SAFIF Faritra Avaratr'Andohalo

SAFIF Faritra Avaratr'Andohalo Mpiandry sy Mpiomana Faritra Avaratr'Andohalo SPAA 12

Miomana hihaona amin'ny TompoNAO. Arindrao ny fotoanaNAO hifanaraka amin'ny fotoanaNY.
23/02/2025

Miomana hihaona amin'ny TompoNAO. Arindrao ny fotoanaNAO hifanaraka amin'ny fotoanaNY.

22/02/2025

Finaritra ô 😇!

🌻 Misy fomba fiteny vahiny iray manao hoe : « 𝐋𝐚 𝐩𝐫𝐞𝐦𝐢è𝐫𝐞 é𝐭𝐚𝐩𝐞 𝐝𝐚𝐧𝐬 𝐥𝐚 𝐫𝐞𝐬𝐨𝐥𝐮𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐝’𝐮𝐧 𝐩𝐫𝐨𝐛𝐥è𝐦𝐞, 𝐞𝐬𝐭 𝐝𝐞 𝐫𝐞𝐜𝐨𝐧𝐧𝐚î𝐭𝐫𝐞 𝐪𝐮’𝐢𝐥 𝐲 𝐞𝐧 𝐚 𝐮𝐧. » Ary marina izany 🤔. Ho antsika kristiana manokana, raha manana fahalemena isika, kanefa tsy mety miaiky fa manana io fahalemena io , dia ho voafaotr’io fahalemena io hatrany isika 😓.

🎁 Raha manatona am-panetrentena ilay Tompo Mpamindra fo sy miantra kosa anefa isika, ary miaiky ny fahalementsika, dia mamela antsika Izy ary manadio antsika ho afaka amin’izay mamatotra antsika 😇.

📖 Hoy rahateo ny Teniny:

«Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra.»
‭‭— 1Jaona‬ ‭1‬:‭9‬

👉 Mankahery antsika ary ry havana, andeha hanatona ny Tompo isika ary hiaiky izay fahalementsika mangeja antsika. Andeha tsy hanamarin-tena intsony, fa andeha kosa hanetri-tena ka hiaiky ny tsy fahamendrehantsika ary hiverina amin’ny Tompontsika.

❤️ Samia mahereza, samia hotahiana ❤️

19/02/2025

Fiadanana ry havana 🙂!

Hafatra fohy Ho anao izay mbola voafatotry ny fijangajangana sy filàna ara-nofo isankarazany:

❌ Fadio ny mijery pejy mamoafady na pornografika raha mbola anaty ady mafana amin'ny fijangajangana ianao. Tsy ho afaka mihitsy ianao raha izay!

❌ Fadio (araka izay azo atao) ny mbola mifanerasera amin'ilay olona nahasolafaka anao sy nampiaina anao tanaty fijangajangana. Ampiharo ny lalan’ny « DISTANCE = SÉCURITÉ »

❌ Fadio ny hoe mbola hiantso, handefa SMS, hiresaka amin'ny MP, hanao "J'aime, J'adore..." ny publication alefan'io olona io ato amin'ny Facebook. Aleo esorina tsy ho namana avy hatrany ilay olona.

Ny tokony hataonao:
✅ Mivavaha mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy.(Lioka 22:40)
✅ Mandosira ny fijangajangana. (1Korintiana 6:18 )
✅ Mivavaha, mitrakà, mandrosoa. Mitohy ny fiainana, manàna fiainam-baovao!

❤️ Samia mahereza, samia hotahiana ❤️

Tena aleo mivavaka ho azy.
18/01/2025

Tena aleo mivavaka ho azy.

🔴 Raha handany fotoana hiresak’olona ihany, tsy aleo ve mivavaka ho azy ?

🟠Raha samy atao hoe zanak’Andriamanitra ihany, tsy aleo ve mifampivavaka ?

« Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Ny fiàsan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra. » Jakoba 5:16

Hiara-hivavaka isika !
Mandram-pisokatry ny lanitra
🌈🌟⛅️🌻🎊

15/09/2024

❤️❤️ Teny tokony holazaina amin’ireo raim-pianakaviana tena milofo , mikely aina ho an’ny ankononany ❤️❤️

15/09/2024

📖 Finaritra ô 🙂, toy fanaontsika, ‘Ndao indray mba hifampizara eo amin’ny commentaire ny toriteny voaray tany am-piangonana androany.

☘️ Mazotoa mizara, mazotoa mamaky ny commentaire an'ny namana sasany fa tena mahaliana be 😇.

Mirary soa dia tahian’i Jesoa

Address

VE 89 Ambatovinaky
Antananarivo
101

Telephone

+261344226169

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when SAFIF Faritra Avaratr'Andohalo posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to SAFIF Faritra Avaratr'Andohalo:

Share