Tenin'Andriamanitra sy fanazavana ny Baiboly

Tenin'Andriamanitra sy fanazavana ny Baiboly Pejy natao hizarana tenin'Andriamanitra sy fanazavana ny teny sy ny hevitra fonosin'ny Baiboly.

MITORIA NY FILAZANTSARA!“Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? ary hataony ahoana no fino izay tsy reny? ary h...
22/05/2026

MITORIA NY FILAZANTSARA!

“Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? ary hataony ahoana no fino izay tsy reny? ary hataony ahoana no fandre raha tsy misy mpitory?”
— Romana 10:14

Feno haizina izao tontolo izao. Ny anton’izany dia satria nivily tamin’Andriamanitra ny olona. Toa lasa mahazatra ankehitriny ny fanompoan-tsampy, ny kolikoly, ny halatra sy ny lainga, ny fitondran-tena maloto sy ny fijangajangana. Tsy matoky an’Andriamanitra intsony ny olona, fa miankina amin’ny tenany ihany.

👉 “Fa na dia nahalala an’Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy ho Andriamanitra, na nisaotra Azy; fa tonga zava-poana ny heviny, ary tonga maizina ny fony tsy manam-pahalalana.” — Romana 1:21

Ny heverin’ny olona ho fahendrena koa anefa dia "fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra" (Korintiana 3:19)

Ny hany lalana hiverenan’izao tontolo izao ho amin’ny mazava dia ny miverina amin’ilay Fahazavana mihitsy, dia i Jesoa Kristy, araka ny nambarany hoe: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’ny fiainana.” (Jaona 8:12)

Fa ahoana no hahafantaran’ny olona an'i Jesoa raha tsy misy ny mitory momba Azy? Ahoana raha tsy mbola nandre ny anaran'ilay tokana afaka mamonjy azy mihitsy izy ireo? Ahoana raha tsy fantany akory fa mila famonjena izy?

Eto no miditra an-tsehatra isika. Amin’ny maha-Kristiana antsika dia olom-boafidin'Andriamanitra isika. Tsy voavonjy natao hipetra-potsiny isika, fa voavonjy mba hiasa.

👉 “Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao.” — Matio 5:14
👉 “Hianareo no fanasin’ny tany.” — Matio 5:13

Milaza ny Baiboly fa samy efa nanota ny olona rehetra ary tsy misy marina na dia iray aza, ary ny fahafatesana no tambin’ny ota.
👉 “Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitr’Andriamanitra.” — Romana 3:23 (MG1865)
👉 “Fa fahafatesana no tambin’ny ota; fa fiainana mandrakizay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika kosa no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra.” — Romana 6:23 (MG1865)

Noho ny fahotana dia mendrika ho faty isika. Teo no nasehon’Andriamanitra tamintsika ny fitiavany: maty nisolo toerana antsika i Jesoa Kristy, ary rehefa afaka hateloana dia nitsangana tamin’ny maty Izy ka naharesy ny fahafatesana. Izay rehetra tena mino izany dia voavela fahotana ka mandova ny fiainana:

👉 “Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.” — Romana 5:8 (MG1865)
👉 “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” — Jaona 3:16 (MG1865)

Izay mino Azy dia tsy ho very, fa hanana fiainana mandrakizay. Izany no hevitra fototry ny vaovao mahafaly sy ny finoantsika. Izany ny hafatra tokony haelezantsika eran’izao tontolo izao.

Mety ianao irery no olona napetrak’Andriamanitra hitondra ny Vaovao Mahafaly amin’ny manodidina anao. Mety misy olona akaiky anao tsy hamaky Baiboly na hiditra am-piangonana izany mihitsy. Ary mety ianao irery no napetrak’Andriamanitra eo amin’ny fiainany hitory ny Filazantsara aminy.

✨ Koa aza mangina! Aza miandry hanana andraikitra ao am-piangonana, aza miandry hahalala be be kokoa ny antoko sy andininy maro ao amin'ny Baiboly vao hirotsaka, fa ireo dia efa ampy hampahafantaranao an'i Jesoa! Lazao amin’izao tontolo izao ny momba Azy, satria hataony ahoana no handrenesany raha tsy misy mitory?

