Worship

Worship Jesosy kristy no Tompoko sy mpamonjiko

22/11/2022
FA maninona ny hakamaroan'ny kristianina no mahantra , satria tsy ampy fahalalana ny tenin 'A/tra.Ny devoly refa naka fa...
22/09/2022

FA maninona ny hakamaroan'ny kristianina no mahantra , satria tsy ampy fahalalana ny tenin 'A/tra.
Ny devoly refa naka fanahy an'i Jesosy dia ny tenin'A/tra no nampiasainy, ary dia tenin'A/tra iany no namaliany Jesosy azy.
Maro no milaza fa kristianina fa mbola vitsy no tena mahafantatra ny tenin'A/tra.
an'ANDRIAMANITRA ny harena rehetra na any an-danitra na eto antany na ny any ambani-tany koa nahoana isika no mahantra , tsy ampy fahalalana ny teniny.

Matetika isika no maheno oe efa akaiky NY farany efa ho tonga NY fara andro sy NY sisa indraindray isika dia maheno olon...
21/09/2022

Matetika isika no maheno oe efa akaiky NY farany efa ho tonga NY fara andro sy NY sisa indraindray isika dia maheno olona mitory teny otrany hoe zava-doza Be zany no hitranga eto am'ity tany ity .
Tsotra NY valiny mila manana an'i Jesosy kristy enao ho Tompo sy mpamonjy , mila manana fanahy Masina enao.

10/08/2022

::ANKOHONAN’ANDRIAMANITRA IANAO::

Manahoana ianao ry Namako,

Indray andro taminà fety iray dia nahavariana ahy ny zazalahikely 8 taona iray. Raha nilalao tany an-tokontany daholo ny ankizy dia izy kosa nitokana, nipetraka teo amin’ny seza iray. Nanatona azy aho ary nanontany azy hoe fa maninona izy no mijanona irery, ary tena nahakasika ahy ny navaliny :”Tsy misy te hilalao hiaraka amiko fa tsy mba nitondra kilalao aho. Tsy nahalala aho hoe nila nitondra iray….Mahatsiaro tsy anisan’ity fianakaviana ity aho”. Tamin’izay fotoana izay no nisy zazalahy iray nanatona azy dia niteny hoe : “Inty misy kilalao ho anao. Avia fa mpiray tampo isika!” Sady namafa ny masony feno ranomasom-pifaliana izy no nijery ahy am-pitsikiana mialohan’ny nandehanany niverina nilalao.

Ry namako, tahak’izany mihitsy no ataon’Andriamanitra aminao:
⚫Hainy ny manafaka anao amin’ny fahanginana
⚫Tsy voatery hitokana irery ianao.
⚫Mana-javatra maro omena ianao…hinoy izany!

Ilay rain’ny kamboty, ilay mpiaro ny tokan-tena dia Andriamanitra ao amin’ny fitoerany masina (Salamo 68.6-7.) Omeny ankohonana ireo izay nilaozana…

Ny apostoly Paoly dia milaza amintsika hoe : “Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin'ny olona masina sady ankohonan'Andriamanitra" ( Efesianina 2.19.)

Heather Holleman, ilay mpanoratra ny Je t’ai choisi, dia manome antsika ny fahamarinana fahatelo izay mahakasika antsika rehetra :”Rehefa tonga kristianina ianao dia miditra ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra ary misy andraikitrao manokana ao….Raisinao ao ny fahafahana tsy misy fetra ny ho zanaky ny ankohonan’ny mpanjaka ary manaiky ny fanasana ianao hitahy ny hafa ao amin’izany ankohonana izany.”

Ry namako, manasa anao aho anio hanaiky fa nosafidian’i Kristy ianao ho ao amin’ny ankohonana vaovao. Ao amin’io ankohonana io no toeranao. Aza avela hisy olona na ny lasanao hanakana anao hiaina izay nomanin’Andriamanitra ho anao!

Ambarao miaraka amiko hoe : Jesosy o, matoky Anao aho. Ampio aho ho tonga toy izay tianao ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra. Amen”

Misaotra fa misy ianao !

29/07/2022

::AHOANA NY HIAINANAO FAHAGAGANA? 🐟🍞::

Manahoana ianao ry Namako,

Nandray voa avy amin’Andriamanitra ianao. Ny tena marina, ny tsirairay dia nandray fanomezam-pahasoavana, talenta, fotoana na zavatra hafa avy amin’Andriamanitra.
Ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra, dia mamafy izay hananantsika isika mba hijinjana izay nampanantenain’Andriamanitra. Tsy mampitombo izay fihinintsika eo an-tanana Izy, fa kosa mampitombo izay omentsika Azy.

