Evanjelistra fy

Evanjelistra fy Fiadanana! hianatra hankatò ny sitrapon'Andriamanitra rehetra izay voalazan'ny baiboly isika ato❤

04/04/2026

hanambara amitsika ny Filazantsara tokana hamonjena antsika i Iraka Matsilo androany .🥰

I koritiana 15:1-4
1️⃣Jesosy Kristy Maty= maty@fahotàna=
➡️mibebaka

2️⃣Jesosy Kristy nalevina =mandevina ny ota

➡️Batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy

3️⃣Jesosy Kristy nitsangana =
Fianam-baovao miaraka amin'i Jesosy Kristy, tarihin'ny Fanahy masina.

1Koritiana 15:1-4
Kolosiana 2:12
Asan'ny Apostoly 2:38

Tahian'i Jesosy Kristy daholo

FAMPITANDREMANA SY FIOMANANA NY FAMITAHANA FARANY SADY LEHIBE INDRINDRA  : NY FAKANA TAHAKA AN’I KRISTY« Fa hisy kristy ...
02/02/2026

FAMPITANDREMANA SY FIOMANANA

NY FAMITAHANA FARANY SADY LEHIBE INDRINDRA : NY FAKANA TAHAKA AN’I KRISTY
« Fa hisy kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana, ka hanao famantarana sy fahagagana lehibe, ka hahafitaka, raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza. » 😥📖 Matio 24:24

Tsy milaza ny Baiboly hoe :
raha hamitaka izao tontolo izao i Satana....
fa hoe: ahoana ny hanaovany azy .

👉Ary io famitahana farany io dia tsy ho hahasosotra na hampatahotra…

👌Fa ho olona mahafinaritra be, mahay mandresy lahatra be, Olona malefaka toa calme be,ary hita teny hoe "mpivavaka".

🚫Tsy ho avy ho toy ny paozina demonia i Satana.👹❌

Fa ho avy toy ny Kristy izy.🧐🌟

1. Hitafy HAZAVANA BE i satana.

Manazava tsara ny soratra masina
➡️Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava. — II Korintiana 11 : 14

🚫Tsy hiseho hiaraka amin’ny tandroka na ao anatin’ny haizina akory izy.

Fa hiseho izy :
🔴amin'ny fitiavana be hita maso
🔴amin'ny teny malefaka be
🔴amin'ny voninahitra be
🔴amin’ny fahagagana be tena hita maso
🔴Hanasitrana marary be dia be izy
🔴Hampandry adrisa izy
🔴Olon'ny fampihavanana be
🔴Hiresaka fandriampahalemana,firaisan-kina ary fitiavana izy.

❌Saingy tsy hiantso fibebahana marina izy,ary tsy hankatoa an'Andriamanitra satria izy mametraka ny tenany ho toy ny Andriamanitra.

2. Haka tahaka ny fiavian’i Kristy izy… fa tsy araka ny voalaza anaty Baiboly.

➡️➡️➡️Ny fiavian’i Kristy fanindroany dia :
✔️ho hita manerana izao tontolo izao
ao amin’ny rahon’ny lanitra
miaraka amin’ny anjely
tsy hikasika ny tany
miaraka amin’ny feon’ny trompetra
📖 1 Tesaloniana 4:16–17

Ny ho fakany tahaka ny fiaviany dia :
i Satana dia hiseho eto an-tany
🔴hiteny mifanatrika amin'olona izy
🔴hanome baiko olona
🔴hahazo dera sy haja be izy
🔴hitaky lalàna be araky ny fiainana amin'ny maha -olombelona izy (didy).

➡️Tsy hiverina eto an-tany i Kristy alohan'izany rehetra izany .
Fa ny kristy sandoka kosa dia hanao izany.