✅ Raha hijery ireo lohahevitra sy famakafakàna andinin-tenin'ny Soratra Masina maro samihafa dia tsidiho sy araho (👍🏽) ny pejy: https://web.facebook.com/tafbmada
✅ AZA ADINO NY MIZARA AMIN'IREO NAMANTSIKA MBA HAHAZOANY ANJARA AMIN'NY FAHASOAVANA! :)

MIOMàNA AMIN'NY MANDRAKIZAY!Faly miarahaba antsika indray,Amin'izao vanin'andro izao dia ny fiomanana ho an’ity fiainana...
20/05/2026

MIOMàNA AMIN'NY MANDRAKIZAY!

Faly miarahaba antsika indray,
Amin'izao vanin'andro izao dia ny fiomanana ho an’ity fiainana ity no tena mandany ny heriny ny olona: manangona ho fiomanana amin'ny fisotroan-dronono, mitady fahombiazana amin'ny asa, mitady fiainana milamina... Ny fiainana mandrakizay kosa dia tsy dia misy resaka loatra, toa adinodino fa variana amin'ny eto an-tany aloha. Ny soratra masina anefa dia mampitandrina momba izany, sy momba ny tsy fifandanjana amin'ny fihevitsika ny fiainana an-tany sy ny mandrakizay, araka ireto andinin-teny ireto :

1️⃣ “Fa inona moa no soa azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao izy, kanefa very ny ainy?” (Marka 8:36)

Mety hanangona harena be isika, hiantoka ny ho avy, ary hankafy fiadanana eto an-tany, kanefa raha tsy vonona hihaona amin’Andriamanitra ny fanahy, dia fatiantoka ihany izany rehetra izany. Izao tontolo izao dia mampianatra antsika handrafitra mialoha ny ho avy afaka am-polony taona maro, fa ny Baiboly kosa mamporisika antsika handinika izay ho avy aorian’ny fahafatesana, ary efa manoro antsika ny lalana mazava amin'izany.

2️⃣ “Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana;” (Hebreo 9:27)

Tsy ratsy akory ny fiomanana ho amin’ny fiainana eto an-tany, fa ny tsy mety kosa dia ny fametrahana ny zavatra mandalo ho ambony noho ny mandrakizay. Nampitandrina momba izany fomba fisainana izany i Jesoa tao amin’ny fanoharana momba ilay lehilahy manankarena adala:

3️⃣ “Ry fanahiko ô, manana fananana be voatahiry ho amin’ny taona maro ianao; mitsahara… Fa hoy Andriamanitra taminy: Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao.” (Lioka 12:19–20)

Nanana fikasana sy drafitra ho amin’izay hahazoany fiadanana ity lehilahy ity, nefa tsy niraharaha ny mandrakizay. Tsy ny harenany no fahadisoany, fa ny tsy fahajambany manoloana ny fiainam-panahiny.

Tsy milamina ho azy ny mandrakizay; fa miankina amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy : “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.” (Jaona 14:6). Ny fiomanana ho amin’ny mandrakizay dia mitaky fibebahana, finoana, ary fiainana mifantoka amin’Andriamanitra:

👉 Fibebahana: fialana amin’ny ota
“Koa mibebaha hianareo, ka miovà…” (Asan’ny Apostoly 3:19)

👉 Finoana an’i Kristy:
“Minoa an’i Jesoa Kristy Tompo, dia hovonjena ianao…” (Asan’ny Apostoly 16:31)

👉 Fiainana mifantoka amin'ny mandrakizay:
“Ataovy ho amin’ny zavatra any ambony ny sainareo, fa tsy ho amin’ny zavatra etỳ an-tany.” (Kolosiana 3:2)

Ny tsy firaharahiana ny mandrakizay dia fametrahana ny fanahy amin’ny zavatra mandalo ihany. Koa ny fanontaniana mila hapetraka dia tsy hoe "miomana ve ianao?" fa hoe: "inona no hiomananao?" "inona no zava-dehibe aminao?"
📕 “Fa miharia harena ho anareo any an-danitra… Fa izay itoeran’ny harenareo, dia ho any koa ny fonareo.” (Matio 6:20–21)

Miomàna amim-pahendrena, fa lava lavitra noho ny fisotroan-dronono ny mandrakizay!

