Pasteur Velomanantsoa

Pasteur Velomanantsoa ranonoran'ny Fanahy

06/06/2026
27/04/2026

Salama daholo tompoko!

Isika dia mihinana mba ho velona. Tena ilain'y renim-pianakaviana sy ny vadiny ny mba manovaova ny sakafo hohanin'ny mpianakavy, mitady izay tena mahasalama. Noho ny rotorotom-piainana dia matetika atao ambanin-javatra ny sakafo. Matetika dia atody ny laoka, atao sur plat na omelette. Io ilay ataon'ny mpandinika hoe sakafon'ny mpivaro-tena, tonga dia manendy vetivety dia mihinana. Ny tsara indrindra amin'ny atody anefa dia ilay ampangotrahana miaraka amin'ny akorany.

Ity ary mba misy torohevitra tsotsotra iray. Mahandro salady laitue atao laoka. Ohatran'ireny fikarakarana sy fandrahoana ananana ireny ihany, saingy tsy atao be rano fa atao ketsaketsa, dia matsiro sy mahasalama tsara, nefa tsotra tsy dia mandany volabe.

Mirary fahazotoan-komana sy fahasalamana ho antsika rehetra indray!

Ps Vel

19/04/2026

Sabata 11 Aprily 2026 dia andro maneran-tany fanapariahana amin'ny fomba manokana (Impact day) ny boky misioneran'ny taona 2026.

Ity toriteny ity dia famintinana ny boiky misionera izay nosoratan'i Mme White mitondra ny lohateny hoe TENY MITONDRA FANANTENANA.

Koa samia manaparitaka io boky io mba ho fitaovana mahomby hanaovana asa fitoriana. Mety tsy mahay miteny ianao na mitory teny na mandresy lahatra. Fa ny boky kosa dia afaka mahavita ny asany manokana amin'ny asa fitoriana.

Araho ireo fanentanana ataon'ireo tompon'andraikitra isan-karazany. Ataovy ny taitra an-tsoratra sy an-tsary.

Mirary soa ho antsika rehetra.

Ps Vel

Address

Mahazo
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Pasteur Velomanantsoa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share