Foibe Eklesia Episkopaly Malagasy - FEEM - Pejy Ofisialy

Foibe Eklesia Episkopaly Malagasy - FEEM - Pejy Ofisialy Pejy ofisialin'ny Foiben'ny Fiangonana Anglikana eto Madagasikara (Eklesia Episkopaly Malagasy)

23/08/2026
๐™๐€๐ˆ๐Š๐€๐๐„ ๐๐€๐’๐ˆ๐Ž๐๐€๐‹๐˜-๐’๐Š๐Ž๐“๐ˆ๐’๐Œ๐€ ๐„๐Ž ๐€๐Œ๐ˆ๐'๐๐˜ ๐€๐๐†๐‹๐ˆ๐Š๐€๐๐€Nifarana androany Alahady 23 Aogositra taminโ€™ny alalanโ€™ny fotoam-pivavaha...
23/08/2026

๐™๐€๐ˆ๐Š๐€๐๐„ ๐๐€๐’๐ˆ๐Ž๐๐€๐‹๐˜-๐’๐Š๐Ž๐“๐ˆ๐’๐Œ๐€ ๐„๐Ž ๐€๐Œ๐ˆ๐'๐๐˜ ๐€๐๐†๐‹๐ˆ๐Š๐€๐๐€

Nifarana androany Alahady 23 Aogositra taminโ€™ny alalanโ€™ny fotoam-pivavahana ny Zaikabe Nasionaly notanterahinโ€™ny SKOA, izay nanomboka ny Alakamisy lasa teo, ao Nosy Be-Diosesinโ€™Antsiranana. Tonga maro ireo solontenanโ€™ny fivondronana samihafa manerana ny Eklesia Episkopaly Malagasy nanatrika izany fihaonam-be nasionaly izany.

Koa dia isaorana Andriamanitra noho ny fiarovany sy ny fahasoavany nahafahana nanatanteraka ny fotoana rehetra.

Misaotra ny Eveka Filohanโ€™ny FEEM, Mgr RANARIVELO Samoela Jaona, izay tonga nanatrika ity zaikabe ity, sy nitondra ireo hafatra sy fampianarana ho anโ€™ny mpizaika, ary indrindra ny fanohanana ho fanatanterahina izao Zaikabe Nasionaly izao.

Isaorana ihany koa ny Diosesinโ€™Antsiranana, tarihinโ€™ny Evekanโ€™ny Diosesy Mgr Dr Jaomandiny Jean Baptiste, izay nampiantrano izao fotoan-dehibe izao ary nanao ezaka lehibe tokoa taminโ€™ny fikarakarana maro samihafa.

Miarahaba ireo tomponโ€™andraikitra rehetra eo anivonโ€™ny SKOA taminโ€™ny fanomanana sy ireo asa samihafa ho fanatanterahana ity fihaonana ity. Dia mirary soa ho anโ€™ireo izay voafidy hisahana andraikitra manokana eo anivonโ€™ny rafitra nasionaly hahavita be aminโ€™ny adidy miandry azy ireo.

Isaorana ireo mpizaika rehetra izay tonga avy lavitra tokoa nisolo tena ireo fivondronana maro. Dia angatahina ny fivavahantsika ho azy ireo izay hitodi-doha hiverina aminโ€™ny toerana niaviany avy, mba hotantaninโ€™Andriamanitra ka ho tonga soamantsara eo anivonโ€™ny tokantranony tsirairay avy.

Voninahitra anie ho anโ€™Andriamanitra irery ihany.

๐’๐Š๐Ž๐“๐ˆ๐’๐Œ๐€ ๐„๐Ž ๐€๐Œ๐ˆ๐'๐๐˜ ๐€๐๐†๐‹๐ˆ๐Š๐€๐๐€Miarahaba ireo tomponโ€™andraikitra voafidy eo anivonโ€™ny SKOA ho TONIA NASIONALY. Mitondra am...
23/08/2026

๐’๐Š๐Ž๐“๐ˆ๐’๐Œ๐€ ๐„๐Ž ๐€๐Œ๐ˆ๐'๐๐˜ ๐€๐๐†๐‹๐ˆ๐Š๐€๐๐€

Miarahaba ireo tomponโ€™andraikitra voafidy eo anivonโ€™ny SKOA ho TONIA NASIONALY. Mitondra am-bavaka azy ireo aminโ€™ny adidy sahaniny eo anivonโ€™ny eklesia.

23/08/2026

Famaranana Zaikabe Nasionaly SKOTO ANGLIKANA Mivantana avy aty NOSY BE HELL VILLE

21/08/2026

NY FILOHAM-PIANGONANA EFATRA MIRAHALAHY
NY FILANKEVIM-PITANTANANA
NY MPANDRINDRA NASIONALY
NY KOMITY TEKNIKA
Dia faly manasa anao hanatrika ny fotoambavaka sy fampahafantarana ny mpandrindra nasionaly sy ny foiben-toerana ary ireo dingana samihafa mahakasika ny fikaonandoham-pirenena ny :
Talata 25 AOgositra 2026 amin'ny 03 ora tolakandro
eny amin'ny Village Voara Andohatapenaka

20/08/2026

SKOA NASIONALY

Address

FOIBE EKLESIA EPISKOPALY MALAGASY/Lot VK 57 Ter Ambohimanoro
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 08:30 - 16:30
Tuesday 08:30 - 16:30
Wednesday 08:30 - 16:30
Thursday 08:30 - 16:30
Friday 08:30 - 16:30

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Foibe Eklesia Episkopaly Malagasy - FEEM - Pejy Ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share