamoa ihany isika.
Noharina tahaka ny aviavy ny olombelona, ka raha tsy mamoa dia na tapahana satria manimba ny tany fotsiny, na karakaraina sy asiana zezika mba ho velona sy hamoa. Fa miankina amin’ny tompon’ny hazo ny hijanonan’ny hazo na tsia. Andriamanitra no tompontsika satria izy no namorona antsika.
Izao fahavelomantsika izao dia midika tombon’andro izay hampitan’i Jesosy hery mankany amin’ny fakan’ny hazo, amin’ny alalan’ny fiadiana ny manodidina ny hazo sy fametrahana zezika ho fampitana aina ho an’ny faka.
👉Aza adino, misy andrasan’Andriamanitra ao ambadiky ny fitomboantsika, mila mamoa isika ary Jesosy dia manampy antsika ahavokatra. Ary navela ho velona isika amin’ity taona ity mba ho karakarainy.
Ny manodidina ny hazo no tsy mampamoa azy, avy amin’ny manodidina no anisan'ny iasan’ny fahavalo mba anery ny voa tsy afaka hivoaka. Izany no nahatonga an’I Jesosy niteny hoe iady ny manodidina. Iza no manodidina anao? Inona no manodidina anao?

🙏"Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, izay mamaka eo anilan'ny rano mandeha, ka tsy ho azon-kainandro izy, fa ho maitso ny raviny, ary tsy hanahy izy na dia mihantona aza ny andro, fa tsy hitsahatra ny famoany."
Jeremia 17:8

30/08/2024

💓 Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo.

🔹Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy.

𝗘𝘇𝗲𝗸𝗶𝗲𝗹𝗮 𝟯𝟲 : 𝟮𝟲-𝟮𝟳

REHEFA NISY INDRAY MANDEHA IANAO DIA MISY MANDRAKIZAYNataon'Andriamanitra hiavaka amin'ny biby sy ny zava-boahary hafa n...
08/06/2024

REHEFA NISY INDRAY MANDEHA IANAO DIA MISY MANDRAKIZAY

Nataon'Andriamanitra hiavaka amin'ny biby sy ny zava-boahary hafa ny fiainan-tsika satria nataony hisy foana isika na dia efa maty aza.

Ny zava-manan'aina rehetra rehefa misy indray mandeha tety an-tany ka maty dia tsy misy intsony mandrakizay izy. Fa isika olombelona kosa rehefa natao hisy indray mandeha dia misy mandrakizay, fa na any an-danitra fianinana mandrakizay, na any amin'ny helo maharitra mandrakizay.

Te hitaona anao aho hiombon-tsafidy amin'i Mosesy. Aleo mijery ny famalian-tsoa mandrakizay toy izay ny fifaliana vetivety amin'ny fahotana, nefa hijaliana mandrakizay.

Miara-miatri-pahoriana amin'ny olon'Andriamanitra, toy izay fifaliana vetivety amin'ny fahotana.

Hebreo 11:25-26 " nifidy mantsy hiara-mitondra fahoriana amin'ny olon'Andriamanitra toy izay hanana fifaliana vetivety amin'ny fahotana, nanao ny fanaratsiana an'i Kristy ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan'i Egypta, satria nijery ny famalian-tsoa izy. "

Aleo mitomamy vetivety miaritra fahoriana fa hifaly mandrakizay, toa izay mifaly vetivety anaty fahotana ka hitomany mandrakizay

AZA MIEZAKA HANAFIN-KELOKA AMIN’ANDRIAMANITRA INTSONY IANAO FA TSY MISY TAKONA IZAY TSY HO HITAAmin’Andriamanitra dia ts...
04/06/2024

AZA MIEZAKA HANAFIN-KELOKA AMIN’ANDRIAMANITRA INTSONY IANAO FA TSY MISY TAKONA IZAY TSY HO HITA

Amin’Andriamanitra dia tsy ny fahaizana manafin-javatra atahoranao no mahafaka anao fa ny fahaizanao mamboraka izany Aminy.
" Izay manafina ny fahotany tsy hambinina, fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po " Ohabolana 28:13

Mazava ary fa tsy miankina amin’ny firazanana na fihodirana na fahalalana na fari-pananana ny fanambin’Andriamanitra, fa ianao nitsotra sy nahafoy ny otanao.

Koa ny fikambananao amin’ny ota halan’Andriamanitra no mahatonga anao ho mpanota mahatezitra Azy. Koa tian’Andriamanitra hisaraka amin’ny ota ianao, ary Izy dia handray anao ary ianao kosa dia ho zanany lahy sy ho zanany vavy.

" Koa mivoaha ianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah. Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; ary Izaho handray anareo. Ary ho Rainareo Aho, ary ianareo ho zanako lahy sy zanako vavy, hoy Jehovah Tsitoha " 2Korintiana 6:17-18

Aza adinoina fa ny devoly dia miezaka manafina ny marina fa mampiharihary ny lainga kosa.

Ny teny dia teny fahamarinana ( marina rehetra ) Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana 2 Timoty 2:15

EFA TSY MISY MIAFINA AMIN’ANDRIAMANITRA

" Fa ny masoko dia mijery ny alehany rehetra, ka tsy miafina amin’ny tavako izany, ary tsy takona amin’ny masoko ny helony " Jeremia 16:17
" Andriamanitra Ă´, Ianao mahalala ny hadalako; ary ny heloko tsy miafina aminao " Salamo 139:7

Koa raha mandinika izany fahalalana marina izany ny olona dia maka fanahy ny fanahin’i Jehovah raha manafina ny helony.

“Aiza no hialako amin’ny Fanahinao, Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao? ” Salamo 139:7
“Moa misy olona mahafin-tena ao amin’ny fierena va ka tsy ho hitako? Hoy Jehovah. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho? Hoy Jehovah” Jeremia 23:24

HAFATRA: Aboray amin'Andriamanitra ny fahalemenao, ekeo ny fitiavan'i Jesosy teo amin'ny hazofijaliana. Asao Izy hiditra an-tsehatra feno eo amin'ny fiainanao. Mbola mahafaka anao Jesosy Amen.

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Jesosy Mamonjy Mandrosoa Ivato posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share