3. Iza avy ny olona handray azy?
Milaza mazava ny Baiboly :
📖 Apokalypsy 13:3
« Ary gaga nanaraka ilay biby ny tany rehetra. »😱🌍

➡️‼️Tsy ho fivavahana tokana fotsiny ihany.
‼️Fa ho rafitra ara-pivavahana maneran-tany, miaraka amin'ny :
🔴fahagagana be
🔴fomban-drazana
🔴fahefana amin'ny maha-olombelona
🔴firaisan-kina sandoka
🔴Kristianisma tsy misy hazo fijaliana.
🔴Filazantsara tsy misy fibebahana.
🔴Finoana tsy misy fankatoavana.

📖 Apokalypsy 13:8
Ary hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra monina ambonin'ny tany, dia izay tsy manana ny anarany voasoratra eo amin'ny bokin'ny fiainan'ny Zanak'ondry, izay voavono hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao. — Apokalypsy 13 : 8
(Mafy izany a!!!!)😭

4. Inona ny ivon'ny famitahana ataony?
🔴 ny fanompoam-pivavahana.
🔴Tsy ho politika.
🔴Tsy toekarena.
🔴Tsy miaramila.

➡️Fa FANOMPOAM-PIVAVAHANA.‼️‼️‼️

📖 Apokalypsy 14:7
« Miankohofa amin'Izay nanao ny lanitra sy ny tany… »

Nirian’i Satana hatrany ny ho ivavahana.
Ary ankehitriny, hangataka izany amin’ny anaran’i Kristy izy.

❌Fa hovàny (ny devoly tia manova ny fahamarinana fa iny ihany no avadibadiny).

Hovàny ny:
🔴ny lalàn’Andriamanitra
🔴ny fahefana avy amin’Andriamanitra ho fahefana maha-olombelona

🔴Ary hilaza izy : « Ho an’ny fitiavana…
ho an’ny firaisan-kina…
ho an’ny soa iombonana. »(Fandrika B3 fa tandremo‼️)

Ary ho maro ny hovoafitaka na mpitondra fivavahana maro aza!

5. Iza ary no tsy ho voafitaka ?
⛔Tsy ny tena manam-pahaizana indrindra akory .
⛔Tsy ny tena mora tohina ara-pihetseham-po.
⛔Tsy ny tena mpivavaka ivelany.

Fa :

✔️izay mahalala ny Tenin’Andriamanitra(nandray ny Filazantsara marina ASA2:38)

✔️izay mankatò ny fahamarinana.

✔️izay manaraka an’i Kristy, fa tsy ny fahagagana.

➡️✨Indro ny faharetan'ny olona masina...
📖 Apokalypsy 14:12

🚫Ny famitahany farany dia tsy hiteny izy hoe : « Izaho i Satana ».

🚫Fa hiteny hoe : « Izaho i Kristy… araho aho ».‼️‼️‼️‼️

🚫Ary an-tapitrisany no ho lavo, satria nifidy :
❌ny fihetseham-po fa tsy ny fahamarinana.

❌ny fomban-drazana fa tsy ny Baiboly.

❌ny fahagagana fa tsy ny fankatoavana.

ANIO,averiko ihany,ANIO!
ANIO no fotoana hisafidiananao.

😭Rahampitso, mety ho tara loatra!

‼️Aza manaraka famantarana!
‼️Aza manaraka olona.
➡️Araho Jesosy Kristy.
➡️Mamakia baiboly fa ao ny fahamarinana.
‼️Aza miandry an'iza na iza fa an'olon-tokana ny Famonjena (individuel ).

‼️Aza mijanona amin'ny toerana manalasala anao.

Tena tia anao Jesosy Kristy !
✨ "Anio, raha hihaino ny feony ianareo, Aza manamafy ny fonareo. Heb 3:15.

✨Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika...I jaona 3:16.

➡️Raiso Jesosy Kristy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainanao amin'ny alalan'ny Filazantsara tokana izany antoky ny Famonjena anao .

➡️Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin'ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo,- eny, ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin'ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana. — Efesiana 1 : 13.

➡️Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesoa Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; — Asan'ny Apostoly 2 : 38.