✅ Raha hijery ireo lohahevitra sy famakafakàna andinin-tenin'ny Soratra Masina maro samihafa dia tsidiho sy araho (👍🏽) ny pejy: https://web.facebook.com/tafbmada
✅ AZA ADINO NY MIZARA AMIN'IREO NAMANTSIKA MBA HAHAZOANY ANJARA AMIN'NY FAHASOAVANA! :)

18/05/2026

Andro voalohany anio!
Alatsinainy 18 May 2026

ANDRIAMANITRA SY NY HARENAMiarahaba antsika rehetra! 🖐Jesoa nilaza hoe: "mora kokoa no hidiran’ny rameva amin’ny vodifan...
15/05/2026

ANDRIAMANITRA SY NY HARENA

Miarahaba antsika rehetra! 🖐

Jesoa nilaza hoe: "mora kokoa no hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra noho ny hidiran’ny mpanankarena amin’ny fanjakan’Andriamanitra" (Matio 19:24). Midika ve izany fa rehefa manambola sy manankarena dia tsy tafiditra any an-danitra?
❌ TSIA!

Maro ny olona ao amin'ny Baiboly no azo lazaina hoe nanankarena: Abrahama, Joba, Solomona, Zakaiosy... Ny nampiavaka azy ireo dia na dia betsaka aza ny fananany tety an-tany, dia tany amin'Andriamanitra ny fony. I Zakaiosy manokana kosa dia nitia ny harenany talohan'ny nahafantarany an’i Jesoa, fa avy eo izy dia niova fo tanteraka ka nafoiny ny fananany ary nomeny ny Tompo ny fony.

Ny tantaran'ilay tovolahy manankarena nanantona an’i Jesoa no tena hahafahantsika mamantatra ny sitrapon'Andriamanitra momba ny harena ara-materialy, ary avy amin'io tantara io rahateo koa moa no niavian'nilay andininteny nofakafakaintsika androany. Raha tsiahivina ny tantara dia natahotra an'Andriamanitra ilay tovolahy, nanaja ny didy izy. Rehefa nilazan’i Jesoa hoe: “raha te-ho tanteraka ianao, mandehana, amidio ny fanananao, dia omeo ny mahantra... ary avia hanaraka Ahy” (Matio 19:21) kosa anefa izy dia “niala tamin’alahelo izy, satria nanana harena be.” (Matio 19:22)

Tsy ny fananan'ilay tovolahy no tena olana, fa ny fony izay nifikitra tamin’izany mihoatra noho ny tamin’Andriamanitra. Izay no tian’i Jesoa hampianarina: mety ho lasa sampy ao am-po ny vola sy ny harena. Izay no maharatsy ny fitoriana filazantsara mivohy ny fananana ara-materialy, satria mampitodika ny fon'ny olona any amin'ny harena ara-nofo fa tsy ny ara-panahy izany. Tsy ny vola no olana, fa ny toerana omena azy ao am-po, ary rehefa ny harena no ianteherana sy tiana mihoatra an’Andriamanitra, dia manalavitra antsika Aminy izany.

Tsy mandrara antsika hanana vola sy harena Andriamanitra, fa mampianatra antsika kosa mba tsy ho andevon’izany.
👉 Misy olona manankarena nefa mbola manetry tena sy matoky an’Andriamanitra;
👉 Misy olona tsy manana kosa nefa mbola feno fitiavam-bola ihany koa ny fony.

Koa aoka isika hanontany tena hoe aiza marina ny fontsika? Amin’Andriamanitra sa amin’ny haren’izao tontolo izao? Satria ny tena harena sarobidy indrindra dia tsy volamena na vola, fa ny fifandraisana amin’Andriamanitra sy ny fiainana mandrakizay ao Aminy izay tsy azo raha tsy amin'ny alalan'i Jesoa Kristy irery ihany.

✅ Raha hijery ireo lohahevitra sy famakafakàna andinin-tenin'ny Soratra Masina maro samihafa dia tsidiho sy araho (👍🏽) ny pejy: https://web.facebook.com/tafbmada
✅ AZA ADINO NY MIZARA AMIN'IREO NAMANTSIKA MBA HAHAZOANY ANJARA AMIN'NY FAHASOAVANA! :)

" Ka dia tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa Andriamanitra Izay mampitombo no izy."1 Korintiana 3:7Raikitra ...
11/05/2026

" Ka dia tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa Andriamanitra Izay mampitombo no izy."
1 Korintiana 3:7

Raikitra ny fifandirana tao amin'ny fiangonana korintiana: ny sasany miteny fa manaraka an'i Paoly, ny sasany milaza fa manaraka an'i Apolosy.

