Zanaka Am-pielezan'i Tsararay - Fieferana Avaradrano

Zanaka Am-pielezan'i Tsararay - Fieferana Avaradrano Pejy ilazana ny vaovao ho entina ampadrosoana ny Tananan'i TSARARAY FIEFERANA

08/11/2025

Momban’ny fety rahampitso: Tsy nampaninona ny làlana akory iny orana nirotsaka iny fa vao maika aza nampandry ny vovoka…

⚠️🛑𝐅𝐄𝐓𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀𝐊𝐀 𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐑𝐀𝐘🛑⚠️📆 𝐀𝐥𝐚𝐡𝐚𝐝𝐲 𝟎𝟗 𝐍𝐨𝐯𝐚𝐦𝐛𝐫𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟓𝗡𝘆 𝗦𝗮𝗸𝗮𝗳𝗼𝗻𝘁𝘀𝗶𝗸𝗮 𝗮𝘁𝗼𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼Ny Sampana Reninjaza dia efa nanomana ...
06/11/2025

⚠️🛑𝐅𝐄𝐓𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀𝐊𝐀 𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐑𝐀𝐘🛑⚠️
📆 𝐀𝐥𝐚𝐡𝐚𝐝𝐲 𝟎𝟗 𝐍𝐨𝐯𝐚𝐦𝐛𝐫𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟓
𝗡𝘆 𝗦𝗮𝗸𝗮𝗳𝗼𝗻𝘁𝘀𝗶𝗸𝗮 𝗮𝘁𝗼𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼
Ny Sampana Reninjaza dia efa nanomana sakafo mafilotra sady mora ho antsika amin'io andro io.
Manana safidy malalaka ianao :
- Anamadinika sy Henakisoa
- Tsaramaso sy Hen'omby
Izany dia azonao jifaina amin'ny vidiny mirary 𝟑𝟎𝟎𝟎 𝐚𝐫𝐢𝐚𝐫𝐲 monja
Eny antoerana ary ny fotoana e !
Mazotoa omana

🎈𝗙𝗘𝗧𝗜𝗡'𝗡𝗬 𝗧𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔𝗞𝗔 𝗘𝗡𝗬 𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔𝗥𝗔𝗬 🎈📅𝟬𝟵 𝗡𝗢𝗩𝗔𝗠𝗕𝗥𝗔 𝟮𝟬𝟮𝟱Efa vonona isika? Ny eny an-toerana dia efa faly ny miandry antsika re...
23/10/2025

🎈𝗙𝗘𝗧𝗜𝗡'𝗡𝗬 𝗧𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔𝗞𝗔 𝗘𝗡𝗬 𝗧𝗦𝗔𝗥𝗔𝗥𝗔𝗬 🎈
📅𝟬𝟵 𝗡𝗢𝗩𝗔𝗠𝗕𝗥𝗔 𝟮𝟬𝟮𝟱
Efa vonona isika?
Ny eny an-toerana dia efa faly ny miandry antsika rehetra.
Ny Sampana Tanora eo antoerana dia hivarotra 𝘃𝗼𝗸𝗮𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗻𝘆 (légumes, anana, sns.) ho antsika.
Hisy 𝘀𝗮𝗸𝗮𝗳𝗼 𝗺𝗮𝗶𝘃𝗮𝗻𝗮 sy madio (café sy dité sy m**o sns) ho varotan'ny Sampana Sekoly Alahady.
Ary toy ny mahazatra dia hisy 𝘀𝗮𝗸𝗮𝗳𝗼 𝗮𝘁𝗼𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼 (vary sy laoka) izay ho varotan'ny Sampana Reninjaza.
Koa tongava fa ny adidy sy ny tsena ho vita ary ny fahafinaretana ho azo.
𝐏.𝐒.: Hisy fiara iombonana izay miainga eo Andravoahangy amin'io andro io. Saran-dàlana 7000 ar. Raha vonona ny handray izany ianao dia antsoy ny laharana 034 79 972 60 / 034 54 209 00