Samy hotahian'i Jesosy Kristy daholo.
Nanoratra :Evanjelistra fy (Nofinaritra)

28/02/2025

Tsy vidiam-bola ny fahasoavana❌💵
Tsy vidiam-bola ny valimbavaka

Zava-nitranga 1 andro mialohan'ny Fahamaizana tao Los Angeles dia nisy an'ito fotoana manokana nanolorana marim-pakasitr...
14/01/2025

Zava-nitranga 1 andro mialohan'ny Fahamaizana tao Los Angeles dia nisy an'ito fotoana manokana nanolorana marim-pakasitrahana hoan'ny olo-malaza rehetra .(5janvier )
6 janvier Ilay famaizana .

Izay midika toy izao ny lazain'ilay vehivavy
T@fizaram-potoana voalohany tamin'ny fotoanan'ny awards nitondran'ireo olo-malaza fitenenana dia nafana dia nafana ny fisaorana nataon'ny olo-malaza nohon'ny fahatontosan'ny award izay nokarakaraina .
Iza no be mpankasitraka indrindra?
Andao ary jeretsika ny isa
Ny mpilalao sy ny ekipa dia voatonona in raikambinifolo(11)
Ny reny ireo dia voatonona in-telo(3) tsara mihitsy
Mario Lopez dia voatonona in1
Fa Andriamanitra mpahary dia tsy nisy nanonona mihitsy .
Tsy mahagaga raha eto amin'ity tanana tsy misy "Andriamanitra ity"

Nikki Glaser jokes about popular shoutouts that winners give the most during their acceptance speeches at the 2025 Golden Globe Awards.

Sary tsy namboarina fa tena izao no niafaran'ny tanana anisan'ny tsara indrindra,feno trano anisan'ny lafo vidy indrindr...
11/01/2025

Sary tsy namboarina fa tena izao no niafaran'ny tanana anisan'ny tsara indrindra,feno trano anisan'ny lafo vidy indrindra,tananan'ny olo-malaza.
May anatin'ny indray mipi-maso Ilay notadiavina aman-taonany maro.
Ny Zavatra namboarin'ny tanan'olombelona dia zava-poana ihany . Ilay Harena tsy mety lò no andao katsahina e.
"Ilay fanjakana maharitra mandrakizay miaraka amin'i Jesosy Kristy

06/01/2025

📣Tandremo ‼️⛔
Tsy ny olona mi soutenir anao rehetra ny tena namana fa izay sahy manitsy anao am-pitiavana tsy hanota.

04/12/2024
12/03/2024

Rehefa hoy Jesosy Kristy hoe : mandehana ataovy mpianatro ny
koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina (Matio 28:19)

dia nanomboka ao@ asan'ny Apostoly no nanatanteraka ny Apostoly rehetra.

ka nataony tamin'ny anaran' i Jesosy Kristy ny batisa rehetra (satria fatatry ny Apostoly fa i Jesosy Kristy ilay Ray Zanaka Fanahy masina)

satria koa rehefa vitany ny famonjena dia zay vao tanteraka ikay hoe "KRISTY"

fa maninona ny tsy nataony t@anaran'ny Ray zanaka Fanahy masina ny batisa?

anjaratsika no mandinika fa .

Miarahaba antsika rehetra ,andao hiaraka hianatra hankàto ny tenin'Andriamanitra e😍atombotsika amin'ilay hany tokana ham...
15/02/2024

Miarahaba antsika rehetra
,andao hiaraka hianatra hankàto ny tenin'Andriamanitra e😍

atombotsika amin'ilay hany tokana hamonjena antsika dia "ny filazantsara " (efesiana 1:13)

Tokana ny filazantsara na ny
(Evangile ) ary tsy misy hafa ankoatrany na mitovitovy fa sady tena tsy azo anapiana no tsy azo analana no tsy azo ovàna.

Manazava azy Paoly ao amin'ny 1 korintiana 15:1-4.

ary ao amin'ny Asan'ny Apostoly 2:38 sy Romana 6:4 no manazava antsakany sy andavany ny fomba tokana fandraisana azy sy ny fanazavana .

misaotra antsika dia araho tsy tapaka ny pejy fa hisy fizarana marobe avy amin' i Jesosy kristy manomboka izao.mirary soa

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Evanjelistra fy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share