Raha nandre izany i Paoly dia tezitra ka nanoratra tamin'ny kristianina: toy ny zaza ianareo hoy izy, miady, misaraka, mifampialona. Tsy misy dikany na ny mpamboly na ny mpandena, fa Andriamanitra no izy. Maro ny lesona azo tsoahina amin'izany teny izany, fa ireto no nomen'ny Fanahy Masina ahy manokana androany ka tiako hozaraina amintsika eto:
👉 Tsy izay mitory no tokony hatao zavadehibe fa ny zavatra toriana. Misy olona tsy mandeha miangona na lasa kamo amin'ny lafiny arapanahy nohon'ny ataon'ny mpitoriteny. Fifandraisana amin'Andriamanitra no tadiavina fa tsy amin'ny olombelona.
👉 Tsy natao hireharehana ny asa fitoriana, fa asa fanompoana hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra.
👉 Indraindray isika mitory aman'olona kanefa mahatsapa fa toa tsy misy vokany izany. Tsy tokony hatao hahakivy anefa izany fa ny anjarantsika dia ny mamboly voa sy mandena ihany, anjaran'Andriamanitra kosa ny manatombo ary efa manana by fandaharany sy ny fotoanany amin'izany Izy. Koa aza kivy ary mahereza hatrany amin'ny asa fitoriana fa tena ilaina izany, indrindra amin'izao vanimpotoana hanjakan'izao tontolo izao izao.

✅ Raha hijery ireo lohahevitra sy famakafakàna andinin-tenin'ny Soratra Masina maro samihafa dia tsidiho sy araho (👍🏽) ny pejy: https://web.facebook.com/tafbmada
✅ AZA ADINO NY MIZARA AMIN'IREO NAMANTSIKA MBA HAHAZOANY ANJARA AMIN'NY FAHASOAVANA! :)

Miarahaba antsika rehetra!Ho an'izay mbola tsy manana baiboly dia ito misy application tsara. Rah mbola tsy mahay manao ...
11/05/2026

Miarahaba antsika rehetra!
Ho an'izay mbola tsy manana baiboly dia ito misy application tsara. Rah mbola tsy mahay manao scan QR code tsy mampiasa camera dia izao no fomba mora indrindra:
1. Maka capture d’écran (screenshot) an’ilay QR code.
2. Sokafy ilay sary tao amin’ny galerie.
3. Tsindrio ilay bouton Google Lens
(matetika misy kisary toa caméra kely na “Lens”).
Dia ho vakin’ilay téléphone ho azy ilay QR code, ary hiseho ilay lien na information ao anatiny.

Raha tsy misy Google Lens dia afaka mampiditra application scan QR amin'ny store ianao na mampiasa site mamaky QR avy amin’ny sary.
Ao amin’ny Google Photos sy Google Chrome matetika efa misy an’ilay Lens.

📖 “Aza mitsara, mba tsy hotsaraina hianareo.” — Matio 7:1Miarahaba antsika rehetra dia manonona ny fiadanana avy amin'i ...
08/05/2026

📖 “Aza mitsara, mba tsy hotsaraina hianareo.” — Matio 7:1

Miarahaba antsika rehetra dia manonona ny fiadanana avy amin'i Jesoa Kristy. 🖐
Ity andinin-tsoratra masina ity dia anisan'ny tena tian’ireo tsy kristianina ampiasaina hanohitra antsika mpino. Lasa teny filamatra malaza izy io, izay adikan’ny maro hoe: “aza miteny amiko izay ratsy ataoko, aza manontany ny fomba fiainako.”