⚠️🛑𝐅𝐄𝐓𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀𝐊𝐀 𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐑𝐀𝐘🛑⚠️📆 𝐀𝐥𝐚𝐡𝐚𝐝𝐲 𝟎𝟗 𝐍𝐨𝐯𝐚𝐦𝐛𝐫𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟓Miarahaba antsika rehetraManantena anareo ho salama tsara daho...
05/10/2025

⚠️🛑𝐅𝐄𝐓𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀𝐊𝐀 𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐑𝐀𝐘🛑⚠️
📆 𝐀𝐥𝐚𝐡𝐚𝐝𝐲 𝟎𝟗 𝐍𝐨𝐯𝐚𝐦𝐛𝐫𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟓

Miarahaba antsika rehetra
Manantena anareo ho salama tsara daholo.
Manasa antsika rehetra ho tonga hanotrona ny fetin'ny taranaka izay atao eny an-tanindrazana ny alahady 09 Novambra 2025 ho avy izao.
Hisy varotra sy fanentanana samy hafa izay karakarain'ny fiangonana sy ireo sampana maro eo anivon'ny fiangonana amin'io andro io.
Mbola ho avy ny vaovao manaraka fa dia efa manantena ny fahatongavanao ny Tanindrazantsika.
Samy ho tahin'Andriamanitra daholo.
Ny Komity

PS: Ireto misy sary vitsivitsy tamin'ny taona 2021. Manantena antsika ho mbola ho maro noho izay

Miarahaba antsika rehetraHafaliana ho anay ny milaza aminareo fa vita soa amantsara ny fanavaozana ny paompy eo amin'ny ...
30/09/2025

Miarahaba antsika rehetra
Hafaliana ho anay ny milaza aminareo fa vita soa amantsara ny fanavaozana ny paompy eo amin'ny tanànantsika eto Tsararay.
Notokanana izany tamin'ny sabotsy 20 Septambra lasa teo.
Ny ezaka toy izao moa dia niarahan'ny fokontany Tsararay sy ireo Zanaka Ampielezana ary ny Zanaky ny Tanàna ihany koa nandray anjara.
Ny tanjona dia ny mba hananan'ny tanàna toerana mahafinaritra ary mba ho maha te-honina i Tsararay. Ho reharehan'ny rehetra avy ao ary ny hiainan'ny taranaka eo anivon'ny fotodrafitr'asa mahafinaritra.
Isaorana noho izany ny
- Association Liana Soa Tsararay izay nitarika nitantana ny asa
- Pro Peintre na Rakotonindrina Njaka izay nanolotra fotoana sy fahaizana amin'ny fandokona sy fanatasraana ny fotodrafitr'asa.
- Anthony Rakotonindrina (https://www.facebook.com/profile.php?id=61578945943764) na i Doda sy Naivo izay nanao ny asa fandrafetana sy fandalorana.
Mbola betsaka ny azo avaozina eo amin'io toerana io (na ny fanampiana ny bassin fanasan-damba ary fanisiana tuyau makeo fotsiny aza) na koa eo anivon'ny tanàna koa raha mbola misy azontsika zanaka ampielezana atao dia aza misalasala.
Isaorana isika ary irina ny hivoaran'ny tanànantsika hatrany
Mandrosoa hasina daholo tompoko

Salama o. Mba ho tsara sy ho mahate-honina ny tanàna. Raha samy  mitondra ny anjara-birikiny ny tsirairay amintsika dia ...
31/08/2025

Salama o.
Mba ho tsara sy ho mahate-honina ny tanàna.
Raha samy mitondra ny anjara-birikiny ny tsirairay amintsika dia tena ho reharehantsika ny hoe avy any Tsararay satria ho kanto sy meva ny tanànantsika.
Koa ´ndao hifandrimbona hampandroso sy hanatsara ny tanindrazana.
Ny fikambanana Association Liana Soa Tsararay dia nitondra anjara fanatsarana ny tanànatsika. Izany dia niaraha-nanao tamin’ny mpanao asa-tànana avy ao an-tanàna ihany izay manan-talenta tokoa.
Mba ho finaritra ireo ankizy sy ireo mponina
Aseho eo ihany ny vokatra farany.

