Feo Ny Fifohazana Moria Bemasoandro Foibe

Feo Ny Fifohazana Moria Bemasoandro Foibe Ny feo ny Fifohazana Moria dia vondrona enanjelika mitory ny filazan-tsara an’i Jesosy Kristy

01/03/2026

Mba mangataka anao hifidy ny Feo Fifohazana Moria Bemasoandro Itaosy 🙏🙏🙏🙏

27/02/2026

🎶 Antso - Feo ny Fifohazana Moria Bemasoandro Itaosy

🎄 Feo ny Fifohazana Moria 🎄Tongava hiaraka hidera sy hankalaza ny Nahaterahan’i Jesosy Kristy amin’ny alalan’ny hira fid...
10/12/2025

🎄 Feo ny Fifohazana Moria 🎄

Tongava hiaraka hidera sy hankalaza ny Nahaterahan’i Jesosy Kristy amin’ny alalan’ny hira fiderana sy toriteny manokana!

📅 Daty : 24 Desambra
🕖 Ora : 19h
📍 Toerana : Fiangonana Moria Bemasoandro Itaosy
🎵 Lohahevitra : “Hifikitra Aminao”

Aza adino, ento miaraka ny fianakaviana sy ny namana!
Ho fotoana feno fifaliana, fahasoavana ary firavoravoana ao amin’ny Tompo!

✨ “Hifikitra Aminao” ✨
Manantena ny ho fahatongavanao!

24/04/2025
«Ary manaova hira fahalahelovana ny amin'ireo andrianan'ny Isiraely ianao, ka ataovy hoe: Nahoana ny liom-bavy reninareo...
25/06/2024

«Ary manaova hira fahalahelovana ny amin'ireo andrianan'ny Isiraely ianao, ka ataovy hoe: Nahoana ny liom-bavy reninareo no namitsaka tao amin'ny liom-bavy. Ary nitaiza ny zanany tao amin'ny liona tanora? Ary nahalehibe ny zanany anankiray izy, dia tonga liona tanora io ka nianatra hamiravira haza sady nihinana olona. Nahare ny lazany ny firenena, dia namandrika azy tamin'ny lavaka, ka nasiany masom-by ny orony, dia nentiny ho any amin'ny tany Egypta izy. Ary nony hitan'ny liom-bavy fa foana sy levona ny fanantenany, dia nangalany indray ny zanany ka notezainy ho tonga liona tanora.»
— ‭‭Ezekiela‬ ‭19‬:‭1‬-‭5‬‬

«Dia hoy izy: Indro, hampahafantariko anao izay ho tonga amin'ny fahatezerana farany; fa ho amin'ny fotoana any am-paran...
25/06/2024

«Dia hoy izy: Indro, hampahafantariko anao izay ho tonga amin'ny fahatezerana farany; fa ho amin'ny fotoana any am-parany izany. Ilay ondrilahy hitanao nanana tandroka roa dia ny mpanjakan'i Media sy Persia. Ary ny osilahy lava volo dia ny mpanjakan'i Grisia; ary ny tandroka lehibe teo anelanelan'ny masony dia ny mpanjaka voalohany. Ary ny amin'ilay efa tapaka, ka nisy efatra nitsangana nandimby azy, dia hisy fanjakana efatra hitsangana avy amin'ny jentilisa, nefa tsy mitovy hery aminy. Ary ny hiafaran'ny fanjakany, rehefa tanteraky ny mpanota ny asany, dia hisy mpanjaka hitsangana, izay masia-tarehy sy mahafantatra zavatra saro-pantarina. Ary ho be ny heriny, nefa tsy amin'ny herin'ny tenany; ary mahagaga ny fanimbana hataony; ary hambinina izy ka hahefa ary hanimba ny mahery sy ny olo-masina. Ary ny fahafetseny koa no hahatanteraka ny fitaka eny an-tanany; ary izy hiavonavona am-po ka handringana ny maro amin'izay tsy ampoiziny; ary hitsangana hanohitra ny Andrianan'ny andriana izy, kanjo ho torotoro kosa, nefa tsy hisy tanana hamely azy tsinona.»
— ‭‭Daniela‬ ‭8‬:‭19‬-‭25‬‬

Address

Antananarivo
102

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Feo Ny Fifohazana Moria Bemasoandro Foibe posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to Feo Ny Fifohazana Moria Bemasoandro Foibe:

Share