Tsy izany mihitsy anefa no dikan’ity andininteny ity! Raha mamaky ny andininy manaraka fotsiny isika dia mihamazava tsara kokoa ny tian’i Jesoa hambara: “fa araka ny fitsarana izay ataonareo no hitsarana anareo...” (Matio 7:2)

Izany hoe azo atao tsara izany ny mitsara, raha ohatra ka hintantsika fa araka ny rariny no hitsarantsika ny hafa, amin'ny fatra izay iriantsika hitsaran'ny hafa antsika koa. Tsy voantso hitsara amim-piavonavonana, amim-pihatsarambelatsihy, na amim-panahy manameloka isika. Ity andinin-teny manaraka hita ao amin'ny Jaona 7:24 ity dia manazava amintsika izay tian’Andriamanitra hataontsika amin’ny resaka fitsarana ny hafa: “Aza mitsara araka ny hita maso, fa mitsarà araka ny fitsarana marina.”

Tsy niteny Jesoa hoe “aza mitsara mihitsy”, fa hoy Izy: “mitsarà araka ny fitsarana marina.” Misy fahasamihafana lehibe izany. Amin’izao vanim-potoana izao dia manomboka tia ny ota mihoatra noho ny fitiavana an’Andriamanitra ny fiaraha-monina, ary matetika ny olona dia mandà ny fahamarinana mba hiarovany ny fahasambarany. Ny Tenin’Andriamanitra anefa dia tsy miova mba hifanaraka amin’ny faniriantsika, fa miantso antsika hiverina amin’izay tsara izy, araka ny voalaza ao amin’ny Isaia 5:20: “Lozan’izay milaza ny ratsy ho tsara, ary ny tsara ho ratsy.”

Ny fitsarana marina dia tsy fanaratsiana ny hafa amim-piavonavonana, fa fahaiza-manavaka ny marina amim-panetren-tena, sy fahaizana manitsy araka ny fenitr’Andriamanitra:
👉 Miantso ny ota amin'ny anarany,
👉 Miaro izay tsara,
👉 Mitady fanarenana fa tsy fandringanana.

Hoy kosa ny ao amin'ny Efesiana 4:15: “milazà ny marina amin’ny fitiavana.”. Raha manalavitra ny fahamarinana isika satria mataotra ny hitsara ny hafa, dia tsy mitia isika izay, fa mamela ny olona ho ao amin’ny maizina. Ny tena fitiavana dia ny fahasahiana mijoro amin’ny fahamarinan’Andriamanitra, na dia sarotra sy mety hanova ny fifandraisana aza izany.

Raha fintinina ny fahamarinana azontsika androany dia izao: azo atao ny mitsara ny hafa. Tsy sanatria hitsaratsara fahatany olona isika anefa, na hanaratsy, na hanameloka, fa tsy maintsy mitsara kosa mba hamerenana azy amin’ny lalan-tsara. Aoka isika tsy handà ny fitsarana, fa handà ny fitsarana tsy marina.

🙏 Tompo ô, ampio izahay mba tsy hanaraka ny famaritan’izao tontolo izao ny fahamarinana. Omeo herim-po hijoro amin’ny Teninao, fahendrena hitsara araka ny marina, sy fo manambara ny fahamarinanao ampitiavana izahay. Ampio izahay mba tena hahay hanitsy sy hiteny ny marina araka ny Teninao, sy tena hitia ny hafa amim-pinoana. Amin'ny anaran'i Jesoa no hangatahanay izany. Amen.

✅ Raha hijery ireo lohahevitra sy famakafakàna andinin-tenin'ny Soratra Masina maro samihafa dia tsidiho sy araho (👍🏽) ny pejy: https://web.facebook.com/tafbmada
✅ AZA ADINO NY MIZARA AMIN'IREO NAMANTSIKA MBA HAHAZOANY ANJARA AMIN'NY FAHASOAVANA! :)

« Ny teninao dia fanilo ho an’ny tongotro. » — Salamo 119:105Miarahaba antsika rehetra indray! 🖐Indraindray isika dia ma...
30/04/2026

« Ny teninao dia fanilo ho an’ny tongotro. »
— Salamo 119:105

Miarahaba antsika rehetra indray! 🖐

Indraindray isika dia mahatsiaro very, tsy manana tetikasa mazava momban'ny fiainantsika fa toa entin'ny onjam-piainana eny fotsiny. Indraindray dia mety tampondalan-kaleha mihitsy aza. Mety mieritreritra koa isika fa mila mahatakatra sy mahita ny zavatra rehetra, ary manana vinavina ny ho avy vao afaka mandroso miaraka amin’Andriamanitra. Fa ny Baiboly kosa mampiseho zavatra hafa: Andriamanitra dia tsy voatery hanazava ny lalana iray manontolo, fa indraindray dia ny dingana manaraka fotsiny no hasehony.

Ny andininteny noraisintsika androany dia milaza mazava fa "fanilo eo amin’ny tongotra" ny tenin'Andriamanitra. Fanilo eo amin'ny tongotra hoy izy, fa tsy jiro lehibe manazava ny lalana manontolo. Ny Teniny dia manome hazavana ampy ho an’ny anio. Tsy ho an’ny rahampitso, tsy ho an’ny folo taona ho avy — fa ho an’izao fotoana izao ihany. Tahaka izany ny fiasan'Andriamanitra indraindray, to ilay tany an’efitra, rehefa nanome ny mana ho an’ny vahoakan’i Isiraely Izy dia nomeny tsikelikely isan’andro izany. Tsy mihoatra, tsy latsaka. Fa maninona? Satria tiany hianatra hiankina Aminy tanteraka izy ireo.

Koa aoka hajanona anio ny ahiahy rehefa tsy manana drafitra mazava momba ny ho avy isika. Aoka isika tsy hanahy ny amin’ny ampitso: na ny amin'ny asa mety amintsika, na ny fanapahan-kevitra tokony horaisintsika... Tsy nangataka antsika hitondra izany rehetra izany Andriamanitra anio. Ny mety ho adintsika amin’izao fotoana izao dia tsy ny hahafehy ny zavatra rehetra, fa ny hanao ilay dingana kely eo anoloantsika fotsiny.

🙏🏼 Tompo ô, tsy mahafehy na inona na inona amin'ny fiainanay izahay, ary Ianao dia mampianatra anay fa tsy maninona izany satria Ianao ilay mahefa ny zava-drehetra no miahy anay isan'andro. Ampio izahay hahatoky ny fitondranao, amboary ny fonay hahay hametraka tanteraka ny fiainanay eo am-pelatananao. Aoka ny teninao no tena hitondra anay isan'andro. Misaotra Tompo o, Amen.

✅ Raha hijery ireo lohahevitra sy famakafakàna andinin-tenin'ny Soratra Masina maro samihafa dia tsidiho sy araho (👍🏽) ny pejy: https://web.facebook.com/tafbmada
✅ AZA ADINO NY MIZARA AMIN'IREO NAMANTSIKA MBA HAHAZOANY ANJARA AMIN'NY FAHASOAVANA! :)

“Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Ny tanàna izay miorina eo an-tampon-tendrombohitra dia tsy azo afenina.”Matio ...
28/04/2026

“Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Ny tanàna izay miorina eo an-tampon-tendrombohitra dia tsy azo afenina.”
Matio 5:14

Anisan'ny teny malaza nambaran'i Jesoa tamin'Izy nampianatra teny antendrombohitra ity andininteny ity. Raha nilaza izany Izy dia nanampy hoe: “aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra” (Matio 5:16).

Ireto ny fahamarinana fonosin'izany sarinteny izany:

1️⃣ Azy ny zava-drehetra: tsy tonga fahazavana isika raha tsy manana ilay TENA fahazavana: dia ny fahazavany izay mamirapiratra ao anatintsika.

2️⃣ Voafidy isika: tsy misy azo ataontsika mba hahatonga antsika hitaratra ny fahazavana avy aminy, fa voninahitra nomena antsika izany. Izany dia maneho ny fitiavan'Andriamanitra antsika sy ny fahasoavany tamin'ny niantsoany antsika.

3️⃣ Tsy tokony hafenina izany: tsy azo afenina ny fahazavan’Andriamanitra ao anatintsika. Rehefa tena manaraka Azy isika, dia miharihary sy tsy azo lavina izany. Noho izany, afaka maneho ny famirapiratan'Andriamanitra ampifaliana sy ampireharehàana isika.

4️⃣ Areheto ny fahazavana: na dia tsy tiantsika hitombo aza ny fahamaizinan'izao tontolo izao, dia voalaza ao amin'ny Baiboly fa tsy maintsy hiseho izany. Ao anatin'ny haizina koa anefa no tena mamiratra sy mila haseho ny fahazavana.