14/12/2024
“Misaora an’I Jehovah, ry fanahiko, ary aza misy adinoinao ny fitahiany rehetra”  - Sal.103:2FETIN'NY TARANAKA TSARARAY ...
26/09/2024

“Misaora an’I Jehovah, ry fanahiko, ary aza misy adinoinao ny fitahiany rehetra” - Sal.103:2
FETIN'NY TARANAKA TSARARAY
Ny Fiangonana EEM Tsy Manantsiny Tsararay dia faly manasa antsika zanaka ampielezana rehetra hanatrika ny fetin'ny Taranaka izay atao eny antoerana ny Alahady 06 Oktobra 2024 ho avy izao amin'ny 09 ora.
Hisy fiara iombonana hiala eo Andravoahangy toy ny mahazatra (SOLOPRIX taloha) amin'ny 08ora maraina.
Raha mila fanazavana fanampiny dia antsoy ny 034 54 209 00 / 034 15 040 62
ITY NO SOLON'NY FAMPANDRENESANA KA DIA AOKA HIFAMPILAZA
PS: Hisy fivarotana sakafo sy tsakitsaky efa vonona eny antoerana

Faly Miarahaba antsika rehetraIsaky ny enim-bolana dia misy fiangonana iray ato anatin'ny Distrikan'Ambanidia mandray ir...
10/04/2024

Faly Miarahaba antsika rehetra
Isaky ny enim-bolana dia misy fiangonana iray ato anatin'ny Distrikan'Ambanidia mandray ireo Tanora sy Mpiangona rehetra manerana ny distrika.
Anjarantsika eto Tsararay indray amin'ity no handray ireo mpiaramiangona amintsika.
Fotoan-dehibe ho an'i Tsararay io satria fiangonana maro anatin'ny Distrika no ho avy ao. Misy Fiangonana efa miisa ho 12 mantsy no ao anatin'ny Distrika.
Izany dia hatao ny Sabotsy 13 sy Alahady 14 Aprily ho avy izao.
Ny Sabotsy dia ho fihaonan'ny Tanoran'ny Distrika (RIATA)
Ny Alahady dia fihaonamben'ny Kristiana rehetra.
Koa manasa anao ho tonga fa voninahitra ho antsika izany.
Misaotra betsaka

Miarahaba antsika indrayFararanon-danonana ny sabotsy ho avy izao.Ny Sabotsy 17 febroary amin'ny 10 ora maraina dia hisy...
16/02/2024

Miarahaba antsika indray
Fararanon-danonana ny sabotsy ho avy izao.
Ny Sabotsy 17 febroary amin'ny 10 ora maraina dia hisy ny fitokanana ny Tsangambato Fanamarinana ny faha-90 taonan'ny College Anglikana Avaratranjoma sy fahatsiarovana ny faha 100 taonan'i RAKOTOVAO Martin. Koa asaina ampanajana isika

Miarahaba. Manasa antsika zanaka ampielezana rehetra ny Ben'ny Tanàna avy ao amin'ny Commune Rurale Fiaferana ny Sabotsy...
15/02/2024

Miarahaba.
Manasa antsika zanaka ampielezana rehetra ny Ben'ny Tanàna avy ao amin'ny Commune Rurale Fiaferana ny Sabotsy 17 Febroary 2024 ho avy izao.

Address

Tsararay Fieferana
Antananarivo
104

Telephone

+261346682233

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Zanaka Am-pielezan'i Tsararay - Fieferana Avaradrano posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category