Maro ny olona ao amin'ny Baiboly izay aseho tahaka ny mpitantana ny fananan’Andriamanitra. Koa noho izany dia aoka isika ho mendrika ny fahatokiany izay nomeny antsika….

Indro lalana fototra efatra izay tena manan-danja:
1- Ny Tompo dia tompon’izao tontolo izao sy ny harena eo aminy( Salamo 24.1).
2- Ny Andriamanitsika no manome hery antsika ahavory ireo harena ireo( Deotoronomia 8.17-18).
3- Tsy tompon’ny tenantsika isika (1 Korintianina 6.19-20).
4- Isika no mifehy izay omentsika (2 Korintianina 9.7).

Nampitombo ny m**o sy ny trondro Jesosy mba hamoky olona aman’arivony. kanefa tsy afaky ny ho tanteraka izany raha tsy teny an-tanany ny m**o sy ny hazan-drano. Manoloana ireo olona marobe izay noana sy ny mpianany, dia noraisin’i Jesosy izay natolotra Azy….ary nitranga ny fahagagan’Andriamanitra.

Ao aorian’ny fanaovana sorona ny voanao no hisehoan’ny fahagagana. Ao amin’ny sorona ataonao ny fahagagana.

Rehefa nandray ny m**o dimy sy hazan-drano roa i Jesosy dia niandrandra ny lanitra Izy ary nanonona vavaka fisaorana ny amin’izay natolotra Azy, nozarainy sy nomeny ny mpianany mba hizaran’izy ireo ho an’ny olona. Nihinana sy voky ny olona ary ny ambin’ireo dia nahafeno roa ambiny folo sobika. (Lioka 9:12-17).

Toy izao ny kajin’ny mpianatra izay mampitombo izay nomen’Andriamanitra : trondro 2 + m**o 5 + FINOAN’i Jesosy = fahafenoana mahavoky olona marobe.

Ry namako, inoy izay tian’Andriamanitra tanterahina amin’izay nankininy taminao. Anio, mety hoe kely ny eny am-pelatananao, fa ny fanekenao fa an’Andriamanitra ny zava-drehetra sy ny fisadifiananao ny hametraka izay hanananao eo am-tanany dia manetsika ny fampitomboana ianao. Ny fanomezanao dia mandefa hafatra mahery : ny fahatokianao an’Andriamanitra! Ao Aminy ny ho avinao. Ny fanomezanao dia afaka ny hamoky olona maro ara-bakiteny sy ahafahanao miaina ny fahagaganao !

Miomàna amin’ny fampitomboana!

Misaotra fa misy ianao !

Ampahafataro NY olona rehetra fa Jesosy no Tompo sy mpamonjy anaoT-shirt 100% coton très bonne qualité(Jesus is my hero)
18/07/2022

Ampahafataro NY olona rehetra fa Jesosy no Tompo sy mpamonjy anao
T-shirt 100% coton très bonne qualité
(Jesus is my hero)

NAMANA
26/08/2021

NAMANA

Ny namanao androany no ho lasa "imagenao" rahampitso.

Raha te haminavina ny fiainanao afaka 2taona, 3taona, 5 taona ianao dia jereo ny namanao...

Tsy adala tompoko i dada sy neny, bebe sy dadabe raha tsy tia ny namanao sasany.

Tsy misy olona maditra hoazy zany raha tsy nisy namana
Tsy misy olona mifoka rongony irery zany raha tsy nisy namana
Tsy misy olona manendaka irery zany raha tsy nisy namana...

Ary tsy misy olona tafita irery zany... raha tsy nisy namana!

Anjaranao ny mamaritra hoe iza no ho ataoko namana, dia iza no tokony ho alavirina sao miara-simba aminy eo.

Ny olona manana fahatakarana dia tsy mialona ny olona lasa lavitra sy ny olona tafita; ny mahatakatra dia miezaka ny ho naman'iny olona iny... tsy kajim-bola no anton'izay finamanana izay fa fitsinjovana ny ho avy!
Manaova sarotiny amin'ny ho avinao...

Zao no famantarana hoe mandeha amin'ny lalana tsara ianao, ho betsaka ny hifidy anao ho namana satria te hitovy aminao ry zareo.

Safidy ny fiainana, noho izany, safidio ny namanao raha te hamaritra hoavy araka ny fanirianao ianao!


Address

Antananarivo
TANA101

Telephone

+261348713528

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Worship posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to Worship:

Share