5️⃣ Manala ny haizina: ny mpanaradia an’i Kristy dia natao ho fanilon’ny fahazavana, manazava ny fahamarinan’Andriamanitra ary mampamirapiratra ny fitiavany. Izay manaraka an’i Jesoa dia tsy handeha amin’ny maizina mihitsy (Jaona 8:12).

6️⃣ Voatendry hidera ny Tompo: tsy hisarika ny olona hibanjina antsika ny antony nanomezana antsika ny fahazavana, fa ny hitarika ny hafa hidera an’Andriamanitra. Ny Fiangonana maneran-tany dia natao ho tonga ho ilay fahazavana mamirapiratra indrindra hitan’izao tontolo izao hatramin’izay, ary manana anjara toerana ao amin’izany tanàna izany isika Kristianina tsirairay avy.

Na dia mety hilentika any ambanin’ny faravodilanitra aza ny masoandro ary mety hihamaizina hatrany izao tontolo izao, ny voninahitr’izany tanàna izany dia hiseho eo imason'ny rehetra. Mandraisa anjara amin'ny famirapiratan'ny tanàna eo an-tampon'ny tendrombohitra, fa mety ho ianao irery no fahazavana hitan'ny olona manodidina anao amin'izao fiainana maizina izao. Ataovy izany mba ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany!

✅ Raha hijery ireo lohahevitra sy famakafakàna andinin-tenin'ny Soratra Masina maro samihafa dia tsidiho sy araho (👍🏽) ny pejy: https://web.facebook.com/tafbmada
✅ AZA ADINO NY MIZARA AMIN'IREO NAMANTSIKA MBA HAHAZOANY ANJARA AMIN'NY FAHASOAVANA! :)

MIFANTOHA AMIN'ANDRIAMANITRA!Manolotra ny fiarahabana antsika rehetra. 🖐Betsaka ny zava-nitranga teto amin’izao tontolo ...
22/04/2026

MIFANTOHA AMIN'ANDRIAMANITRA!

Manolotra ny fiarahabana antsika rehetra. 🖐

Betsaka ny zava-nitranga teto amin’izao tontolo izao tatoato. Teto Madagasikara, dia nisy ny fiovan’ny fitondrana; any ivelany kosa dia misy fifandirana ara-politika maro amin’ny antoko samihafa, nisy koa hatramin’ny ady amin'ny firenena mifanohitra mihitsy aza. Maro loatra ny vaovao niseho tao anatin’ny fotoana fohy, hany ka mora ho antsika ny voasarika ao anatin’izany: mifidy ankolafy, variana amin'ny ady hevitra mampisara-bazana, lasa liana loatra amin'izany, ka indraindray dia manadino ny tena zava-dehibe.

Anio, mampahatsiahy antsika am-pitiavana ny Tompo fa na inona na inona mitranga manodidina antsika, dia Izy no tena mbola mitantana ny zava-drehetra, Izy no tena eo amin’ny fitondrana. Tsy tokony ho lanin’ny tabataban’izao tontolo izao ny saintsika, fa tokony hifantoka amin’izay mandrakizay, dia ny Teniny sy ny sitrapony.

Araka ny voasoratra ao amin’ny Filazantsara dia “katsaho aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany" (Matio 6:33), ary “diniho ny any ambony, fa aza ny etỳ an-tany.” (Kolosiana 3:2). Tsara ho tsaroantsika fa tsy ity tontolo ity no fonenantsika. Mpandalo ihany isika, ary izay heverintsika ho zava-dehibe, sy izay toa mavesatra sy mampanahy ankehitriny dia mandalo ihany, fa ny fanjakan’Andriamanitra kosa maharitra mandrakizay. “Fa ny fonenantsika dia any an-danitra; ary avy any koa no iandrasantsika ny Mpamonjy, dia Jesoa Kristy Tompo.” (Filipiana 3:20)

Koa aoka isika tsy hozarain’ny fifandiran’izao tontolo izao, fa hanandratra ny masontsika ho amin’Andriamanitra: amin’ny fampanantenany, ny fahamarinany, sy ny tanjony ho antsika. Aoka isika handeha amin’ny fiadanana, hitia ny hafa, ary hifikitra amin’izay tena zava-dehibe. Ary aoka tsy hohadinointsika indrindra koa ny iraka nomena antsika eto an-tany. “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” (Matio 28:19-20)

Handeha isika hifantoka amin'Andriamanitra hatrany, hahatoky ny fitondrany na inona na inona miseho ety an-tany, ary hanolo-tena ho Azy, hizara ny Teniny sy ny famonjeny ao amin'i Kristy, ary hahay hanompo ny hafa araka ny sitrapony.

