24/07/2026
ANDAO HIARA-HIVAVAKA HO AN’I MADAGASIKARA
Ry Fianakaviambe ny Ligue, nasain’ny fitondrana isika hikarakara io fotoana io,
Rahampitso dia tsy fotoana fivoriana tsotra akory no iantsoana antsika, fa fotoana hiantsoan’Andriamanitra ny olony hanetry tena sy hijoro eo amin’ny banga ho an’ny firenena.
Isan’andro isika mahita ny fahorian’ny vahoaka: mitombo ny herisetra sy ny tsy fandriampahalemana, mihamafy ny fahasahiranana ara-toekarena, mihalefy ny fahamarinana sy ny soatoavina, ary maro no very fanantenana.
Manoloana izany rehetra izany dia mipetraka ny fanontaniana: Inona no andraikitry ny Kristianina?
Tsy natao hijery fotsiny isika. Tsy natao hitsikera fotsiny. Tsy natao hitaraina fotsiny.
Ny Baiboly dia mampianatra antsika fa ny vahoakan’Andriamanitra dia nantsoina ho fahazavan’izao tontolo izao sy fanasin’ny tany, ary indrindra ho olona mahay mivavaka.
Isaky ny niatrika fotoan-tsarotra ny olon’Andriamanitra tao amin’ny Baiboly dia nivory hitady ny Tompo izy ireo. Rehefa niatrika ady i Josafata dia niantso ny vahoaka hivavaka. Rehefa nananontanona ny fandringanana ny Jiosy dia niantso fifadian-kanina sy vavaka i Estera. Rehefa nanota ny firenena dia nijoro nivavaka ho azy i Daniela sy Nehemia. Ary ny Fiangonana voalohany dia nivory niray fo tamin’ny vavaka, ka niasa tamin-kery Andriamanitra.
Izany no antony iantsoantsika antsika rehetra rahampitso.
Tsy fivoriana politika. Tsy fivoriana ho an’ny fiangonana iray. Tsy fivoriana ho an’ny fikambanana iray.
Fa fiantsoana ny Kristianina rehetra hiara-hanetry tena eo anatrehan’Andriamanitra sy hitalaho ho an’i Madagasikara.
Hoy ny Tenin’Andriamanitra:
“Raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny.” (2 Tantara 7:14)
Tsy afaka manova ny fon’olombelona ny lalàna irery. Tsy afaka manasitrana ny firenena ny tetikasa irery. Fa Andriamanitra no afaka manova olona, mampihavana, manome fahendrena ny mpitondra, miaro ny tanindrazana ary mamerina ny fanantenana.
Koa aza avela ho an’ny hafa ny andraikitrao.
Raha tia an’i Madagasikara ianao, tongava.
Raha mino ny herin’ny vavaka ianao, tongava.
Raha maniry ny hahita fanarenana sy fifohazana ianao, tongava.
📅 Asabotsy 25 Jolay 2026
🕣 8 ora sy sasany maraina ka hatramin’ny 4 ora hariva
📍 Parvis Analakely
Andao hiara-hanandratra ny firenentsika eo anatrehan’Ilay Andriamanitra velona.
Andao tena hiverina marina amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy.
Ny vavaka ataon’ny marina dia mahery indrindra ka andao hitsangana eh (Jakoba 5:16).