SDARM - Madagasikara

SDARM - Madagasikara Advantista mitandrina ny andro fahafito Fihetseham-panavaozana

✨Amin' alahelo lehibe, kanefa anaty finoana sy fanantenana ny fitsanganan' ny tena amin' ny maty no ampandrenesana antsi...
23/06/2026

✨Amin' alahelo lehibe, kanefa anaty finoana sy fanantenana ny fitsanganan' ny tena amin' ny maty no ampandrenesana antsika rehetra fa nodimandry ao amin' ny Tompo ny raiamandreny ✨

- RAKOTONDRABETSIZARAINA Joseph Seth (Pasitera Seth)

⏺️Pasitera advantista nandritra ny 40 taona mahery
⏺️Raiamandreny ara-panahy nitaiza sy nahavanona olona maro nanerana ny Nosy
⏺️Filohan' ny Misiona voalohany Teo anivon' ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito Fihetseham-panavaozana teto Madagasikara (2015- 2017)
⏺️Mpanolotsaina manokana teo anivon' ny Komity Mpitantana ny SDARM Madagasikara

🙏Andeha hiara-hitondra am-bavaka ny ankohonany sy ny fianakaviany iray manontolo isika 💔

"Fa raha velona isika, dia velona ho an' ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an' ny Tompo; koa amin' izany, na velona na maty isika, dia an' ny Tompo ihany" Romana 14: 8

NY KOMITY MPITANTANA NY MISIONA ADVANTISTA MITANDRINA NY ANDRO FAHAFITO FIHETSEHAM-PANAVAOZANA SY NY MPINO REHETRA MANERANA AN' I MADAGASIKARA
-----------------------------------------------------------------------
✨It is with deep sorrow and a heavy heart that we announce the passing of our beloved brother, leader, brother SETH J. R. ✨

✨Brother Seth was a devoted follower of Our Lord and Saviour Jesus Christ, he dedicated his last 11 years of life to serve the church with faithfullness. ✨
✨He was the first President of SDARM Madagascar' s Mission (2015- 2017) and was among the pionner of the Seventh Day Adventist Reform Movement in many places of Madagascar
He was a fervent counsellor to the leadership and Counsel of the Mission' leaders✨

🙏We ask the worldwide church family to remember brother Seth' s loved ones in your prayer during this time of sorrow🙏

With hope in Christ
Madagascar' s Mission
Seventh Day Adventist Reform Movement
MADAGASCAR

05/06/2026

Famintinana an-tsary ny fihaonambe iraisam-pirenenan' ireo tanora SDARM izay natao tany Philippines tamin' ity taona 2026 ity, nibanjinana ny lohahevitra hoe "Fahamendrehana".

Any Georgia - USA indray ny fihaonam-be 2027. 🙏🏻😇

‼️Mararirary foana ve ianao ⁉️Sa te ho Salama mandrakariva⁉️✅Natokana ho antsika Kristiana mihevitra akaiky ny fahasalam...
12/04/2026

‼️Mararirary foana ve ianao ⁉️Sa te ho Salama mandrakariva⁉️
✅Natokana ho antsika Kristiana mihevitra akaiky ny fahasalamantsika ity.
⭕Seminera ara-pahasalamana
♨️Famelabelaran-kevitra ara-pahasalamana arahana fanazavana sy fanontaniana momba ny fifandraisan izany amin ny fiainana ara-panahy maha Kristiana
🕓Fotoana tokana: Alahady 19 Aprily 2026 @ 2 ora folakandro
🏫Toerana: Fiangonana S.D.A.A.R.M Namontana, ampitan'' ny trano fitaratra be, arrête bus trano mavo, akaikin ny tsena Namontana
👍Fotoana hanovozanao soa goavana maimaim-poana io fotoana io koa tongava
🙏Afaka tonga alohaloha kely ianao Raha te hitsapa tension na hiresadresaka amin' ny mpitsabo eo an-toerana
😊Tsy misy vidim-pidirana. Tsy misy rakitra
♥️Hitahy anao anie Jesosy ❤️

💔Nandao antsika io maraina io ny raiamandreny Pasteur Manuel Henda. Matory am-piadanana, miala sasatra miandry ilay mara...
10/04/2026

💔Nandao antsika io maraina io ny raiamandreny Pasteur Manuel Henda. Matory am-piadanana, miala sasatra miandry ilay maraim-baovao sy be voninahitra, hifohazany indray.
📌Izy no secrétaire régionale nisahana n'y fiangonana SDARM aty amin' ny faritra Afrika atsimo. Efa nitantana ny asa teo Madagasikara koa izy.
📌Misaotra ny Tompo isika noho ny nanomezany antsika izany mpanompony izany. Mirary fiononana feno ho an' ny fianakaviamben' ny SDARM.

"Ary nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Soraty: Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin'ny Tompo hatramin'izao. Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin'izay nisasarany izy; fa ny asany manaraka azy." — Apokalypsy 14 : 13

‼️KONGRESY REZIONALY SDARM MADAGASCAR NORD‼️♨️Nisy ny fihaonamben' ny solon-tenan' ireo mpino avy amin' ny fiangonana ma...
04/04/2026

‼️KONGRESY REZIONALY SDARM MADAGASCAR NORD‼️
♨️Nisy ny fihaonamben' ny solon-tenan' ireo mpino avy amin' ny fiangonana maro manerana ny tapany avaratr' i Madagasikara ny 1 - 5 Aprily 2026 natrehan ny solon-tenan' ny mpitantana avy amin' ny Misiona Madagasikara😚
📌Fiofanana isan' andro niampy seminera isankariva
📌Nofaranana tamin' ny batisa fanahy 6 sy fandraisana fanasan ny Tompo
📌Tafatsangana soa aman-tsara ny zana-piangonana SDARM eto Vohemar
📌Fifaliana sy firahalahiana no nameno ny fo ka nahavitana izao adidy masina izao

❤️Homba antsika hatrany anie ny Tompo❤️

Misy fanaintainana mangina zakain’ny maro amintsika.... Harerahana izay miditra tsikelikely rehefa mampiseho ny halalin'...
24/03/2026

Misy fanaintainana mangina zakain’ny maro amintsika.... Harerahana izay miditra tsikelikely rehefa mampiseho ny halalin'ny faharatsiana eo aminy izao tontolo izao.
Raha mahatsapa izany fanaintainana izany ianao dia aza maika ny hampangina izany. Aza raisina ho toy ny fijery miiba na fahalemena izany. Tsy kilema ao aminao tsy akory izany fahatsapana izany; porofo izany fa tsy natao ho an'ity tontolo rava ity ianao.

Ny fanahy dia natao hifandrindra amin' ny zavatra madio kokoa, marina kokoa, ary mandrakizay.
Ary rehefa mandiso fanantenana, rava, ary tsy mahomby ny zavatra rehetra manodidina antsika, dia tsy midika izany fa tsy misy dikany ny fanantenana; midika kosa izany fa tokony hapetraka ambony kokoa ny fanantenantsika.

Ity tontolo ity tsy afaka hanasitrana izay zavatra efa nopotehiny.
Fa i Kristy kosa afaka. Izany tsy fahatoniana izany, izany alahelo izany, izany tsy fahafaham-po masina izany dia avelao hitarika anao ho any an-danitra.
Tsy toerana fandosirana amin'ny olana Kristy, fa Kristy mihitsy no vahaolana.


❤️ARAHABAINA NAHATRATRA NY TAONA VAOVAO 2026❤️📌Miha manatona ilay andro malaza, be fanantenana, hiatrehantsika ilay lova...
01/01/2026

❤️ARAHABAINA NAHATRATRA NY TAONA VAOVAO 2026❤️
📌Miha manatona ilay andro malaza, be fanantenana, hiatrehantsika ilay lova sarobidy mandrakizay izay nomanin' ny Mpamonjy
📌Enga anie isika rehetra ho ambenan' ny fahasoavan' Andriamanitra ka samy ho tody amin' ny tanjona ambony eto an-tany, ary tsy ho adino, ho tafita soa aman-tsara amin' ilay tanjona ambony indrindra, dia ny fiainana mandrakizay
📌Mirosoa hatrany, mahereza ary samia mifikitra amin ireo teny fikasana sy ny tanam-pahasoavan' Andriamanitra amin' ny alalan' i Jesosy Kristy Mpamonjy

"Fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin' ny andro vao ninoantsika" Romana 13: 11

26/12/2025

Big shout out to my newest top fans! Ravaomialy Léa, Rosinà Razafindrabe, Toky Niavo, Idylle Raholimirindra, Justin Tsihozogny, Edwar Montoya, Dexcy Rincon Manrique, Ali Houssen Ralazanarindra, Solofonaina Joël Rakotoarimalala, Bruce Day Therry, Enfin Quelqun

Address

Lot T 83 C/Ankadindratombo/Alasora
Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when SDARM - Madagasikara posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to SDARM - Madagasikara:

Shortcuts

Share