Ny fiadanan'ny Tompo anie homba antsika rehetra hatrany!

✅ Raha hijery ireo lohahevitra sy famakafakàna andinin-tenin'ny Soratra Masina maro samihafa dia tsidiho sy araho (👍🏽) ny pejy: https://web.facebook.com/tafbmada
✅ AZA ADINO NY MIZARA AMIN'IREO NAMANTSIKA MBA HAHAZOANY ANJARA AMIN'NY FAHASOAVANA! :)

Miarahaba antsika rehetra 🖐Ny fitoriam-pitiavana lehibe indrindra teo amin’ny tantaran'izao tontolo izao dia tsy nosorat...
14/04/2026

Miarahaba antsika rehetra 🖐

Ny fitoriam-pitiavana lehibe indrindra teo amin’ny tantaran'izao tontolo izao dia tsy nosoratana tao anaty taratasy, fa nohomboana teo amin’ny hazo fijaliana. Satria Jesoa tsy niteny fotsiny hoe tia antsika Izy, fa nasehony tamin’ny asany izany, araka ny voalaza hoe « tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany » (Jaona 15:13). Tsy tamin’ny fotoana naha-marina antsika no nanaovany izany, fa fony mbola mpanota isika.

👉 Ny fitiavan’izao tontolo izao dia miankina amin’ny fihetseham-po, fa ny fitiavan’i Jesoa kosa dia miankina amin’ny safidy. « Tiava ny fahavalonareo, manaova soa amin’izay mankahala anareo » (Lioka 6:27).
👉 Ny tontolo dia mitia rehefa mahazo, fa i Jesoa kosa dia mitia rehefa manome. « Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray » (Asan’ny Apostoly 20:35).
👉 Ny tontolo dia mitia rehefa mora ny mitia, fa i Jesoa kosa dia mitia na dia misy tambiny aza izany. « Fa Kristy koa aza efa nijaly ho anareo, ka namela fianarana ho anareo » (1 Petera 2:21).
👉 Ny tontolo dia mitia rehefa hajaina, fa i Jesoa kosa dia mitia na dia nolavina aza: « Natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona Izy » (Isaia 53:3).

Hoy ny Soratra Masina: « Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy » (Romana 5:8). Ny fitiavana dia tsy mifantoka amin’ny tena, fa mijery ny hafa. « Aoka tsy hisy samy hitady ny azy ihany, fa samy hitady ny an’ny namany koa » (Filipiana 2:4).

Ny fitiavana tsy mitady izay mampiadana ny tena, fa mitaky fahafoizan-tena indraindray. « Ny fitiavana… tsy mitady ny azy » (1 Korintiana 13:5). Tsy manontany ny fitiavana hoe inona no ho azoko, fa hoe inona no azoko omena. « Aoka samy hanome araka izay nokasainy tao am-pony » (2 Korintiana 9:7). Ary izany indrindra no antson’i Jesoa ho an'ny fiainantsika.

Ny mitia tahaka an’i Jesoa dia tsy miandry fihetsehampo, fa safidy manokana manatanteraka ny sitrapony : « Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo » (Jaona 15:12). Misafidy hitia, misafidy hamela heloka, misafidy hanome soa na an'ny fahavalo aza, misafidy ny hitia na dia sarotra aza izany indraindray.

Aoka isika hitia tahaka ny fitiavan'i Jesoa antsika. Ny mitia koa dia ny mizara ny vaovao mahafaly ho an'ny rehetra, koa manainga antsika hizara izao hafatra mahasoa izao!

✅ Raha hijery ireo lohahevitra sy famakafakàna andinin-tenin'ny Soratra Masina maro samihafa dia tsidiho sy araho (👍🏽) ny pejy: https://web.facebook.com/tafbmada
✅ AZA ADINO NY MIZARA AMIN'IREO NAMANTSIKA MBA HAHAZOANY ANJARA AMIN'NY FAHASOAVANA! :)

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tenin'Andriamanitra sy fanazavana ny Baiboly posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share