Mpitandrina - Randria Malala

Mpitandrina - Randria Malala "Mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo" - I Kor. 15 : 58

03 may 2026 | ALAHADIN’NY MPITANDRINA"Indro ny mpanompoko, Izay nofidiko, ny Malalako, izay sitraky ny foko indrindra." ...
11/04/2026

03 may 2026 | ALAHADIN’NY MPITANDRINA

"Indro ny mpanompoko, Izay nofidiko, ny Malalako, izay sitraky ny foko indrindra." (Mat. 12 : 18)

Mampahatsiaro antsika rehetra zanaky ny FJKM ANTSO MAHATOKY FENOARIVO, fa ny Alahadin'ny Mpitandrina fanao isan-taona dia ho tanterahina ny Alahady 03 may 2026 ho avy izao.
Koa manentana antsika rehetra mba samy ho tonga hiara-hiombom-bavaka sy hanohana ny Mpitandrina.

Ny fanompoampivavahana dia hanomboka amin'ny 09 ora maraina.

"Tsy ato izy, fa efa nitsangana" (Lio. 24 : 6)Amin'ny fifaliana no hiarahabana antsika nahatratra ny P***a 2026. > Velon...
05/04/2026

"Tsy ato izy, fa efa nitsangana" (Lio. 24 : 6)
Amin'ny fifaliana no hiarahabana antsika nahatratra ny P***a 2026.

> Velona Jesoa !

Fintina an-tsary • MEGA CONCERT nokarakarain'ny VFL Antso Mahatoky Fenoarivo"𝘐𝘯𝘰𝘯𝘢 𝘯𝘰 𝘩𝘢𝘵𝘢𝘰𝘯𝘢𝘳𝘦𝘰 𝘮𝘪𝘩𝘰𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘰𝘩𝘰 𝘯𝘺 𝘴𝘢𝘴𝘢𝘯𝘺...
30/03/2026

Fintina an-tsary • MEGA CONCERT nokarakarain'ny VFL Antso Mahatoky Fenoarivo
"𝘐𝘯𝘰𝘯𝘢 𝘯𝘰 𝘩𝘢𝘵𝘢𝘰𝘯𝘢𝘳𝘦𝘰 𝘮𝘪𝘩𝘰𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘰𝘩𝘰 𝘯𝘺 𝘴𝘢𝘴𝘢𝘯𝘺 ?" (Mat. 5 : 47a)

Hetsika notontosaina ny Alahady 29 martsa lasa teo, niarahana tamin'ny :
• LIFE Gospel "Laïc Identity ForEver" ,
• Page SAM Sekoly Alahady Mihira FJKM Fenoarivo,
• GAM Ampama,
• TAF 'YRAY,
• Bodokely Ministries

Fanompoam-pivavahana nitondràna am-bavaka : * Ny Filohan’ny FJKM mianakavy, * Ny Taom-piasàna 2026. « Fa moa misy zava-m...
18/01/2026

Fanompoam-pivavahana nitondràna am-bavaka :
* Ny Filohan’ny FJKM mianakavy,
* Ny Taom-piasàna 2026.

« Fa moa misy zava-mahagaga izay tsy hain’i Jehovah va ? » (Gen. 18 : 14)

Hafatra Toriteny :
1. Diovy ny fonao,
2. Fantaro ny harena miafina ao aminao,
3. Miasà dia aza misaraka amin’ny Fiangonana.

Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra !

  F A N A S A N AAlahady 18 Janoary 2026Coliseum AntsonjombeFanompoam-pivavahana fisaorana an’Andriamanitra sy fametraha...
09/01/2026


F A N A S A N A
Alahady 18 Janoary 2026
Coliseum Antsonjombe

Fanompoam-pivavahana fisaorana an’Andriamanitra sy fametrahana eo am-pelatanany ny taom-panompoana 2026, sady hitrotroana am-bavaka ny filohan’ny FJKM sy ny ankohonany.

Tongava maro ho voninahitr'Andriamanitra, taomy ny namana hiombom-bavaka, zarao ny fanasana ✨

"Ary ho an'Izay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra angatahintsika, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahin...
01/01/2026

"Ary ho an'Izay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra angatahintsika, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika, ho Azy anie ny Voninahitra ao amin'ny Fiangonana sy ao amin'i Kristy Jesoa hatramin'ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena" (Efesiana 3 : 20 - 21)

Ny Mpitandrina Randriamalala Edmond mianakavy dia faly miarahaba sy mirary soa ho antsika nahatratra ny taona vaovao 2026.
#2026

"Voninahitra any amin'ny avo indrindra ho an'Andriamanitra ! Ary fiadanana ho ety ambonin'ny tany amin'ny olona ankasitr...
28/12/2025

"Voninahitra any amin'ny avo indrindra ho an'Andriamanitra ! Ary fiadanana ho ety ambonin'ny tany amin'ny olona ankasitrahany."(Lioka 2 : 14)

Ny Mpitandrina mivady dia faly mirahaba antsika rehetra, ary mirary Krismasy feno fifaliana sy Fiadanana ho antsika.

Indro atolotra antsika ny sombiny tamin'ny Fankalazana ny Krismasy nataon’ny Sampana sy Fikambanana tamin'izao Herinandro Sambatra 2025 izao :

 "Fa tahaka ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao, izay hataoko, no haharitra eo anatrehako, hoy Jehovah, dia toy izany no...
27/11/2025



"Fa tahaka ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao, izay hataoko, no haharitra eo anatrehako, hoy Jehovah, dia toy izany no haharetan'ny taranakareo sy ny anaranareo."

Ny Mpitandrina mivady sy ny Biraon'ny Fiangonana FJKM Antso Mahatoky Fenoarivo, dia maneho fisaorana antsika Taranaka sy Fianakaviana rehetra, tonga tety an-tanindrazana tamin'ny FETIN'NY TARANAKA SY NY FIANAKAVIANA ny Alahady 23 novambra 2025 lasa teo. Mankasitraka ihany koa tamin'ny ezaka vita.

Mirary soa ho antsika hotahian'Andriamanitra. Ho taranaka maharitra miandry ny Tompo.

Ho an'Andriamanitra ny Voninahitra.

 Manasa antsika hanatrika ny Fanompoam-pivavahana fankalazana an'Andriamanitra noho ny faha-30 taona maha- Mpitandrina a...
09/10/2025



Manasa antsika hanatrika ny Fanompoam-pivavahana fankalazana an'Andriamanitra noho ny faha-30 taona maha- Mpitandrina an'Atoa RANDRIAMALALA Edmond mianakavy ny Alahady 19 oktobra 2025 amin'ny 9 ora maraina.

 "Aza mamihina ny soa amin'izay tokony homena azy, raha azon'ny tananao atao ihany."(Ohabolana 3:27)Misaotra an' Andriam...
28/07/2025



"Aza mamihina ny soa amin'izay tokony homena azy, raha azon'ny tananao atao ihany."(Ohabolana 3:27)

Misaotra an' Andriamanitra fa afaka nanolotra ity vahiny nasaina manokana ity ho an'ny STK sy ireo rehetra nanatrika ny antsam- piderana niarahana tamin'ny Ny Mpitory ny Alahady 27 jolay 2025 teo.

Ho an'Andriamanitra ny Voninahitra!

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mpitandrina - Randria Malala posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share