23/03/2026
''Fa ilay natao ambany kely noho ny anjely no hitantsika, dia Jesoa, ary noho ny fitondrany ny fahafatesana dia voasatroka voninahitra aman-daza Izy, mba hanandrana fahafatesana hamonjy ny olona rehetra noho ny fahasoavan'Andriamanitra'' Hebreo 2. 9
Herinandro Masina taona 2026
Amin'ny fifaliana no hanasana antsika rehetra hiaraka hiombom-bavaka isan-kariva manomboka amin'ny 6 ora sy sasany
- Alahady 29 Martsa
Mitarika ny SAMPATI
Mitoriteny : Ny Mpitandrina
- Alatsinainy 30 Martsa
Mitarika ny SAFIF
Mitoriteny : Atoa Ramiandranirina Avotra Nahitantsoa. Mptd, Tonian'ny SLK Foibe FJKM
- Talata 31 Martsa
Mitarika ny SLK
Mitoriteny : Atoa Randrianirina Celestin, Mptd ( FJKM Ambohimifangitra )
- Alarobia 01 Aprily
Mitarika ny Sampana Dorkasy
Mitoriteny : Rtoa Randriamanavitra Randrine Yonnat Mptd
- Alakamisy 02 Aprily misy fidirana roa, Mitarika sy mitoriteny dia ny Mpitandrina
Fidirana voalohany : amin'ny 6 ora sy sasany maraina..
Fidirana faharoa amin'ny 6 ora sy sasany hariva
- Zoma 03 Aprily
Mitarika ny Sampana Sekoly Alahady
Mitoriteny : Atoa Abdinago Fanantenana Antra, Mpitandrina, Talen'ny FFP.FJKM
Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena